Ny Fomba Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika — Fizarana Fahatelo
BIRMANIA, 1824 — Vao avy nandroba ny tranon’ny misionera nisy an’i Adoniram sy i Ann Judson ireo polisin’ny mpanjaka, ary naka izay rehetra noheverin’izy ireo ho sarobidy. Tsy azony anefa ilay zava-tsarobidy indrindra, dia sora-tanana amin’ny Baiboly voadika, izay nalevin’i Ann mangingina tao ambanin’ilay trano. Nandry nisy gadra tao amin’ny fonja iray feno moka i Adoniram, voampanga ho mpitsikilo. Mety hanimba ilay sora-tanana izao ny hamandoana. Ahoana no azo anavotana azy io? Nozairin’i Ann tao anatin’ny ondana mafy iray ilay izy, ary nateriny tany amin’ny vadiny, tao am-ponja. Voatsimbina ilay ondana, ka lasa tapany amin’ny Baiboly voalohany tamin’ny fiteny birmana ny tao anatiny.
Nisetra zava-tsarotra maro toy izany ny Baiboly nandritra ny tantara manontolo. Tao amin’ireo nomerao teo aloha dia nodinihintsika ny fandikana sy ny fizarana ny Baiboly nanomboka tamin’ny namitana azy ka hatreo am-piandohan’ireo taona 1600. Nanao ahoana ny Baiboly hatramin’izay ka hatramin’izao? Ho tonga any am-pelatanan’ny olona rehetra ihany ve izy io indray andro any? Inona no anjara noraisin’ny Fikambanana Watch Tower?
Ireo misionera sy Fikambanana Mpampiely Baiboly
Tany amin’ny tany maro, dia voamariky ny fitomboana nanaitra teo amin’ny famakiana Baiboly ireo taona 1600 sy 1700. Tany Angletera indrindra ny Baiboly no nisy fiantraikany lalina nandritra io fe-potoana io. Raha ny marina, dia vonton’ireo tantara sy fampianarana ara-baiboly ny fisainan’ny saiky ny olona rehetra tany — hatramin’ny mpanjaka ka hatramin’ny ankizilahy mitarika angadin’omby. Lasa lavitra kokoa anefa ny herin’ny Baiboly. Fanjakana natanjaka ara-barotra nivezivezy an-dranomasina sady mpanjana-tany i Angletera tamin’izany, ary nitondra Baiboly niaraka taminy tamin’ireo dia lavitra nataony, ny Anglisy sasany. Nametraka ny fototra ho an’ny asa fampielezana Baiboly be dia be izany.
Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1700, ny Baiboly dia nandrisika olona sasany tany Angletera hieritreritra momba ny zavatra ara-panahy ilain’ny mponin’ireo tany niely patrana tao amin’ny Empira Britanika. Tsy naneran-tany velively anefa izany fiahiana izany. Mpitondra fivavahana maro no nino ny lahatra, ka nihevitra fa sitrapon’Andriamanitra ny tsy hahavoavonjy ny olona sasany. Fony nanao lahateny nafana iray mba handrisihana ny olona hanohana ny asa misionera tany India, i William Carey, izay ho lasa misionera tatỳ aoriana, dia nisy olona iray niantsoantso niteny mafy azy hoe: “Mipetraha ialahy, ry tovolahy; raha toa ka maniry hampiova finoana ny mpanompo sampy Andriamanitra, dia hanao izany tsy hila ny fanampian’ialahy Izy!” Na dia izany aza, dia niondrana an-tsambo nankany India i Carey, tamin’ny 1793. Nahagaga fa, tamin’ny farany, dia nandika ny Baiboly manontolo na tapany tamin’izy io tamin’ny fiteny karàna 35 izy.
