Fandrindram-piterahana—Ny Fomba Fijery Kristianina
TAMIN’NY Konferansa Maneran-tany Momba ny Isan’ny Mponina natao voalohany tamin’ny 1974, dia nanao fanambarana ireo firenena 140 nivory tao. Nambaran’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, fa “manana zo hanapa-kevitra malalaka sy amim-pahatsapana ny andraikiny, ny amin’ny isa sy ny elanelan-taonan’ny zaza haterany [ny mpivady rehetra], ary hahazo fanazavana sy fahalalana ampy ary fomba hoenti-manatanteraka izany.”
Maro no mihevitra fa tsara io fanambarana io. Marina fa nilaza tamin’i Adama sy i Eva, ary tatỳ aoriana tamin’ny fianakavian’i Noa, Andriamanitra mba ‘ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany.’ Tsy nisy baiko toy izany anefa nomena ny Kristianina. (Genesisy 1:28; 9:1) Sady tsy mampirisika no tsy mandrara ny mpivady kristianina hiteraka ny Soratra Masina. Afaka manapa-kevitra ny mpivady na hiteraka izy ireo na tsia ary, raha mikasa ny hiteraka izy ireo, dia anjarany ny manapa-kevitra hoe firy no haterany ary rahoviana izy ireo no hiteraka.
Andraikitra avy amin’Andriamanitra
Voamarikao ve anefa fa ilay fanambaran’ny Konferansa Maneran-tany Momba ny Isan’ny Mponina dia nilaza fa tokony hanapa-kevitra “amim-pahatsapana ny andraikiny ny amin’ny isa sy ny elanelan-taonan’ny zaza haterany” ny mpivady? Mifanaraka amin’ny Baiboly koa io toro lalana momba ny fahatsapana andraikitra io. Eken’ny ray aman-dreny kristianina fa fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny zanaka, nefa arahin’andraikitra mavesatra izany fanomezana izany.
Voalohany, dia eo ny andraikitra hikarakara izay ilain’ny zanaka eo amin’ny ara-nofo. Hoy ny Baiboly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.”—1 Timoty 5:8.
Tsy vitan’ny fanomezana sakafo sy fandoavana ny lany fotsiny ny famelomana ankohonana, na dia efa asa goavana aza izany mazàna. Ireo mpivady kristianina mahatsapa ny andraikiny dia mihevitra ny fahasalaman’ilay reny ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-tsaina sy ara-panahy, rehefa manapaka ny ho isan’ny zaza haterany. Maka fotoana be ny fikarakarana izay ilain’ny zaza iray. Koa rehefa misesy loatra ny zaza, dia matetika ilay reny no tsy afaka miala sasatra na miala voly na mba mivoatra. Tsy afaka mandray anjara firy amin’ny asa kristianina koa izy. Mety hafoiny hatramin’ny fahasalamany ara-batana sy ara-panahy.
Mihevitra izay ilain’ny zanany koa ny ray aman-dreny kristianina mahatsapa ny andraikiny. Milaza toy izao ny Tatitra Momba ny Toe-piainan’ny Mponina Maneran-tany 1991 (anglisy): “Ireo ankizy teraka ao amin’ny fianakaviana maro anaka sady kely aizana, dia voatery mifaninana amin’ireo zokiny sy zandriny mba hahazoana sakafo sy fitafiana ary ny firaiketam-pon-dray aman-dreniny. Mora andairan’aretina koa izy ireny. Raha velona ihany mandritra ireo taona marefon’ny fahazazana ireny ankizy ireny, dia azo inoana fa ho voasakantsakana ny fitomboany ary ho simba ny fivelaran-tsainy. Hihena be ny zavatra azon’izy ireny antenaina rehefa lehibe.” Mazava fa tsy toy izany foana no mitranga ao amin’ny fianakaviana maro anaka rehetra. Zavatra tokony hodinihin’ny mpivady kristianina anefa izany, rehefa manapaka izay ho isan’ny zaza haterany izy.
