Omeo Voninahitra ny Hafa
“Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” — ROMANA 12:10.
1, 2. a) Inona no tsy maintsy ataontsika ho fahazarana mba hanehoana fanetren-tena? b) Ahoana matetika no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe ‘fanomezam-boninahitra’, ary mora kokoa ho an’iza ny manome voninahitra ny hafa?
NANTITRANTERIN’NY lahatsoratra teo aloha izao torohevitry ny Tenin’Andriamanitra izao: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’.” (1 Petera 5:5). Fomba iray isikinantsika fanetren-tena ny fahazarana manome voninahitra ny hafa.
2 Ampiasaina matetika ao amin’ny Baiboly ny teny hoe ‘fanomezam-boninahitra’, mba hilazana ny fanajana sy ny fanisiana vidiny ary ny fiheverana tokony hasehontsika amin’ny hafa. Manome voninahitra ny hafa isika, rehefa maneho hatsaram-panahy aminy, manaja ny fahamendrehany, mihaino ny fomba fiheviny, vonona hanatanteraka ny fangatahany izay araka ny antonony. Mazàna no tsy ho sarotra ho an’ny olona manetry tena izany. Mety ho sarotra ho an’ny miavona am-po kosa anefa ny manome voninahitra amim-pahatsorana, fa aleony angamba miezaka hahazo fiheverana sy tombontsoa amin’ny fandokafana tsy amim-pahatsorana.
Manome voninahitra ny olombelona i Jehovah
3, 4. Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra an’i Abrahama, ary nahoana?
3 Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manome ohatra, raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra. Namorona ny olombelona hanana safidy malalaka izy, ary tsy mitondra azy ireo toy ny milina mandeha ho azy. (1 Petera 2:16). Nilaza tamin’i Abrahama izy, ohatra, fa horavana i Sodoma noho ny faharatsiany nihoa-pampana. Tamin’izay dia nanontany i Abrahama hoe: “Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo?” Namaly i Jehovah fa hitsimbina ilay tanàna izy, noho ireo olo-marina 50. Nanohy ny fiangaviany tamim-panetren-tena i Abrahama nony avy eo. Ahoana raha nisy 45? 40? 30? 20? 10? monja tao? Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah fa tsy handrava an’i Sodoma izy, raha olo-marina folo monja no hita tao. — Genesisy 18:20-33.
4 Fantatr’i Jehovah fa tsy nisy olo-marina folo tao Sodoma, kanefa nanome voninahitra an’i Abrahama izy, rehefa nihaino ny heviny sy nitondra azy tamim-panajana. Fa nahoana? Satria i Abrahama “nino an’i Jehovah (...); ka dia nisainy ho fahamarinany izany”. Nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama. (Genesisy 15:6; Jakoba 2:23). Ankoatra izany, dia hitan’i Jehovah fa nanome voninahitra ny hafa i Abrahama. Niady faritany ny mpiandry ombin’i Abrahama sy ny mpiandry ombin’i Lota, zana-drahalahiny. Tamin’izay dia nanome voninahitra an’i Lota i Abrahama, rehefa nilaza taminy mba hifidy voalohany ny faritra tiany. Nifidy ny tany noheveriny ho tsara indrindra i Lota, ary dia nifindra nankany an-toeran-kafa i Abrahama. — Genesisy 13:5-11.
5. Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra an’i Lota?
5 Nanome voninahitra an’i Lota marina toy izany koa i Jehovah. Nasainy nandositra tany an-tendrombohitra i Lota, talohan’ny nandravana an’i Sodoma. Nilaza anefa i Lota fa tsy naniry handeha tany an-tendrombohitra izy, fa naleony nankeo Zoara akaiky teo, na dia tao anatin’ilay faritra tokony horavana aza izy io. Hoy i Jehovah tamin’i Lota: “Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.” Nanome voninahitra an’i Lota nahatoky i Jehovah, rehefa nanaiky izay nangatahin’i Lota. — Genesisy 19:15-22; 2 Petera 2:6-9.
6. Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra an’i Mosesy?
