Nahoana isika no tokony hitafy fanetren-tena?
VAO avy namaky ny tantara vaovao nosoratany tamin’ny namany sasantsasany ilay mpanoratra amerikana atao hoe Edgar Allan Poe. Nilaza tamim-bazivazy izy ireo fa nampiasainy imbetsaka loatra ny anaran’ilay lehilahy fototry ny tantara. Nanao ahoana ny fihetsik’i Poe? Hoy ny tsaroan’ny namany iray: “Tsy nahazaka fanakianana ampahibemaso toy izany ny hambom-pony, hany ka, tao anatin’ny fisafoahana, talohan’ny nahafahan’ireo namany hanakana azy akory, dia efa voatsipiny tao anaty afo nidedadeda ireo pejy rehetra.” Very tamin’izany ny tantara iray “nampihomehy aoka izany, izay tsy nahitana na dia kely aza ilay toe-tsaina nalahelo (...) nahafantarana azy.” Ho nisakana izany ny fanetren-tena.
Na dia mahatonga ny olona hanao zavatra tsy amim-pahendrena aza ny hambom-po, dia hita mihanaka maneran-tany izy io. Tokony ho hafa noho izany anefa ny mpanompon’i Jehovah. Tsy maintsy mitafy fanetren-tena, ilay fitafiana tsara didy, izy ireo.
Inona no atao hoe fanetren-tena?
Nanisy fitenenana ny amin’ny fanetren-tena, ilay fitafiana kristiana tsara tarehy, ny apostoly Paoly rehefa nanoratra tamin’ireo mpiray finoana taminy tany amin’ny tanànan’i Kolosia fahizay. Nampirisika mafy toy izao izy: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy [hatsaram-panahy, NW], fanetren-tena [toe-tsaina tsy manambony tena, NW], fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.” — Kolosiana 3:12.
Eny, ny fanetren-tena dia “toe-tsaina tsy manambony tena”. Izany dia “toe-tsaina manetry tena; tsy fisian’ny hambom-po; fandeferana”. Ny olona manetry tena iray dia manana “toe-tsaina mihevi-tena araka ny tena izy; tsy be hambom-po”. “Feno fanajana lalina na mahalala fomba” izy. (Ny Rakibolan’ireo boky eo amin’izao tontolo izao, anglisy, Boky I, pejy faha-1030). Tsy hakanosana na fahalemena akory ny fanetren-tena. Raha ny tena izy, dia ny hambom-po no manome taratry ny fahalemena, fa ny fanehoana fanetren-tena kosa mazàna dia mitaky herim-po sy hery.
Ao amin’ny Soratra masina, ny teny hebreo nadika hoe “manetre tena” dia midika ara-bakiteny hoe “hitsakitsaho ny tenanao”. Araka izany, dia nanome izao torohevitra izao ilay mpanoratra hendry ny Ohabolana: “Anaka, raha (...) voafandriky ny teny naloaky ny vavanao hianao, (...) dia (...) afaho ny tenanao (satria efa mby eo an-tànan’ny namanao hianao): Andeha mihohoka [manetry tena] sy mifona mafy amin’ny namanao.” (Ohabolana 6:1-3). Izany hoe, esory ny hambom-po, ekeo ny fahadisoanao, alamino ilay raharaha.
Tsy maintsy ho tena izy
Tsy izay rehetra miseho ho manetry tena akory dia manana ny tena fanetren-tena. Ny olona sasany izay toa manetry tena, raha ny tena izy, dia be hambom-po ary hanao na inona na inona mba hahazoana izay tiany. Eo koa ireo izay mampiasa ny fanetren-tena sandoka ho toy ny fitafiana ivelany mba hanohinana ny hafa. Ohatra, ny apostoly Paoly dia nifanena tamin’olona izay naneho “fanetren-tena sarisariny fotsiny”, ary nasehony fa na iza na iza manao izany, raha ny tena izy dia “feno fiavonavonana [tsy amin’ny antony, MN] noho ny fisainan’ny nofony”. Nihevitra tamim-pahadisoana ny olona toy izany fa ny fahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra dia niankina tamin’ny fihinanany, fisotroany, na fikasihany zavatra sasantsasany na fitandremany andro ara-pivavahana sasany. Marina aloha fa nety ho niseho ho mpivavaka sy nanetry tena izy, kanefa ny fanetren-tenany sandoka dia tsy nisy vidiny. (Kolosiana 2:18, 23). Raha ny marina, izany dia nitarika azy hihevitra fa ny fiainana dia nomena ho valisoan’ireo izay nahafoy ny zavatra ara-nofo. Niteraka karazana fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo an-kolaka koa izany, satria ireo fandraran’ny mpanda fahafinaretana dia nampifantoka ny saina tamin’ny zavatra ara-nofo izay nihamboany ho nohamavoiny.