Manana adidy hikarakara ny fahasalamana ara-panahin’ny zanany ny ray aman-dreny kristianina, araka ny andidian’ny Baiboly azy ireo toy izao: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.”—Efesiana 6:4.
Herintaona izao no nanambadian’i Emeka, Kristianina mampianatra lalàna any Nizeria, ary tsy maika mihitsy ny hiteraka maro izy. “Nodinihinay mivady ny hoe firy ny zaza haterakay. Nihevitra ny hiteraka dimy izahay, nefa nanapa-kevitra indray hoe telo. Nanapa-kevitra izahay tatỳ aoriana fa tsara kokoa ny roa. Mafy mantsy ny mitaiza zanaka araka ireo toro lalana ara-baiboly. Andraikitra lehibe izany.”
Nanapa-kevitra ny tsy hiteraka mihitsy ny mpivady kristianina sasany, mba hahafahany hanokana ny fotoanany rehetra ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nilaza toy izao ny vehivavy iray misionera atsy Afrika, izay nifanara-kevitra tamin’ny vadiny fa tsy hiteraka mihitsy: “Tsy tsapako hoe nisy zavatra tsy ampy tamiko satria aho tsy niteraka. Tsy mba nanana ny fifalian’ny olona niteraka izahay mivady, nefa fifaliana hafa no nameno ny fiainanay. Nanampy olona hianatra ny fahamarinana ara-baiboly izahay, ka manana zanaka ara-panahy any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Tia azy ireo izahay, ary tia anay koa izy ireo. Misy fatorana manokana mampiray anay. Nanana antony tsara nampitahana ny tenany tamin’ny reny mikarakara ny zanany naterany ny apostoly Paoly, satria niraiki-po tamin’ireo nampiany teo amin’ny ara-panahy izy.”—1 Tesaloniana 2:7, 8.
Fanakanana fananahana
Melohin’ny Baiboly ve ny fanakanana fananahana? Tsia, tsy melohiny. Avela ho an’ny mpivady ny safidy. Raha manapa-kevitra hanaraka fanakanana fananahana ny mpivady, dia izy ireo ihany no mifidy izay fomba tiany. Tokony hotarihin’ny fanajana ny fahamasinan’ny aina anefa ny fomba ampiasainy. Lazain’ny Baiboly fa manomboka eo amin’ny fahatorontoronina ny fiainan’ny olona iray. Koa hohalavirin’ny Kristianina àry ireo fomba mahafa-jaza na mamarana ny ain’ilay zaza ao am-bohoka.—Salamo 139:16; ampitahao amin’ny Eksodosy 21:22, 23; Jeremia 1:5.
Mety tsy hitovy ny safidy azo ekena hataon’ireo mpivady, raha ny fandrindram-piterahana no resahina. Ny sasany mety haniry hametra ny isan’ny zaza haterany. Ny hafa mety hanapa-kevitra ny tsy hiteraka mihitsy, ka mampiasa fomba fanakanana fananahana. Maro ny fomba fanakanana fananahana azo ampiasaina, ary samy manana ny tombony sy ny tsininy izy ireny. Rehefa hanapa-kevitra ny amin’ny fomba mety indrindra aminy ny mpivady, dia tsy tokony hohadinoiny fa misy fomba mandaitra lavitra noho ny hafa. Tokony hanontany ny amin’izay vokany hafa mety hitranga koa izy ireo. Tsara toerana mba hanome torohevitra momba ireo fomba fanakanana fananahana sy hanampy ny mpivady hifidy izay mifanentana indrindra amin’ny zavatra ilainy, ireo dokotera sy toerana ampianarana ny fandrindram-piterahana.
Fanapahan-kevitry ny mpivady manokana raha hiteraka maro, na vitsy, na tsy hiteraka mihitsy, izy. Fanapahan-kevitra mavesa-danja, misy vokany lehibe koa izany. Haneho fahendrena àry ny mpivady raha mandinika tsara ilay raharaha ao amin’ny vavaka.
