Epafrodito — Iraky ny Filipiana
“RAISO ao amin’ny Tompo izy amin’ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany”, hoy ny nosoratan’i Paoly tamin’ny Filipiana. Tsy isalasalana fa ho faly isika raha miresaka antsika amin’ny teny fiderana toy izany ny mpiandraikitra kristiana iray. (Filipiana 2:29). Iza anefa no noresahin’i Paoly? Ary inona no nataon’ilay olona ka mendrika izany teny fankasitrahana mafana izany?
Ny valin’ilay fanontaniana voalohany dia i Epafrodito. Mba hamaliana ilay faharoa, dia andeha hodinihintsika ireo toe-javatra nanosika an’i Paoly hanoratra ireo teny ireo.
Tokony ho tamin’ny 58 am.f.i., dia nandre ny Filipiana fa nosarihana hiala teo amin’ny tempoly i Paoly ary nokapohin’ny vahoaka romotra sy feno halozana tao Jerosalema, nosamborin’ny manam-pahefana ary, raha mbola tsy nisy fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny nitanana azy, dia nafindra tany Roma tamin’ny naha-voafonja izy. (Asan’ny Apostoly 21:27-33; 24:27; 27:1). Noho izy ireo niahy ny amin’izay hahasoa an’i Paoly, dia tsy maintsy ho nanontany tena ny amin’izay ho azon’izy ireo atao ho azy, izy ireo. Nahantra ara-nofo sy lavitra an’i Paoly izy ireo, koa voafetra àry ny fanampiana azony nomena. Kanefa, ilay fihetseham-po mafana izay nanosika ny Filipiana hanohana ny fanompoan’i Paoly tamin’ny lasa dia mbola nanosika azy ireo ihany; vao mainka bebe kokoa aza, satria tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra i Paoly. — 2 Korintiana 8:1-4; Filipiana 4:16.
Tsy maintsy ho nandinika ny Filipiana raha ho afaka hitsidika an’i Paoly mba hitondra fanomezana ny iray amin’izy ireo ka hanampy azy raha misy zavatra ilainy. Dia lava sy nandreraka anefa ilay izy, ary amin’izay indray dia mety hampidi-doza ny fanampiana azy! Manamarika toy izao i Joachim Gnilka: “Nilana herim-po ny fitsidihana voafonja, sady amin’izay indray, voafonja iray izay tsy maintsy ho toa faran’izay nanjavozavo ny ‘heloka bevava’ nataony.” Hoy i Brian Rapske, mpanoratra: “Nisy ny loza fanampiny, dia ny fifaneraserana akaiky loatra fotsiny tamin’ny voafonja na ny fitserana azy na ny fomba fiheviny tsotra fotsiny. (...) Ny teny na ny fanaovan-javatra tsy voahevitra dia tsy vitan’ny hoe mety hitarika ho amin’ny fahafatesan’ilay voafonja ihany fa ilay mpanampy azy koa.” Iza no ho azon’ireo Filipiana irahina?
Azontsika alaina sary an-tsaina tsara fa ny dia iray karazan’izany dia ho afaka nahatonga fanahiana sy fisalasalana, nefa vonona ny hanatanteraka izany zavatra nanirahana azy izany i Epafrodito (tsy tokony hafangaro amin’i Epafra avy any Kolosia). Raha tarafina amin’ny anarany, izay misy ny an’i Aphrodite, dia mety ho Jentilisa niova finoana ho amin’ny Kristianisma izy — zanakalahin’ny ray aman-dreny naneho fifikirana tamin’io andriamanibavy grika io, izay andriamanibavin’ny fitiavana sy ny fahafaha-miteraka. Rehefa nanoratra ho an’ny Filipiana i Paoly mba hisaotra azy ireo noho ny fahalalahan-tanany, dia afaka nilazalaza araka ny marina an’i Epafrodito ho “irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko”, izy. — Filipiana 2:25.
Avy amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Epafrodito, dia afaka mahatakatra isika fa na dia teo aza ny fahavononany mendri-piderana hampiasa ny tenany amin’io fanompoana ho an’i Paoly sy ho an’ny kongregasionan’ny tenany io, i Epafrodito dia nanana karazana olana mitovy amin’izay mety hananantsika. Andeha hodinihintsika ny ohatra navelany.