6 Naniraka an’i Mosesy hiverina tany Ejipta i Jehovah mba hitarika ny vahoakany hiala avy tamin’ny fanandevozana, ary hilaza amin’i Farao mba hamela ny vahoakan’Andriamanitra handeha. Tamin’izay dia hoy ny navalin’i Mosesy: “Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho”. Nanome toky an’i Mosesy toy izao i Jehovah: “Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.” Mbola niahotra ihany anefa i Mosesy. Tamin’izay dia nanome toky azy indray i Jehovah, ka naniraka an’i Arona rahalahiny hiaraka aminy, mba ho mpitondra teniny. — Eksodosy 4:10-16.
7. Nahoana i Jehovah no vonona hanome voninahitra ny hafa?
7 Tamin’ireo ohatra rehetra ireo, dia nasehon’i Jehovah fa vonona hanome voninahitra ny hafa izy, indrindra fa ireo nanompo azy. Na dia nety ho hafa noho izay nokasain’i Jehovah tamin’ny voalohany aza ny zavatra nangatahin’izy ireo, dia nasiany fiheverana ny fangatahan’izy ireo ka noleferiny, raha mbola tsy nifanipaka tamin’ny fikasany koa.
Nanome voninahitra ny hafa i Jesosy
8. Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra vehivavy iray narary mafy?
8 Nanahaka an’i Jehovah i Jesosy, raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra ny hafa. Indray mandeha, tao anatin’ny vahoaka, dia nisy vehivavy iray narary nandeha ra efa hatramin’ny 12 taona. Tsy nahasitrana ilay vehivavy ireo dokotera. Noheverina ho naloto io vehivavy io, raha araka ny fombafomba notakin’ny Lalàn’i Mosesy, koa tsy tokony ho teo izy. Nankeo ivohon’i Jesosy izy, ka nikasika ny fitafiany, ary dia sitrana. Tsy nanizingizina ireo tsipiriany tamin’ny Lalàna i Jesosy, ka hoe nandevilevy an-dravehivavy noho izay nataony. Nanome voninahitra an’ilay vehivavy kosa i Jesosy, noho ny nahafantarany ny tarehin-javatra nisy azy io, ka hoy izy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.” — Marka 5:25-34; Levitikosy 15:25-27.
9. Ahoana no nanomezan’i Jesosy voninahitra Jentilisa iray?
9 Nisy vehivavy fenisianina iray nilaza toy izao tamin’i Jesosy, tamin’ny fotoana hafa: “Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.” Fantatr’i Jesosy fa nirahina ho any amin’ny firenen’ny Isiraely izy, fa tsy ho any amin’ny Jentilisa, ka hoy izy: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza [ny an’ny Isiraely] ka manipy azy ho an’ny amboakely [Jentilisa].” Hoy ny navalin’ilay vehivavy: “Na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.” Dia hoy i Jesosy: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao.” Sitrana ny zanany vavy. Nanome voninahitra an’io vehivavy jentilisa io i Jesosy, noho ny finoan’izy io. Na dia ilay teny nampiasain’i Jesosy hoe “amboakely”, fa tsy hoe alikadia, aza, dia nanalefaka ilay fampitahana, ka nampiseho ny fangoraham-pony. — Matio 15:21-28.
10. Lesona mafonja inona no nampianarin’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana no nilaina izany?
10 Nanohy nampianatra ny mpianany ny amin’ny ilana hanehoana fanetren-tena sy hanomezam-boninahitra ny hafa i Jesosy, satria mbola olana teo amin’izy ireo ihany ilay toe-tsain’ny izaho aloha. Indray mandeha, rehefa avy nifanditra izy ireo, dia nanontanian’i Jesosy hoe: “Inona no niadianareo hevitra?” Tsy nahateny izy ireo, satria ‘efa niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra’. (Marka 9:33, 34). Na dia tamin’ilay alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy aza, dia “nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe”. (Lioka 22:24). Koa nandritra ny fihinanana ny Paska, dia “nampidina rano tamin’ny tavy [i Jesosy] ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra”. Lesona mafonja re izany! Zanak’Andriamanitra i Jesosy, manarakaraka an’i Jehovah avy hatrany, eo amin’izao rehetra izao. Nanome lesona ny mpianany momba ny fanomezam-boninahitra anefa izy, tamin’ny nanasany ny tongotr’izy ireo. Hoy izy: “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” — Jaona 13:5-15.
