Mamelà Heloka Amin’ny Fonao
“Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.” — MATIO 18:35.
1, 2. a) Ahoana no nampisehoan’ny vehivavy iray nalaza ho mpanota fa velom-pankasitrahana an’i Jesosy izy? b) Inona no hevi-dehibe nambaran’i Jesosy ho setrin’izany?
AZO inoana fa mpivaro-tena ilay vehivavy, irony karazan’olona tsy ampoizinao ho hita ao an-tranon’olona mpivavaka irony. Raha nahagaga ny sasany ny nahita azy tao, dia vao mainka nahagaga kokoa ny nataony. Nohatoniny ilay lehilahy nanana fitsipi-pitondran-tena ambony indrindra, ary nasehony ny fankasitrahany ny asan-dralehilahy, ka nosasany tamin’ny ranomasony ny tongotr’izy io ary nohamaininy tamin’ny volony izany, nony avy eo.
2 Tsy iza ilay lehilahy fa i Jesosy. Tsy naharikoriko azy io vehivavy “malaza ho mpanota tao an-tanàna” io. (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara). Sahiran-tsaina noho ny naha mpanota an’io vehivavy io anefa i Simona, Fariseo, ilay tompon-trano. Namaly izany i Jesosy tamin’ny fitantarana ny amin’ny lehilahy roa nananan’ny mpampisambo-bola trosa. Ilay iray nananany trosa be dia be — karaman’ny mpiasa nandritra ny roa taona teo ho eo. Ilay faharoa kosa nananany ny ampahafolon’izany, na karama latsaka ny telo volana. Rehefa samy tsy afaka nandoa trosa izy roa lahy ireo, dia ‘samy navelan’ilay mpampisambotra’. Mazava fa ilay iray nanan-trosa bebe kokoa voavela no nanana antony lehibe kokoa hitiavana ilay namela, ho setriny. Nampifandray ilay fitantarana tamin’ilay zavatra nataon’ilay vehivavy tamin-katsaram-panahy i Jesosy, ary nanome izao foto-pitsipika izao nony avy eo: “Izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.” Ary dia hoy izy tamin-dravehivavy: “Voavela ny helokao.” — Lioka 7:36-48.
3. Inona no ilaintsika hodinihina momba ny tenantsika?
3 Manontania tena hoe: ‘Raha izaho no teo amin’ny toeran’io vehivavy io, na raha tao anatin’ny toe-javatra toy izany aho ka nanehoana famindram-po, ho sarotiny ve aho ka tsy hamela ny heloky ny hafa?’ Mety hamaly ianao hoe: ‘Sanatria izany!’ Na izany aza, moa ve tena inoanao tokoa fa mirona hamela heloka ny tenanao? Toetra fototra maha ianao anao ve izany? Matetika ve ianao no namela heloka tsy tamim-pisalasalana, ary holazain’ny hafa ho mpamela heloka ve ianao? Andeha hojerentsika ny antony tokony hanaovan’ny tsirairay amintsika fandinihan-tena amim-pahatsorana momba izany.
Ilaina ny famelan-keloka, ary nanehoana famelan-keloka isika
4. Inona no zava-misy tokony hekentsika momba ny tenantsika?
4 Diso fantatrao tsara fa tsy lavorary ny tenanao. Raha anontaniana ianao, dia hiaiky ny amin’izany mihitsy aza, ary angamba hahatsiaro ireto teny hita ao amin’ny 1 Jaona 1:8 ireto: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” (Romana 3:23; 5:12). Mety hiseho ny maha mpanota ny olona sasany, amin’ny fanaovany ota lehibe manafintohina. Na dia tsy fantatrao ho meloka ho nanao izany aza ny tenanao, dia azo antoka fa imbetsaka sy tamin’ny fomba maro ianao no tsy nahatratra ny fari-pitsipik’Andriamanitra, izany hoe nanota ianao. Tsy izany ve no izy?