[Efajoro, pejy 8, 9]
Fomba Fanakanana Fananahana Fampiasan’ny Olona
Fanamombana
Eo amin’ny lahy: Fandidiana tsotsotra, izay hanatahana kely ny kitapom-bihy sy hanapahana ireo lalan-tsirilahy.
Eo amin’ny vavy: Fandidiana izay hamatorana na hanapahana ireo lalan-tsirivavy mba tsy hahafahan’ny atodiaina hiditra ao amin’ny tranonjaza.
Ny tombony: Ny fanamombana no mandaitra indrindra amin’ny fomba fanakanana fananahana rehetra.
Ny tsininy: Mety ho vita hatreo ny fahafahana hiteraka. Nisy fandidiana namerina ny fahafahana hiteraka indray teo amin’ny lehilahy na ny vehivavy, nefa tsy misy antoka ny amin’ny fahombiazan’izany.a
Pilina Atelina Fanakanana Fananahana
Anisan’izany ny pilina madinika kely tsy misy afa-tsy prôzesterônina. Manova ny fatra ara-dalàn’ny hormonina ao amin’ny vehivavy izy io, ka sady misakana ny atodinaina tsy ho lonaka no misakana azy tsy hivoaka.b
Ny tombony: Tena mandaitra mba tsy hahabevohoka.
Ny tsininy: Misy vokany hafa mety hitranga, nefa voafetra ireny eo amin’ny vehivavy salama sady tsy mifoka sigara ary latsaka ny 40 taona.
Diafragma sy Menaka Mpamono Tsirilahy
Fitaovana fingotra toy ny satroka kely misy sisiny boribory malefaka ny diafragma. Rehefa avy araraka ao anatin’ilay sarona ny menaka mpamono tsirilahy, dia atsofoka ao amin’ny lalanjaza ilay sarona mba hifikitra tsara amin’ny vozon-tranonjaza ka hanampina azy.
Ny tombony: Fomba fanakanana fananahana tsy mampidi-doza sady azo antoka ihany rehefa ampiasaina amin’ny fomba mety.
Ny tsininy: Tsy maintsy ampiasain’ny mpivady isaky ny manao firaisana. Mila fahakingana ny fametrahana tsara ilay fitaovana, ary tokony hatsofoka alohan’ny firaisana sy havela adiny enina ka hatramin’ny adiny valo aorian’izany.
Saron’ny Vozon-tranonjaza
Fitaovana plastika na fingotra toy ny satroka kely, kely kokoa noho ny diafragma. Tahaka ny diafragma dia atsofoka any amin’ny vozon-tranonjaza izy io, nefa mipetraka tsara kokoa sady tsy mitaky menaka mpamono tsirilahy firy.
Ny tombony: Mandaitra toy ny diafragma ilay sarona, ary azo avela eo mandritra ny 48 ora. Tsy mila hosorana menaka mpamono tsirilahy indray raha misy firaisana miverimberina.
Ny tsininy: Manahirana kokoa noho ny diafragma ny mampiditra azy io, ary tokony hojerena foana ny fipetrahany tsara eo amin’ny vozon-tranonjaza, aloha sy aorian’ny firaisana. Mety hitondra aretina eo amin’ny vozon-tranonjaza na ao amin’ny tranonjaza. Tsy natao afa-tsy ho an’ny vehivavy nanaovana fitiliana, ka tsy nahitana tsimokaretina teo amin’ny lalanjaza na ny vozon-tranonjaza.
Sponjy
Sponjy vita amin’ny karazana plastika vonto menaka mpamono tsirilahy, atsofoka ao amin’ny lalanjaza mba hanarona ny vozon-tranonjaza, ka toy ny sakana ara-batana sy simika ho an’ny tsirilahy. Ariana izy io rehefa avy nampiasaina.
Ny tombony: Azo ajanona eo amin’ny toerany mandritra ny 24 ora ary mandaitra raha misy firaisana miverimberina ao anatin’io fotoana io.