Nanome voninahitra ny hafa i Paoly
11, 12. Rehefa tonga Kristianina i Paoly, inona no nianarany, ary ahoana no nampiharany io lesona io, nifandray tamin’i Filemona?
11 Nanahaka an’i Kristy ny apostoly Paoly, ka nanome voninahitra ny hafa koa. (1 Korintiana 11:1). Hoy izy: “Ary tsy nitady voninahitra tamin’olona izahay (...). Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany”. (1 Tesaloniana 2:6, 7). Mikarakara ny zanany kely ny reny mitaiza. Rehefa tonga Kristianina i Paoly, dia nianatra ny nanetry tena, ka nanome voninahitra ny Kristianina namany, tamin’ny nitondrany azy ireo tamim-pahalemem-panahy. Nanaja ny safidy malalaka nananan’izy ireo koa izy rehefa nanao izany, araka ny nasehon’ny zava-nitranga iray, fony izy voafonja tany Roma.
12 Nihaino ny fampianaran’i Paoly ny andevo iray nandositra, nantsoina hoe Onesimosy. Tonga Kristianina, no sady tonga sakaizan’i Paoly, io andevo io. Kristianina koa ny tompon’io andevo io, dia i Filemona, izay nonina tany Azia Minora. Nosoratan’i Paoly tao amin’ny taratasy iray ho an’i Filemona, fa tena nahasoa azy i Onesimosy, ka hoy izy: “Saiky nohazoniko taty amiko izy hanompo ahy”. Na izany aza, dia naverin’i Paoly tany amin’i Filemona i Onesimosy, satria izao no nosoratany: “Raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ny sitrapo.” Tsy nanararaotra ny toerany tamin’ny naha apostoly azy i Paoly, fa nanome voninahitra an’i Filemona kosa, ka tsy nangataka ny hihazona an’i Onesimosy tany Roma. Ankoatra izany, dia nampirisihin’i Paoly i Filemona mba hanome voninahitra an’i Onesimosy, ka hitondra azy “mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala”. — Filemona 13-16.
Fanomezam-boninahitra amin’izao androntsika izao
13. Inona no asain’ny Romana 12:10 ataontsika?
13 Hoy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romana 12:10). Midika izany fa tsy tokony hiandry isika hoe ny hafa aloha no hanome voninahitra antsika, fa isika no tokony hanao ny dingana voalohany. “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” (1 Korintiana 10:24; 1 Petera 3:8, 9). Araka izany, ny mpanompon’i Jehovah dia mitady fahafahana hanomezam-boninahitra ny mpianakaviny, ny Kristianina ao amin’ny kôngregasiôna, eny fa na ireo izay any ivelan’ny kôngregasiôna aza.
14. Ahoana no ifanomezan’ny mpivady voninahitra?
14 Hoy ny Baiboly: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy”. (1 Korintiana 11:3). Adidy napetrak’i Jehovah tamin’ny lehilahy ny hitondrany ny vadiny, toy ny nitondran’i Kristy ny kôngregasiôna. Ao amin’ny 1 Petera 3:7, dia didiana mba hanaja ny vadiny “tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa” ny lehilahy. Afaka manao izany ny lehilahy, amin’ny fampisehoany fa tena vonona ny hihaino izy, ary amin’ny fiheverany ny fanoloran-kevitry ny vadiny. (Genesisy 21:12). Azon’ny lehilahy atao ny mamela ny vadiny hifidy voalohany, rehefa tsy misy raharaha lehibe tafiditra, ary manao zavatra ho an’ny vadiny sady mitondra azy amin-katsaram-panahy izy. Ny “vavy [kosa] hanaja ny lahy”. (Efesiana 5:33). Mihaino ny vadiny ravehivavy, tsy mitady foana ny hanao izay tiany, ary tsy manao tsinontsinona ny vadiny na manorisory azy. Maneho fanetren-tena ny vehivavy, amin’ny fiezahana tsy hifehy ny vadiny, na dia mahay kokoa aza ny tenany, eo amin’ny sehatra sasany.
