Mahafeno fepetra mba hanompo ve ianao?
“Fa raha mahafeno tsara ireo fepetra izahay, izany dia avy amin’Andriamanitra” — 2 KORINTIANA 3:5, MN.
1. Tsy misy toerana ho an’ny karazana olona toy inona moa ao amin’ny kongregasiona kristiana?
MIASA mafy i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Hoy i Jesosy: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa”. (Jaona 5:17). Andriamanitra tsy mankasitraka ny olona tsy mety miasa; ary koa, tsy mitoetra eo amin’ireo mikatsaka andraikitra mba hahazoana fahefana eo amin’ny hafa ny fankasitrahany. Tsy misy toerana ho an’ny kamo na ho an’ny maniry hisandratra amim-pitiavan-tena ao amin’ny kongregasiona kristiana. — Matio 20:25-27; 2 Tesaloniana 3:10.
2. Nahoana no tena ilaina izao ny hisian’ny lehilahy maro mba hiantsoroka andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana?
2 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manan-javatra ‘be hefaina amin’ny asan’ny Tompo’, indrindra amin’izao fotoana izao izay isian’ny olona maro aoka izany mitanjozotra any amin’ny ‘tendrombohitry’ ny fanompoam-pivavahana marina. (1 Korintiana 15:58; Isaia 2:2-4) Tena ilaina tokoa ny lehilahy maro be mahafeno fepetra ara-panahy mba hiantsoroka andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Tsy tarihin’ny faniriana hisandratra amim-pitiavan-tena ny lehilahy toy izany; mankalaza an’i Jehovah izy fa tsy ny tenany. (Ohabolana 8:13) Fantany fa ampian’Andriamanitra izy mba hahafeno fepetra ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona, toy ny ‘nampamenoany fepetra tsara ireo minisitra ho an’ny fanekena vaovao.’ — 2 Korintiana 3:4-6, MN.
3. Amin’ny fotony, inona no andraikitry ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa?
3 Ankehitriny, toy ny teo amin’ireo kristiana voalohany, dia tendrena amin’ny alalan’ny fanahy masina ny lehilahy sasany mba hanompo amin’ny maha-loholona na mpikarakara momba ny asa araka ny fandaharan’ny fandaminan’i Jehovah. (Asan’ny apostoly 20:28; Filipiana 1:1; Titosy 1:5) Miandry ara-panahy ny andian’ondrin’Andriamanitra ny loholona, amin’ny fanaraha-maso ho fiarovana. Izy ireo dia ampian’ny mpikarakara momba ny asa izay ny andraikiny dia tsy mahatafiditra mivantana ny fanaraha-maso ara-panahy. (1 Petera 5:2; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 6:1-6.) Sahala amin’ny Zanak’Andriamanitra izay tonga mba hanompo, ireo voatendry ireo dia maniry hanompo ny mpiray finoana aminy. (Marka 10:45) Raha lehilahy kristiana ianao, moa ve ianao manana toe-tsaina toy izany?
Fepetra iombonana
4. Aiza indrindra no ahitantsika ny fitanisana ny fepetra ho an’ireo nanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
4 Voazavan’ny apostoly Paoly tsara ao amin’ny 1 Timoty 3:1-10, 12, 13 sy Titosy 1:5-9 indrindra ny fepetra ho an’ireo nanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Eo am-pandinihana ireo fepetra ireo, izay ny sasany aminy dia sady mihatra amin’ny loholona no mihatra amin’ny mpikarakara momba ny asa, isika dia tsy tokony hijery izany araka ny fari-pitondrantena eo amin’izao tontolo izao. Tokony hojerentsika kosa izany ao anatin’ny faritra nisy azy tamin’ny taonjato voalohany, sy amin’ny fampiharana azy eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Tsy mitaky fahatanterahana akory ny famenoana ireo fepetra ireo, satria, raha tsy izany, dia tsy hisy olombelona hahavita izany. (1 Jaona 1:8) Nefa raha lehilahy kristiana ianao, na manana andraikitra ao amin’ny kongregasiona i̇̀zao na tsia, nahoana raha mamakafaka ny amin’ny fepetra fenonao manokana?