‘Mpanompo manokana hanome izay nilaiko’
Tsy fantatsika ny tsipiriany, nefa azontsika alaina sary an-tsaina fa reraky ny dia i Epafrodito rehefa tonga tany Roma. Azo inoana fa nandeha nanaraka ny Via Egnatia, lalana romana iray izay namakivaky an’i Makedonia, izy. Nety ho nita ny Ranomasina Adriatika ho any amin’ny “vody tongotra” amin’ilay saikinosy italiana izy, ka avy eo dia nandeha tamin’ny Lalana Apiena niakatra nankany Roma. Dia nandreraka (1 200 kilaometatra nandroso), izay azo inoana fa nitaky iray volana mahery, ilay izy. — Jereo ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-29.
Tamin’ny toe-tsaina nanao ahoana no nanombohan’i Epafrodito an’io asa nanirahana azy io? Nirahina mba hanao “fanompoana manokana”, na lei·tour·giʹa, ho an’i Paoly, izy. (Filipiana 2:30, NW ). Tany am-boalohany, io teny grika io dia nanondro asa ho an’ny Fanjakana nataon’ny olom-pirenena iray an-tsitrapo. Tatỳ aoriana, izy io dia nanjary nidika ho ilay karazam-panompoana izay ny Fanjakana no nitaky azy an-tery tamin’ny olom-pirenena ampy fahaizana indrindra hanatontosa ilay izy. Raha ny amin’ny fampiasana an’io teny io ao amin’ny Soratra Grika, dia hoy ny manam-pahaizana iray: “Ny Kristiana dia olona miasa ho an’Andriamanitra sy ny olona, voalohany aloha, satria iriny amin’ny fony rehetra ny hanao izany, ary faharoa, satria voatery hanao izany izy, satria manery azy ny fitiavan’i Kristy.” Eny, toe-tsaina faran’izay tsara toy inona moa no nasehon’i Epafrodito!
‘Nampisetra loza ny fanahiny izy’
Nampiasa teny iray nindramina avy tamin’ny fiteny amin’ny filokana i Paoly ka nilaza fa ‘nampisetra [ pa·ra·bo·leu·saʹme·nos] loza ny fanahiny’, na ara-bakiteny, “nanao loka” ny ainy ho an’ny fanompoana an’i Kristy i Epafrodito. (Filipiana 2:30, NW ). Tsy voatery hieritreritra isika hoe nanao hadalana i Epafrodito; nisy fisetrana loza kosa tafiditra tamin’ny fanatanterahana an’ilay fanompoana masina nataony. Sao dia niezaka namita ilay iraka nitondrana fanampiana nandritra ny vanim-potoana naha-ratsy ny toetr’andro tao anatin’ny taona, izy? Moa ve izy naharitra tamin’ilay ezaka hamita ny dia taorian’ny naharariany teny an-dalana? Na ahoana na ahoana, dia “narary saiky maty” i Epafrodito. Angamba izy tokony ho niara-nitoetra tamin’i Paoly mba hanampy azy, koa toa naniry hanala tsiny ny fiverenany aloha kokoa tsy araka ny nampoizina àry ilay apostoly. — Filipiana 2:27.
Na dia izany aza, i Epafrodito dia olona be herim-po, izay vonona ny hanao vivery ny ainy tamim-pandavan-tena mba hitondrana fanampiana ho an’ireo nila izany.
Mety hanontany tena isika hoe: ‘Ho tonga hatraiza aho eo amin’ny filofosako hanampy an’ireo rahalahiko ara-panahy izay ao anatin’ny toe-javatra sarotra?’ Tsy hoe miankina amin’ny safidy ny toe-tsaina feno fahavononana toy izany ho an’ny Kristiana. Hoy i Jesosy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” (Jaona 13:34, izahay no manao sora-mandry.) “Saiky maty” i Epafrodito teo am-panatanterahana ny fanompoany. I Epafrodito àry dia ohatra iray ny amin’ny olona izay nanana ilay “toe-tsaina” izay nampirisihan’i Paoly ny Filipiana mba hananana. (Filipiana 2:5, 8, 30, Kingdom Interlinear). Ho vonona ho tonga hatramin’izany ve isika?