Takatr’ireo misionera fa ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana, no fiasana lehibe indrindra ho azy ireo. Kanefa, iza no hanome Baiboly? Mahaliana fa nisy ezaka nitohy izay hampiely ny Baiboly naneran-tany natombok’i Mary Jones, zazavavy galoà iray 16 taona, tsy nahy. Tamin’ny 1800, dia nandeha an-tongotra 40 kilaometatra i Mary, tsy nikiraro, mba hividy Baiboly tamin’ny fiteny galoà, tamina mpitondra fivavahana iray. Enin-taona no nanangonan’i Mary ny volany, ka rehefa fantany fa tapitra lafo avokoa ireo Baiboly, dia nifokofoko nitomany noho ny fahadisoam-panantenana izy. Tohina mafy ny fon’ilay mpitondra fivavahana ka nomeny iray tamin’ny Baiboliny manokana i Mary.
Taorian’izay, dia nisaintsaina momba ireo olona maro hafa izay nila Baiboly ilay mpitondra fivavahana, ka niara-nidinika ny amin’ilay zava-manahirana tamin’ireo namany tany Londres. Fiforonan’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny, tamin’ny 1804, no vokatr’izany. Tsotra ny foto-kevitra niorenan’izy io: Ny hanome ho an’ny olona, Baiboly takatry ny volany, sy amin’ny fiteniny, ary vita pirinty, “tsy misy fanamarihana na fanazavana”. Tamin’ny fanafoanana ireo fanazavana teny an-tsisim-pejy, dia nanantena ny hanalavitra ny fifandirana teo amin’ny foto-pinoana, ireo mpanorina ilay Fikambanana. Imbetsaka anefa no nisara-bazana ireo anisan’ilay Fikambanana Mpampiely Baiboly raha ny amin’ny Apokrifa, sy ny batisa amin’ny fandrobohana ao anaty rano, ary ny Trinite.
Niely haingana ilay risi-po voalohany, ka tamin’ny 1813, dia efa nisy Fikambanana nitovy tamin’io noforonina tany Alemaina, Holandy, Danemark sy Rosia. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy fikambanana mpampiely Baiboly tany amin’ny tany hafa koa nanampy isa an’ireo. Rehefa nilaza ny tanjony ireo fikambanana mpampiely Baiboly tany am-boalohany, dia nihevitra fa tsy nampiasa afa-tsy fiteny lehibe vitsivitsy monja ny ankabeazan’ny olona maneran-tany. Tsy azony an-tsaina mihitsy fa hay nisy fiteny an’arivony maro! Somary vitsy ihany ireo mpandika teny nahay ny teny hebreo sy grika mba hahafahany handika nivantana ho amin’ny fiteny teo an-toerana. Noho izany, rehefa nanohana ireo fandikan-teny ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny, dia matetika ireo mpandika teny no nampiasa ny King James Version tamin’ny fiteny anglisy ho fototra niorenan’ny asany.
Ireo fisedrana nahazo ny mpandika teny iray
Fitantarana sy fanoharana mifototra amin’ny zavatra iainana andavanandro no mahaforona ny tapany lehibe amin’ny Baiboly. Ny teny toy izany dia mora adika kokoa noho ny voambolana filôzôfika milaza zavatra tsy azo tsapain-tanana. Nampoizina kosa anefa ny dikan-teny nampisafotofoto na nampihomehy indraindray, vokatry ny ezaka tany am-boalohany nataon’ireo misionera. Nisy fandikan-teny iray, ohatra, nahatonga ny olona tany amin’ny faritra iray tany India, hihevitra fa Andriamanitra dia fisiana iray miloko manga. Ilay teny nampiasainy handikana ny hoe “any an-danitra” ao amin’ilay fitenenana hoe “Ray any an-danitra” dia nanana heviny hoe “mitovy loko amin’ny lanitra” — ny lanitra ara-bakiteny!
