Marina sy Maharaka ny Fotoana Foana
Ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina dia naharay taratasy iray avy tamin’ny mompera katolika iray 77 taona. Hoy ny nohazavainy:
“Hatramin’ny nikatonan’ny monasterako 25 taona lasa izay, dia monina ao amin’ny trano ho an’ny be antitra aho. Tsy mitovy hevitra amin’ny zavatra rehetra inoanareo aho, kanefa izay novakiko androany tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia mahatonga ahy hiaiky fa marina sy maharaka ny fotoana foana ianareo. Tena tilikambo fiambenana marina ianareo, ary manao izay ampanantenaina ao amin’ny pejy faharoa, ka ‘manaraka ny fandehan’ireo zava-miseho maneran-tany arakaraka ny anatanterahan’ireo ny faminaniana ao amin’ny Baiboly’.
“Manazava amin-kerim-po sy araka ny mety ireto tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:3 ireto ianareo: ‘Amin’izay fotoana ilazan’izy ireo hoe: “Fiadanana sy filaminana!” dia tsy maintsy tonga aminy avy hatrany ny fandringanana tampoka’. Na aiza na aiza ao amin’ny eglizinay, dia tsy mahita fanazavana toy izany aho. Tsy afaka mandà ny fiasan’ny fanahy masina eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray. (...) Ho faly aho hamaky ireo gazetinareo tsy tapaka.”
Amin’ny fanarahana ny ohatr’io mompera katolika io, ianao koa dia afaka mianatra bebe kokoa momba ny fanatanterahan’ireo zava-miseho maneran-tany, ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ary koa momba ny handringanan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela ny faharatsiana ka hanorenany paradisa iray haneran-tany.
Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny na fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manorata, aza fady, any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.
[Sary, pejy 32]
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Ny fiadanana sy filaminana
Ny fomba fijerin’ny Baiboly