Ry Ray Aman-dreny, Inona no Ampianarin’ny Ohatra Omenareo?
“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; ary mandehana amin’ny fitiavana”. — EFESIANA 5:1, 2.
1. Karazana toromarika manao ahoana no nomen’i Jehovah ny mpivady olombelona voalohany?
I JEHOVAH no Loharanon’ny fianakaviana. Avy aminy no nampisy ny fianakaviana rehetra, satria izy no nanorina ny fianakaviana voalohany sy nanome fahafahana hiteraka ho an’ny mpivady olombelona voalohany. (Efesiana 3:14, 15). Nanome an’i Adama sy i Eva toromarika fototra momba ny andraikitr’izy ireo i Jehovah, ary nanome azy ireo koa fahalalahana teo amin’ny fomba hanatanterahany ireny toromarika ireny. (Genesisy 1:28-30; 2:6, 15-22). Taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva, dia nanjary sarotra kokoa ny toe-javatra tsy maintsy natrehin’ny fianakaviana. Na izany aza, dia nanome toro lalana tamim-pitiavana i Jehovah mba hanampiana ny mpanompony hiatrika ny toe-javatra toy izany.
2. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanamafisan’i Jehovah ny fampianarana an-tsoratra tamin’ny toromarika am-bava? b) Inona no fanontaniana ilain’ny ray aman-dreny hapetraka amin’ny tenany?
2 Mpampianatra Lehibe antsika i Jehovah, ka tsy nianina tamin’ny fanomezana toromarika an-tsoratra fotsiny, raha ny amin’izay tokony hataontsika sy izay tokony hohalavirintsika. Tamin’ny andro fahiny, ny fampianarana an-tsoratra dia nampiany toromarika am-bava, izay nomeny tamin’ny alalan’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny loham-pianakaviana. Iza no ampiasainy mba hanome izany fampianarana am-bava izany amin’izao androntsika izao? Ny loholona sy ny ray aman-dreny kristianina. Raha ray na reny ianao, moa ve ianao manao ny anjaranao amin’ny fampianarana ny mpianakavinao ny lalan’i Jehovah? — Ohabolana 6:20-23.
3. Inona no azon’ny loham-pianakaviana ianarana avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fampianarana mandaitra?
3 Amin’ny fomba ahoana no tokony hanomezana ny fampianarana toy izany eo anivon’ny mpianakavy? Manome ny modely harahina i Jehovah. Lazainy mazava izay atao hoe tsara sy ratsy, ary tsy sasatry ny mamerimberina izy. (Eksodosy 20:4, 5; Deoteronomia 4:23, 24; 5:8, 9; 6:14, 15; Josoa 24:19, 20). Mampiasa fanontaniana mampisaintsaina izy. (Joba 38:4, 8, 31). Manentana ny fihetseham-pontsika sy mamolavola ny fontsika, amin’ny alalan’ny fanoharana sy ny ohatra navelan’ny olona tena nisy, izy. (Genesisy 15:5; Daniela 3:1-29). Ry ray aman-dreny, moa ve ianareo miezaka hanahaka izany modely izany, rehefa mampianatra ny zanakareo?
4. Inona no ianarantsika avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fampiharana famaizana, ary nahoana no zava-dehibe ny famaizana?
4 Hentitra i Jehovah raha ny amin’izay marina, kanefa takany koa ny vokatry ny tsy fahalavorariana. Koa alohan’ny hanasaziany, dia mampianatra izy, ary mamerimberina mampitandrina sy mampahatsiahy ny olombelona tsy lavorary. (Genesisy 19:15, 16; Jeremia 7:23-26). Rehefa manafay izy, dia ataony araka ny tokony ho izy izany, fa tsy tafahoatra. (Salamo 103:10, 11; Isaia 28:26-29). Raha toy izany no fomba itondrantsika ny zanatsika, dia porofoin’izany fa mahafantatra an’i Jehovah isika, ary ho mora kokoa ho an’ny zanatsika ny hahafantatra an’i Jehovah koa. — Jeremia 22:16; 1 Jaona 4:8.
5. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Jehovah, raha ny amin’ny fihainoana?
5 Mahatalanjona fa mihaino i Jehovah, ilay Ray be fitiavana any an-danitra. Tsy mamoaka didy fotsiny izy, fa mampirisika antsika koa mba handoatra ny ao am-pontsika aminy. (Salamo 62:8). Ary raha tsy dia tsara loatra ny fihetseham-po asehontsika, dia tsy mitezitra mafy avy any an-danitra izy. Mampianatra antsika amim-paharetana izy. Mety tokoa àry izao torohevitra nomen’ny apostoly Paoly izao: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”! (Efesiana 4:31–5:1). Ohatra tsara tokoa re izany omen’i Jehovah ny ray aman-dreny izany, eo am-piezahan’izy ireo hampianatra ny zanany! Ohatra manohina ny fontsika izany, ka mahatonga antsika haniry handeha amin’ny lalan’i Jehovah, izay mitarika ho amin’ny fiainana.
Ny herin’ny ohatra omena
6. Amin’ny ahoana ny fihetsiky ny ray aman-dreny sy ny ohatra omeny no misy heriny eo amin’ny zanany?
6 Ankoatra ny toromarika am-bava, dia misy heriny lalina eo amin’ny ankizy koa ny ohatra omena. Na tian’ny ray aman-dreny izany na tsia, dia hanahaka azy ny zanany. Mety ho faly ny ray aman-dreny, ary indraindray mety ho taitra, rehefa mandre ny zanany milaza zavatra izay efa nolazain’izy ray aman-dreniny ihany. Rehefa mampiseho taratry ny fankasitrahana lalina ny zavatra ara-panahy ny fitondran-tenan’ny ray aman-dreny sy ny fihetsiny, dia misy heriny tsara eo amin’ny zanany izany. — Ohabolana 20:7.
7. Karazana ohatra nanao ahoana no nomen’i Jefta ny zanany vavy, ary inona no vokatr’izany?
7 Aseho mazava tsara ao amin’ny Baiboly ny herin’ny ohatra omen’ny ray aman-dreny. I Jefta, izay nampiasain’i Jehovah mba hitarika ny Isiraely handresy ny Amonita, dia raim-pianakaviana koa. Asehon’ny fitantarana momba ny valin-tenin’i Jefta tamin’ny mpanjakan’i Amona, fa tsy maintsy efa novakiny imbetsaka ny tantara momba ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraely. Afaka nanonona avy hatrany izany tantara izany izy, ary nampiseho finoana natanjaka an’i Jehovah. Tsy isalasalana fa ny ohatra nomen’i Jefta, dia nanampy ny zanany vavy hamboly ilay finoana sy ilay toe-tsaina feno fahafoizan-tena, izay nasehony fony izy nirotsaka tamin’ny fanompoana iray naharitra nandritra ny androm-piainany. Zazavavy mpitovo natokana ho an’i Jehovah ilay zanany vavy tamin’io fotoana io. — Mpitsara 11:14-27, 34-40; ampitahao amin’ny Josoa 1:8.
8. a) Fihetsika tsara dia tsara inona no nasehon’ny ray aman-drenin’i Samoela? b) Tamin’ny ahoana izany no nitondra soa ho an’i Samoela?
8 Fakan-tahaka i Samoela fony izy mbola kely, ary mpaminany nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra izy, nandritra ny androm-piainany. Ho tianao ho toa an’i Samoela ve ny zanakao, rehefa lehibe? Fakafakao ny ohatra navelan’i Elkana sy i Hana, ray aman-drenin’i Samoela. Na dia tsy tonga lafatra aza ny toe-javatra tao an-tokantranon’izy ireo, dia niakatra tsy tapaka nankany Silo izy ireo, mba hanolotra fanompoam-pivavahana tany amin’ilay toerana nisy ny tabernakely masina. (1 Samoela 1:3-8, 21). Mariho ny halalin’ny fihetseham-pon’i Hana, rehefa nivavaka izy. (1 Samoela 1:9-13). Mariho ny fiheveran’izy mivady ny maha zava-dehibe ny hanefana izay voady natao tamin’Andriamanitra. (1 Samoela 1:22-28). Tsy isalasalana fa ny ohatra tsara dia tsara nomen’izy ireo, dia nanampy an’i Samoela hamboly ireo toetra izay nahatonga azy hanaraka lalana marina, na dia rehefa tsy nanaja ny lalan’Andriamanitra aza ny olona nanodidina azy noheverina ho nanompo an’i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanankinan’i Jehovah andraikitra ho mpaminaniny i Samoela. — 1 Samoela 2:11, 12; 3:1-21.