Etsy an-danin’izany kosa, ny fanetren-tena tena izy dia misakana ny olona iray tsy hampiseho fizahozahoana eo amin’ny fitafy, ny taovolo sy ny fomba fiaina. (1 Jaona 2:15-17, MN). Tsy misintona ny sain’ny hafa amin’ny fomba tafahoatra ho amin’ny tenany na ny fahaizan’ny tenany ny olona iray mitafy fanetren-tena. Manampy azy hitondra ny hafa amin’ny fomba feno fiheverana ary hahita ny tenany araka ny ahitan’Andriamanitra azy kosa ny fanetren-tena. Ary ahoana moa izany?
Ny fomba fihevitr’i Jehovah
Rehefa nadiva hanosotra mpanjaka vaovao iray ho an’ny firenen’ny Isiraely i Samoela mpaminany, dia nihevitra fa i Eliaba zanak’i Jese no nofidin’i Jehovah. Kanefa nilaza toy izao tamin’i Samoela Andriamanitra: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” Nolavina ny fito tamin’ny zanak’i Jese. I Davida, izay niseho ho lehilahy nahatoky sy nanetry tena, no nofidin’Andriamanitra. — 1 Samoela 13:14; 16:4-13.
Ny fanetren-tena, izay oharina amin’ny fitafiana, dia miaro antsika tsy hanjary ho be hambom-po, hieboebo — ary tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. “Manohitra ny mpiavonavona, fa maneho hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory” izy. (Jakoba 4:6, NW). Asehon’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto ny fiheviny: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra [manetry tena, MN], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.” (Salamo 138:6; 1 Petera 5:5, 6). Izay antenain’Andriamanitra amin’ny mpanompony dia miharihary amin’izao fanontaniana hita ao amin’ny Mika 6:8 (NW) izao: “Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valin’izany afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hiara-mandeha amin’Andriamanitrao amin’ny fiheveran-tena araka ny tena izy?”
Asehon’Andriamanitra sy Kristy
Tsy mahagaga raha manantena ny hampisehoantsika fanetren-tena i Jehovah! Iray amin’ireo toetra ananan’ny tenany izy io. Rehefa avy namonjy azy avy tamin’ireo fahavalony Andriamanitra, dia hoy ny hira nataon’i Davida: “Omenao [Jehovah] ahy ny ampingan’ny famonjenao; (...) ary ny fahamoram-panahinao [fanetren-tenanao, MN] no mahalehibe ahy.” (Salamo 18:35; 2 Samoela 22:1, 36, MN). Na dia any amin’ireo lanitra ambony indrindra aza no misy an’i Jehovah, dia “miondrika mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany [izy] (...) Manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika, mba hametraka azy ho naman’ny mpanapaka ny olony.” (Salamo 113:5-8). Mampiseho fanetren-tena i Jehovah amin’ny fanehoana famindrampo amin’ny taranak’olombelona mpanota. Ny fifandraisany amin’ny mpanota sy ny nanomezany ny Zanany ho sorona noho ny fahotana dia fanehoana ny fanetren-tenany, ny fitiavany ary ireo toetrany hafa. — Romana 5:8; 8:20, 21.
I Jesosy Kristy, izay ‘nalemy fanahy sy tsy niavona am-po’, dia nanome ny ohatra olombelona lehibe indrindra raha ny amin’ny fanetren-tena. (Matio 11:29). Nilaza toy izao tamin’ny mpianany izy: “Izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” (Matio 23:12). Tsy fomba fiteny fotsiny akory izany. Tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nanasa ny tongotr’ireo apostoliny i Jesosy, ka nanatanteraka tamin’izany fanompoana izay fanaon’ny andevo mazàna. (Jaona 13:2-5, 12-17). Nanompo an’Andriamanitra tamim-panetren-tena i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany ary naneho fanetren-tena izy nanomboka tamin’ny nananganana azy tamin’ny maty ho amin’ny toerana misandratra any an-danitra. Nananatra ireo mpiray finoana taminy àry i Paoly mba “samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany” ka hanana ny fihetsik’i Jesosy Kristy feno fanetren-tena. — Filipiana 2:3, 5-11.