5. Inona ny dikan’ny hoe tsy manan-tsiny?
5 Tsy manan-tsiny, tsara laza amin’izay eny ivelany; tsy manana antony iampangana azy mihitsy. (1 Timoty 3:2, 7, 8, 10, MN; Titosy 1:6, 7, MN ) Rehefa tendrena sy mandritra ny fanompoany, ireo mpikarakara momba ny asa sy loholona dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, izany hoe tsy mendrika ny homen-tsiny na mila fanitsiana noho ny fiampangana ara-drariny ho manana fitondrantena ratsy na manao fampianaran-diso. Tsy mahatonga lehilahy iray hanan-tsiny ny fiampangana tsy marina ataon’ny “rahalahy sandoka” na olon-kafa. Mba hahatonga ny lehilahy iray tsy hahafeno fepetra amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona, dia tsy tokony ho tsy misy fotony ny fiampangana, ary tsy maintsy porofoina mifanaraka amin’ny fari-pitondrantenan’ny Soratra masina. (2 Korintiana 11:26; 1 Timoty 5:19) Izay notendrena ao amin’ny kongregasiona dia “tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany (. . .), fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly” izy. Raha nahavita fahotana lehibe ny lehilahy iray tamin’ny lasa, dia tsy azo tendrena izy raha tsy efa nataony izay hanadinoan’ny hafa ny tsininy sy hahazoan’ny tenany laza tsara.
6. Midika inona ny hoe manam-bady tokana?
6 Manam-bady tokana. (1 Timoty 3:2, 12; Titosy 1:6) Izany akory tsy midika fa ny lehilahy manam-bady ihany no afaka ho tonga mpikarakara momba ny asa sy loholona. Raha manam-bady anefa izy, dia tsy maintsy tokana ihany ny vady velona ananan’ny lehilahy iray, ary tokony tsy hivadika aminy izy. (Hebreo 13:4) Tsy sahala amin’ny lehilahy tsy kristiana maro tamin’ny taonjato voalohany, izy dia tsy afaka mampirafy.a
7. (a) Misy ve taona ara-batana izay mahatonga lehilahy iray hahafeno fepetra ho loholona? (b) Inona no tafiditra amin’ny hoe manapaka tsara ny ankohonany?
7 Manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany. (1 Timoty 3:4, 5, 12; Titosy 1:6) Mety hihevitra ny sasany fa tsy maintsy ho 30 taona fara fahakeliny ny loholona, nefa ny Baiboly dia tsy mametra ny taona kely indrindra takina. Na dia izany aza, dia tsy maintsy mitondra tena toy ny lehilahy be taona amin’ny heviny ara-panahy ilay olona. Tokony ho ampy fahalehibeazana mba hananan-janaka ny mpikarakara momba ny asa sy ny loholona. Raha manambady izy, ny lehilahy iray dia tsy mahafeno fepetra raha mitondra tena amin’ny fomba araka an’Andriamanitra any an-toeran-kafa, nefa tsy refesi-mandidy sy masiaka any an-trano. Tsy maintsy efa nahazo ny fanajan’ny ankohonany izy tamin’ny fanapahany tsara nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ary ny zava-kendreny dia tokony ho ny hahita fahombiazana ara-panahy eo amin’ny mpikambana tsirairay amin’ny fianakaviana. Amin’ny ankapobeny, ny loholona iray izay raim-pianakaviana dia tokony hanana zanaka tsy ampy taona mitondra tena tsara izay “mino”. Na, efa mandroso ho amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra izy ireo, na, efa vita batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Ny lehilahy iray tsy mahay manorina finoana ao amin’ny zanany dia tsy ampoizina hahavita izany ao amin’ny hafa.
