Fanantenana — Fiarovana Iankinan’ny Aina eo Amin’ny Tontolo Iray Mampamoy Fo
Nisy zazalahy Koreana iray naniry hanampy an-dreniny handresy lahatra mpianatra iray tany amin’ny lise ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fananana fanantenana ny amin’ny hoavy. Tsaroany ny fanoharana iray reny tany amin’ny fivoriana kristiana ka nanontaniany ilay mpianatra raha afaka nanampy azy hitady ny valin’ny ankamantatra iray. Nanaiky ilay tovovavy. Hoy ilay zazalahy: “Nisy fianakaviana roa. Samy nahantra be izy roa tonta. Avy be ny orana, ary samy nitete ny tafon-tranon’izy ireo avy. Nalahelo mafy ny fianakaviana iray, ary nanao fitarainana be ny amin’ireo loaka. Ilay fianakaviana iray hafa kosa dia sambatra sy falifaly teo am-panampenana ny tafon-tranony. Nahoana no nisy tsy fitoviana lehibe teo amin’ireo fianakaviana roa ireo?” Taitra ny fahalianan’ilay tovovavy ka namaly izy hoe tsy fantany. “Eny àry”, hoy ilay zazalahy, “sambatra ilay fianakaviana faharoa satria vao naharay filazana avy tamin’ny fitondram-panjakana teo amin’ilay tanàna izy fa homena trano vaovao. Koa nanana fanantenana izy. Izay ilay tsy fitoviana!”[1]
MANAZAVA fahamarinana tsotra iray ilay ankamantatra nataon’ilay zazalahy: Manova ny fomba fiheverantsika ny fiainana ny fanantenana, matetika na toy inona na toy inona toe-javatra misy antsika. Sahala amin’ireo fianakaviana roa nolazalazainy, ny ankamaroantsika dia miaritra fitsapana eo amin’ny fiainana — zava-manahirana ara-pahasalamana, tebiteby ara-bola, fihenjanana eo amin’ny fianakaviana, heloka bevava, ary fitsapana sy fitondrana ratsy hafa tsy tambo isaina. Matetika dia tsy afaka manaisotra izany zava-manahirana antsika izany isika, toy ny tsy ahafahantsika manaisotra ny oram-baratra tsy ho eny amin’ny manodidina antsika. Koa mety hahatsiaro tena ho kivy isika, ho irery — raha fintinina dia tsy afa-manoatra. Manampy trotraka izany koa, dia nampianarina isika tany am-piangonana fa mafaitra ny hoavy ho an’ny ankamaroan’ny mpanota, ary mety ho tafiditra amin’izany ny famaizana mandrakizay.
Voalaza fa ny fomba iray tokony harahina mba hahatonga ny tena ho ketraka dia ny tsy fahafahana manoatra ampiana ny tsy fananana fanantenana. Azontsika esorina tanteraka anefa ny iray amin’ireo fangaro ireo; tsy misy amintsika voatery tsy hanana fanantenana. Ary ny fanantenana mihitsy aza dia mety ho ny fiadiana tsara indrindra mba hampiviliana lalana ilay fangaro iray hafa, dia ny fahatsiarovan-tena ho tsy afa-manoatra. Raha manana fanantenana isika, dia afaka miaritra ireo fitsapana eo amin’ny fiainana amin’ny fananana fahatoniana sy fahafaham-po amin’ny antonony, fa tsy hiady lava ao anatin’ny fahoriana be mahavery hevitra. Eny, fiarovana iankinan’ny aina ny fanantenana.
Moa ve ny fanizingizinana toy izany mahatonga anao hisalasala? Tena mahery tokoa ve ny fanantenana ka mahatonga izany tsy fitoviana lehibe izany? Ary moa ve misy fanantenana azo ianteherana ho an’ny tsirairay amintsika?
