Fomba Enina Hahombiazanao
NY FIAINANA mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fikasany momba ny olombelona no fomba fiaina tsara indrindra, ary izany no ahazoana ny tena fahombiazana. Milaza ny Baiboly fa “ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana” ny olona manana fomba fiaina toy izany. “Hazo mamoa amin’ny fotoanany” izy, “ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony.”—Salamo 1:3.
Afaka ny tena hahomby eo amin’ny fiainana àry isika, na dia tsy lavorary sy manao fahadisoana aza. Irinao ve ny hahita ny tena fahombiazana? Misy fitsipika ara-baiboly enina ireto hanampy anao hanatratra izany tanjona izany. Hoporofoin’izy ireo fa fahendrena avy amin’Andriamanitra tokoa ny fampianarana ao amin’ny Baiboly.—Jakoba 3:17.
1 Mahaiza mandanjalanja eo amin’ny resa-bola
Ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’ (1 Timoty 6:10) Ny fitiavam-bola no resahina eo, fa tsy ny vola. Mila vola mantsy isika, mba hivelomana. Raha tia vola anefa isika, dia izy io no ho lasa tompontsika na andriamanitsika.
Hitantsika teo aloha fa manenjika aloka fotsiny ny olona mihevitra fa ny fikatsahana harena no ahitana fahombiazana. Handiso fanantenana azy izany sady hitondra olana maro. Lasa tsy mifandray tsara amin’ny havany sy ny namany, mazàna, ny olona revo mitady vola. Mety tsy hatory koa izy, noho ny asa na noho ny fanahiana. Hoy ny Mpitoriteny 5:12: “Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.”
Sady tompo lozabe ny vola no mpamitaka. Niresaka momba “ny famitahan’ny harena” i Jesosy Kristy. (Marka 4:19) Antenaina hahasambatra ny vola, nefa tsy izany akory. Vao mainka aza ianao te hanana bebe kokoa. “Izay tia vola tsy hety ho voky vola”, hoy ny Mpitoriteny 5:9.—Fandikan-teny Protestanta.
Raha tsorina dia izao: Mitady loza ny olona tia vola, ka mety ho diso fanantenana na ho kivy, na hanao asa ratsy mihitsy. (Ohabolana 28:20) Sambatra sy mahomby kosa ny olona malala-tanana, mamela heloka, madio fitondran-tena, be fitiavana, ary mifandray tsara amin’Andriamanitra.
2 Miezaha halala-tanana
“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahasambatra vetivety ny manome tsindraindray, fa izay miezaka halala-tanana kosa no ho sambatra foana. Misy fomba maro azo anaovana izany. Ny fahafoizan-tena no anisan’ny fomba tsara indrindra sy ankasitrahan’ny olona indrindra.
Nandinika ny vokatry ny fanadihadiana iray i Stephen Post, mpikaroka. Hitany fa ela velona sy afa-po ary sambatra kokoa ny olona tia manampy ny hafa. Salama kokoa ny vatany sy ny sainy, ary tsy dia mora kivy izy.
Mahazo izay ilainy foana koa ny olona malala-tanana. Hoy ny Ohabolana 11:25: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.” Ankasitrahana sy tiana àry ny olona tena malala-tanana nefa tsy miandry valiny. Andriamanitra mihitsy no voalohany mankasitraka azy.—Hebreo 13:16.
3 Mahaiza mamela heloka tanteraka
“Mahaiza foana ... mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kolosianina 3:13) Tsy te hamela ny heloky ny hafa ny olona ankehitriny. Aleony kosa mamaly faty toy izay hamindra fo. Inona no vokany? Maniratsira ny olona rehefa misy maniratsira, ary valiany herisetra ny herisetra atao aminy.
Tsy izay ihany anefa. Voalazan’ny gazety iray any Montréal, Kanada, fa “nisy fanadihadiana natao tamin’ny olona 4 600 mahery, izay 18 ka hatramin’ny 30 taona.” Hita tamin’izany fa vao mainka tsy salama ny havokavoky ny olona, raha mahery setra sy sorena ary masiaka be izy. Mbola ratsy kokoa noho ny vokatry ny fifohana sigara aza izany. Mahatsara fihavanana sy mahasalama àry ny fitiavana mamela heloka!
Ahoana no ahaizantsika mamela heloka kokoa? Eritrereto amin’ny saina tsy miangatra aloha izao: Tsy marina ve fa mahasosotra ny hafa ianao indraindray, ary tianao raha mamela heloka izy ireo? Nahoana àry raha mamela heloka foana? (Matio 18:21-35) Ilainao koa ny mifehy tena. Afaka “manisa hatramin’ny folo” ianao, na manao zavatra hafa, mba hananana fotoana hifehezana ny hatezeranao. Ekeo koa fa toetra tsara ny fifehezan-tena. “Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka”, hoy ny Ohabolana 16:32. Tsy izany àry ve no tena fahombiazana?
