-
Miezaka mba handroso ve ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Desambra
-
-
Miezaka mba handroso ve ianao?
“Raha misy olona maniry ny [miezaka mba handroso ho amin’ny, MN ] asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.”—1 TIMOTY 3:1.
1. Ny fanatanterahana zava-kendrena inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia manana zava-kendrena tsara izay tarihina sy tanterahina araka ny fomban’Andriamanitra. Tsy mahagaga izany, satria ny Andriamaniny dia manana zava-kendrena mendri-kaja ary manatanteraka mandrakariva ny fikasany. (Isaia 55:8-11) Ny mpanompon’i Jehovah dia tsy tokony ho sahala amin’ireo olona tsy manana zava-kendrena tsara ary mamakivaky ny fiainana tsy amim-piheverana, tsy manao zavatra firy hahasoa ny hafa afa-tsy ny tenany ihany. Ny zava-dehibe indrindra ho an’ny Vavolombelon’Andriamanitra dia ny fanatanterahana ilay zava-kendrena mendri-kaja, dia ny fanambarana ny hafatr’ilay Fanjakana sy ny fizarana amin’ny hafa ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra manome fiainana. — Salamo 119:105; Marka 13:10; Jaona 17:3.
2. Zava-kendrena inona ho an’ny lehilahy kristiana no notononin’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 3:1?
2 Misy zava-kendrena mendri-kaja hafa koa ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Nanonona ny iray amin’izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny [miezaka mba handroso ho amin’ny, MN ] asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.” Maniry ny hanao zavatra hahasoa ny hafa ny lehilahy toy izany. Maniry “asa tsara” izy fa tsy fiainana tsy mananosarotra sy be voninahitra akory. Hoy ny fandikan-teny hafa iray: “Marina mihitsy ny filazana fa ny lehilahy izay mametraka ny fony ho amin’ny asa fitarihana dia manana faniriana hisandratra mendri-piderana.” — 1 Timoty 3:1, Phillips.
Loza ho an’ny loholona
3, 4. Nahoana no tokony hitandrina ny fony ny lehilahy iray miezaka ho tonga mpiandraikitra?
3 Amin’ny fomba ahoana ny lehilahy mametraka ny fony ho tonga mpiandraikitra kristiana no manana “faniriana hisandratra mendri-piderana”? Ny faniriana hisandratra aloha, dia faniriana miredareda hanatratra zava-kendrena manokana iray. Raha ny marina, dia misy faniriana hisandratra mendri-kaja sy tsy mendri-kaja. Nefa raha miezaka handroso amim-panetren-tena ho amin’ny asan’ny mpiandraikitra ny lehilahy iray satria maniry hanompo ny hafa, ny fanompoany dia atao noho ny antony manosika mahitsy ary afaka mitondra fitahiana ara-panahy. Ilainy anefa ny mitandrina ny fony. — Ohabolana 4:23.
4 Mikatsaka voninahitra ny olona sasany maniry hisandratra. Ny hafa maniry hanjaka eo amin’ny olombelona namany. Ny filàna laza sy fahefana ho an’ny tena dia mitovy amin’ny fakan-kazo lo izay mety hahatonga fianjerana na dia ho an’ny hazo toa salama tsara aza. Mety ho latsaka ao amin’ny faniriana hisandratra noho ny antony manosika ratsy toy izany koa ny kristiana iray. (Ohabolana 16:18) “Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho”, hoy ny apostoly Jaona, “nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. Koa amin’izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin’ny fiangonana.” (3 Jaona 9, 10) Ny fanirian’i Diotrefa hisandratra dia tsy kristiana. Tsy manana ny toerany eo amin’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy ny avonavona sy ny faniriana hisandratra noho ny fitadiavana hanapaka eo amin’ny hafa. — Ohabolana 21:4.
5. Amin’ny toe-tsaina manao ahoana no tokony hanatanterahan’ny mpiandraikitra ny adidiny?
5 Ny mpiandraikitra kristiana izay manatanteraka ny andraikiny noho ny antony manosika mety dia tsy hikatsaka faniriana hisandratra amim-pitiavan-tena. Hihevitra an’io asa fiandraiketana kristiana tena tsara io ho tombontsoa nomen’Andriamanitra izy ary hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra “tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo (...); tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (1 Petera 5:2, 3) Eny, ny mpiandraikitra dia tokony hitandrina mba tsy hamboly fireharehana ary tsy hitady hampiasa fahefana tafahoatra.