9. Inona avy no nisy heriny tsara teo amin’i Timoty, tao an-tokantrano? b) Tonga karazan’olona nanao ahoana i Timoty?
9 Moa ve ny zanakao lahy ho tianao ho tahaka an’i Timoty, izay tonga mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly, raha mbola zatovo? Tsy mpino ny rain’i Timoty, kanefa nanome ohatra tsara dia tsara ny reniny sy ny renibeny, raha ny amin’ny fankasitrahana zavatra ara-panahy. Tsy isalasalana fa nanampy mba hanorenana fototra tsara ho an’ny fiainan’i Timoty tamin’ny naha Kristianina azy, izany. Voalaza fa nanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy”, i Eonika reniny sy i Loisa renibeny. Tsy nisy fihatsarambelatsihy ny fiainan’izy mianaka tamin’ny naha Kristianina azy ireo; tena niaina nifanaraka tamin’izay nolazainy fa ninoany izy ireo, ary nampianatra an’i Timoty kely mba hanao toy izany koa. Noporofoin’i Timoty fa azo nianteherana ny tenany sady niahy tamim-pahatsorana izay hahasoa ny hafa. — 2 Timoty 1:5; Filipiana 2:20-22.
10. a) Ny ohatr’iza avy, any ivelan’ny tokantrano, no mety hisy heriny eo amin’ny zanatsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa miseho eo amin’ny fitenin’ny zanatsika na ny fihetsiny ny herin’izy ireny?
10 Tsy ny ohatra omen’ny ao an-tokantrano ihany anefa no misy heriny eo amin’ny zanatsika. Eo koa ireo ankizy miara-mianatra aminy, ireo mpampianatra manana andraikitra hamolavola ny sain’ny ankizy, ireo olona manizingizina fa ny rehetra dia tokony hanaraka ireo fomba amam-panao efa latsa-paka lalina ao amin’ny foko na ny fiaraha-monina, ireo olo-malaza amin’ny fanatanjahan-tena izay deraina hatraiza hatraiza ny zava-bitany, ary ireo mpitondra fanjakana izay asongadina amin’ny filazam-baovao ny fitondran-tenany. Ankizy an-tapitrisany maro koa no mahita ny habibiana amin’ny ady. Tokony hahagaga antsika ve raha miseho eo amin’ny fitenin’ny zanatsika na ny fihetsiny ny herin’ireo zavatra ireo? Ahoana no fihetsitsika rehefa izany no mitranga? Vahaolana ve ny manao teny maharary na ny mandevilevy? Tsy tokony ho tezitra avy hatrany amin’ny zanatsika isika, fa aleo kosa manontany tena hoe: ‘Misy zavatra mety hanampy antsika hamantatra ny fomba hiatrehana izao toe-javatra izao ve eo amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah amintsika?’ — Ampitahao amin’ny Romana 2:4.
11. Rehefa manao fahadisoana ny ray aman-dreny, amin’ny ahoana izany no mety hisy heriny eo amin’ny fihetsiky ny zanany?
11 Mazava ho azy fa tsy ny fomba tsara indrindra foana akory no harahin’ny ray aman-dreny tsy lavorary rehefa miatrika ny toe-javatra miseho, fa hanao fahadisoana izy ireo. Rehefa takatry ny zanany izany, moa ve izany hampihena tsikelikely ny fanajan’izy ireo ny ray aman-dreniny? Mety ho izany no hitranga, indrindra fa raha mitady hanarontsarona ny fahadisoany ny ray aman-dreny, amin’ny fanantitranterany mafy ny fahefany. Mety ho tena hafa noho izany kosa anefa ny vokatra ho azo, raha manetry tena sy miaiky amim-pahatsorana ny fahadisoany ny ray aman-dreny. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny ray aman-dreny manome ohatra sarobidy hotahafin’ny zanany, izay mila mianatra manao toy izany koa. — Jakoba 4:6.