5. Tokony ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra noho ny inona isika?
5 Noho izany, dia mety hifanitsy amin’izao filazalazan’ny apostoly Paoly izao ny toe-javatra misy anao: “Hianareo, izay efa matin’ny fahadisoanareo sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra”. (Kolosiana 2:13; Efesiana 2:1-3). Mariho ilay teny hoe “navelany ny fahadisoantsika rehetra”. Mahafaoka zavatra be dia be izany. Manana antony tsara hitalahoana toy ny nataon’i Davida toy izao ny tsirairay amintsika: “Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.” — Salamo 25:11, izahay no manao sora-mandry.
6. Inona no azontsika antoka raha ny amin’i Jehovah sy ny famelan-keloka?
6 Ahoana no ahazoan’ny tenanao — na ny iray amintsika — famelan-keloka? Anton-javatra iray amin’izany ny hoe mirona hamela heloka i Jehovah Andriamanitra. Toetra mampiavaka azy izany. (Eksodosy 34:6, 7; Salamo 86:5). Tsy mahagaga àry raha antenain’Andriamanitra ny hitodihantsika any aminy ao amin’ny vavaka, ka hangatahantsika ny hamelany ny helotsika. (2 Tantara 6:21; Salamo 103:3, 10, 14). Ary nandamina fototra ara-dalàna izy mba hiorenan’izany famelan-keloka izany, dia ny sorom-panavotan’i Jesosy. — Romana 3:24; 1 Petera 1:18, 19; 1 Jaona 4:9, 14.
7. Amin’ny fomba ahoana no tokony hanirianao hanahafana an’i Jehovah?
7 Tokony hoheverinao ho modely ny amin’ny fomba tokony hitondranao ny olon-kafa, ny fahavononan’Andriamanitra hamela heloka. Nifantoka tamin’izany i Paoly, rehefa nanoratra hoe: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32). Tsy isalasalana fa voafaoka amin’ilay hevi-dehibe nambaran’i Paoly ny hianarantsika avy amin’ny ohatra omen’Andriamanitra, satria hoy ny andinin-teny manaraka: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. (Efesiana 5:1). Hitanao ve ilay fifandraisana? Namela ny helokao i Jehovah Andriamanitra, koa mila manahaka azy ianao ary mila ny ‘miantra sy mamela ny heloky’ ny hafa, araka ny fanjohian-kevitra mahery nataon’i Paoly. Kanefa manontania tena hoe: ‘Izany ve no ataoko? Raha tsy toetrako izany, miezaka ho amin’izany ve aho, izany hoe, tena milofo tokoa hanahaka an’Andriamanitra ka tonga mpamela heloka?’
Mila miezaka ho tonga mpamela heloka isika
8. Inona no tokony hekentsika, raha ny amin’izay mahaforona ny kôngregasiônantsika?
8 Hahafinaritra raha vitsy ny toe-javatra ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina, mahavoatery antsika hampihatra ny famelan-keloka, izay lalam-pitondran-tena araka an’Andriamanitra. Tsy izany anefa no zava-misy. Marina aloha fa milofo manaraka ny oha-pitiavan’i Jesosy ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristianina. (Jaona 13:35; 15:12, 13; Galatiana 6:2). Niezaka efa hatry ny ela izy ireo, ary mbola miezaka ihany, hiala amin’ireo fomba fisaina sy fomba fiteny ary fomba fanaovan-javatra mampiavaka ity tontolo ratsy ity. Tena maniry hampiseho ny toetra vaovao izy ireo. (Kolosiana 3:9, 10). Tsy azontsika odian-tsy hita anefa fa olombelona tsy lavorary no mahaforona ny kôngregasiôna maneran-tany sy ny kôngregasiôna tsirairay eo an-toerana. Amin’ny ankapobeny, dia tsara kokoa noho ny teo aloha ny toetran’izy ireo, saingy mbola tsy lavorary ihany izy ireo.
9, 10. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha misy olana mipoitra eo amin’ny samy rahalahy?
9 Inian’Andriamanitra lazaina amintsika ao amin’ny Baiboly fa azontsika ampoizina ny tsy fahalavorariana ao anatin’ny kôngregasiôna, eo anivon’ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Diniho, ohatra, ny tenin’i Paoly voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Kolosiana 3:13, manao hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.”