6. Nahoana ny loholona iray no tsy tokony hanjakazaka eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra?
6 Tsy tokony hanjakazaka eo amin’ny kristiana hafa ny loholona iray, satria mpiara-miasa aminy izy fa tsy ‘tompon’ny finoan’izy ireo’. (2 Korintiana 1:24) Rehefa nitady laza ny apostoly sasany, dia hoy i Jesosy: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:20-28) Tsy Mpiandry Filoha akory ny loholona iray fa mpiandry lefitra fotsiny. Raha manjakazaka eo amin’ny andian’ondry izy, dia maneho toe-tsaina tia fieboeboana. Ary indrindra indrindra, fanimbana no ho vokany raha mitaona ny hafa hanampy azy amin’izany faniriany hisandratra amim-pieboeboana izany izy. Hoy ny ohabolana iray: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina [tsy ho afa-maina, MN ] izy.” — Ohabolana 16:5.
7, 8. (a) Nahoana no ilain’ny loholona kristiana ny manetry tena? (b) Manomeza ohatra ny amin’ny loholona manetry tena iray.
7 Ny loholona kristiana àry dia tokony ‘hanetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’. Misakana azy tsy hanome fanampiana ara-panahy ilaina ny avonavona, satria ny manetry tena ihany no manana ny toe-po sy toe-tsaina mety mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (1 Petera 5:5, 6) Eny, mitahy ny manetry tena i Jehovah. Eo amin’ireo, ny lehilahy mahafeno fepetra dia tendrena mba hanompo amin’ny maha-loholona kristiana.
8 Ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia feno fitantarana ny amin’ny fanompoana tamim-panetren-tena nataon’olona tia an’Andriamanitra. Hevero, ohatra, i W.J. Thorn, lehilahy nalefaka fihetsika izay “pélerin”, na mpiandraikitra mpitety faritany taloha, ary mpiasan’ny Betela nandritra ny fotoana lava. Mikasika azy, dia hoy ny kristiana iray: “Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny filazana iray nataon’ny rahalahy Thorn ka nanampy ahy hatramin’izao. Hoy izy, ary averiko ny teniny: ‘Isaky ny manjary mieritreritra betsaka ny amin’ny tenako aho, dia mamely ny tenako aho, raha azo atao ny milaza toy izany, ary miteny hoe: “Ianao ry piti-bovoka kely. Inona no anananao ka mahatonga anao hiavonavona?”’”. Toetra maha-te hidera tokony hasehon’ny loholona sy ny hafa re izany! Tsarovy fa “ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana”. — Ohabolana 22:4.
Ny faniriana hanompo omen’Andriamanitra
9. Nahoana no azo lazaina fa ny faniriana hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra dia omen’Andriamanitra?
9 Moa ve ny faniriana hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra nomen’Andriamanitra? Eny, satria ny fanahin’i Jehovah dia manome antony manosika, herim-po, ary tanjaka mba hanolorana fanompoana masina ho azy. Ohatra, inona no nitranga rehefa nivavaka mba hanana fahasahiana hitory ireo mpanara-dia an’i Jesosy voaenjika? “Dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.” (Asan’ny apostoly 4:27-31) Koa satria nitondra vokatra toy izany ny fanahy masina, dia afaka manosika olona hiezaka mba handroso koa izy.
10. (a) Inona ny antony iray mety hahatonga lehilahy kristiana iray tsy hiezaka mba handroso? (b) Raha omen’Andriamanitra tombontsoam-panompoana isika, afaka matoky ny amin’inona moa isika?
10 Inona no mety hahatonga kristiana matotra iray tsy hiezaka mba handroso? Mety ho lehilahy araka ny fanahy izy, nefa mahatsiaro tena ho tsy mendrika. (1 Korintiana 2:14, 15) Mazava ho azy fa tokony hanana fijery tsy mirehareha ny amin’ny tenantsika isika, amin’ny fahafantarana ny fetran’ny tenantsika. (Mika 6:8) Toy izay hieritreritra amim-pihamboana fa isika no ampy fahaizana indrindra amin’ny andraikitra iray, dia tsara ny hitadidiana fa “ao amin’ny manetry tena [tsy mirehareha, MN ] no misy fahendrena”. (Ohabolana 11:2) Nefa tokony ho takatsika koa fa raha omen’Andriamanitra tombontsoam-panompoana isika, dia homeny koa ny tanjaka ilaina mba hanatanterahana izany. Araka izany no nilazan’i Paoly hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:13.