8. Alohan’ny hahafahan’ny lehilahy iray manana ankohonana ho tonga loholona, inona no tsy maintsy ianarany atao?
8 Alohan’ny hahafahan’ny lehilahy iray manana ankohonana ho tonga loholona mahay manao fanaraha-maso ara-panahy ao amin’ny kongregasiona, dia tsy maintsy mianatra ny fomba fitarihana ny ankohonan’ny tenany izy. “Fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra?” (1 Timothy 3:5) Marina fa mety hotoherin’ny vadiny tsy mino ny lehilahy iray. (Matio 10:36; Lioka 12:52) Na koa, mety hanjary meloka noho ny fahotana lehibe ny iray amin’ireo zanany, na dia mandroso tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy aza ny hafa. Na dia izany aza anefa, raha nanao izay rehetra azo nantenaina taminy ilay lehilahy, ary indrindra raha nahita fahombiazana ara-panahy teo amin’ny hafa ao amin’ny ankohonany izy, ny fandavan’ny mpikambana iray amin’ny fianakaviana ny fitarihany tsara dia tsara dia tsy voatery hahatonga azy tsy hahafeno fepetra ho mpikarakara momba ny asa na loholona.
9. Fitandremana inona no tsy maintsy ataon’ny loholona na mpikarakara momba ny asa iray raha ny amin’ny zava-pisotro misy alikaola?
9 Tsy mpimamo lian’ady na tia divay be. (1 Timoty 3:3, 8; Titosy 1:7). Tsy tokony hanaram-po loatra amin’ny zava-pisotro misy alikaola ny mpikarakara momba ny asa na ny loholona. Ny fahazaran-dratsy amin’izany dia mety hiteraka fahaverezan’ny fifehezana ny fisainana sy ny fihetseham-po, hitarika ho amin’ny tabataba na ady ataon’ny mpimamo. Tsy tokony ho “tia divay be” na halaza ho zatra misotro na ho mpisotro be izy. (Ohabolana 23:20, 21, 29-35) Ho loza raha simban’ny tsy fahalalana onony amin’ny fisotroana ny fitsidihana iray ataon’ny mpiandry! Raha hisotro ny rahalahy iray, dia tsy tokony hanao izany izy rehefa mandray anjara amin’ny fivoriana, amin’ny fitoriana, na amin’ny fanompoana masina hafa. — Levitikosy 10:8-11; Ezekiela 44:21.
10. Nahoana ny tia vola sy ny fatra-pitia tombony tsy marina no tsy mahafeno fepetra ho loholona na ho mpikarakara momba ny asa?
10 Tsy mpitia vola na fatra-pitia tombony tsy marina. (1 Timoty 3:3, 8, MN; Titosy 1:7) Tandindomin-doza ara-panahy ny mpitia vola, ary ny “mpierina” tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Koa tsy mahafeno fepetra mba ho loholona na ho mpikarakara momba ny asa ny lehilahy toy izany. (1 Korintiana 6:9, 10; 1 Timoty 6:9, 10) Ny fototeny grika nadika hoe “tsy marina” eto dia manana heviny fototra hoe “mitondra fahafaham-baraka”, ary ilay nadika hoe “tombony” dia manondro izay rehetra mety ho karazana tombombarotra na tombontsoa. (Filipiana 1:21; 3:4-8) Mazava ho azy fa ny lehilahy iray manana toe-tsaina mampiseho fa hitondra ny “ondrin’Andriamanitra” amin’ny fomba tsy marina izy dia tsy mahafeno fepetra ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona. (Ezekiela 34:7-10; Asan’ny apostoly 20:33-35; Joda 16) Ny ilàna fitandremana amin’ny fanaovana fanolorana dia hazava amintsika kokoa rehefa takatsika fa ny lehilahy iray, raha vao voatendry, dia mety hanankinana vola ary halaim-panahy hangalatra ny vola sasany. — Jaona 12:4-6.
