Iza no Andriamanitra tokony hotompoinao?
VOALOHANY indrindra aloha, iza moa ilay hany Andriamanitra tokony hotompoina? Mamaly izany amin’ny fomba mivantana tokoa ny Baiboly. Manambara toy izao ny bokin’ny Apokalypsy: “Hianao, Tomponay [Jehovah, MN] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” (Apokalypsy 4:11). Eny, Jehovah, ilay Mpamorona, no ilay hany Andriamanitra mendrika ny hahazo ny fanompoam-pivavahantsika. Nahoana? Hiverina amin’io fanontaniana io isika rehefa afaka kelikely. Fa voalohany aloha, dia aoka isika hiresaka momba ireo andriamanitra hafa tompoin’ny taranak’olombelona.
Izay ao ambadik’ireo andriamani-diso rehetra
Na dia manompo andriamanitra maro aza ny olona, ny marina dia hoe manatanteraka ny fikasan’ny andriamanitra iray ihany ny fanompoana atolotra ireo andriamanitra rehetra any amin’ny firenena rehetra — afa-tsy ny fanompoana atolotra an’i Jehovah, ilay Mpamorona. Amin’ny fomba ahoana? Vakio ireo teny nataon’ny apostoly Paoly ho an’ny kristiana tany Korinto. Tao amin’io tanàna io, dia andriamanitra maro no notompoina, nanomboka tamin’ilay Aphrodite maloto fitondrantena ka hatramin’i Esculape, andriamanitry ny fanasitranana. Nasehon’i Paoly anefa fa raha ny tena izy dia tsy nisy afa-tsy hery ratsy iray ihany tao ambadik’ireo andriamanitra rehetra ireo. Nanoratra toy izao izy: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra”. (1 Korintiana 10:20). Eny, nanompo ny demonia ireo Korintiana mpanompo sampy.
Ireo demonia dia avy tamin’ny fikomiana. Ny voalohany sy lehibe indrindra tamin’izy ireo dia ilay zavaboary anjely namitaka an’i Eva handika ny lalàn’Andriamanitra tany amin’ny sahan’i Edena . (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44). Tamin’ny fanaovana izany, io zavaboary io dia nikomy tamin’ny fiandrianan’ilay Mpamorona. Taorian’izay izy dia nanjary nantsoina hoe Satana, izay midika hoe “Mpanohitra”. Tatỳ aoriana, dia nisy zavaboary ara-panahy hafa maro nanaraka azy tamin’ny fikomiana. Tonga demonia koa ireo, ary i Satana dia nanjary fantatra ho “lohan’ny demonia”. (Matio 12:24, 26). Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ireo demonia ireo dia antsoina hoe ‘anjelin’i Satana’. (Apokalypsy 12:7). Ny fanompoana ny demonia àry dia mitovy amin’ny fanompoana an’i Satana.
Manan-kery lehibe dia lehibe i Satana. Nilaza ny apostoly Jaona fa “izao tontolo izao” dia mipetraka eo aminy avokoa, ary i Paoly dia niantso azy hoe “ny andriamanitr’izao tontolo izao”. (1 Jaona 5:19; 2 Korintiana 4:4). Noho izany, ny manompo andriamanitra na iza na iza ivelan’i Jehovah raha ny tena izy dia manompo an’i Satana. Na ahoana na ahoana, izany dia manatanteraka ny fikasan’i Satana satria ny zava-kendreny dia ny hamitaka ireo zanak’i Adama sy Eva hikomy amin’i Jehovah. Koa satria i Satana “mamitaka izao tontolo izao”, dia hita mazava fa nahomby izy tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. (Apokalypsy 12:9). Kanefa tsy tamin’ny toe-javatra rehetra akory. Mbola misy an-tapitrisany maro ireo izay miezaka mafy mba hanompo an’i Jehovah. Nahoana?
Ireo vokatry ny fanompoam-pivavahan-diso
Voalohany, dia fantatr’izy ireo fa mitaky zavatra mihoatra noho izay tiany haloa ny fanompoana andriamanitra hafa noho i Jehovah. Ny fandavahana arkeôlôjika natao tany amin’ny tanànan’i Carthage fahiny, atsy Afrika avaratra, dia nampiharihary tany fandevenana ankizikely. Tao dia nisy taolan-jaza izay natao sorona ho an’i Bala, ilay andriamanitra fenisiana. Ny vidiny nahatsiravina naloan’ireo mponina tany Carthage tamin’ny fanompoany an’i Bala dia ny fanaovana sorona ankizikely. Nitaky vidiny koa ny fivavahana katolika tamin’ny vanim-potoana antenatenany (Moyen âge) rehefa nampihatra fampijaliana tsy hay tombanana izy tao amin’ireo kroazada lian-dra sy “Inquisitions” (fanenjehana) lozabe. Nisy famonoana natao ara-pomba an’arivony maro tafiditra tao amin’ny fanompoana ireo andriamanitra “Inca” tany Amerika nandritra ny fe-potoana talohan’i Colomb.
Tatỳ akaikin’ny androntsika kokoa, dia nisy karazam-panompoana samy hafa nandray anjara tamin’ny famonoana olona maro aoka izany tany India, ary nitarika zava-manahirana ara-politika lehibe tany Atsinanana afovoany sy Irlande avaratra. Ny tsy fahalalana, ny finoanoam-poana ary ny tahotra koa dia tokony hosoratana ho anisan’ny vidiny aloan’ny olona amin’ny fanompoana ireo andriamaniny maro.
Nahoana ianao no tokony hanompo an’i Jehovah Andriamanitra?
Etsy an-kilan’izany, ny fanompoana an’i Jehovah dia tsy mitondra afa-tsy soa. Voalohany aloha, izy dia ilay “velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy”. (Apokalypsy 10:6). Noho izany, dia tokony hanompo azy isika satria Mpamorona antsika izy.
Ambonin’izany, tokony hanompo an’i Jehovah Andriamanitra isika satria manasa antsika hanompo azy ireo toetrany tsara. Nilaza ny apostoly Jaona fa “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8). Nilaza i Joba, lehilahy nahatoky, fa “hendry am-po [Andriamanitra] sady matanjaka amin’ny hery”. (Joba 9:4). Nihira toy izao momba azy i Mosesy: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Iza no hisalasala hanompo Andriamanitra toy izany?
Fanampin’izany, dia milaza ny Baiboly hoe: “Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fifikirana amin’Andriamanitra, MN] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Endrey ny fahamarinan’izany! Mitady izay tsara ho an’ny taranak’olombelona Andriamanitra. Nanome ny tany ho fonenana kanto ho an’ny zavatra noforoniny izy, ary nanao fanomezana tondraka izy mba hahatonga ny fiainana hahafinaritra. Na dia nikomy aza ny olona, dia nanohy nanohana ny fiainana eto an-tany Andriamanitra, ka nanome izay rehetra ilain’ny taranak’olombelona eo amin’ny ara-nofo satria “Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” — Matio 5:45.
Mahataka-davitra kokoa noho izany anefa ny “teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny”. Mahafa-po sady mampanan-karena ny manompo an’Andriamanitra. Ho amin’izany no nanaovana antsika. Ary manampy izay manompo azy amim-pahatokiana mba hampahomby ny fiainany Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Baiboly izy dia manome fitarihana ho an’ny mpitovo, ny manambady, ny ankizy — olona avy amin’ny fari-piainana rehetra. Manome fahendrena azo itokiana sy azo ampiharina izy ho amin’ny tarehin-javatra rehetra mba hanampiana antsika handamina ireo zava-manahirana antsika olombelona tsy tanteraka miaina eo amin’ny tontolo izay eo ambanin’ny herin’i Satana. Raha manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany isika, dia hahazo ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:7.
Mendrika ny homarihina koa ilay “teny fikasana ny amin’ny (...) fiainana ho avy”. Nilaza toy izao tamin’i Nikodemosy fariseo i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Fiainana mandrakizay! Andriamanitra iza ankoatra an’i Jehovah no afaka mampanantena zavatra toy izany ary hanatanteraka ny fampanantenany? Voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy toy izao ny ho toe-piainan’ireo izay hahazo izany fanomezana mahatalanjona izany amin’ny farany: “Hofafan’[Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4, 5). Marina tokoa fa ireo fahatsinjovana ny amin’ny fiainana ho avy dia tokony hahatonga antsika haniry hanompo an’i Jehovah!
Iza àry no Andriamanitra tokony hotompointsika? Jehovah Mpamorona irery ihany. Eo amin’ny andriamanitra rehetra, dia aminy irery ihany no mihatra ireto teny ireto: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo [Jehovah, MN] ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo [Jehovah, MN] ô? Fa Hianao ihany no masina [mahatoky, MN], ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” (Apokalypsy 15:3, 4). Endrey ny fahendrena asehon’ireo izay manaraka ny fampirisihan’ny mpanao salamo manao hoe: “Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika”! — Salamo 95:6.
[Sary, pejy 6]
Ny sasany amin’ireo andriamanitra nitaoman’i Satana ny olona mba hotompoiny
[Sary, pejy 7]
Ireo fahatsinjovana ny amin’ny fiainana ho avy dia tokony hahatonga antsika haniry hanompo an’i Jehovah