11. Afaka manao inona ny kristiana iray izay tsy miezaka mba handroso satria tsapany fa tsy ampy fahendrena mba hanomezana torohevitra izy?
11 Mety tsy hiezaka mba handroso ny kristiana iray satria heveriny fa tsy ampy fahendrena mba hanomezana torohevitra izy. Raha izany no izy, dia angamba afaka mahazo fahendrena izy amin’ny fahatongavana ho mpianatra ny Tenin’Andriamanitra marisika kokoa, ary azo antoka fa tokony hivavaka mba hahazo fahendrena izy. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:5-8). Ho valim-bavaka, i Solomona dia nomen’Andriamanitra “saina hendry sady mahiratra” izay nahatonga azy ho afaka hanavaka ny tsara sy ny ratsy rehefa nitsara. (1 Mpanjaka 3:9-14) Manokana ny toe-javatra nisy an’i Solomona, kanefa, noho ny fianarana amim-paharisihana sy ny fanampian’Andriamanitra, ny lehilahy nanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona dia afaka manoro hevitra ny hafa amim-pahamarinana. “Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” — Ohabolana 2:6.
12. Raha noho ny fanahiana no tsy iezahan’ny lehilahy iray handroso, inona no afaka manampy azy?
12 Fanahiana sasantsasany no mety hanakana lehilahy iray tsy hiezaka mba handroso. Mety hieritreritra izy fa tsy ho afaka hiantsoroka ny andraikitra mavesatra amin’ny maha-loholona. Na i Paoly aza dia niaiky hoe: “Mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny [fanahiana noho ny, MN ] fiangonana rehetra.” (2 Korintiana 11:28) Fantatr’ilay apostoly anefa izay tokony hatao rehefa mahatsapa fanahiana ny tena, satria izao no nosoratany: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7) Eny, afaka manampy mba hampitony ny fanahiana ny vavaka sy ny fatokiana an’Andriamanitra.
13. Ahoana no azon’ny lehilahy iray ivavahana raha sakodiavatra izy ny amin’ny fiezahana mba handroso?
13 Raha maharitra ny fanahiana sasany, ny lehilahy iray sakodiavatra raha ny amin’ny fiezahana handroso dia afaka mivavaka sahala amin’ny nataon’i Davida hoe: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro [tsy milamina, MN ]; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho.” (Salamo 139:23, 24) Na toy inona na toy inona mety ho toetry ny eritreritsika ‘tsy milamina’ na ‘feno fanahiana’, Andriamanitra dia afaka manampy antsika handresy izany mba hahafahantsika handroso ara-panahy. (Jereo The New International Version.) Voalaza tsara ao amin’ny salamo hafa iray koa izao: “Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy [fanahiana, MN ] ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” — Salamo 94:18, 19.
Manompoa amim-pifaliana araka izay irin’i Jehovah
14. Nahoana no tokony hangataka amin’ny vavaka ny fanahy masin’Andriamanitra ny lehilahy iray tsy miezaka mba handroso?
14 Raha tsy manao fiezahana mba handroso ny lehilahy kristiana iray noho ny fanahiana, ny fahatsapana ho tsy mendrika, na ny tsy fananana antony manosika, dia azo antoka fa hety ny hangatahana amin’ny vavaka ny fanahin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:13) Koa satria anisan’ny vokatry ny fanahy ny fiadanana sy ny fifehezan-tena, io fanahy io dia afaka manampy antsika handresy ny fanahiana na ny fahatsapana ho tsy mendrika. — Galatiana 5:22, 23.
15. Karazam-bavaka inona no afaka manampy ireo tsy manana antony manosika mba hanaovana izay hampiasana ny tenany ho amin’ny tombontsoam-panompoana?