11. Nahoana no tsy tokony hatolotra ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona ny “zazavao amin’ny fivavahana”?
11 Tsy zazavao amin’ny fivavahana; voazaha toetra. (1 Timoty 3:6, 10) Ny olona iray vao vita batisa dia tsy mbola nanam-potoana hanaporofoana fa hiantsoroka amim-pahatokiana ny andraikitra homena azy izy. Mety tsy hanana fangoraham-po amin’ireo ory na ny fahendrena ilaina mba hanampiana ireo mpiara-manompo aminy izy, ary mety hanambany ny hafa mihitsy aza. Noho izany, alohan’ny hanolorana azy ho mpikarakara momba ny asa ary indrindra ho loholona, ny lehilahy iray dia tokony ‘hozahan-toetra’ ary tokony hanome porofo ny amin’ny fahaiza-mitsara zavatra sy fahamendreham-pitokiana. Tsy misy fotoana voafetra nomena ho an’io fizahan-toetra io, ary tsy mitovy ny fandrosoana ara-panahin’ny olona rehetra. Kanefa ny loholona dia tsy tokony hanendry haingana lehilahy vaovao iray “fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly”. Avelao aloha hampiseho fanetren-tena kristiana ilay lehilahy. — Filipiana 2:5-8.
Fijerena akaiky ny mpikarakara momba ny asa
12. Moa ve ny mpikarakara momba ny asa ihany no tokony hameno ireo fepetra voatanisa ho azy ireo?
12 Misy fepetra sasany voatanisa ho an’ny mpikarakara momba ny asa. Nefa, raha tsy fenon’ny loholona koa ireo fepetra ireo, dia tsy hahafeno fepetra mba hanompo izy ireo. Amin’ny maha-lehilahy kristiana anao, mahafeno fepetra amin’ireo lafiny ireo ve ianao?
13. Inona ny dikan’ny hoe maotona?
13 Maotona. (1 Timoty 3:8) Tsy tokony hanamaivana ny andraikiny ny lehilahy iray mahafeno fepetra mba hanompo amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa. Tokony hitondra tena amin’ny fomba mendrika izay mahatonga hahazo fanajana izy. Na dia azo ekena aza ny fanaovana vazivazy indraindray, dia tsy hahafeno fepetra izy raha manao zavatra amim-pahamaivanan-tsaina mandrakariva.
14. (a) Manana heviny inona ny hoe tsy miroa teny? (b) Mitaky inona ny fananana fieritreretana madio?
14 Tsy miroa teny; manana fieritreretana madio. (1 Timoty 3:8, 9) Tsy maintsy ho olona milaza ny marina, tsy mpanao resadresa-poana na mpamitaka ny mpikarakara momba ny asa (sy ny loholona). Koa satria izy ireo tsy tokony hiroa teny, dia tsy tokony hilaza amim-pihatsarambelatsihy zavatra iray amin’ny olona iray izy, ary zavatra tena mifanohitra amin’izany amin’ny iray hafa. (Ohabolana 3:32; Jakoba 3:17) Tsy maintsy ho mpanohana tsy azo hozongozonina ny fahamarinana naharihary koa ireo lehilahy ireo, “mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ny finoana amin’ny fieritreretana madio.” Eo anatrehan’Andriamanitra, ny fieritreretan’izany lehilahy izany dia tokony hanaporofo fa mahitsy izy ary tsy manao na inona na inona miafina na maloto. (Romana 9:1; 2 Korintiana 1:12; 4:2; 7:1) Tsy misy olona mahafeno fepetra hanompo ny andian’ondrin’Andriamanitra raha tsy mifikitra amin’ny fahamarinana sy ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy.