Na izany aza dia nanjary ketraka i Epafrodito. Nahoana?
Ny fahaketrahany
Aoka ianao hipetraka eo amin’ny toeran’i Epafrodito. Toy izao no tatitra nataon’i Paoly: “Maniry mafy ny hahita anareo rehetra izy ary ketraka satria renareo fa narary izy.” (Filipiana 2:26, NW ). Nahalala i Epafrodito fa fantatr’ireo rahalahiny tao amin’ny kongregasionany hoe narary izy ka tsy afaka nanampy an’i Paoly araka ny nantenain’izy ireo. Raha ny marina dia toa nahatonga fanahiana amboniny ho an’i Paoly i Epafrodito. Sao dia tsy maintsy nanao tsirambina raharaha hafa i Lioka dokotera, naman’i Paoly, mba hikarakarana an’i Epafrodito? — Filipiana 2:27, 28; Kôlôsianina 4:14, DIEM.
Azo inoana fa vokatr’izany no nahatonga an’i Epafrodito hanjary ho ketraka. Angamba izy nieritreritra fa hihevitra azy ho tsy nahay ireo rahalahy tao amin’ny kongregasionany. Angamba nahatsiaro ho meloka izy ka ‘naniry mafy’ hahita azy ireo mba hanomezan-toky azy ireo ny amin’ny fahatokiany. Nampiasa teny grika tena mahery hoe a·de·mo·neʹo, “ketraka”, i Paoly, mba hilazalazana ny tsy fahasalaman’i Epafrodito. Araka ny filazan’ilay manam-pahaizana atao hoe J. B. Lightfoot, io teny io dia afaka manondro “ny fisafotofotoana, ny tsy fahatonian-tsaina, ny fisian’ny fahavoazana kely ara-tsaina, izay vokatry ny fikorontanana ara-batana, na fahorian-tsaina toy ny alahelo, ny henatra, ny fahadisoam-panantenana, sns.”. Ny hany fampiasana hafa an’io teny io ao amin’ny Soratra Grika dia mifandray amin’ny fangirifiriana mafy nodiavin’i Jesosy tao amin’ny sahan’i Getsemane. — Matio 26:37.
Nanapa-kevitra i Paoly fa ny zavatra tsara indrindra dia ny handefasana an’i Epafrodito hiverina any amin’ireo Filipiana, miaraka amin’ny taratasy iray manazava an’ilay fiverenana tsy nampoizina, dia ny fiverenan’ilay irak’izy ireo. Tamin’ny filazana hoe: “Nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito”, dia i Paoly no tompon’antoka tamin’ny niverenany, ka tamin’izany izy dia nanaisotra izay rehetra nety ho fiahiahiana hoe tsy nahomby i Epafrodito. (Filipiana 2:25). Mifanohitra amin’izany fa saika namoy ny ainy i Epafrodito mba hamitana ilay zavatra nanirahana azy! Nanoro hevitra azy ireo tamin-kafanana i Paoly mba ‘handray an’i Epafrodito ao amin’ny Tompo amin’ny fifaliana indrindra, ary hanome voninahitra izay olona tahaka izany; fa saiky maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefana izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.’ — Filipiana 2:29, 30.
“Omeo voninahitra izay olona tahaka izany”
Tena tokony hankasitrahana ny lehilahy sy ny vehivavy manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Epafrodito. Manao sorona ny tenany izy ireo mba hanompoana. Eritrereto ny amin’ireo izay nanolo-tena hanompo lavitra ny misy azy, toy ny misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, na any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny fikambanana Watch Tower. Raha manakana ny sasany ankehitriny ny taona na ny fahasalamana miharatsy ka mahatonga azy tsy hahavita izay nataony taloha, dia mendrika ny fanajana sy ny fiheverana izy ireny noho ireo taona nanompoany tamim-pahatokiana.
Na dia izany aza, ny aretina mahaosa dia mety ho loharanom-pahaketrahana na fahatsapana ho meloka. Ta hanao bebe kokoa ny tena. Tsy fahafaham-po toy inona moa no entin’izany! Na iza na iza mahita ny tenany ho ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany dia afaka miana-javatra avy amin’i Epafrodito. Rehefa dinihina tokoa, fahadisoany ve ny nankarary azy? Tsy izany velively! (Genesisy 3:17-19; Romana 5:12). Naniry hanompo an’Andriamanitra sy ireo rahalahiny i Epafrodito, saingy nametra azy ny aretina.