Koa satria maneho fanetren-tena Andriamanitra sy i Kristy, ireo izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy maneho io toetra io. Raha niavonavona isika indraindray, dia ho fahendrena ny hanetrena tena ka hivavahana mba hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 32:24-26.) Ary toy izay hihevitra ny tenantsika ho ambony dia ambony, dia mila ny mampihatra izao torohevitr’i Paoly izao isika: “Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena hianareo.” (Romana 12:16). Ahoana anefa no handraisantsika sy ny hafa soa avy amin’ny fanetren-tena?
Ireo soa entin’ny fanetren-tena
Ny soa iray entin’ny fanetren-tena dia izy io misakana antsika tsy handoka tena. Tsy mahasosotra ny hafa isika amin’izay ary misoroka henatra ho an’ny tenantsika manokana raha sendra tsy rototra amin’ny zava-bitantsika izy ireo. Jehovah no tokony ho reharehantsika, fa tsy ny tenantsika. — 1 Korintiana 1:31.
Manampy antsika hahazo ny fitarihan’Andriamanitra ny fanetren-tena. Nandefa anjely iray tany amin’i Daniela tao anatin’ny fahitana i Jehovah satria nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra io mpaminany io rehefa nitady fitarihana sy fahatakaran-javatra. (Daniela 10:12, MN). Rehefa nadiva hitarika ny vahoakan’i Jehovah hivoaka avy tany Babylona nitondra volamena sy volafotsy be dia be mba hanatsarana ny tempoly tany Jerosalema, i Ezra, dia niantso andro fifadian-kanina mba hanetren’izy ireo tena teo anatrehan’Andriamanitra. Ny vokany? Niaro azy ireo tamin’ny fanafihan’ny fahavalo i Jehovah nandritra ilay dia nampidi-doza. (Ezra 8:1-14, 21-32, MN). Toa an’i Daniela sy i Ezra, dia aoka isika haneho fanetren-tena ka hitady ny fitarihan’i Jehovah fa tsy hanandrana ny hanatanteraka ireo adidy avy amin’Andriamanitra amin’ny fahendrena sy ny herin’ny tenantsika manokana.
Raha mitafy fanetren-tena isika dia hanaja ny hafa. Ohatra, ireo ankizy manana fanetren-tena dia manaja sy mankatò ny ray aman-dreniny. Ireo kristiana manetry tena koa dia manaja ireo mpiray finoana aminy hafa firenena, firazanana sy fiaviana, satria mahatonga antsika tsy hanavakavaka ny fanetren-tena. — Asan’ny apostoly 10:34, 35; 17:26.
Mampitombo ny fitiavana sy ny fiadanana ny fanetren-tena. Tsy miady amin’ireo mpiray finoana aminy mba hanizingizinana ny fampiharana izay heveriny fa zony ny olona manetry tena iray. I Paoly dia tsy nanao afa-tsy izay nampandroso ka tsy nanelingelina ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahy iray. (Romana 14:19-21; 1 Korintiana 8:9-13; 10:23-33). Manampy antsika hampitombo ny fitiavana sy ny fihavanana koa ny fanetren-tena amin’ny famelana ny fahadisoan’ny hafa izay nanota tamintsika. (Matio 6:12-15; 18:21, 22). Izy io koa dia manosika antsika hanatona olona tafintohina iray, hiaiky ny fahadisoantsika, hifona aminy ary hanao izay azontsika atao mba hanitsiana izay ratsy nety ho nataontsika. (Matio 5:23, 24; Lioka 19:8). Raha manatona antsika ny olona tafintohina iray, ny fanetren-tena dia hanosika antsika haingana handamina ilay raharaha amim-pihavanana ao anatin’ny fitiavana. — Matio 18:15; Lioka 17:3.