Fandinihana akaiky ny fepetra ho an’ny loholona
15. Fepetra ho an’iza izao no hodinihina, ary inona indrindra no tafiditra amin’izany?
15 Misy fepetra sasany mihatra indrindra amin’ny loholona ary mifandray betsaka amin’ny asany amin’ny maha-mpiandry sy mpampianatra. Amin’ny maha-lehilahy kristiana anao, mahafeno ireo fepetra ireo ve ianao?
16. (a) Inona no takina mba hahononan-tena? (b) Ahoana no ahafahan’ny loholona iray mitana fifehezan-tena?
16 Mahonon-tena; mahonom-po. (1 Timoty 3:2; Titosy 1:8) Tokony hahalala onony ny loholona iray, fa tsy handevozin’ny fahazaran-dratsy. Rehefa miatrika fitsapana izy, dia hanampy azy hijoro hatrany Andriamanitra raha mivavaka toy ny nataon’ny mpanao salamo izy manao hoe: “Ny fahorian’ny foko efa mihalehibe; afaho amin’ny fahatereko aho.” (Salamo 25:17) Tokony hivavaka koa ny mpiandraikitra iray mba hahazo ny fanahin’Andriamanitra ary haneho ny vokatr’izany, anisan’izany ny fahononam-po [fifehezan-tena, MN ]. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23) Mamela ny loholona hanalavitra ny fanaovan-javatra amin’ny fomba tafahoatra sy hanome fitarihana ara-panahy ho an’ny kongregasiona ny fifehezana hatrany ny eritreritra sy ny teny ary ny atao.
17. Inona no tafiditra amin’ny hoe hendry?
17 Hendry. (1 Timoty 3:2) Tsy maintsy hieritreritra tsara sy hahatan-tena ary ho malina ny loholona iray. Tokony ho feno fahatapahan-kevitra sy hahay manjohy hevitra izy eo amin’ny teny sy ny atao. Ny fisainany feno fanetren-tena sy voalanjalanja dia miorina amin’ny fahendren’Andriamanitra sy amin’ny fampianarana mahasoa avy amin’ny Tenin’i Jehovah izay tokony hianarany amim-paharisihana. — Romana 12:3; Titosy 2:1.
18. Mitaky inona amin’ny loholona ny hoe tia filaminana?
18 Tia filaminana. (1 Timoty 3:2) Ny teny grika ampiasaina eto dia nadika hoe “milamina tsara” ao amin’ny 1 Timoty 2:9, MN. Noho izany ny loholona dia tokony hanana fomba fiaina mendrika sy milamina tsara. Tokony ho marim-potoana izy, ohatra. Toa tsy nihevitra ho zava-dehibe ny fitahirizana an-tsoratra ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary ny mpiandraikitra iray amin’izao andro izao dia tsy voatery ho mpanao kaonty na ho mpitantsoratra mahay. Azon’ny mpikarakara momba ny asa atao ny miahy ny amin’ny zavatra takina amin’ireo lafiny ireo. Kanefa, ny teny grika nadika hoe “tia filaminana” dia mety hilaza fitondrana tena amin’ny fomba tsara, ary azo antoka fa tsy hahafeno fepetra ho tonga loholona ny lehilahy iray raha tsy azo fehezina na tsy milamina. —1 Tesaloniana 5:14; 2 Tesaloniana 3:6-12; Titosy 1:10.
19. Noho izy tia mampiantrano vahiny, inona no ataon’ny loholona iray?
19 Tia mampiantrano vahiny. (1 Timoty 3:2; Titosy 1:8). ‘Mazoto mampiantrano vahiny’ ny loholona iray. (Romana 12:13; Hebreo 13:2) Ny teny grika nadika hoe “mampiantrano vahiny”, dia midika ara-bakiteny hoe “tia vahiny”. Araka izany, ny loholona tia mampiantrano vahiny dia mandray tsara ireo vaovao amin’ny fivoriana kristiana, amin’ny fampisehoana fiheverana mitovy amin’ny mahantra toy ny ataony amin’ny manana ara-nofo. Mampiantrano ireo manao dia lavitra noho ny tombontsoan’ny kristianisma izy, ary mandefa azy ireo amin’ny lalany “araka izay miendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra”. (3 Jaona 5-8) Marina tokoa, fa mampiseho fitiavana mampiantrano vahiny indrindra amin’ireo mpiray finoana aminy arakaraka izay ilain’izy ireo sy ny fahafahany ny loholona iray. — Jakoba 2:14-17.
