LESONA 32
Fitenenana Amim-patokisana
REHEFA miteny amim-patokisana ny olona iray, dia hitan’ny hafa fa mino mafy izay lazainy izy. Hita teo amin’ny fanompoan’ny apostoly Paoly io toetra io. Izao no nosoratany ho an’ireo tonga mpino, tany Tesalonika: ‘Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny fahatokiana be koa.’ (1 Tes. 1:5) Hita tamin’ny teniny sy ny nataony izany fatokisany izany. Tokony ho hita eo amin’ny fomba itoriantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny fatokisana be toy izany.
Tsy miziriziry amin’ny heviny, na mitompo teny fantatra, na avo vava akory ny olona matoky izay lazainy. Maneho finoana matanjaka kosa izy, rehefa milaza zavatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Heb. 11:1.
Ny fotoana hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina ny miteny amim-patokisana, rehefa eny am-pitoriana. Tsy ny hafatra lazainao ihany no marihin’ny olona, fa ny fomba ilazanao azy koa. Tsikariny izay tena heverinao momba izay lazainao. Tsy ampy ny teny fotsiny mba hilazana fa manan-java-dehibe hambara ianao. Mahavita izany amin-kery kokoa ny fatokisanao.
Ilaina koa ny fatokisana rehefa miteny amin’ny mpiray finoana ianao, eny ambony lampihazo. Nanoratra ny taratasiny voalohany ny apostoly Petera mba hampaherezana sy ‘hanambarana fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra.’ Nampirisika mafy ny rahalahiny izy hoe: “Tomoera tsara.” (1 Pet. 5:12) Nahasoa ny fiangonana tany Roma ny fatokisan’ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra ho azy ireo. Hoy izy: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Rom. 8:38, 39) Nampiaiky ny rahalahiny koa izy, tao amin’ny taratasiny, fa nilaina ny nitory tamin’ny hafa. Ary ny zotom-pony manokana nanao io asa io dia porofo fa natoky izany tanteraka ny tenany. (Asa. 20:18-21; Rom. 10:9, 13-15) Tokony ho hita eo amin’ny anti-panahy kristianina ankehitriny koa ny fatokisana toy izany, rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izy.
Mila miteny amim-patokisana ny ray aman-dreny, rehefa mampianatra zavatra ara-panahy amin’ny zanany, sy amin’ny fotoana hafa koa. Tsy maintsy mamboly fitiavana an’Andriamanitra sy ny lalany ao am-pony aloha izy ireo, vao tena afaka miteny amim-patokisana amin’ny zanany, ‘satria amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.’ (Lioka 6:45; Deot. 6:5-7) Afaka manome ohatra ny amin’ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” koa ny ray aman-dreny, raha manana fatokisana toy izany.—2 Tim. 1:5.
Rehefa iharam-pitsapana indrindra ny finoanao no tena ilanao miteny amim-patokisana. Mety ho gaga ny mpampianatra, ny mpiara-mianatra, na ny mpiara-miasa aminao, noho ianao tsy miara-mankalaza fety aminy. Ny valin-teny hentitra sy voahevitra tsara dia mety hanampy azy hanaja ny fanapahan-kevitrao miorina amin’ny Baiboly. Ahoana raha taomin’ny hafa hanao fitondran-tena ratsy ianao: handainga, hangalatra, hampiasa zava-mahadomelina, na hanao firaisana? Ataovy mazava tsara fa tsy hanao izany mihitsy ianao, ary tsy hampiova hevitra anao izay mety ho fanangolena hampiasainy. Mila miteny amim-patokisana ianao, rehefa mandà toy izany. Nanao teny hentitra toy izao i Josefa, fony nanohitra ny fanangolen’ny vadin’i Potifara: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Rehefa nisisika ihany ravehivavy, dia nandositra nivoaka ilay trano i Josefa.—Gen. 39:9, 12.
Ny fomba anehoana fatokisana. Afaka mampiseho ny fatokisanao ireo teny ampiasainao. Imbetsaka i Jesosy, ohatra, no niteny hoe “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa”, alohan’ny hilazana zava-dehibe iray. (Jaona 3:3, 5, 11; 5:19, 24, 25) Hita ny fatokisan’i Paoly tao amin’ny teny toy ny hoe “Matoky aho”, sy hoe “Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho”, ary hoe “Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.” (Rom. 8:38; 14:14; 1 Tim. 2:7) Nasain’i Jehovah nohamafisin’ny mpaminaniny toy izao indraindray ny fahatanterahan’ny teniny: “Ho avy tokoa izy.” (Hab. 2:3) Afaka mampiasa teny toy izany koa ianao, rehefa manonona ireny faminaniana ireny. Ho porofon’ny finoanao matanjaka ny teny feno toky toy izany, raha mitoky amin’i Jehovah fa tsy amin’ny tenanao ianao, ary raha manaja olona rehefa miteny.
Mety hahitana ny fatokisanao koa ny fahatsoranao sy ny fihetseham-ponao rehefa miteny. Samy milaza izany avokoa ny endrikao sy ny fihetsikao, na dia mety tsy hitovy aza izany, arakaraka ny olona. Hiseho foana ny fatokisanao, na dia saro-kenatra na malefaka fiteny aza ianao, raha inoanao tanteraka fa ny fahamarinana no lazainao ary mila izany ny olona.
Mazava ho azy fa tsy maintsy ho avy amin’ny fo ny fatokisantsika. Raha tsapan’ny olona fa fisehoana fotsiny ilay izy fa tsy tena amim-pahatsorana, dia hanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy misy heviny firy ny hafatra entintsika. Ny maha ianao anao àry aseho. Arakaraka ny habetsahan’ny mpihaino anao, no mety hilanao hiteny mafy kokoa noho ny mahazatra sy amin-kery kokoa. Ny hiteny avy amin’ny fo sy amin’ny fomba tsotra, tsy amboamboarina, anefa no tokony ho tanjonao.
Fanampiana mba hitenenana amim-patokisana. Tena ilaina ny manomana tsara, satria miankina amin’ny fiheveranao an’ilay fanazavanao ny fatokisanao. Tsy ampy ny mamaky na mamerina tsianjery zavatra avy ao anaty boky na gazety. Tsy maintsy azonao tsara ilay fanazavana, mba hilazanao azy amin’ny fiteninao manokana. Tsy maintsy miaiky tanteraka ianao fa marina ilay izy sady tena ilain’ny mpihaino. Rehefa manomana ny anjaranao àry ianao, dia hevero ny toe-javatra misy ny mpihaino sy ny zavatra mety ho efa fantany na heveriny momba ilay foto-kevitra.
Mora hitan’ny olona ny fatokisantsika rehefa misosa tsara ny fitenenantsika. Ankoatra ny fanomanana hevitra tsara àry, dia ataovy tsara koa ny famerenana. Mariho tsara ireo tapany ilana ny fiekena kokoa, mba tsy ho voatery hijery taratasy be loatra ianao, rehefa milaza azy. Tadidio koa ny mivavaka amin’i Jehovah mba hitahiany ny ezaka ataonao. Ho ‘sahy ao amin’Andriamanitsika’ ianao amin’izay, ka hatoky fa marina sy tena lehibe ilay hafatra lazainao.—1 Tes. 2:2.