15 Ahoana ny amin’ny tsy fananana antony manosika? Amin’ny maha-kristiana vita batisa antsika, dia ilaintsika ny mivavaka mba hampanaovan’Andriamanitra antsika izay ankasitrahany. Nitalaho toy izao i Davida: “Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô (. . .) Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro.” (Salamo 25:4, 5) Ny vavaka toy izany dia hanampy antsika hanalavitra ny lalana ratsy, ary afaka mivavaka amin’ny fomba mitovy amin’izany isika raha tsy manana antony manosika hanao fiezahana mba handroso. Afaka mangataka amin’i Jehovah isika mba hanaovany izay haniriantsika hanaiky tombontsoam-panompoana. Raha ny marina, raha mangataka amim-bavaka ny fanahin’Andriamanitra isika ary manaiky ny fitarihan’izy io, dia tsy isalasalana fa ho azo ampiasaina isika rehefa misy tombontsoam-panompoana atolotra antsika. Rehefa dinihina tokoa, ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy haniry mihitsy hanohitra ny fanahiny. — Efesiana 4:30.
16. Fihetsika inona no manome antony manosika mahery mba hiezahana handroso ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
16 Amin’ny fananana ny “sain’i Kristy” no ahitantsika fahafinaretana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Korintiana 2:16) I Jesosy dia nanana fihetsika nitovy tamin’ny an’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” (Salamo 40:8) Hoy i Kristy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao”, ary izany dia tonga hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana. (Hebreo 10:9, 10) Ny faniriana hihevitra ny zavatra rehetra ho azo atao ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia manome antony manosika mahery hiezahana mba handroso ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona.
Banjino ny hoavy
17. (a) Nahoana no tsy tokony ho kivy ny lehilahy izay tsy manompo amin’ny fomba feno toy ny nataony taloha intsony izao? (b) Inona no tombontsoa lehibe indrindra?
17 Noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana na noho ny antony hafa, ny sasany izay niantsoroka andraikitra lehibe tao amin’ny kongregasiona taloha, dia tsy manana izany tombontsoa izany intsony izao. Tsy tokony ho kivy izy ireny. Fantatsika fa lehilahy tsy nivadika maro tsy afaka manompo amin’ny fomba feno intsony toy ny nataony teo aloha no mbola mifahatra mafy amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana azy. (Salamo 25:21, MN ) Raha ny marina, ny loholona manetry tena hatramin’ny fotoana ela dia afaka manao izay hahazoana mampiasa hatrany ny fanandraman-javatra hitany amin’ny fijanonana ho anisan’ny kolejin’ny loholona. Na dia sembanin’ny taona na ny tsy fahafahana ara-batana aza izy ireo dia tsy voatery hihemotra akory. Mandritra izany, dia aoka ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay hankamamy ny tombontsoa tsara indrindra amin’ny rehetra, dia ny ‘filazana ny voninahitry ny fanjakan’Andriamanitra’ amin’ny maha-mpanohana ny anarany masina. — Salamo 145:10-13.
18. (a) Raha nesorina ny loholona iray na mpikarakara momba ny asa iray, inona no mety hilaina? (b) Fihetsika tena tsara inona no nasehon’ny loholona iray nesorina teo amin’ny toerany?
18 Raha nisy fotoana naha-loholona na naha-mpikarakara momba ny asa anao nefa tsy manompo amin’izany toerana izany ianao izao, dia matokia fa mbola miahy anao Andriamanitra, ary angamba homeny tombontsoa tsy ampoizina sasany ianao amin’ny ho avy. (1 Petera 5:6, 7) Raha mila ny manao fanitsiana sasany ianao, dia aoka ianao ho vonona hiaiky fahadisoana, ary manaova fiezahana amin’izany miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra. Ny sasany izay nesorina tsy ho loholona dia nampiseho fihetsika tsy kristiana, ary nisy vitsivitsy nanjary tsy niasa na niala tamin’ny fahamarinana. Kanefa, dia fahendrena tokoa ny hanahafana an’ireo izay naneho toe-tsaina tsara dia tsara! Ohatra, rehefa nesorina tamin’ny toerany ny loholona iray nanompo nandritra ny taona maro tany Amerika Afovoany, dia hoy izy: “Nampalahelo ahy mafy ny namoizako ilay tombontsoa izay nankamamiko hatramin’ny ela. Kanefa dia hiasa mafy aho amin’izay rehetra irin’ireo rahalahy hampiasana ahy, ary hiezaka aho mba hahazo indray ny tombontsoam-panompoako”. Tatỳ aoriana, dia nomena tombontsoa hanompo amin’ny maha-loholona indray io rahalahy io.