Toy ny fiarovan-doha
Nanomboka niaiky ny amin’ny hery miavaka ananan’ny fanantenana ny fitsaboana. Ny Dr. Shlomo Breznitz, izay tsy maty tamin’ny famonoan’ny Nazia ny Jiosy, sady manam-pahaizana manokana momba ny fihenjanana, dia nilaza fa amin’ny ankamaroan’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, “ny fihenjanana dia avy amin’ny fomba fandraisantsika ny fahasarotan’izy ireny, fa tsy avy amin’ireo zava-manahirana fotsiny amin’izao akory. Mampihena ny fanerena entin’izy ireny ny fanantenana”. Nanantitrantitra ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Journal of the American Medical Association, fa ny fanantenana dia “fanafody mahery iray”. Nanao izao tatitra izao ny gazetiboky American Health: “Misy ohatra maro eo amin’ny marary, indrindra fa ireo marary voan’ny homamiadana, izay niharatsy tampoka ny fahasalamany rehefa nisy zavatra nahatonga azy ireo hamoy fanantenana — na nihatsara tampoka rehefa nahita zava-baovao mendrika ny hivelomana izy ireo.” — Ampitahao amin’ny Ohabolana 17:22.
Efa hatramin’ny ela be no nahafantaran’ireo mpianatra ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ny fanantenana. Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:8, ny apostoly Paoly dia nampirisika ny Kristiana toy izao: “Aoka [isika] hahonon-tena ka hitafy (...) ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.” Amin’ny ahoana ny “fanantenana ny famonjena” no toy ny fiarovan-doha?
Diniho izay ataon’ny fiarovan-doha. Ireo miaramila tamin’ny andron’ny Baiboly dia nitondra fiarovan-doha varahina na vy, izay nitsatoka tsara teo ambonin’ny satroka bonetra na volonondry, na hoditra. Niaro ny lohany tamin’ireo zana-tsipìka nanidina sy ny langilangy nikipily ary ny sabatra nikapa tamin’ny ady io fiarovan-doha io. Azo inoana àry fa vitsy ny miaramila nisalasala ny hanisy fiarovan-doha raha nanana izy. Ny fanaovana ilay fiarovan-doha anefa dia tsy nidika hoe tsy nety resy ilay miaramila, na hoe tsy nandre na inona na inona izy rehefa voadona ny lohany; ilay fiarovan-doha kosa dia nanome antoka fotsiny fa ny ankamaroan’ireo famelezana dia hidona fa tsy hahatonga fahavoazana mahafaty.
Toy ny iarovan’ny fiarovan-doha ny loha, dia toy izany koa no iarovan’ny fanantenana ny saina. Ny fanantenana akory tsy mahatonga antsika ho afaka hanilika ny zava-tsarotra na ny fahavoazana tsirairay toy ny hoe tsinontsinona izany. Ny fanantenana kosa dia manalefaka ny famelezana toy izany ary manampy mba hiantohana fa tsy hahafaty izany ho an’ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy.
Miharihary fa nanisy io fiarovan-doha ara-panoharana io i Abrahama, lehilahy nahatoky. Nangatahin’i Jehovah izy mba hanao fanatitra an’i Isaka zanany lahy malala. (Genesisy 22:1, 2). Mora tokoa ho an’i Abrahama ny ho latsaka tao anatin’ny famoizam-po, dia fihetseham-po izay nety ho nitarika azy mihitsy tsy hankato an’Andriamanitra. Inona no niaro ny sainy tamin’ny fihetseham-po toy izany? Ny fanantenana no antony fototra. Araka ny Hebreo 11:19, dia “nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana [an’i Isaka amin’]ny maty”. Toy izany koa, ny fanantenan’i Joba momba ny fitsanganana amin’ny maty dia nanampy mba hiarovana ny sainy tamin’ny alahelo mafy izay nety ho nitarika azy hiteny ratsy an’Andriamanitra. (Joba 2:9, 10; 14:13-15). Teo anatrehan’ny fahafatesana nahafadiranovana, i Jesosy Kristy dia nanovo tanjaka sy fampiononana tamin’ny fanantenana nahafaly nananany momba ny hoavy. (Hebreo 12:2). Ny fatokiana fa Andriamanitra dia tsy hanao ny tsy mety na oviana na oviana, ary tsy hiala amin’ny fanatanterahana ny teniny na oviana na oviana, dia fototra ho an’ny fanantenana marina. — Hebreo 11:1.