10 Tsara homarihina fa ampahatsiahivin’ny Baiboly isika eto hoe misy fifandraisany ny famelan-keloka asehon’Andriamanitra amintsika sy ny famelan-keloka asehontsika amin’ny hafa, izay sady adidintsika no zavatra ilaintsika. Nahoana no zava-tsarotra izany? Satria mety hisy olona hanana “alahelo amin’ny sasany”, hoy ny fieken’i Paoly. Takany fa hisy ny antony hahatonga alahelo toy izany. Tsy maintsy ho nisy izany tamin’ny taonjato voalohany, na dia teo anivon’ny “olona masina” kristianina aza, izay nanana ‘fanantenana notehirizina any an-danitra ho azy ireo’. (Kolosiana 1:2, 5). Koa azontsika heverina ve fa tsy ho toy izany ny amin’izao andro izao, kanefa amin’izao andro izao ny ankamaroan’ny Kristianina marina dia tsy nahazo ny fanambaran’ny fanahy hoe “olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala” izy ireo? (Kolosiana 3:12). Noho izany, dia tsy tokony hanatsoaka hevitra isika hoe tena misy tsy mety mihitsy ao amin’ny kôngregasiônantsika ao matoa misy antony mahatonga alahelo, toy ny fihetseham-po voaratra satria tena nasian-dratsy na noheverina fa nasian-dratsy.
11. Inona no nampitandreman’i Jakoba mpianatra antsika?
11 Mampiseho koa ny tenin’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, fa tsy maintsy ampoizintsika ny mety hahitantsika toe-javatra mitaky ny hamelantsika ny heloky ny rahalahintsika, indraindray, fara fahakeliny. “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.” (Jakoba 3:13, 14). “Fialonana mirehitra sy fifampiandaniana” ao am-pon’ny Kristianina marina hoe? Eny, toa manondro mazava tsara ny tenin’i Jakoba fa nipoitra tao amin’ny kôngregasiôna tamin’ny taonjato voalohany izany, ary hipoitra koa amin’izao andro izao.
12. Inona no olana nipoitra tao amin’ny kôngregasiôna tany Filipy fahiny?
12 Ohatra iray tena nitranga ny amin’ny Kristianina voahosotra roa, izay nanana laza tsara dia tsara ho niara-niasa fatratra tamin’i Paoly. Mety hotsaroanao ny namakianao ny amin’i Eodia sy i Syntyke, izay tao amin’ny kôngregasiôna tany Filipy. Na dia tsy milazalaza ilay raharaha amin’ny an-tsipiriany aza ny Filipiana 4:2, 3, dia mampiseho izy io fa nisy olana teo amin’izy mirahavavy ireo. Teny tsy voahevitra sy henjana ve no niantombohan’izany, sa nisy havana tsikaritra fa natao tsinontsinona, sa nisy porofo fa nifampialona ka nifaninana izy ireo? Na inona na inona ilay izy, dia nanjary lehibe aoka izany, hany ka ren’i Paoly tany lavitra be tany Roma. Nety ho nanjary nangatsiaka ny fifandraisan’ireo mpirahavavy ara-panahy ireo, ka tsy nifampiteny intsony izy ireo, nifampihatakataka rehefa tany am-pivoriana, na nanaratsy ny ankilany rehefa niresaka tamin’ny namany.
13. Inona no azo inoana fa namaha ilay olana teo amin’i Eodia sy i Syntyke, ary inona no lesona azontsika raisina avy amin’izany?