15. Ahoana no anehoana fiheverana ireo be taona, ary ahoana no tokony hasetrin’izy ireo izany?
15 Ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina, dia ao ireo izay mendrika ny homem-boninahitra manokana, toy ireo be taona. “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy”. (Levitikosy 19:32). Izany indrindra no tokony hatao amin’ireo izay nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatramin’ny taona maro, satria ‘satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy azo ao amin’ny lalan’ny fahamarinana’. (Ohabolana 16:31). Tokony hanome ohatra ny mpiandraikitra, raha ny amin’ny fiheverana tokony haseho amin’ny Kristianina hafa izay be taona noho izy. Mazava ho azy fa ny be taona koa dia tokony haneho fanajana ny tanora kokoa, indrindra fa ireo izay manana andraikitra hiandry ny andian’ondry. — 1 Petera 5:2, 3.
16. Ahoana no ifanomezan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka voninahitra?
16 Tokony hanome voninahitra ny ray aman-dreniny ny ankizy: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’.” Ny ray aman-dreny indray kosa manome voninahitra ny zanany, satria ilazana izy ireo mba ‘tsy hampahatezitra ny zanany, fa hitaiza azy amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo’. — Efesiana 6:1-4; Eksodosy 20:12.
17. Iza no mendrika hahazo “fanajana roa heny”?
17 Tokony homem-boninahitra koa ireo izay miasa mafy amin’ny fanompoana ny kôngregasiôna: “Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.” (1 Timoty 5:17). Fomba iray azontsika anomezam-boninahitra azy ireo ny fanarahana izao lazain’ny Hebreo 13:17 izao: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy”.
18. Inona no tokony hataontsika amin’ireo izay any ivelan’ny kôngregasiôna?
18 Moa ve isika tokony hanome voninahitra an’ireo izay any ivelan’ny kôngregasiôna? Eny. Ohatra, didiana toy izao isika: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe.” (Romana 13:1). Izany dia ireo mpitondra fanjakana izay avelan’i Jehovah hampihatra fahefana, mandra-pisolon’ny Fanjakany azy ireo. (Daniela 2:44). Noho izany, isika dia ‘mandoa amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadintseranana ho an’izay tokony handoavana fadintseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina’. (Romana 13:7). Tokony ‘hanaja ny olona rehetra’ isika. — 1 Petera 2:17.
19. Ahoana no azontsika ‘anaovan-tsoa’ amin’ny hafa sy anomezana voninahitra azy ireo?
19 Marina fa tokony homentsika voninahitra na dia ireo izay any ivelan’ny kôngregasiôna aza. Na izany aza, dia mariho izao antitranterin’ny Tenin’Andriamanitra izao: “Araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10). Mazava ho azy fa ny fomba tsara indrindra azontsika ‘anaovan-tsoa’ amin’ny hafa, dia ny fikarakarana sy ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’izy ireo ara-panahy. (Matio 5:3, NW ). Azontsika atao izany, amin’ny fanarahana izao fampahatsiahivan’ny apostoly Paoly izao: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” Rehefa mampiasa amim-pahaiza-mandanjalanja ny fahafahana rehetra mba hanaovana fanambarana isika, ka ‘manatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoantsika’, dia tsy vitan’ny hoe manao soa amin’ny olona rehetra isika, fa manome voninahitra azy ireo koa. — 2 Timoty 2:15; 4:5, NW.
Fanomezam-boninahitra an’i Jehovah
20. Inona no nanjo an’i Farao sy ny tafiny, ary nahoana?
20 Manome voninahitra ny zavaboariny i Jehovah. Ara-dalàna àry raha tokony hanome voninahitra azy koa isika. (Ohabolana 3:9; Apokalypsy 4:11). Hoy koa ny Tenin’i Jehovah: “Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.” (1 Samoela 2:30). Namaly an’avona toy izao i Farao mpanjakan’i Ejipta, rehefa nilazana mba hamela ny vahoakan’Andriamanitra handeha: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny?” (Eksodosy 5:2). Rehefa nandefa ny tafiny hanamontsana ny Isiraelita i Farao, dia nampisaraka ny Ranomasina Mena teo anoloan’ny Isiraely i Jehovah. Naverin’i Jehovah anefa ireo rano, rehefa nanaraka tao aoriana ny Ejipsianina. “Ny kalesin’i Farao sy ny miaramilany natsipin[’i Jehovah] ao amin’ny ranomasina”. (Eksodosy 14:26-28; 15:4). Koa nitondra fiafarana nahatsiravina ho an’i Farao ny nandavany tamim-piavonavonana tsy hanome voninahitra an’i Jehovah. — Salamo 136:15.