Ny tsininy: Misy tsy fahazakana sasany ary mahalana no nisy filazana aretina vokatry ny fanapoizinana.
Fitaovana Apetraka ao Amin’ny Tranonjaza
Antsoina koa hoe D.I.U. na stérilet io fitaovana vita amin’ny metaly na plastika io, ary apetraka ao amin’ny tranonjaza. Tsy fantatra tanteraka ny fomba fiasany, nefa misy teoria iray milaza fa misakana ny atody lonaka tsy hipetraka ao amin’ny aty tranonjaza izy io.
Ny tombony: Fomba fanakanana fananahana azo antoka.
Ny tsininy: Miteraka fandehanan-dra na fanaintainana indraindray, ary mety hitovy amin’ny fanalana zaza ny fiasany indraindray.c
Kapaoty
Fonon-javatra apetaka eo amin’ny filahiana mba hisakanana ny ranonaina tsy hiditra ao amin’ny lalanjaza.
Ny tombony: Fomba fanakanana fananahana tsy mampidi-doza sady mandaitra. Mampihena ny mety hifindran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, anisan’izany ny SIDA.
Ny tsininy: Tsy tian’ny sasany satria mitaky ny fampiatoana ny firaisana ny fametahana azy.
Fanatsoahana
Fanatsoahana ny filahiana avy ao amin’ny lalanjaza alohan’ny fifantsitsiran’ny ranonaina.
Ny tombony: Tsy mandany vola, tsy mila fiomanana na fitaovana ivelany.
Ny tsininy: Tsy mahafa-po ny firaisana, mitaky fifehezan-tena be, ary tsy azo antoka firy.
Fanarahana Daty
Mifehy tena tsy hanao firaisana mihitsy ny mpivady mandritra ireo andro amin’ny tsingerim-bolana izay mety hahabevohoka ilay vehivavy.
Ny tombony: Tsy mampidi-doza, tsy misy vokany ratsy, tsy misy na inona na inona atao amin’ny fotoanan’ny firaisana.
Ny tsininy: Tsy fomba tena mahomby hisakanana ny vehivavy tsy ho bevohoka, raha tsy hoe tena vonona mihitsy ny tsy hiteraka ny mpivady no sady manaraka akaiky ny toromariky ny dokotera.
Fitaovana Asisika Misy Hormonina
Fomba fanakanana fananahana vao haingana indrindra izy io. Norplant no iantsoana azy, fitaovana plastika maromaro mitovitovy bika amin’ny tahon’afokasoka kely asisika an-tsoso-koditra eo amin’ny sandrin’ny vehivavy. Mandritra ny dimy taona izy ireo no mamoaka hormonina kely dia kely tsy an-kijanona ao amin’ny fikorianan-dra. Voaro ka tsy bevohoka ny vehivavy mandritra izany fotoana izany.
Ny tombony: Tena mandaitra. Azo averina ny fahafaha-miteraka amin’ny fanalana ilay zavatra nasisika an-tsoso-koditra.
Ny tsininy: Kely dia kely. Mitovy amin’ny pilina madinika kely tsy misy afa-tsy prôzesterônina. Raha io zavatra asisika tsy misy afa-tsy prôzesterônina io no ampiasaina, dia mety hanala ny tsaika efa niforona.d
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy fandinihana ny hoe mifanaraka amin’ny toro lalana kristianina sa tsia ny fanamombana, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1985, pejy faha-32.
b Misy fandinihana ny fomba fiasan’ny pilina atelina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1989, pejy faha-29.
c Resahina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1979, pejy faha-31 sy 32, ny hoe mifanaraka amin’ny toro lalana kristianina sa tsia ny fampiasana io fitaovana apetraka ao amin’ny tranonjaza io.
d Resahina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1989, pejy faha-29, ny fiasan’ny pilina.
[Loharanon-kevitra]
Hita koa ao amin’ny gMG 1993 No. 3, pejy 7-9