Fototry ny tena fanantenana marina
Sahala amin’ny finoana, ny tena fanantenana marina dia miorina amin’ny zava-misy, amin-javatra tena izy, amin’ny fahamarinana. Mety hahagaga ny olona sasany izany. Nilaza ny mpanoratra iray fa “ny ankamaroan’ny olona dia toa mihevitra fa ny fanantenana dia endrika tsy mahaliana iray amin’ny fandavana ny fahamarinana fotsiny”. Ny fanantenana anefa, dia tsy fijerena lafy tsaran-javatra amin’ny fanantenana fahasambarana any aoriana fotsiny, na finoana tsy manintona iray izay milaza fa ho azontsika avokoa izay rehetra irintsika, na hoe hilamina avokoa ireo zava-manahirana antsika hatramin’ny madinika indrindra. Ny zava-misy eo amin’ny fiainana dia mamarana izany hevi-diso noforonin’ny saina fotsiny izany. — Mpitoriteny 9:11.
Hafa noho izany ny tena fanantenana. Avy amin’ny fahalalana izy io, fa tsy avy amin’ny faniriana. Diniho ilay fianakaviana faharoa tao amin’ilay ankamantatra voalaza tetsy am-piandohana. Fanantenana inona no ho nananany raha toa ny fitondram-panjakana teo aminy ka nalaza ratsy ho tsy mpanatanteraka ny fampanantenany? Ilay fampanantenana niampy porofon’ny naha-azo ianteherana azy io kosa, dia afaka nanome ho an’ilay fianakaviana fototra mafy hanantenana.
Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia manana fanantenana izay mifandray akaiky amin’ny fitondram-panjakana iray — dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena votoatin’ny hafatry ny Baiboly mihitsy io Fanjakana io. Hatramin’ny an’arivony taona maro izy io dia loharanom-panantenana ho an’ny vehivavy sy lehilahy sahala amin’i Abrahama. (Hebreo 11:10). Nampanantena Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny Fanjakany, dia hamarana ity fandehan-javatr’izao tontolo izao tranainy izay simba ity izy ary hampiditra iray vaovao. (Romana 8:20-22; 2 Petera 3:13). Tena misy fa tsy nofinofy io fanantenana momba ny Fanjakana io. Ilay niaviany — i Jehovah Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao — dia tsy misy hokianina, tsy manita-javatra izany fitenenana izany. Ilaintsika fotsiny ny mandinika ny asa famoronana ara-batana nataon’Andriamanitra mba hahitana fa misy izy, ary manana hery ampy mba hanatanterahana ny fampanantenany rehetra. (Romana 1:20). Ilaintsika fotsiny ny mandinika amin’ny an-tsipiriany ireo fitantarana momba ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona mba hahitana fa tsy nisy teny nataony ka tsy tanteraka. — Isaia 55:11.
Mampalahelo anefa fa ny ankamaroan’ireo izay milaza tena ho Kristiana dia nanadino ilay tena fanantenana. Hoy ilay teolojiana atao hoe Paul Tillich tao amin’ny toriteny iray navoaka vao haingana: “Nianatra niandry ny farany ireo Kristiana [voalohany]. Kanefa tsikelikely dia nitsahatra tsy niandry izy ireo. (...) Ilay fanantenana toe-piainana vaovao eto an-tany dia nanjary nihanalemy, na dia mivavaka ho amin’izany aza ny olona isaky ny manao ilay Vavaka nampianarin’ny Tompo — Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra!”
Loza izany! Olona an-tapitrisany maro, an’arivony tapitrisa maro mihitsy aza, izay mila fanantenana fatratra, no tsy manam-panantenana na dia iray aza, kanefa dia azony raisina avy hatrany izany ao amin’ny Baiboliny manokana. Jereo ny vokatra mampahonena! Raha tsy misy fanantenana azo ekena miaro ny sain’izy ireo, dia mahagaga ve raha “fisainana tsy mahamendrika” sy mamoy fo no nitarika olona maro handoto izao tontolo izao amin’ny fahalotoam-pitondran-tena sy herisetra miely patrana? (Romana 1:28). Zava-dehibe ny tsy hianjerantsika ao anatin’izany fandrika izany. Toy izay hanary ilay fanantenana fiarovan-doha, dia ilaintsika foana ny manatanjaka azy io.
Ny fomba fanorenana ny fanantenantsika
Ny fomba tsara indrindra hanorenana fanantenana dia ny fanisiana fiheverana ilay loharano niaviany, dia i Jehovah Andriamanitra. Ianaro amim-pitandremana ny Teniny, ny Baiboly. Hoy ny Romana 15:4: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.”