21. Nahoana i Jehovah no namely an’i Belsazara, ary inona no vokatr’izany?
21 Tsy nety nanome voninahitra an’i Jehovah koa i Belsazara Mpanjakan’i Babylona. Nandritra ny fanasana iray nimamoana, dia naniratsira an’i Jehovah i Belsazara, tamin’ny nisotroany divay tamin’ny fanaka masina volamena sy volafotsy, nalaina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Ary nidera ireo andriamaniny sampy izy teo am-panaovana izany. Hoy anefa i Daniela mpanompon’i Jehovah taminy: “Hianao (...) tsy mba nampietry ny fonao (...); fa niavonavona tamin’ny Tompon’ny lanitra hianao”. Novonoina i Belsazara tamin’io alina io ihany, ary nesorina taminy ny fanjakany. — Daniela 5:22–6:1.
22. a) Nahoana no nihatra tamin’ireo mpitarika teo amin’ny Isiraely sy ny vahoakany ny fahatezeran’i Jehovah? b) Iza no nahazo sitraka tamin’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?
22 Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nikabary tamin’ny vahoaka i Heroda Mpanjaka, koa niantsoantso ny vahoaka hoe: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” Tsy nanda izany ilay mpanjaka fatra-pirehareha, fa naniry hahazo voninahitra. Tamin’izay, dia “nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy”. (Asan’ny Apostoly 12:21-23). Ny tenany, fa tsy i Jehovah, no nomen’i Heroda voninahitra, ka dia nasiana ho faty izy. Tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra ny mpitarika ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany, rehefa niray tetika hamono an’i Jesosy Zanany. Fantatry ny mpanapaka sasany fa nampianatra ny fahamarinana i Jesosy, kanefa tsy nanaraka azy izy ireo, satria “tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Jaona 11:47-53; 12:42, 43). Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, na nanome voninahitra an’i Jesosy Solontenany voatendry, ilay firenena tamin’ny fitambarany. Ho vokany, dia tsy nanome voninahitra azy ireo intsony i Jehovah, ka namela azy ireo ho ringana ary ny tempoliny ho rava. Notsimbininy kosa anefa ny ain’ireo izay nanome voninahitra azy sy ny Zanany. — Matio 23:38; Lioka 21:20-22.
23. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hiainantsika ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra? (Salamo 37:9-11; Matio 5:5).
23 Tsy maintsy manome voninahitra an’Andriamanitra sy i Kristy Jesosy Zanany, ary tsy maintsy mankato azy ireo, ny olona rehetra maniry hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, aorian’ny handravana ity fandehan-javatra ankehitriny ity. (Jaona 5:22, 23; Filipiana 2:9-11). “Hofongorana amin’ny tany” ireo izay tsy manome voninahitra azy ireo. Etsy an-danin’izany, dia ireo olona mahitsy izay manome voninahitra sy mankato an’Andriamanitra sy i Kristy, “no honina amin’ny tany”. — Ohabolana 2:21, 22.
Ho Famerenana
◻ Inona no dikan’ny hoe manome voninahitra ny hafa, ary ahoana no nanaovan’i Jehovah izany?
◻ Ahoana no nanomezan’i Jesosy sy i Paoly voninahitra ny hafa?
◻ Iza no mendrika homem-boninahitra amin’izao androntsika izao?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy manome voninahitra an’i Jehovah sy i Jesosy?
[Sary, pejy 17]
Nanome voninahitra an’i Abrahama i Jehovah tamin’ny niheverany ny fiangaviany
[Sary, pejy 18]
Mifanome voninahitra ny mpivady manana fanambadiana vanona