Hanana Fitokiana na Tsy Hanana
METY ho sarotra ny mahafantatra raha hanana fitokiana na tsia. Samy mety hitondra loza ny tsirairay amin’ireo lalana ireo, indrindra eo amin’ny tontolo iray izay ihanahan’ny famitahana sy ny famadihana aoka izany. Kanefa isika rehetra dia mila namana itokiana izay hanohana antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana. (Ohabolana 17:17). Tokony ho roa arivo taona lasa izay, dia nilaza ilay olana saro-bahana tamin’izao fomba izao i Phèdre, mpanoratra romana: “Ny hanana fitokiana na tsy hanana dia mampidi-doza.”
Mety hampidi-doza ny fitokiana
Nahoana no mety hampidi-doza ny fitokiana amin’ny olon-kafa? Diniho ny fampitandremana nomena tao amin’ny gazety Psychology Today. Izy io dia milazalaza ny olona sasany, izay manararaotra ny fitokian’ny olona, ho “mpiremby”, izay “mampiasa toetoetra mambabo sy fahaiza-miovaova loko toy ny tanalahy mba hamitahana sy hanararaotana an’ireo manodidina azy ka hanimbana ny fiainan’izy ireo”. Miharihary fa noho ny fisian’ny olona mpamitaka toy ireny eo amin’ny manodidina, dia tsy isalasalana fa mampidi-doza ny fitokiana tafahoatra.
Ny olona iray izay manana fitokiana be loatra dia mety ho mora ambakaina ary, ho vokatr’izany, dia mety ho mora fitahina sy hararaotina. Ohatra mahazatra iray ny amin’ny olona mora nambakaina i Sir Arthur Conan Doyle, ilay namorona ny tantaran’ilay mpitsongo dia mahay, matsilo saina, atao hoe Sherlock Holmes. Tamin’ny 1917, ny zazavavy roa, i Elsie Wright sy ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy, i Frances Griffiths, dia nilaza fa niara-nilalao tamin’ny fées (olona lazain’ny angano fa nahavita fahagagana) tao an-jaridainan’ny tranony tany Cottingley, Angletera, izy ireo. Namoaka sarin’ireo fées mihitsy aza izy ireo mba hanandramana hanaporofoana izany.
I Conan Doyle, izay liana mafy tamin’ny spiritisma taorian’ny nahafatesan’ny zanany lahy, dia nitoky tamin’izy ireo ka nino ireo tantara momba an’ireo fées — toy ny nataon’ny olona maro tamin’izany fotoana izany. Efa ho 55 taona teo ho eo tatỳ aoriana vao niaiky izy mirahavavy fa hosoka fotsiny ilay izy ary nanety ny sarin’ireo “fées” avy tao amin’ny boky iray izy ireo talohan’ny nakana an’ireo sary. Nilaza ny fahagagany i Frances Griffiths fa nisy olona nino ny tantaran’izy ireo. Hoy izy: “Ny hoe nisy tokoa lahy olona mora nambakaina aoka izany, hany ka nino fa tena nisy izy ireny, dia zava-miafina foana ho ahy.” — Hoaxers and Their Victims.
Hitanao ve ilay fandrika nahavoa an’i Conan Doyle? Nitoky an-jamba tamin’ilay tantara izy satria fotsiny tiany ho marina ilay izy. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Norman Moss: “Azo fetsena isika satria fotsiny donton’ny fahazarana ny fahatakarantsika zavatra, ary mijery ny zavatra amin’ny maso tsy mihiratra tsara isika. (...) Indraindray isika dia manaiky zavatra iray ho marina satria zavatra tiantsika ho marina izy io.” (The Pleasures of Deception). Izany dia mamerina an’ilay fampitandremana nomen’i Démosthène, mpandahateny grika malaza, tokony ho 350 taona talohan’ny Fanisan-taona Iraisana, manao hoe: “Ny mora indrindra amin’ny zava-drehetra dia ny mamita-tena, satria izay irin’ny olona iray no inoany fa marina, amin’ny ankapobeny.” Mety hampidi-doza ny fitokiana amin’ny fihetseham-pontsika fotsiny.