Hoy ny nosoratan’i Adoniram Judson tamin’ny 1819, mahakasika ireo vato misakana ho an’ny mpandika teny: ‘Rehefa manomboka mianatra fiteny iray ampiasain’ny vahoaka any amin’ny ilany hafa amin’ny tany isika, ka vaovao amintsika avokoa ny fomba filazany zavatra, no sady tsy misy ifandraisany amin’izay fiteny fantatsika ny litera sy ny teny ampiasainy; rehefa tsy manana diksionera na mpandika teny isika, nefa tsy maintsy mahazo zavatra kely amin’ilay fiteny vao ho afaka hanararaotra ny fanampian’ny tera-tany iray — dia asa be no takin’izany!’ Ary ny asan’ny mpandika teny toa an’i Judson dia nampitombo be dia be ny fahazoana teo am-pelatanana ny Baiboly. — Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-12.
Nanampy ny vadiny tamin’ilay asa sarotra, dia ny fandikan-teny, i Ann Judson. Niatrika fisedrana nihoatra noho izay nahakasika ny fandikan-teny fotsiny anefa ry Judson. Fony nitaritarika an’i Adoniram hankany am-ponja ny polisin’ny mpanjaka, dia bevohoka i Ann. Tamin-kerim-po, nandritra ny 21 volana, dia nangataka an’ireo polisy feno fankahalana mba hanafaka ny vadiny izy. Namela takaitra izany fahoriana mafy izany, nampian’ny tsy fahasalamana. Tsy ela taorian’ny nanafahana an’i Adoniram, dia matin’ny tazo i Ann, ilay vadiny be herim-po, sy ilay zanakavavy kelin’izy ireo. Vonton’alahelo i Adoniram. Na dia izany aza, dia nitodika tany amin’Andriamanitra izy mba hahazoana hery, ary nanohy ny fandikan-teniny, ka namita ny Baiboly tamin’ny fiteny birmana tamin’ny 1835. Tetsy an-danin’izany, dia nisy ady hevitra nisoko mangina hafa momba ny Baiboly.
Nisy niady hevitra momba ny Baiboly
Nisy ady hevitra lehibe ara-tsosialy sy ara-politika tamin’ireo taona 1800, ka ny Baiboly no votoatin’izany indraindray. Ohatra, na dia nanohana ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Rosiana aza ny tsar sy ny Eglizy Ortodoksa Rosiana tamin’ny voalohany, dia nofoanan’izy ireo sy norarany ilay Fikambanana rehefa nandeha ny fotoana. (Baiboly an’arivony maro no efa nodoran’ireo mpanohitra an’ilay Fikambanana, tokony ho herintaona talohan’izay.) Izao ny klerjy ortodoksa dia niezaka mafy erỳ ny hamarana izay natombok’ireo Kristiana tany am-boalohany tamin’ny risi-po — ny fampielezana ny Baiboly hatraiza hatraiza. Nanizingizina ireo mpitarika ortodoksa tamin’ny taonjato faha-19 fa nandrahona ny fahefan’ny Eglizy sy ny Fanjakana, ny Baiboly. Nahatsikaiky anefa fa ilay fihetsiketsehana ara-politika revolisionera vao nisondrotra dia tsy nihevitra ny Baiboly ho toy ny fandrahonana ho an’ireo fahefana, fa ho toy ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny Eglizy sy ny Fanjakana kosa mba hamoretana ny sarambabem-bahoaka. Notafihina avy teo an-daniny roa ny Baiboly!