13 Toa tsy vaovao aminao ve ny zavatra toy izany, mitovy amin’izay nitranga tamin’ny sasany tao amin’ny kôngregasiônanao, na izay nahakasika anao mihitsy? Mety hisy kely ihany ny karazana olana toy izany, na dia ankehitriny aza. Inona no azontsika atao? Tamin’ilay zava-nitranga fahiny, dia nampirisihin’i Paoly ireo mpirahavavy be zotom-po ireo mba “hiray saina ao amin’ny Tompo”. Mety ho nanaiky ny hifampiresaka momba ilay raharaha izy ireo, ny hifanazava amim-pahatsorana, ny hampiseho fahavononana hifamela heloka, ka tena hanahaka ny fihetsik’i Jehovah tia mamela heloka. Tsy misy antony tokony hiheverana fa tsy nahomby i Eodia sy i Syntyke, ary afaka ny hahomby koa isika. Azo ampiharina amin’izao andro izao amim-pahombiazana koa ny fihetsika tia mamela heloka toy izany.
Mihavàna ka mamelà heloka
14. Nahoana matetika no azo atao sady tsara indrindra ny mamela handalo fotsiny ilay tsy fifanarahana amin’ny olona iray?
14 Inona marina no tena ilaina mba hamelan-keloka, rehefa misy olana eo aminao sy ny Kristianina hafa iray? Tsorina aloha fa tsy misy ny fomba tsotra, na dia iray aza. Kanefa manolotra ohatra mahasoa sy torohevitra mijery ny zava-misy ny Baiboly. Torohevitra fototra iray — na dia tsy mora ekena sy ampiharina aza — ny manadino fotsiny ilay raharaha, ka mamela ilay izy handalo. Matetika, rehefa misy ny olana, toy ny teo amin’i Eodia sy i Syntyke, dia samy mihevitra ny tsirairay fa ilay ankilany no diso, na azy io ny fahadisoana be indrindra. Koa mety hihevitra tokoa ianao amin’ny toe-javatra toy izany, fa ilay Kristianina iray no tokony homen-tsiny indrindra, na izy no nanao ny fahadisoana be indrindra. Na izany aza, azonao atao ve ny manadino fotsiny ilay raharaha ka mamela heloka? Raha an’ilay Kristianina iray ny fahadisoana be indrindra, na azy tanteraka ny fahadisoana, na dia tsy azo inoana loatra aza izany, dia aoka ho takatrao fa ianao no tsara toerana indrindra hamela ilay raharaha handalo toy ny hoe efa voavela sy vita hatreo.
15, 16. a) Ahoana no nilazalazan’i Mika an’i Jehovah? b) Inona no hevitry ny hoe ‘mandalo fahadisoana’ Andriamanitra?
15 Aoka isika tsy hanadino fa Andriamanitra no ohatra ho antsika ny amin’ny famelan-keloka. (Efesiana 4:32–5:1). Izao no nosoratan’i Mika mpaminany, mahakasika ny modely omen’i Jehovah raha ny amin’ny famelana ny fahadisoana handalo: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo.” — Mika 7:18.
16 Rehefa milazalaza an’i Jehovah ho ‘mandalo fahadisoana’ ny Baiboly, dia tsy te hilaza akory hoe tsy afaka mahatadidy ireo ratsy natao i Jehovah, toy ny hoe very tadidy izy amin-javatra voafaritra tsara sasany. Diniho ny amin’i Samsona sy i Davida, izay samy nanao fahadisoana lehibe. Afaka nahatadidy ny fahotan’izy ireo Andriamanitra, ela be tatỳ aoriana; ary na isika aza dia mahafantatra ny ampahany tamin’ny fahotan’izy ireo, satria nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly izany. Na izany aza, dia namindra fo tamin’izy roa lahy ireo ilay Andriamanitsika mamela heloka, ka nanao azy ireo ho oha-pinoana tokony hotahafintsika. — Hebreo 11:32; 12:1.