Mazava ho azy fa mety hieritreritra ianao fa ohatra tafahoatra izany ary tsy ho adaladala mihitsy toa an’i Conan Doyle ianao. Tsy izay mora ambakaina ihany anefa no mety ho voafitaka. Olona maro izay mitandrina sy malina amin’ny fomba ara-dalàna no voafetsy sy voafitaky ny olona toa mendri-pitokiana.
Mety hampidi-doza ny tsy fitokiana
Misy loza anefa amin’ny tsy fitokiana na amin’iza na amin’iza na amin’inona na amin’inona. Tahaka ny harafesina mikiky ny tsy fitokiana. Afaka mikiky sy manimba izay tokony ho fifandraisana mahafinaritra, akaiky, izy io. Mety hahatonga anao ho olona tena tsy sambatra, tsy mana-namana, ny tsy fatokiana latsa-paka lalina sy ny tsy fitokiana tsy milefitra. Mety hanimba aoka izany ny fifandraisana amin’ny olon-kafa izy io, hany ka nanoratra i Samuel Johnson, mpanoratra anglisy, fa “mahasambatra kokoa ny voambaka indraindray noho ny tsy manana fitokiana”.
Afaka mampidi-doza ny fahasalamanao ara-batana mihitsy aza ny tsy fitokiana. Mety ho fantatrao fa afaka mitondra loza, dia fihetsehan’ny aretim-po, ho anao ny fihetseham-po mafy toy ny fahatezerana. Fantatrao anefa ve fa toa manondro ny fikarohana sasany fa afaka manao toy izany koa ny tsy fitokiana? Hoy ny gazety Chatelaine: “Tsy ny olona izay mora misafoaka ihany no mety hampitombo ny hahavoan’ny aretim-po azy ireo noho ny fitondran-tenany. Tondroin’ny fikarohana vaovao fa na dia ny endrika an-kolaky ny fankahalana aza, toy ny fironana tsy hatoky olona sy tsy hanana fitokiana, dia mety hahatonga anao ho voa.”
Diniho amim-pitandremana ny dianao
Inona no azonao atao? Manome torohevitra tsara momba an’io raharaha io ny Baiboly. “Ny kely saina [“tsy ampy fanandraman-javatra”, NW ] mino ny teny rehetra”, hoy ny Ohabolana 14:15. Tsy hoe tsy fatokiana mandrava izany. Fampahatsiahivana mijery ny zava-misy ny amin’ny ilana fahamalinana izany. Ny olona iray tena mora minomino foana, tsy ampy fanandraman-javatra, ihany no hino an-jamba izay teny rehetra reny. Noho ny antony tsara no anohizan’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly toy izao: “Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Nanoratra toy izao i William Shakespeare, mpanoratra tantara an-tsehatra anglisy: “Aza mitoky amin’ny hazo fisaka boboka.” Na iza na iza mieritreritra fa mety ho boboka ireo hazo fisaka eo amin’ny tetezana iray eo ambonin’ny hady lalina iray dia ho adaladala tokoa raha mandeha eo. Ahoana àry no ahafahanao ‘mandinika ny dianao’ mba tsy hahatonga anao handiso toerana ny fitokianao?
Mampirisika antsika ny Baiboly hitsapa izay lazain’ny olona toy izay hanaiky an-jamba fotsiny an’izay zavatra rehetra rentsika. “Ny sofina no mamantatra ny teny, ary ny vava no manandrana hanina”, hoy izy. (Joba 34:3). Tsy marina ve izany? Moa ve isika mazàna tsy manandrana ny sakafo alohan’ny hitelemantsika azy? Tokony hamantatra ny tenin’ny olona sy ny ataony koa isika alohan’ny hanekentsika azy ireny. Tsy misy olona tso-po ho tezitra raha manamarina ny maha-azo itokiana azy isika. Ny hoe tokony hanamarina isika mba hahitana raha marina ny zavatra iray dia tohanan’ilay ohabolana ekose izay milaza toy izao: “Izay mamitaka ahy indray mandeha, dia henatra ho azy izany; raha mamitaka ahy fanindroany izy, dia henatra ho ahy izany.”
Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Ampandalovy fitsapana ny zavatra rehetra”. (1 Tesaloniana 5:21, Today’s English Version). Ny teny nampiasain’ny apostoly Paoly nadika hoe “fitsapana” dia nampiasaina koa nifandray tamin’ny fitsapana metaly sarobidy mba hahitana raha tsy sandoka izy ireny. Ny olona malina iray dia mitsapa foana mba hahitana raha tsy sandoka ny zavatra novidiny. Raha tsy izany, izy dia mety hahazo amin’ny farany an’izay antsoina hoe volamena hosoka — zavatra toa tahaka ny volamena kanefa, raha ny marina, dia tsy misy vidiny.
Aoka ianao hahalala ny antonona sy hahay handanjalanja
Mazava ho azy fa tiantsika ny hahalala ny antonona amin’io raharaha io sy ny tsy ho fatra-piahiahy tafahoatra ny hafa. (Filipiana 4:5, NW ). Aza maika ny hanome an’iza na iza antony manosika ratsy. Mety ho ny fomba haingana indrindra handravana ny fifandraisana tsara dia tsara, akaiky, ny fandikana vilana ny antony manosika. Tsara indrindra mazàna ny hiheverana fa maniry hanao izay tsara indrindra ho anao ny namanao, toy izay hanome azy antony manosika ratsy rehefa mipoitra ny tarehin-javatra sarotra.
Asio fiheverana ny tsy fahalavorariana sy ny fahadisoan’ny hafa. “Midika ho faniratsirana ny fitokiana ny famadihan’ny namana iray”, hoy i Kristin von Kreisler, mpanoratra. Kanefa, mety ho tsy natao fanahy iniana izany famadihana izany na mety ho vokatry ny fahalemena izay anenenana mafy izao. Noho izany, dia manohy ny teniny toy izao izy: “Aza mifantoka amin’ilay famadihana — raha tsy izany dia avelao hisakana anao tsy hitoky amin’ny hafa izy io.” Aza avela handroba aminao ny fifaliana izay avy amin’ny fanorenana fifandraisana feno fitokiana amin’ny hafa, ny fanandraman-javatra nahasosotra, tsy nanorina.
Aoka ianao hahay handanjalanja. Tsy mila mitondra fanakona-maso ianao rehefa manombana olona; mailo hatrany ny olona malina iray. Etsy an-danin’izany, dia manipy hevitra ny Dokotera Redford Williams ny mba hiezahantsika hihevitra fa manao ny tsara indrindra azony atao ny hafa, hiezahantsika hahatakatra ny fomba fihevitr’izy ireo, sy ‘hampiharantsika ny fitokiana amin’ny hafa’ isaky ny azo atao izany. Mety ho tsara kokoa ny mitoky be loatra toy izay tsy manana fitokiana mihitsy.
Miaiky ny mpanoratra ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly fa “misy mpinamana vonona hifamotika” — izany hoe: olona izay hiezaka hanararaotra ny fitokianao. Feno azy ireo izao tontolo izao. Omeo fotoana sy fahafahana anefa ny hafa mba hampisehoana fa mendri-pitokiana izy ireo, ary hahita namana izay, raha ny marina, dia ‘hifikitra mafy kokoa noho ny rahalahy’, ianao. — Ohabolana 18:24, NW.
Misy olona na zavatra àry ve azonao itokiana tanteraka, tsy misy tahotra sao hohararaotina na hivadihana ny fitokianao? Eny, misy tokoa. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika fohy ny hoe aiza ianao no afaka mametraka ny fitokianao amim-patokiana tanteraka.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Ny [tsy ampy fanandraman-javatra, NW ] mino ny teny rehetra ; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.
[Sary, pejy 7]
Asio fiheverana ny tsy fahalavorariana sy ny fahadisoan’ny hafa