-
Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
-
-
‘Hajao indrindra izy’
14, 15. a) Araka ny 1 Tesaloniana 5:12, 13, nahoana ireo loholona no mendrika ny hohajaintsika? b) Nahoana no azo lazaina fa ‘mikely aina eo amintsika’ ireo loholona?
14 Azontsika atao koa ny maneho fankasitrahana ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, amin’ny fanajana azy ireo. Nananatra ireo mpikambana tao amin’ny kôngregasiôna tany Tesalonika toy izao i Paoly, rehefa nanoratra ho azy ireo: ‘Ekeo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary hajao indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany.’ (1 Tesaloniana 5:12, 13).
-
-
Fankasitrahana Ireo ‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’Ny Tilikambo Fiambenana—1999 | 1 Jona
-
-
16. Lazalazao hoe inona avy ireo fomba azontsika anajana ireo loholona.
16 Ahoana no azontsika anajana azy ireny? Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15:23; 25:11). Koa asehon’ny teny fankasitrahana sy fampaherezana ataontsika amim-pahatsorana, fa tsy manamaivan-danja ny asa mafy ataony isika. Afa-tsy izany koa, dia tokony hahalala ny antonony isika eo amin’izay antenaintsika avy amin’izy ireo. Etsy an-daniny, dia tsy tokony hisalasala isika hanatona azy rehefa mila fanampiana. Mety hisy fotoana ‘hampangorohoro ny fontsika’, ka ilantsika fampaherezana, tari-dalana, na torohevitra araka ny Soratra Masina avy amin’ireo izay “mahay mampianatra” ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 55:4; 1 Timoty 3:2). Etsy an-kilany, dia ilaintsika ny mitadidy fa voafetra ihany ny fotoana azon’ny loholona iray omena antsika, satria tsy azony atao tsirambina ny zavatra ilain’ny ankohonany na ny zavatra ilain’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna. Tokony ‘hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ireny’ rahalahy miasa mafy ireny isika, ka tsy haniry hitaky zavatra be loatra avy amin’izy ireny. (1 Petera 3:8, NW ). Tokony ho velom-pankasitrahana kosa isika na manao ahoana na manao ahoana ny fotoana azony atokana ho antsika sy ny fiheverana azony aseho amintsika, izay samy araka ny antonony. — Filipiana 4:5.
17, 18. Sorona inona avy no ataon’ny vehivavy maro vadina loholona, ary ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy manao tsinontsinona ireny anabavy mahatoky ireny isika?
17 Ahoana ny amin’ireo vadin’ny loholona? Moa ve izy ireo tsy mendrika ny hanehoantsika fiheverana koa? Rehefa heverina tokoa, dia iombonany amin’ny kôngregasiôna ny vadiny. Matetika izany no mitaky ny hanaovan’izy ireo sorona. Indraindray dia tsy maintsy mandany ora maro amin’ny takariva ikarakarana raharahan’ny kôngregasiôna ny loholona, amin’ny fotoana tokony ho niarahany tamin’ny ankohonany. Any amin’ny kôngregasiôna maro, dia vehivavy kristianina mahatoky maro no vonona hanao sorona toy izany mba hahafahan’ny vadiny hikarakara ny ondrin’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:15.
18 Ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy manao tsinontsinona ireny anabavy kristianina mahatoky ireny isika? Azo antoka fa tsy amin’ny fitakiana zavatra be loatra amin’ny vadiny. Aoka koa anefa isika tsy hanadino ny herin’ny teny fankasitrahana tsotra. Hoy ny Ohabolana 16:24: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” Diniho izao zava-nitranga izao: Taorian’ny fivoriana kristianina iray, dia nanatona ny loholona iray ny mpivady iray mba hangataka hiresaka aminy momba ny zanany mbola zatovo. Raha mbola niresaka tamin’izy mivady ilay loholona, dia niandry tamim-paharetana ny vadiny. Taorian’izay, dia nanatona ilay vadin’ny loholona ilay renim-pianakaviana, ka nilaza hoe: “Tiako ny hisaotra anao noho ny fotoana lanin’ny vadinao nanampiana ny ankohonako.” Tena nanohina ny fon’io vadina loholona io tokoa ireo teny fankasitrahana tsotra, nefa mamy, ireo.
-