Izay ampianarin’ny ohatra omentsika
12, 13. a) Inona no ilain’ny zanaka hianarana momba ny fitiavana, ary ahoana no azo ampianarana izany amin’ny fomba mandaitra indrindra? b) Nahoana no zava-dehibe ny ianaran’ny zanaka momba ny fitiavana?
12 Misy lesona sarobidy maro izay azo ampianarina amin’ny fomba mandaitra indrindra, rehefa ampiarahina amin’ny ohatra tsara ny toromarika am-bava. Diniho ny vitsivitsy amin’izany:
13 Fanehoana fitiavana tsy misy fitiavan-tena: Iray amin’ireo lesona lehibe indrindra tokony hohamafisina amin’ny ohatra omena, ny hevitry ny hoe fitiavana. “Isika tia, satria [Andriamanitra] efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19). Andriamanitra no Loharanon’ny fitiavana sy ohatra fara tampony ny amin’ny fitiavana. Voaresaka in-100 mahery ao amin’ny Baiboly io fitiavana miorina amin’ny foto-pitsipika io — ny fitiavana a·gaʹpe. Toetra iray mampiavaka ny Kristianina marina izy io. (Jaona 13:35). Tokony haseho amin’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy io fitiavana io, ary tokony hasehon’ny olona amin’izy samy izy koa, eny, tokony haseho na dia amin’ny olona mety tsy hiraiketan’ny fontsika aza. (Matio 5:44, 45; 1 Jaona 5:3). Tsy maintsy ao am-pontsika sy miharihary eo amin’ny fiainantsika io fitiavana io, alohan’ny hahafahantsika hampianatra azy io amin’ny fomba mandaitra amin’ny zanatsika. Misy lanjany kokoa noho ny teny mantsy ny atao. Ilain’ny zanaka ny mahita sy ny mahatsapa ny fitiavana sy ireo toetra mifandray amin’izy io, toy ny firaiketam-po, eo anivon’ny mpianakavy. Raha tsy misy an’ireo, dia ho voasakantsakana ny fivelaran’ny zaza iray ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Ilain’ny zanaka koa ny mahita ny fomba tokony hanehoana ny fitiavana sy ny firaiketam-po, amin’ny Kristianina hafa ivelan’ny mpianakavy. — Romana 12:10; 1 Petera 3:8.
14. a) Ahoana no azo ampianarana ny zanaka hanao asa tsara izay mitondra fahafaham-po? b) Ahoana no azo ampiharana izany eo anivon’ny mpianakavinao?