19. Torohevitra mety inona no omena ny rahalahy iray izay nesorina tsy ho loholona na mpikarakara momba ny asa?
19 Raha nesorina tsy ho loholona na mpikarakara momba ny asa ianao, manàna àry toe-tsaina manetry tena hatrany. Halaviro ny fahasosorana izay hahatonga anao tsy hahafeno fepetra ho amin’ny tombontsoa ho avy. Mahazo fanajana ny toe-tsaina araka an’Andriamanitra. Toy izay hanjary kivy, dia eritrereto ny fomba itahian’i Jehovah ny fanompoanao na ny ankohonanao. Hatanjaho ara-panahy ny fianakavianao, vangio ny marary, ary ampaherezo ny osa. Ambonin’ny zavatra rehetra, ankamamio ny tombontsoa anananao hidera an’Andriamanitra sy hanambara ny vaovao tsara amin’ny maha-iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah anao. — Salamo 145:1, 2; Isaia 43:10-12.
20. Ahoana no azon’ny kolejin’ny loholona atao mba hanampiana mpiandraikitra na mpikarakara momba ny asa taloha iray?
20 Tokony ho takatry ny kolejin’ny loholona fa mety hiteraka fihenjanana eo amin’ny mpiandraikitra na mpikarakara momba ny asa taloha ny fanesorana azy ireny amin’ny toerany, na dia mahafoy an-tsitrapo ilay tombontsoa aza izy. Raha tsy voaroaka ilay rahalahy nefa hitan’ireo loholona fa ketraka, dia tokony hanome fanampiana ara-panahy feno fitiavana izy ireo. (1 Tesaloniana 5:14). Tokony hampian’izy ireo izy hahatakatra fa ilaina ao amin’ny kongregasiona izy. Na dia nilaina aza ny torohevitra, dia mety tsy ho ela akory dia hahazo tombontsoam-panompoana fanampiny ao amin’ny kongregasiona indray ny lehilahy iray manetry tena sy mankasitraka.
21. Iza no niandry tombontsoam-panompoana, ary inona no hevitra atsipy amin’ireo izay miandry izany amin’izao fotoana izao?
21 Raha miezaka mba handroso ianao, dia mety ho tsy maintsy miandry kelikely alohan’ny handraisana tombontsoam-panompoana fanampiny. Aza tsy ampy faharetana. Niandry 40 taona i Mosesy talohan’ny nampiasan’Andriamanitra azy hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. (Asan’ny apostoly 7:23-36) Talohan’ny nahavoatendry azy ho mpandimby an’i Mosesy, i Josoa dia nanompo ela tamin’ny naha-mpanampy azy. (Eksodosy 33:11; Nomery 27:15-23). Niandry nandritra ny fotoana sasany i Davida talohan’ny nametrahana azy teo amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely. (2 Samoela 2:7; 5:3) Toa nandalo vanim-potoana fanadiovana ry Petera sy Jaona Marka. (Matio 26:69-75; Jaona 21:15-19; Asan’ny apostoly 13:13; 15:36-41; Kolosiana 4:10) Noho izany, raha tsy manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona ianao izao, dia mety havelan’i Jehovah ho voavolavola amin’ny fahazoana fanandraman-javatra bebe kokoa. Na toy inona na toy inona toe-javatra, dia tadiavo ny fanampian’Andriamanitra eo am-piezahana mba handroso, ary mety hitahy anao izy amin’ny fanomezana tombontsoam-panompoana fanampiny. Mandritra izany fotoana izany, dia miasà amim-paharisihana mba hahafeno fepetra ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona ary manehoa ny toe-tsain’i Davida izay nanambara hoe: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.” — Salamo 145:21.
-
-
Miezaka mba handroso ve ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—1990 | 1 Desambra
-
-
[Sary, pejy 19]
Namela ohatra tsara dia tsara tamin’ny naha-loholona nanetry tena i W. J. Thorn
-