4 Araho ny fitsipik’Andriamanitra
“Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.” (Salamo 19:8) Raha tsorina dia hoe mahasoa antsika ny fitsipiny, satria mahasalama ny vatana sy ny saina ary ny fihetseham-po. Miaro antsika amin’ny fanao manimba, ohatra, izy ireny. Anisan’izany ny fidorohana zava-mahadomelina, fimamoana, fitondran-tena maloto, ary ny fijerena sary vetaveta. (2 Korintianina 7:1; Kolosianina 3:5) Ireto avy no mety ho vokatr’ireo: heloka bevava, fahantrana, tsy fifampitokisana, fianakaviana rava, fikorontanan’ny saina sy ny fo, aretina, ary fahafatesana aloha be.
Mandray soa kosa izay manaraka ny fitsipik’Andriamanitra, satria tsara ny fifandraisany amin’ny hafa sady mahasoa azy izany. Manana ny hajany koa izy sady milamin-tsaina. Milaza Andriamanitra, ao amin’ny Isaia 48:17, 18, fa izy no “Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.” Hoy koa izy: “Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao ary ho toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!” Mitady izay tena hahasoa antsika tokoa ny Mpamorona. Tiany ‘handeha amin’ny lalan’ny’ tena fahombiazana isika.
5 Manehoa fitiavana tsy mitady valiny
“Ny fitiavana kosa mampahery.” (1 Korintianina 8:1) Ho tsara ve ny fiainana raha tsy nisy fitiavana? Tsy hisy dikany sady tsy hahasambatra izany! Izao no nasain’Andriamanitra nosoratan’ny apostoly Paoly: “Raha ... tsy manam-pitiavana [ny hafa aho], dia tsinontsinona aho. ... Tsy hisy tombony ho ahy velively izany.”—1 Korintianina 13:2, 3.
Marina fa fitiavana no mampiray ny lahy sy ny vavy. Tsy io fitiavana io anefa no resahina eto, fa ilay fitiavana sarobidy kokoa izay mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra.a (Matio 22:37-39) Tsy fahatsapana ho tiana fotsiny izy io, fa fitiavana aseho amin’ny atao. Nilaza i Paoly fa izay maneho azy io dia mahari-po, tsara fanahy, tsy mialona, tsy mirehareha, na manambony tena. Mahafoy tena izy mba hahasoa ny hafa, ary tsy mora tezitra fa mamela heloka. Mampahery io fitiavana io, sady manampy antsika hahay hifandray amin’ny hafa, indrindra fa ny havana.—1 Korintianina 13:4-8.
Ny ray aman-dreny manana io fitiavana io, dia tena mila miraiki-po lalina amin’ny zanany, sady mametraka fitsipika ara-baiboly momba ny fitondran-tena sy ny zavatra hafa. Hihalehibe eo anivon’ny fianakaviana milamina sy miray saina ny ankizy amin’izay, ary hahatsiaro ho tena tiana sy ankasitrahan’ny ray aman-dreniny.—Efesianina 5:33–6:4; Kolosianina 3:20.
Manaraka ny toro lalan’ny Baiboly ny fianakavian’i Jack, tovolahy iray any Etazonia. Nanoratra ho an’ny ray aman-dreniny izy, rehefa nitokan-trano. Hoy izy: “Niezahako narahina foana ilay didy [ao amin’ny Baiboly] hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao mba hahita soa ianao.’ (Deoteronomia 5:16) Nahita soa tokoa aho noho izany. Vao mainka ankasitrahako izao ny fikirizana sy ny fitiavana nasehonareo. Misaotra noho ny asa mafy nataonareo tamin’ny fitaizana ahy.” Ahoana raha ianao no mahazo taratasy toy izany? Tsy ho faly be ve ianao?
Ankoatra izany, ny fitiavana dia “mifaly noho ny fahamarinana”, izany hoe ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Korintianina 13:6; Jaona 17:17) Aoka hatao hoe misy mpivady manana olana ara-panambadiana manapa-kevitra ny hiara-mamaky ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:9. Izao no voalaza ao: “Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga [tao amin’ny fanambadiana], tsy hosarahin’olona.” Tsy maintsy mandini-tena izy ireo izao. Tena ‘mifaly noho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly’ ve izy ireo? Mihevitra ny fanambadiana ho masina Andriamanitra, ka toy izany koa ve no fomba itondran’izy ireo ny fanambadiany? Vonona hanao ezaka ve izy ireo, mba handaminana amim-pitiavana ny olana misy eo aminy? Raha izany no izy, dia hahomby izy mivady eo amin’ny tokantranony, ary hifaly amin’izany.