20. Amin’ny fomba ahoana avy no tsy maintsy amenoan’ny loholona iray ny fepetra mba hampianatra?
20 Mahay mampianatra. (1 Timoty 3:2). Ny fahaizan’ny loholona iray amin’ny maha-mpampianatra ara-panahy azy, dia tsy avy amin’ny fahaizana ara-tsaina na fahendrena araka an’izao tontolo izao. (1 Korintiana 2:1-5, 13) Tonga izany satria izy “mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra”. (Titosy 1:9; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 20:18-21, 26, 27.) Tsy maintsy afaka ‘mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy’ izy. (2 Timoty 2:23-26) Na dia tsy ny mpandahateny mahay indrindra ao amin’ny kongregasiona aza ny loholona iray, dia tokony ho mpianatra tsara aoka izany ny Tenin’Andriamanitra izy ka ho havanana tsara mba hampianatra sy hanoro hevitra ny mpino, izay mianatra ny Baiboly koa. (2 Korintiana 11:6). Tokony hahay hizara “ny fampianarana tsy misy kilema [mahavonjy, MN ]” izay manampy fianakaviana sy ny isam-batan’olona hanaraka fiainana araka an’Andriamanitra izy. — Titosy 2:1-10.
21. (a) Nahoana no azo lazaina fa tsy mpikapoka ny loholona iray? (b) Inona no dikan’ny hoe mandefitra? (d) Midika inona ny hoe tsy mpila ady?
21 Tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady. (1 Timoty 3:3; Titosy 1:7) Noho izy tia fihavanana, ny loholona iray dia tsy mamely ny olona ara-batana na mandevilevy azy ireo amin’ny fanaovana fanamarihana mandratra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:20.) (Asehon’ny filazana eo aloha hoe izy dia “tsy mpimamo lian-ady” fa halaviriny ny fanaranam-po amin’ny zavatra misy alikaola izay mitarika matetika tokoa ho amin’ny fifandirana.) Amin’ny fahatongavana ho ‘mpandefitra’ (na milefitra), fa tsy manjakazaka sy sarotra ampifalina, dia tsy hampisy ady hevitra amin’ny raharaha madinika izy. (1 Korintiana 9:12; Filipiana 4:5; 1 Petera 2:18) Koa satria ny loholona iray tsy mpila ady, na tia fifandirana, dia halaviriny ny mifanditra ary “tsy mora tezitra” izy. — Titosy 3:2; Jakoba 1:19, 20.
22. Inona no tondroin’ny hoe ny loholona dia tsy tokony hitompo teny fantatra?
22 Tsy mitompo teny fantatra. (Titosy 1:7) Ara-bakiteny, dia izao ny dikan’io: “Tsy mitady izay hampifaly ny tena manokana.” (Ampitahao amin’ny 2 Petera 2:10.) Tsy tokony hanao teny jadona ny loholona iray fa tokony hanana fomba fijery feno fanetren-tena ny amin’ny fahaizany. Tsy mihevitra izy fa mikarakara ny zavatra amin’ny fomba tsara kokoa noho ny hafa rehetra ny tenany, fa zarainy amin’ny hafa amim-panetren-tena ny andraikitra ary omeny vidiny ny fisian’ny mpanome torohevitra maro. — Nomery 11:26-29; Ohabolana 11:14; Romana 12:3, 16.