Miankina amin’ny fanehoana fanetren-tena ny famonjena. Ohatra, momba an’Andriamanitra, dia voalaza hoe: “Ny olona ory [manetry tena, MN] dia vonjenao; fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.” (2 Samoela 22:28). Rehefa ‘hitaingina handroso noho ny teny marina sy ny fanetren-tena ary ny fahamarinana’ i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia hamonjy ireo izay manetry tena eo anatrehany sy eo anatrehan’ny Rainy. (Salamo 45:4, MN). Ireo izay mampiseho fanetren-tena dia afaka mahita fampiononana avy amin’ireto teny ireto: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:3.
Ny fanetren-tena sy ny fandaminan’Andriamanitra
Ny fanetren-tena dia mitarika ny vahoakan’Andriamanitra hankasitraka ny fandaminany ary hijanona eo anivony amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana azy ireo. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:66-69.) Raha tsy omena tombontsoam-panompoana iray nantenaintsika ho azo isika, ny fanetren-tena dia manampy antsika hiara-miasa amin’ireo izay miantsoroka andraikitra eo anivon’ny kongregasiona. Ary manome ohatra tsara ny fiaraha-miasantsika amim-panetren-tena.
Etsy an-danin’izany kosa, ny fanetren-tena dia manakana antsika tsy hampiseho hakevohana raha ny amin’ireo tombontsoam-panompoantsika eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Izy io dia misakana antsika tsy hikatsaka fiderana noho ny asa izay nomena antsika ny tombontsoa hanao azy ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Ambonin’izany, raha manompo amin’ny maha-loholona isika, ny fanetren-tena dia manampy antsika hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-panehoam-pitiavana. — Asan’ny apostoly 20:28, 29, MN; 1 Petera 3:8.
Ny fanetren-tena sy ny famaizana
Manampy antsika hanaiky famaizana ny fanetren-tena, izay oharina amin’ny fitafiana. Ny olona manetry tena dia tsy tahaka an’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, izay nanjary niavonavona aoka izany ny fony, hany ka nitsabaka nandray ny adidin’ny mpisorona izy. ‘Nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’i Jehovah ka niditra tao amin’ny tempoly handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.’ Rehefa nanjary nisafoaka tamin’ireo mpisorona nanitsy azy i Ozia, dia voan’ny habokana. Endrey izany vokany tsy maintsy nozakaina noho ny tsy fananana fanetren-tena! (2 Tantara 26:16-21; Ohabolana 16:18). Aza manahaka an’i Ozia na oviana na oviana ka hamela ny hambom-po hanakana anao tsy hanaiky famaizana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany.
Momba izany, dia nilaza toy izao tamin’ireo kristiana hebreo voahosotra i Paoly: “Hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: ‘Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony hianao; fa izay tian’i Jehovah no faizany, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny’. (...) Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana.” (Hebreo 12:5-11). Tadidio koa fa “làlan’aina ny anatra famaizana”. — Ohabolana 6:23.
Tafio hatrany ny fanetren-tena
Zava-dehibe toy inona moa ny hitafian’ny kristiana foana ny fanetren-tena, izay oharina amin’ny fitafiana! Izany dia manosika antsika haharitra amin’ny maha-mpanambara ilay Fanjakana antsika, ary hanao fanambarana amim-panetren-tena isan-trano, eo am-pitadiavana ireo izay “manana ny fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay”. (Asan’ny apostoly 13:48, MN; 20:20). Eny tokoa, manampy antsika tsy hitsahatra hankatò an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra ny fanetren-tena, na dia mankahala ny lalana marina arahintsika aza ireo mpanohitra be hambom-po. — Salamo 34:21.
Koa satria manosika antsika ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra’ ny fanetren-tena, dia handamina ny lalantsika izy. (Ohabolana 3:5, 6). Raha ny marina, raha mitafy io toetra tsara dia tsara io ihany isika vao tena afaka miara-mandeha marina amin’Andriamanitra ary hahazo ny fankasitrahany sy ny fitahiany. Nanoratra momba izany toy izao i Jakoba mpianatra: “Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.” (Jakoba 4:10). Noho izany, dia aoka àry isika hitafy fanetren-tena, ilay fitafiana tsara tarehy izay novolavolain’i Jehovah Andriamanitra ny ho didiny.