Ireo taona nanaraka dia nahita koa ny fitomboan’ny fanafihana ny Baiboly nataon’ny “avara-pianarana”. Tamin’ny 1831, dia niondrana an-tsambo hanao ilay dia nitarika ho amin’ny teôrian’ny evolisiona, i Charles Darwin. Tamin’ny 1848, dia namoaka ny Manifeste du parti communiste izay nilazalaza ny Kristianisma ho fitaovam-pamoretana, i Marx sy i Engels. Afa-tsy izany koa, nandritra io fe-potoana io, ireo mpanao tsikera ambony dia nampipoitra fisalasalana ny amin’ny maha-tena marina ny Soratra Masina sy ny maha-tena nisy ara-tantara an’ireo olona voalazan’ny Baiboly — na dia i Jesosy aza! Niaiky ny maha-diso an’ireo teôria izay nanda an’Andriamanitra sy ny Baiboly kosa anefa ny olona nisaina sasany, ka nitady fomba eken’ny manam-pahaizana mba hanamafisana ny maha-azo itokiana ny Baiboly. Iray tamin’izy ireny i Konstantin von Tischendorf, Alemà iray nanam-pahaizana manokana momba ny fiteny.
Manampy mba hampiorenana ny soratra amin’ny Baiboly ireo zavatra hita
Namakivaky an’i Moyen-Orient manontolo i Tischendorf, nikaroka sora-tanana tranainy amin’ny Baiboly, noho ny fanantenana ny hampiorina amin’ny fomba azo antoka tanteraka ny soratra amin’ny Baiboly tany am-boalohany. Tamin’ny 1859, ilay taona namoahan’i Darwin ny L’origine des espèces, i Tischendorf dia nahita, tao amin’ny monasitera iray teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, ilay fantatra ho ny Soratra Grika Kristiana manontolo tranainy indrindra. Fantatra ho ny Codex Sinaïticus izy io, ary angamba navoaka tokony ho 50 taona talohan’ny nahavitan’i Jérôme ny Vulgate latina. Na dia mbola iadian-kevitra aza ny naha-nety na tsia ny nakan’i Tischendorf ilay kodeksa avy tao amin’ilay monasitera, dia natontany ilay izy, ka nanjary azon’ireo manam-pahaizana nampiasaina.a
Noho ny Sinaïticus anisan’ireo sora-tanana amin’ny fiteny tany am-boalohany tranainy indrindra, dia tsy vitan’ny hoe nampiharihary izy io fa tsy niova ny Soratra Grika tamin’ny ankapobeny, fa nanampy koa an’ireo manam-pahaizana hanala sarona an’ireo fahadisoana tafatsofoka tao amin’ireo sora-tanana tatỳ aoriana. Ohatra, toy izao no amakiana ny firesahana an’i Jesosy ao amin’ny 1 Timoty 3:16, ao amin’ny Sinaïticus: “Naharihary teo amin’ny nofo izy”. Ho solon’ny hoe “izy”, ny ankabeazan’ireo sora-tanana fantatra tamin’izay dia nahitana teny fanafohezana ny hoe “Andriamanitra”, natao tamin’ny fanovana kely ilay teny grika adika hoe “izy”. Kanefa, ny Sinaïticus dia natao taona maro talohan’ny nisian’ny sora-tanana grika namakiana hoe “Andriamanitra”. Izany àry dia nampiharihary fa nisy fanimbana an’ilay soratra tatỳ aoriana, izay hita mazava fa nampidirina mba hanohanana ny Trinite.
Nanomboka tamin’ny andron’i Tischendorf, dia nisy sora-tanana maro kokoa hita. Amin’izao andro izao, ny tontalin’ireo sora-tanana amin’ny Soratra Hebreo fantatra, dia tokony ho 6 000, ary maherin’ny 13 000 amin’ny Soratra Grika. Ny vokatry ny fampitahana an’ireny sora-tanana ireny dia soratra iray azo itokiana tsara, amin’ny fiteny tany am-boalohany. Toy izao no nilazan’i F. F. Bruce, manam-pahaizana an’izany: “Ireo dikan-teny samihafa (...) dia tsy manova ireo zava-nisy ara-tantara lehibe na ny finoana sy ny fanao kristiana.” Raha mbola nitohy ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny maro kokoa, ahoana no hahafahan’ny olona handray soa avy amin’izany fahalalana mitombo izany?
Ny Fikambanana Watch Tower sy ny Baiboly
Tamin’ny 1881, dia namorona izay nantsoina tatỳ aoriana hoe ny Watch Tower Bible and Tract Society, ny mpampianatra sy mpianatra Baiboly tso-po vitsivitsy. Tamin’ny voalohany izy ireo dia nizara ireo Baiboly novokarin’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly hafa, anisan’izany ny Soratra Grikan’i Tischendorf. Tamin’ny 1890 anefa, dia niditra nivantana tamin’ny fanontana Baiboly izy ireo, ka nanohana ny voalohany tamin’ny fanontana Baiboly maromaro. Tamin’ny 1926, ny Fikambanana dia nanomboka nanao pirinty ny Baiboly tamin’ny fanontam-pirintiny manokana. Nihaniharihary anefa fa nilaina ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray araka ny toetr’andro. Moa ve ho azo nampidirina tao amin’ny Baiboly iray mora azo sy takatry ny vola, ny fahalalana azo tamin’ny alalan’ireo zavatra hita sy ny fahaizana nananan’ilay taonjato teo aloha? Noho io zava-kendrena io, dia nanomboka namokatra fandikan-tenin’ny Soratra Masina vaovao iray ireo anisan’ilay Fikambanana, tamin’ny 1946.
Fandikan-teny iray, fiteny maro
Nisy komitin’ny fandikan-teny voaforona Kristiana voahosotra mahay, nalamina mba hamokatra ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, tamin’ny fiteny anglisy. Natonta ho boky enina izy io, ary navoaka teo anelanelan’ny 1950 sy 1960, nanomboka tamin’ny Soratra Grika Kristiana. Nanomboka tamin’ny 1963, dia nadika ho amin’ny fiteny 27 fanampiny izy io, ary mbola misy amin’ny fiteny hafa koa ho avy. Mitovy amin’ny an’ny fiteny anglisy ihany ny tanjon’ireo fiteny hafa. Voalohany aloha, dia tokony ho araka ny marina, sady mifanakaiky araka izay azo atao amin’ireo hevitra tany am-boalohany, ilay fandikan-teny. Tsy tokony haolana hifanaraka amin’ny fahatakarana ny hevitry ny foto-pinoana manokana iray, ny dikan-teny. Faharoa, dia tokony hohazonina ho tsy miovaova ny dikan-teny, ka hohazonina ho teny iray ny fandikana ny teny lehibe tsirairay, raha mbola mamela hanao izany koa ny teny manodidina. Manampy ny mpamaky hahita ny fomba nampiasan’ireo mpanoratra ny Baiboly teny voafaritra tsara, ny fanaovan-javatra toy izany. Fahatelo, dia tokony ho ara-bakiteny araka izay azo atao ilay fandikan-teny, kanefa tsy hanamaizina ny hevitra. Ny fandikana ara-bakiteny dia mamela ny mpamaky hahita ny hatsaran’ireo fiteny tany am-boalohany sy ny fomba fisaina nifandray tamin’izany. Ary fahefatra, dia tokony ho mora vakina sy ho mora azon’ny sarambabem-bahoaka izy io.
Ny fomba fandikana ara-bakiteny nampiasain’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny fiteny anglisy dia manamora ny fandikana azy io ho amin’ny fiteny hafa. Noho izany, ireo ekipana mpandika tenin’ny Fikambanana dia mampiasa, amin’izao fotoana izao, ordinatera maoderina, mba hanafainganana ny asan’izy ireo sy mba hahatonga ilay fandikan-teny ho araka ny marina kokoa. Io fomba fiasa io dia manampy ireo mpandika teny hanangona lisitry ny teny amin’ny fiteny eo an-toerana izay mitovy hevitra amin’ny teny anglisy lehibe tsirairay. Izany koa dia mamela azy ireo hianatra ireo dikan-teny anglisy mifanitsy amin’ny teny hebreo sy grika tsirairay ao amin’ny Baiboly.