6 Tadidio fa mila an’Andriamanitra ianao
“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Tsy toy ny biby ny olombelona, fa afaka mahatakatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy mankasitraka izany. Izany no mahatonga antsika hanontany hoe: “Inona no zava-kendren’ny fiainana? Misy ve ny Mpamorona? Inona no manjo ny maty? Inona no hitranga amin’ny hoavy?”
Olona tso-po an-tapitrisany eran-tany no mahita fa mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly. Mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona, ohatra, ilay fanontaniana farany. Inona izany fikasany izany? Ny hahatonga ny tany ho paradisa, ka olona tia an’Andriamanitra sy ny fitsipiny no honina eo mandrakizay. Hoy ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”
Irin’ny Mpamorona hahomby mandrakizay isika, fa tsy hoe 70 na 80 taona monja! Izao àry no fotoana tokony hianaranao momba ilay Mpamorona anao. Hoy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Rehefa mahazo izany fahalalana izany sy mampihatra azy io ianao, dia ho tsapanao tokoa fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Ohabolana 10:22.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazàna no nadika avy tamin’ny teny grika hoe agape ny hoe “fitiavana” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na “Testamenta Vaovao.” Mifanaraka amin’ny toro lalana izy io. An-tsitrapo tanteraka no anehoana azy, ary raisina ho toy ny adidy, satria izay no mety. Tsy hoe tsy mihontsina anefa ny agape, fa afaka mitombo sy mihalalina.—1 Petera 1:22.
[Efajoro, pejy 7]
TORO LALANA FANAMPINY MBA HAHOMBIAZANA
◼ Matahora an’Andriamanitra. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.”—Ohabolana 9:10.
◼ Fidio tsara ny namanao. “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.
◼ Mahaiza mifehy tena. “Hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina.”—Ohabolana 23:21.
◼ Aza mamaly faty. “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.”—Romanina 12:17.
◼ Miasà mafy. “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”—2 Tesalonianina 3:10.
◼ Mifandraisa tsara amin’ny hafa. “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.
◼ Fehezo ny lelanao. “Izay tia ny fiainana sy te hahita andro soa, dia aoka izy hitandrina ny lelany mba tsy hilaza zava-dratsy.”—1 Petera 3:10.
[Efajoro/Sary, pejy 8]
MAHASALAMA NY FITIAVANA
Hoy i Dean Ornish, dokotera sady mpanoratra: “Mety harary sy halahelo ary hijaly isika, raha tsy ampy fitiavana sy tsy mifandray akaiky amin’ny hafa. Mety ho salama sy ho sambatra kosa isika, raha ampy fitiavana sy mifandray akaiky amin’ny hafa, ary mety ho salama haingana kokoa aza raha marary. Raha misy fanafody vaovao manan-kery toy izany, dia ho nasain’ny dokotera rehetra eto amin’ny firenentsika nampiasa azy io ny marariny. Ho nanao tsirambina izay dokotera tsy ho nanao izany.”
[Efajoro/Sary, pejy 9]
LASA NAHOMBY IZY
Mipetraka any amin’ireo tany Balkans i Milanko. Lasa miaramila izy rehefa nisy ady tany amin-dry zareo. Nanao zavatra tamin-kerim-po izy, ka nantsoin’ny olona hoe Rambo, izay anaran’olona ao amin’ny filma iray misy herisetra. Kivy anefa i Milanko rehefa nahita fa nanao kolikoly sy nihatsaravelatsihy ny tafika. Hoy izy: “Lasa nisotro toaka aho, nifoka sigara, nidoroka zava-mahadomelina, niloka, ary naloto fitondran-tena. Nivarilavo tanteraka aho nefa tsy hitako izay hatao.”
Nanomboka namaky Baiboly àry i Milanko. Namangy havana izy indray mandeha, ary nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tiany ny zavatra novakiny, ary tsy ela izy dia niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Nanampy azy ho sambatra sy hahomby ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Nampahery ahy izy io”, hoy izy. “Nialako ireo fahazaran-dratsiko, ary nanova ny fiainako aho. Natao batisa aho, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy miantso ahy hoe Rambo intsony izao ireo olona nahafantatra ahy, satria efa tsara fanahy aho.”