23. (a) Ahoana no hamaritanao ny hoe “tia ny tsara” (b) Midika inona ny hoe marina?
23 Tia ny tsara; marina. (Titosy 1:8) Mba hamenoana fepetra ho loholona, ny lehilahy iray dia tokony ho tia ny tsara sy ho marina. Ny olona tia ny tsara dia tia izay tsara eo imason’i Jehovah, manatanteraka asa fanampiana sy feno hatsaram-panahy izy, ary maneho fankasitrahana ny tsara ataon’ny hafa. (Lioka 6:35; ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 9:36, 39; 1 Timoty 5:9, 10.) Ny hoe marina dia midika fanarahana ny lalàna sy ny fari-pitondrantena omen’Andriamanitra. Ankoatra ny zavatra hafa, ny lehilahy toy izany, dia tsy mizaha tavan’olona ary mitadidy ao an-tsaina zavatra marina, sy madio, ary misy hatsaram-panahy. (Lioka 1:6; Filipiana 4:8, 9; Jakoba 2:1-9) Koa satria ny fahatsarana tsy mitovy amin’ny fahamarinana noho izy lasa lavitra kokoa noho izay takin’ny fahamarinana, ny olona tia ny tsara dia manao zavatra ho an’ny hafa mihoatra noho izay takina aminy. — Matio 20:4, 13-15; Romana 5:7.
24. Mitaky inona ny hoe mahatoky?
24 Mahatoky. (Titosy 1:8, MN ) Ny lehilahy iray mahafeno fepetra ho loholona dia mihazona fifikirana tsy azo ravana amin’Andriamanitra ary manaraka ny lalàn’Andriamanitra, na toy inona na toy inona fomba hisedrana ny tsy fivadihany. Ataony izay antenain’i Jehovah aminy, ary izany dia mahatafiditra ny fanompoana amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana tsy mivadika. — Matio 24:14; Lioka 1:74, 75; Asan’ny apostoly 5:29; 1 Tesaloniana 2:10.
Famenoana ireo fepetra takina
25. Takina amin’iza moa ireo fepetra vao avy nodinihina, ary ahoana no ahafahana manatratra izany fepetra izany?
25 Ny ankamaroan’ny fepetra vao nodinihina dia mahatafiditra zavatra takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay ary azo tratrarina noho ny fitahian’Andriamanitra ny fianarana, ny fiezahana, ny fiarahana tsara, ary ny vavaka ataon’ny tsirairay. Misy olona mety ho matanjaka kokoa noho ny hafa eo amin’ny fepetra sasany. Kanefa amin’ny ampahany antonony, dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny tombontsoany manokana ny mpikarakara momba ny asa sy ny loholona.
26. Nahoana ny lehilahy kristiana no manao izay hahazoana mandray azy ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
26 Tokony haniry ny hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Io toe-tsaina io no manosika ny lehilahy kristiana hanao izay hahazoana mandray azy ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Lehilahy vita fanoloran-tena sy batisa ve ianao? Raha izany no izy, miezaha mba handroso ary ataovy ny ezaka rehetra mba hahafenoana fepetra hanompo!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana 15 septambra 1983, pejy faha-29, eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Ny fisaraham-panambadiana araka ny Soratra masina”.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no tena ilaina tokoa ny lehilahy vita batisa mba hanaiky andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
◻ Inona no fepetra sasany izay tsy maintsy fenoin’ny mpikarakara momba ny asa?
◻ Inona no sasany amin’ireo fepetra tokony hofenoin’ny loholona?
◻ Nahoana ny loholona iray no tsy maintsy mahay manapaka tsara ny ankohonany?
◻ Inona no antony manosika ny lehilahy kristiana hanao izay hahazoana mandray azy ho amin’ny andraikitra ao amin’ny kongregasiona?
[Sary, pejy 24, 25]
Tokony hanapaka tsara ny ankohonany ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly