-
Olana Teolojika Iray Saro-bahanaNy Tilikambo Fiambenana—1995 | 1 Martsa
-
-
Milaza toy izao ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy): “Mba hitsanganana miaraka amin’i Kristy, dia tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy isika: isika dia tsy maintsy ‘miala amin’ny vatana mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo’. [2 Korintiana 5:8]. Ao amin’izany ‘fiaingana’ izany, izany hoe ny fahafatesana, dia sarahina tamin’ny vatana ny fanahy. [Filipiana 1:23].
-
-
Olana Teolojika Iray Saro-bahanaNy Tilikambo Fiambenana—1995 | 1 Martsa
-
-
Ao amin’ny Filipianina 1:21, 23 (DIEM ) dia milaza toy izao i Paoly: “Amiko, dia i Kristỳ no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana itỳ fiainana itỳ mba hiarahako amin’i Kristỳ, satria tsara lavitra izany”. Moa ve i Paoly eto manisy firesahana ny amin’ny “toerana anelanelany”? Izany no eritreretin’ny olona sasany. Milaza anefa i Paoly fa sanganehana eo anelanelan’ny fahatsinjovan-javatra roa izy: ny fiainana na ny fahafatesana. Nanampy teny izy, ka nilaza zavatra ifidianana fahatelo: “tiako hilaozana anefa itỳ fiainana itỳ mba hiarahako amin’i Kristỳ”. Ny ‘fandaozana itỳ fiainana itỳ’ mba hiarahana avy hatrany amin’i Kristy aorian’ny fahafatesana ve? Araka ny efa hitantsika dia nino i Paoly fa ireo Kristiana voahosotra mahatoky dia hatsangana mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Noho izany, dia tsy maintsy ho ireo fisehoan-javatra amin’izany fe-potoana izany no tao an-tsainy.
Azo atao ny mahita izany avy amin’ireo teniny hita ao amin’ny Filipiana 3:20, 21 sy 1 Tesaloniana 4:16. Izany ‘fandaozana itỳ fiainana itỳ’ mandritra ny fanatrehan’i Kristy Jesosy izany, dia nahafahan’i Paoly nandray ny valisoa izay nomanin’Andriamanitra ho azy. Ny hoe izany no fanantenany dia hita amin’ireo teny nataony ho an’ilay lehilahy tanora atao hoe Timoty: “Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” — 2 Timoty 4:8.
-