Tsy nananatra an’i Epafrodito noho ny fahasalamany tsy dia tsara i Paoly fa nilaza tamin’ireo Filipiana kosa mba ho eo anilany ka hitoetra ho akaiky azy. Toy izany koa, tokony hampionona an’ireo rahalahintsika isika rehefa kivy izy ireny. Mazàna isika no afaka midera azy ireo noho oha-pahatokiany eo amin’ny fanompoana. Ny hoe nankasitraka an’i Epafrodito i Paoly, ka niresaka ny aminy tamin’ny fomba tsara aoka izany, dia tsy maintsy ho nampionona azy, ka nanamaivana ny fahaketrahany. Afaka mahazo antoka koa isika fa ‘tsy mba tsy marina Andriamanitra ka hanadino ny asantsika sy ny fitiavana izay nasehontsika ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina isika sady mbola manompo ihany’. — Hebreo 6:10.
[Efajoro, pejy 29]
Ny Zavatra Nahasorena Tamin’ilay Dia
Amin’izao andro izao, ny dia iray mampitohy tanàn-dehibe roa any Eoropa, mitovy amin’izay nataon’i Epafrodito, dia mety tsy hitaky ezaka be. Ho azo atao ny hahazo aina tsara ao anaty fiaramanidina eo am-panaovana ilay dia maharitra adiny iray na roa. Zavatra hafa tanteraka ny fanaovana dia toy izany tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’izany, ny fifindrana avy amin’ny toerana iray mankamin’ny toerana iray dia nidika ho zavatra nahasorena. Ny mpandeha an-tongotra iray dia ho afaka hahavita eo anelanelan’ny 30 sy ny 35 kilaometatra isan’andro, sady lazoin’ny toetr’andro sy misetra loza samihafa, anisan’izany ny “jiolahy”. — 2 Korintiana 11:26.
Ahoana ny amin’ny fijanonana mandritra ny alina sy ny vatsy?
Manazava ilay mpanoratra tantara atao hoe Michelangelo Cagiano de Azevedo fa teny amin’ireo lalana romana, dia “nisy mansiones, hotely fatoriana ary fomba, nisy entam-barotra, tranom-biby, sy filasiana ho an’ny mpiasa tao aminy; teny anelanelan’ny mansiones roa nifanesy dia nisy mutationes maromaro, na toeram-pijanonana, izay nahafahana nisolo soavaly na fitaovam-pitaterana ary nahafahana nahita vatsy”. Ratsy dia ratsy ny lazan’ireny tranom-bahiny ireny satria falehan’ny kilasy sosialy farany ambany. Ankoatra ny fandrobana ny mpanao dia lavitra, ireo mpitana ny tranom-bahiny dia matetika no nameno ny vola niditra taminy tamin’ny vola azony avy tamin’ny mpivaro-tena. I Juvenal, poety latina mpanao hatsikana miharo fanarabiana, dia nanazava fa na iza na iza nahita ny tenany ho voatery hitoetra tao amin’ny tranom-bahiny iray karazan’izany dia mety ho nahita ny tenany “hatory hifampitankosina amin’ny olona lozabe tsy tan-dalàna, hiaraka amin’ny tantsambo, ny mpangalatra, sy ny andevo nandositra, amin’ny mpanantona olona sy mpanao vatam-paty (...) Kaopy iray no nampiasain’ny rehetra; tsy nisy na iza na iza nanana fandriana ho an’ny tenany, na latabatra nisaraka tamin’ny an’ny sisa”. Nisy mpanoratra hafa fahiny nitaraina ny amin’ny rano tsy manjary, sy ny amin’ireo efitra nisy olona nifanizina, naloto, mando, ary feno parasy.
[Sarintany/Sary, pejy 27]
Roma
[Sary]
Mpanao dia lavitra tamin’ny andron’ny Romana
[Sary nahazoan-dalana]
Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.; Mpanao dia lavitra: Da originale del Museo della Civiltà Romana, Roma