17. a) Inona no fomba fijery manampy antsika handalo ireo fahadisoana na fanafintohinan’ny hafa? b) Raha milofo manao izany isika, ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
17 Eny, afaka ‘nandalo’a fahadisoana i Jehovah, toy ny nangatahan’i Davida azy imbetsaka mba hataony. (2 Samoela 12:13; 24:10). Afaka manahaka an’Andriamanitra ve isika amin’io lafiny io, ka ho vonona handalo ny fanaovana tsinontsinona sy ny fanafintohinana ataon’ny mpiara-manompo amintsika, izay olombelona tsy lavorary ihany? Alao sary an-tsaina ange ny tenanao mitaingina fiaramanidina Boeing iray eo am-piaingana e. Rehefa mijery any ivelany ianao, dia mahita eo akaikin’ny lalam-piaramanidina, olom-pantatra iray mampiseho tsy fanajana fa mitranga lela toy ny ankizy kely. Fantatrao fa sosotra izy, ary nety ho taminao izy no sosotra. Na koa nety tsy ho ianao velively no nahasosotra azy. Na ahoana na ahoana, rehefa mihodina ilay fiaramanidina mba hiakarana ambony kokoa, dia mandalo eo ambonin’ilay vehivavy ianao, ary toa pentina kely iray sisa no fahitanao azy. Rehefa afaka adiny iray, dia any amin’ny an-jatony kilaometatra maro ianao, ary efa nilaozanao ela ilay fihetsika nanafintohina nataon’ilay vehivavy. Toy izany koa fa matetika no hahasoa antsika ny mamela heloka, raha miezaka hanahaka an’i Jehovah isika ary maneho fahendrena, ka mandalo ilay fanafintohinana. (Ohabolana 19:11). Tsy ho toa bitika ve ilay fanaovana tsinontsinona, rehefa afaka folo taona, na rehefa afaka roanjato taona ao anatin’ny Fanjakana Arivo Taona? Nahoana raha mamela ilay izy handalo fotsiny?
18. Raha hita fa toa tsy vitantsika ny mamela fanafintohinana, inona no torohevitra azontsika ampiharina?
18 Amin’ny toe-javatra tsy dia mateti-piseho anefa, dia mety ho efa nivavaka momba ilay raharaha ianao, ary mety ho efa niezaka hamela heloka, kanefa tsapanao fa tsy vitanao ilay izy. Ahoana àry amin’izay? Nampirisihan’i Jesosy ny hanatonana mitokana ny ankilany ka hiezahana handamina ilay tsy fifanarahan-kevitra mba hamitranana fihavanana. “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” — Matio 5:23, 24.
19. Inona no fihetsika tokony hananantsika ary inona no fihetsika tokony hohalavirintsika, raha mitady fihavanana amin’ny rahalahintsika isika?
19 Tsara homarihina fa tsy nilaza akory i Jesosy hoe tokony hanatona ilay rahalahinao ianao mba hampiaiky azy fa ianao no marina ary izy no diso. Angamba diso izy. Azo inoana kokoa fa samy nanao fahadisoana ny andaniny sy ny ankilany. Na ahoana na ahoana, dia tsy tokony ho zava-kendrena ny hahatonga ilay ankilany hiaiky tsy fidiny, hilela-paladia, raha azo atao ny milaza izany. Raha toy izany no fomba entinao ifampiresahana aminy, dia mety ho azo antoka fa tsy hahomby ianao. Tsy tokony ho zava-kendrena koa ny hijerena indray ny tsipiriany rehetra tamin’ilay fanafintohinana tena natao na noheverina fotsiny hoe natao. Tokony hatao amim-pahatoniana sy amin’ny toe-tsaina maneho fitiavana kristianina ilay fifampiresahana, ka rehefa miharihary avy amin’izany fa tsy fifankahazoan-kevitra no votoatin’ilay olana, dia samy afaka miezaka handamina ilay raharaha ianareo. Tena ilaina foana ve ny fifanarahan-kevitra tanteraka, na dia tsy miafara amin’izany aza ilay fifampiresahana? Tsy ho tsara kokoa ve raha afaka miaiky ianareo, fara faharatsiny, fa samy maniry amim-pahatsorana ny hanompo an’ilay Andriamanitsika mamela heloka? Rehefa miatrika izany zava-misy izany ianareo, dia mety ho mora kokoa ho an’ny tsirairay ny hilaza amim-pahatsorana hoe: “Miala tsiny aho fa nisy iny tsy fifanarahan-kevitra iny teo amintsika, noho ny tsy fahalavorariantsika. Aoka re havelantsika any izy iny e!”
20. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelan’ireo apostoly?