Ankoatra izany, dia tokony hataontsika izay hahazoana antoka fa tsy zavatra manjavozavo ao an-tsaina fotsiny ny fanantenantsika ny amin’ny hoavy. Ilaintsika ny manao izay haha-tena izy izany ao an-tsaintsika. Manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany ve ianao? Ho tianao ve ny hifankahita amin’ireo olo-malalanao efa nody mandry rehefa hatsangana amin’ny maty eto an-tany izy ireo? Raha izany no izy, moa ve ianao mahazo sary an-tsaina ny tenanao eo, amin’izany fotoana izany? Ny Isaia 65:21, 22, ohatra, dia miresaka ny amin’ny olona tsirairay manorina ny tranony manokana ary avy eo dia mipetraka ao anatiny. Afaka manakimpy ny masonao ve ianao ary maka sary an-tsaina ny tenanao eo am-piasana eo ambonin’ny tafon-tranonao vaovao, eo am-pametahana ny taila farany? Eritrereto fotsiny hoe mijery manodidina anao ny vokatry ny planina sy ny asa mafy nataonao ianao. Mangina ireo feo mahafaly avy amin’ny fanorenana; mitazana ilay faritra taza-maso ianao rehefa miitatra mandrakotra izany ny aloky ny tolakandro. Misy tsio-drivotra mampihetsiketsika malefaka ireo hazo ary mampangatsiatsiaka anao avy amin’ny hafanana noho ny asa nataonao. Tonga ao an-tsofinao ny hehin’ankizy mifangaro amin’ny kalom-borona. Miakatra avy ao an-trano eo ambaninao ny resak’ireo olon-tianao.
Ny fakana sary an-tsaina fotoana mahasambatra toy izany dia tsy faminavinana tsy misy antony akory, fa fisaintsainana faminaniana izay azo antoka fa ho tanteraka kosa. (2 Korintiana 4:18). Arakaraka ny maha-tena izy io fanantenana io aminao no hahamafy kokoa ny fanantenanao ny ho ao. Ny fanantenana mafy orina sy azo tsapain-tanana toy izany dia hiaro anao amin’ny fahatsiarovan-tena ho “menatra ny vaovao tsara”, izay mety hahatonga anao handositra ilay fanendrena hizara izany amin’ny hafa. (Romana 1:16, NW ). Mifanohitra amin’izany, dia haniry ny ‘ho sahisahy momba ny fanantenana’ toy ny nataon’ny apostoly Paoly kosa ianao, amin’ny fizarana izany amim-patokiana amin’ny hafa. — Hebreo 3:6.
Misy zavatra bebe kokoa noho ny hoavy mandrakizay manome fanantenana. Eo koa ireo loharanom-panantenana amin’izao fotoana izao. Ahoana izany? Hoy ny mpitondra fanjakana romana iray tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i. antsoina hoe Cassiodorus: “Izay miaiky ny soa efa mitranga no mahazo fanantenana ny amin’ny soa ho avy.” Teny feno fahendrena re izany! Fampiononana inona moa no ho hitantsika ao amin’ny fampanantenana fitahiana ho avy raha tsy afaka mankamamy ireo fitahiana amin’izao fotoana izao akory isika?
Ny vavaka koa dia manorina ny fanantenantsika dieny izao. Ankoatra ny fivavahana ho an’ny hoavy maharitra ela, dia tokony hivavaka ho an’izay ilaintsika amin’izao fotoana izao koa isika. Mety hanantena isika ary hivavaka mba hihatsaran’ny fifandraisana amin’ny mpianakavy sy amin’ireo Kristiana namana, hivavaka momba ny sakafontsika ara-panahy manaraka, ary hivavaka mba hahazoana izay ilaintsika ara-nofo mihitsy aza. (Salamo 25:4; Matio 6:11). Ny fametrahana ny fanantenana toy izany eo an-tanan’i Jehovah dia hanampy antsika hiaritra isan’andro isan’andro. (Salamo 55:22). Arakaraka ny iaretantsika, ny fiaretantsika mihitsy dia hanatanjaka koa ilay fanantenana fiarovan-doha. — Romana 5:3-5.
Fananana fomba fijery olona misy fanantenana
Ny eritreritra tsy manorina dia toy ny harafesina eo amin’ny fiarovan-dohan’ny fanantenana. Izy io dia mikiky, ary tsikelikely dia afaka mahatonga ilay fiarovan-doha ho tsy azo ampiasaina intsony. Moa ve ianao nianatra namantatra ireo eritreritra tsy manorina ka niady tamin’izany? Aza manaiky ho voafitak’ilay fiheveran-diso hoe mitovy amin’ny fahakingan-tsaina ny toe-tsaina tia manantitrantitra ny fahadisoan’ny hafa, be fanakianana ary tsy mijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra. Raha ny marina, ny eritreritra tsy manorina dia tsy mitaky saina matsilo firy.
