LESONA 49
Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 1
Te ho sambatra foana hoatran’ny tamin’ny mariaziny ny mpivady vao, ary azo atao tsara izany. Mahatsapa an’izany ny Kristianina efa mpivady nandritra ny taona maro sy niezaka mafy nampihatra ny torohevitry ny Baiboly.
1. Inona no torohevitry ny Baiboly ho an’ny lehilahy manambady?
Ny lehilahy no nataon’i Jehovah ho loham-pianakaviana. (Vakio ny Efesianina 5:23.) Tian’i Jehovah handray fanapahan-kevitra mahasoa ny fianakaviany izy. Manoro hevitra ny lehilahy manambady ny Baiboly hoe: “Tiavo foana ny vadinareo.” (Efesianina 5:25) Inona no dikan’izany? Tsara fanahy amin’ny vadiny izy, na ao an-trano izany na eny imason’olona. Arovany sy karakarainy tsara koa ny vadiny ary ataony izay hahasambatra azy. (1 Timoty 5:8) Ny tena zava-dehibe dia hoe ampiany hifandray tsara amin’i Jehovah ny vadiny. (Matio 4:4) Afaka miara-mivavaka sy mamaky Baiboly, ohatra, ry zareo. Ho naman’i Jehovah foana ny lehilahy manambady raha be fitiavana sy mikarakara tsara ny vadiny.—Vakio ny 1 Petera 3:7.
2. Inona no torohevitry ny Baiboly ho an’ny vehivavy manambady?
Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “tokony hanaja lalina ny vadiny” ny vehivavy. (Efesianina 5:33) Ahoana izany? Azony atao, ohatra, ny mieritreritra ny toetra tsaran’ny vadiny sy ny ezaka ataony mba hikarakarana azy mianakavy. Manaja ny vadiny koa ny vehivavy rehefa manohana ny fanapahan-keviny. Tsara fanahy izy rehefa miresaka amin’ny vadiny sady tsy manaratsy azy amin’ny olona. Manao an’ireo izy na dia tsy mpanompon’i Jehovah aza ilay lehilahy.
3. Inona no azon’ny mpivady atao mba hifankatia foana izy ireo?
Milaza ny Baiboly fa “ho nofo iray ihany” ny mpivady. (Matio 19:5) Midika izany hoe tsy misy na inona na inona avelan’izy ireo hampihena ny fifankatiavany. Miaraka manao zavatra matetika àry izy ireo. Mifampiresaka tsara koa izy ireo ka tsy misalasala milaza an’izay any am-pony sy any an-tsainy, sady tsara fanahy rehefa manao an’izany. Manarakaraka an’i Jehovah, dia ny vadiny no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny olona manambady fa tsy olon-kafa na zavatra hafa. Mitandrina tsara izy mba tsy hifandray akaiky loatra amin’ny olon-kafa.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hojerentsika hoe inona avy ny toro lalan’ny Baiboly hanampy ny mpivady hifankatia foana.
4. Tokony ho tia sy hikarakara ny vadiny ny lehilahy
Milaza ny Baiboly fa “tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany.” (Efesianina 5:28, 29) Inona no dikan’izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Ahoana avy no ampisehoan’ny lehilahy hoe tia sy mikarakara ny vadiny izy?
Vakio ny Kolosianina 3:12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Ahoana no azon’ny lehilahy ampisehoana an’ireo toetra ireo amin’ny vadiny?
5. Tokony ho tia sy hanaja ny vadiny ny vehivavy
Ampirisihin’ny Baiboly ny vehivavy mba hanaja ny vadiny, na manompo an’i Jehovah ilay lehilahy na tsia. Vakio ny 1 Petera 3:1, 2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Raha tsy Vavolombelona ny vadinao, dia azo antoka fa tianao raha lasa mpanompon’i Jehovah izy. Inona no hitanao hoe mety hisy vokany kokoa: Mitory aminy foana sa tsara toetra sy manaja azy? Nahoana?
Mahafinaritra rehefa mitovy hevitra ny mpivady amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo. Ahoana anefa raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny ny vehivavy? Afaka milaza ny heviny izy, ary tokony hanaja sy ho tony tsara rehefa manao an’izany. Mila mitadidy anefa izy hoe ny lehilahy no asain’i Jehovah manapa-kevitra ho an’ny fianakaviana. Tokony hiezaka mafy àry ny vehivavy mba hanohana ny fanapahan-kevitry ny vadiny. Ho sambatra ny fianakaviany amin’izay. Vakio ny 1 Petera 3:3-5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no tsapan’i Jehovah rehefa manaja ny vadiny ny vehivavy?
6. Azo resena ny olana ao an-tokantrano
Tsy misy fanambadiana tonga lafatra. Tsy maintsy mifanampy àry ny mpivady raha te handresy zava-tsarotra. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no nampiseho hoe tsy dia nifandray be intsony ilay mpivady tao amin’ilay video?
Inona no nataon’izy mivady mba hifankatia foana ry zareo?
Vakio ny 1 Korintianina 10:24 sy ny Kolosianina 3:13. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana no hifankatia foana ny mpivady raha mampihatra an’io torohevitra io?
Milaza ny Baiboly fa tokony hifanome voninahitra isika. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa tsara fanahy sy manaja ny hafa. Vakio ny Romanina 12:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Tokony hiandry ny vadiny hanome voninahitra azy ve ny lehilahy na ny vehivavy, izay vao hanao an’izany koa? Nahoana?
MISY MITENY HOE: “Tsy mifankatia be hoatran’ny taloha intsony izahay mivady.”
Ahoana no hanazavanao amin’ilay olona hoe afaka manampy azy ireo ny Baiboly?
FAMINTINANA
Ho sambatra ny mpivady raha mifankatia sy mifanaja ary mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.
Famerenana
Inona no azon’ny lehilahy atao mba ho sambatra ny tokantranony?
Inona no azon’ny vehivavy atao mba ho sambatra ny tokantranony?
Raha manambady ianao, inona ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anareo hifankatia foana?
JEREO KOA IRETO
Misy torohevitra vitsivitsy hanampy ny fianakavianao ho sambatra ato.
Ho hitanao amin’ity hira ity ny soa raisin’ny mpivady rehefa manaraka ny torohevitr’Andriamanitra izy ireo.
Inona no dikan’ny hoe manaiky ny fahefan’ny loham-pianakaviana?
“Ry Vehivavy, Ekeo ny Fahefan’ny Vadinareo” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2010)
Niatrika olana lehibe ny mpivady iray, dia nisaraka mihitsy. Mariho hoe inona no nanampy an-dry zareo handresy an’izany.
Avotra Ihany ny Tokantranonay Noho ny Fanampian’i Jehovah (5:14)