20 Tadidio fa nisy tsy fifanarahan-kevitra teo amin’ireo apostoly, toy ny tamin’ny fotoana nanirian’ny sasany tamin’izy ireo hahazo voninahitra lehibe kokoa. (Marka 10:35-39; Lioka 9:46; 22:24-26). Niteraka fihenjanana izany, angamba nandratra fihetseham-po, na niteraka fanafintohinana lalina mihitsy aza. Nahavita namela tsy fifanarahan-kevitra toy izany handalo anefa izy ireo, ary afaka niara-niasa hatrany. Nanoratra toy izao ny iray tamin’izy ireo, tatỳ aoriana: “Na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.” — 1 Petera 3:10, 11.
21. Inona no torohevitra mifono hevi-dalina nomen’i Jesosy, momba ny famelan-keloka?
21 Nomarihintsika terỳ aloha kokoa ny dingana iray amin’ny fihodinan-javatra iray: Namela ny fahotana maro nataontsika tamin’ny lasa Andriamanitra, koa tokony hanahaka azy sy hamela ny heloky ny rahalahintsika koa isika. (Salamo 103:12; Isaia 43:25). Misy dingana iray hafa koa anefa amin’izy io. Rehefa avy nanome ilay vavaka modely i Jesosy, dia nilaza hoe: “Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.” Mbola nolazain’i Jesosy indray ilay votoatin-kevitra, rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao izy, herintaona mahery tatỳ aoriana: “Mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.” (Matio 6:12, 14; Lioka 11:4). Avy eo, andro vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany, dia mbola hoy koa i Jesosy: “Raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.” — Marka 11:25.
22, 23. Amin’ny ahoana ny fahavononantsika hamela heloka no misy akony eo amin’ny hoavintsika?
22 Eny, miankina be dia be amin’ny fahavononantsika hamela ny heloky ny rahalahintsika ny fanantenantsika hahazo hatrany ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Rehefa mipoitra ny olana eo aminao sy ny Kristianina hafa, dia manontania tena hoe: ‘Tsy ny fahazoana famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ve no zava-dehibe lavitra noho ny fanaporofoako fa diso ny rahalahy iray na ny anabavy iray, tamin’ny fanaovana tsinontsinona kely, tamin’ny fanafintohinana madinika, na tamin’ny fampisehoana taratry ny tsy fahalavorarian’olombelona?’ Fantatrao ny valiny.
23 Ahoana anefa raha lehibe kokoa ilay raharaha fa tsy fanafintohinana na olona madinika nahazo ny tena manokana fotsiny? Ary rahoviana no mihatra ilay torohevitr’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 18:15-18? Andeha hodinihintsika amin’ny manaraka ireo zavatra ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny an’ohatra hebreo nampiasaina ao amin’ny Mika 7:18, dia “noraisina avy tamin’ny fihetsiky ny mpandeha iray mandalo kanefa tsy mahamarika zavatra iray tsy tiany hampifantohana ny sainy. Ilay hevitra tiana hampitaina akory tsy hoe, tsy mahamarika fahotana Andriamanitra, na hoe zavatra tsy dia manao ahoana, na tsy misy dikany aminy izany. Ilay hevitra tiana hampitaina kosa dia hoe tsy marihiny ho fikendrena ny hanasazy ilay izy, amin’ny toe-javatra sasany; ary koa tsy manasazy izy, fa mamela heloka”. — Mpitsara 3:26; 1 Samoela 16:8.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no anomezan’i Jehovah modely harahintsika, raha ny amin’ny famelan-keloka?
◻ Inona no tsy maintsy tadidintsika, raha ny amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna?
◻ Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tokony ho afaka hanao inona isika, rehefa misy fanaovana tsinontsinona na fanafintohinana?
◻ Raha ilaina izany, inona no azontsika atao mba hihavanana amin’ny rahalahintsika?
[Sary, pejy 15]
Rehefa mipoitra ny tsy fifanarahanao amin’ny Kristianina iray, dia miezaha hamela izany handalo; mihamanjary tsy zava-dehibe ilay raharaha, rehefa mandeha ny fotoana