Mora dia mora ny manana toe-tsaina tsy manantena na inona na inona avy amin’ireo mpiara-belona amintsika. Ny sasany, noho ny fanandraman-javatra nampanaintaina tamin’ny lasa, dia tsy manantena handray fanampiana na fampiononana avy amin’olona intsony. “Leom-boan’anana ka tsy tia zava-boribory” no teny fanevan’izy ireo. Mety hisalasala mihitsy aza izy ireo hanatona loholona kristiana mba hangatahana fanampiana amin’ny zava-manahirana azy ireo.
Manampy antsika hanana fiheverana voalanjalanja kokoa mikasika ny olona ny Baiboly. Marina fa tsy fanehoam-pahendrena ny fametrahana ny fanantenantsika rehetra amin’olona. (Salamo 146:3, 4). Ao amin’ny kongregasiona kristiana anefa, ireo loholona dia miasa ho toy ny “fanomezana olona” avy amin’i Jehovah. (Efesiana 4:8, 11, NW ). Izy ireo dia Kristiana mitandrina fatratra sy ampy fanandraman-javatra izay maniry amim-pahatsorana “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra”. — Isaia 32:2.
Misy olona maro hafa koa ao amin’ny kongregasiona kristiana miahy lalina ny ho tonga loharanom-panantenana. Eritrereto fotsiny ny fomba fiasan’ny ana hetsiny maro amin’izy ireo ho toy ny reny, ray, rahavavy sy anabavy, rahalahy sy anadahy, ary zanaka ho an’ireo izay namoy ny fianakaviany manokana; eritrereto ny amin’ireo maro hafa izay miasa ho toy ny sakaiza “mifikitra noho ny rahalahy aza” amin’ireo izay azom-pahoriana. — Ohabolana 18:24; Marka 10:30.
Raha efa nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazo fanampiana ianao, dia aoka ianao tsy ho very fanantenana. Mety ho efa namaly anao izy; mety hisy loholona iray na Kristiana matotra hafa iray izay efa vonona ny hanampy anao raha vantany vao mampahafantatra izay ilainao ianao. Ny fananana fanantenana voalanjalanja raha ny amin’olona dia miaro antsika amin’ny fihatahana amin’ny olona rehetra sy amin’ny fitokantokanana izay mety hitarika ho amin’ny fitondran-tena feno fitiavan-tena sy tsy mahay mandamin-javatra. — Ohabolana 18:1.
Ankoatra izany, raha manan-java-manahirana amin’ireo Kristiana namantsika isika, dia tsy voatery handamina izany amin’ny toe-tsaina tsy manantena na inona na inona sy tsy manorina. Raha dinihina, ny “fitiavana (...) manantena ny zava-drehetra”. (1 Korintiana 13:4-7). Manandrama mijery ireo rahalahy sy anabavy toy ny ataon’i Jehovah — amim-panantenana. Mifantoha amin’ny toetra tsarany, itokio izy, ary tariho ho amin’ny famahana ny olana ny fiezahanao. Ny fanantenana toy izany dia miaro antsika amin’ny fanaovana valifaty sy ny fifamaliana, izay tsy mahasoa an’iza na iza.
Aza manaiky ho resin’ny tsy fananana fanantenana eo amin’ity tontolo tranainy miala aina ity mihitsy. Misy ny fanantenana — sady ho an’ny hoavy mandrakizay no ho an’ny ala olan’ny maro amin’ireo zava-manahirana ankehitriny. Hihazona fanantenana ve ianao? Amin’ny fitafiana ny fanantenana ny famonjena toy ny fiarovan-doha iray, dia tsy misy izany mpanompon’i Jehovah tena tsy manam-panantenana izany — na mahory toy inona aza ny toe-javatra. Raha tsy ny tenantsika mihitsy no manary izany, dia tsy misy na inona na inona any an-danitra na eto an-tany afaka manaisotra an-keriny ilay fanantenana nomen’i Jehovah antsika. — Ampitahao amin’ny Romana 8:38, 39.