14 Fianarana miasa: Lafiny fototra iray amin’ny fiainana ny asa. Mila mianatra ny fomba fanaovana asa tsara ny olona iray, mba hahatsapany tena ho misy vidiny. (Mpitoriteny 2:24; 2 Tesaloniana 3:10). Raha asaina manao zavatra izay tsy nampianarina azy tsara ny ankizy iray, ary avy eo dia bedesina fa tsy nataony tsara ilay izy, dia azo inoana fa tsy hianatra ny hanao asa tsara izy. Rehefa miana-javatra anefa ny zanaka amin’ny fiasana eo anilan’ny ray aman-dreniny, ka mahazo teny fiderana sahaza, dia azo inoana kokoa fa hianatra ny hanao asa izay mitondra fahafaham-po izy. Raha ampiarahina amin’ny fanazavana ny ohatra omen’ny ray aman-dreny, dia mety ho tsy ny fomba famitana asa fotsiny no hianaran’ny zanaka, fa hianarany koa ny fomba fandresena zava-manahirana, ny fomba fikirizana amin’ny asa iray mandra-pahavitany, ary ny fomba fanjohian-kevitra sy fandraisana fanapahan-kevitra. Ao anatin’izany toe-javatra izany no azo anampiana ny ankizy hahatakatra fa miasa koa i Jehovah, manao asa tsara izy, ary manahaka ny Rainy i Jesosy. (Genesisy 1:31; Ohabolana 8:27-31; Jaona 5:17). Raha mamboly na miompy ny fianakaviana iray, na manao raharaham-barotra, dia afaka miara-miasa ny mpianakavy sasany. Na angamba afaka mampianatra ny zanany lahy na ny zanany vavy hahandro sakafo sy hanadio aorian’ny sakafo, ny renim-pianakaviana iray. Afaka manomana asa hiaraha-manao amin’ireo zanany ao an-trano ny raim-pianakaviana iray miasa any ivelan’ny tokantrano. Toy inona moa ny soa ho azo rehefa tsy mikendry ny hahavita izay asa misy eo fotsiny ny ray aman-dreny, fa manomana ny zanany ho amin’ny fiainana koa!
15. Amin’ny fomba ahoana avy no azo ampianarana momba ny finoana? Hazavao amin’ny ohatra.
15 Fihazonana finoana ao anatin’ny fahoriana: Lafiny iray tena lehibe amin’ny fiainantsika koa ny finoana. Rehefa dinihina mandritra ny fianaram-pianakaviana ny finoana, dia mety hianatra ny hanome famaritana azy io ny zanaka. Mety hanjary hahafantatra koa ny porofo mahatonga ny finoana hanomboka hitombo ao am-pony ny zanaka. Rehefa hitany anefa fa maneho finoana tsy azo hozongozonina ny ray aman-dreniny ao anatin’ny fisedrana mafy, dia mety haharitra mandritra ny androm-piainana ny vokatr’izany. Ny vehivavy iray nianatra Baiboly tany Panama, dia norahonan’ny vadiny horoahina hiala tao an-trano, raha tsy nijanona nanompo an’i Jehovah. Na izany aza, dia fahazarany tsy tapaka ny nandeha an-tongotra 16 kilaometatra, niaraka tamin’ireo zanany kely efatra, ary avy eo dia nandeha 30 kilaometatra indray tamin’ny aotobisy mba hahatongavana tany amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky indrindra. Nahazo fampirisihana avy tamin’izany ohatra nomeny izany ny 20 teo ho eo tamin’ny fianakaviany, ka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana.
Fanomezana ohatra ny amin’ny famakiana Baiboly isan’andro
16. Nahoana no ampirisihana ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly isan’andro?
16 Ny famakiana Baiboly tsy tapaka dia iray amin’ireo fanao sarobidy indrindra azon’ny fianakaviana rehetra arahina, izay sady hahasoa ny ray aman-dreny no ho ohatra hotahafin’ny zanaka. Mamakia Baiboly isan’andro, raha mbola azo atao koa. Tsy ny habetsahan’ny toko voavaky akory no zava-dehibe indrindra. Zava-dehibe lavitra ny famakiana tsy tapatapaka sy ny fomba fanaovana izany. Ho an’ny ankizy, ny famakiana Baiboly dia azo ampiana fihainoana cassettes mirakitra Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, raha misy amin’ny fiteninareo izy io. Manampy antsika hanasongadina hatrany ny fomba fihevitr’Andriamanitra, ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Ary raha tsy ny isam-batan’olona ihany no manao izany famakiana Baiboly izany fa ny mpianakavy koa, dia manampy ny mpianakavy rehetra handeha amin’ny lalan’i Jehovah izany. Izany fahazarana izany no nahazoana fampirisihana, tany amin’ireo Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” vao haingana izay, tamin’ilay fampisehoana tantara hoe Ry Fianakaviana — Ataovy Fomba Fiainanareo ny Famakiana Baiboly Isan’andro! — Salamo 1:1-3.