Misy tombony lehibe maro ny fandikana avy amin’ny fiteny anglisy, toy izay handika mivantana avy amin’ny fiteny hebreo sy grika. Tsy vitan’ny hoe manafohy ny fotoana ilaina ho an’ilay fandikan-teny izany, fa mampisy fitoviana bebe kokoa eo amin’ny fomba filaza zavatra amin’ny fiteny rehetra. Nahoana? Satria mora lavitra ny mandika amin’ny fomba marina avy amin’ny fiteny maoderina iray ho amin’ny hafa iray, toy izay handika avy amin’ny fiteny tranainy iray ho amin’ny fiteny maoderina maro samihafa. Rehefa dinihina tokoa, ireo mpandika teny dia afaka manontany an’ireo olona manana ilay fiteny maoderina ho fitenin-drazany, zavatra tsy azo atao raha ny amin’ireo fiteny nampiasaina an’arivony taona maro lasa izay.
Vaovao tsara ho an’ny firenena rehetra
Mbola misy zavatra betsaka lavitra azo soratana momba ireo lehilahy sy vehivavy nanana fahatapahan-kevitra, izay nanampy tamin’ny fanaovana ny Baiboly ho ny boky tonga eo am-pelatanan’ny olona betsaka indrindra maneran-tany. Nandritra ireo taonjato, dia Baiboly sy tapany amin’ny Baiboly efatra arivo tapitrisa fara fahakeliny no natao pirinty tamin’ny fiteny maherin’ny roa arivo, ampiasain’ny maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina amin’ny tany!
Ny Baiboly dia nilaza mialoha ny fanambarana maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Noho izany, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nandray an-tanana ny fanaovana ny Baiboly ho azon’ny olona saika hatraiza hatraiza ankehitriny. (Matio 13:47, 48; 24:14). Nisetra ny loza rehetra ireo mpandika teny sy mpampanonta ny Baiboly tsy nanan-tahotra tamin’ny lasa, mba hanomezana antsika ny Tenin’Andriamanitra — ilay hany loharanon’ny fahazavana ara-panahy eo amin’ny tontolo iray rakotry ny haizina ara-pitondran-tena. Enga anie ny ohatra navelan’izy ireny hanosika anao hamaky, sy hanaraka eo amin’ny fiainanao, ary hizara izany Teny izany amim-piekena mafy mitovy amin’izay nasehon’izy ireny. Eny, isan’andro, dia mandraisa soa feno avy amin’ilay Baiboly azo itokiana eo am-pelatananao! — Isaia 40:6-8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny hoe “Namonjy ny Codex Sinaïticus Izy” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1989.
[Tabilao, pejy 12]
FITOMBOANA TEO AMIN’NY FANDIKAN-TENIN’NY BAIBOLY
ISAN’NY FITENY
1 • • • • • • • • • • • 12 • •
• • • • 35 • • • • • • 81 • •
Nanomboka nandika ny Soratra Hebreo ho amin’ny fiteny grika ireo Jiosy tamin’ny 280 al.f.i. tany ho any
Namita ny Vulgate latina i Jérôme tamin’ny 400 am.f.i. tany ho any
Namita pirinty ny Baiboly voalohany i Gutenberg tamin’ny 1455 tany ho any
Niorina tamin’ny 1804 ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny
TOMBANTOMBAN’NY ISAN’IREO FITENY ARAKARAKA NY TAONA
2 400
2 300
2 200
1996
2 123
1970
1 471
1 300
1 200
1 100
1950
1 049
900
800
700
600
1900
522
Loharanon-kevitra: Kristianisma Amin’ny Andro Ankehitriny, Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra
[Sary, pejy 8]
Nofatorana sy notaritarihina i Judson
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ilay boky hoe Judson the Hero of Burma, nataon’i Jesse Page
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 10]
Nanavotra sora-tanana sarobidy iray tato amin’itỳ monasitera teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay itỳ i Tischendorf
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.