17. Amin’ny ahoana ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly sy ny fanaovana tsianjery andinin-teny fototra no manampy amin’ny fampiharana ny torohevitra ao amin’ny Efesiana 6:4?
17 Ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly, dia mifanaraka amin’izay nosoratan’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry ho an’ny Kristianina tany Efesosy, manao hoe: “Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Inona no hevitr’izany? Ny hoe “fanabezana ara-tsaina”, dia midika ara-bakiteny hoe “fametrahana ny saina ao amin’ny”. Koa ampirisihina àry ny raim-pianakaviana kristianina mba hametraka ny sain’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ireo zanany, izany hoe hanampy ny zanany hahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Afaka manampy ho amin’izany zava-kendrena izany ny fampirisihana ny ankizy hianatra tsianjery andinin-teny fototra. Ny tanjona dia ny hahatonga ny fomba fihevitr’i Jehovah hitari-dalana ny fisainan’ny zanaka, hany ka hampiseho tsikelikely taratry ny fari-pitsipik’Andriamanitra ny fanirian’izy ireo sy ny fitondran-tenany, na miaraka amin’ny ray aman-dreniny izy na tsia. Ny Baiboly no fototr’izany fisainana izany. — Deoteronomia 6:6, 7.
18. Rehefa mamaky ny Baiboly isika, inona no mety hilaina mba a) hahazoana mazava ny heviny? b) handraisan-tsoa avy amin’ny torohevitra raketiny? d) hanaovan-javatra mifanaraka amin’izay aharihariny momba ny fikasan’i Jehovah? e) handraisan-tsoa avy amin’izay lazainy momba ny fihetsik’olona sy ny zavatra nataony?
18 Mazava ho azy fa raha tiantsika hisy heriny eo amin’ny fiainantsika ny Baiboly, dia ilaintsika ny mahazo ny hevitr’izay lazainy. Ho an’ny maro, dia mety hitaky famerimberenana mamaky ampahany ao amin’ny Baiboly izany. Mety hilaintsika ny hijery teny ao amin’ny diksionera, na ao amin’ny Étude perspicace des Écritures, mba hahazoana tsara ny hevitry ny teny sasany. Raha mirakitra torohevitra na didy ilay andinin-teny, dia makà fotoana hiresahana momba ny toe-javatra azo ampiharana izany amin’izao androntsika izao. Azonao atao avy eo ny manontany hoe: ‘Amin’ny ahoana no mitondra soa ho antsika ny fampiharana io torohevitra io?’ (Isaia 48:17, 18). Raha miresaka ny amin’ny lafiny iray amin’ny fikasan’i Jehovah ilay andinin-teny, dia manontania hoe: ‘Amin’ny ahoana izany no misy akony eo amin’ny fiainantsika?’ Angamba mamaky fitantarana momba ny fihetsik’olona sy ny zavatra nataony ianareo. Inona avy no fanerena nihatra tamin’ireo olona ireo teo amin’ny fiainana? Ahoana no niatrehany izany? Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra navelany? Asio fotoana hatrany handinihana ny hevitr’ilay fitantarana, ho an’ny fiainantsika ankehitriny. — Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11.
19. Rehefa manahaka an’Andriamanitra isika, inona no homentsika ny zanatsika?
19 Izany ka fomba tsara dia tsara handentehana ny fomba fihevitr’Andriamanitra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika! Amin’izany fomba izany no hanampiana antsika tokoa ‘hanahaka an’Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala’. (Efesiana 5:1). Ary hanome ohatra izay tena mendrika ny hotahafin’ny zanatsika tokoa isika.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mandray soa avy amin’ny ohatra omen’i Jehovah?
◻ Nahoana no tsy maintsy ampiarahina amin’ny ohatra tsaran’ny ray aman-dreny ny toromarika am-bava omena ny zanaka?
◻ Inona avy no lesona sasantsasany azo ianarana avy amin’ny ohatra omen’ny ray aman-dreny, izay ny fomba fampianatra tsara indrindra?
◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa feno avy amin’ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly?
[Sary, pejy 10]
Maro no mankafy ny fiarahan’ny mpianakavy mamaky Baiboly