Miambena Foana toa An’i Jesosy
“Miambena sy mivavaha foana.”—MAT. 26:41.
AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?
Ahoana no ahitana fa miambina isika eo amin’ny vavaka ataontsika?
Ahoana no ampisehoantsika fa miambina isika, eo amin’ny asa fanompoana?
Nahoana isika no mila miambina foana rehefa iharam-pitsapana, ary ahoana no fomba ampisehoantsika an’izany?
1, 2. a) Inona no fanontaniana mipetraka momba ny hoe miambina hatrany? b) Mahasoa antsika ve ny modely tonga lafatra navelan’i Jesosy? Hazavao amin’ny ohatra.
METY hanontany tena ianao hoe: ‘Tena ho afaka hiambina toa an’i Jesosy ve isika, nefa izy lavorary ary isika tsy lavorary? Tena nila niambina tokoa ve i Jesosy, nefa izy nahalala izay hitranga an’arivony taona atỳ aoriana?’ (Mat. 24:37-39; Heb. 4:15) Ny valin’ireo no hodinihintsika voalohany, mba hahatakarantsika fa tena ilaina ny miambina ankehitriny.
2 Afaka manampy antsika olombelona tsy lavorary tokoa ve ny ohatra tonga lafatra navelan’i Jesosy? Izany mihitsy, satria azo atao ny miana-javatra avy amin’ny olona tena mahay. Eritrereto ny olona iray tena te hahay baolina kitra. Mety hoe tsy mahay mandaka baolina tsara izy amin’ny voalohany, ka tsy mahatafiditra baolina mihitsy. Tsy maintsy mandinika ny ataon’ny hafa àry izy, ary manahaka an’izany. Raha te hanatsara kokoa ny fahaizany izy, dia tsy maintsy mijery ny ataon’ireo mpanao baolina matihanina, ary mihaino ny torohevitra omen’ireo olona mahay. Mianatra ny fomba fandakan’izy ireo baolina izy, sy ny fomba fakany bahana. Lasa hainy tsikelikely ny hoe ahoana no fomba andakana baolina arakaraka ny elanelana amin’ny tsato-kazo, ary ahoana no tokony ho hamafin’ilay daka sy ny haavony. Rehefa mandeha ny fotoana, dia lasa mahay izy, ka hitovitovy amin’ireo mpanao baolina matihanina, na dia hoe tsy tena hitovy be aminy aza. Toy izany koa no ataontsika. Miezaka mafy isika manaraka ny tari-dalana omen’i Jesosy sy ny ohatra tonga lafatra navelany, mba hahatonga antsika ho Kristianina tsara kokoa.
3. a) Inona no manaporofo fa nila niambina i Jesosy? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?
3 Ary ahoana ilay hoe tena nila niambina ve i Jesosy? Hoy izy tamin’ireo apostoliny tsy nivadika, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany: “Miaraha miari-tory amiko.” Midika izany fa nila niambina i Jesosy ary tiany hiambina hiaraka aminy ireo apostoly ireo. Hoy koa izy: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” (Mat. 26:38, 41) Efa niambina foana i Jesosy talohan’izay, kanefa vao mainka nila niambina sy nifandray akaiky tamin’ny Rainy izy tamin’io fotoan-tsarotra io. Fantany hoe nila niambina koa ny mpanara-dia azy, tsy tamin’izay ihany, fa tatỳ aoriana koa. Hojerentsika àry izao hoe nahoana isika no tian’i Jesosy hiambina foana. Hodinihintsika avy eo ny zavatra telo tokony hataontsika, raha te hiambina hatrany toa an’i Jesosy isika, eo amin’ny fiainana andavanandro.
NAHOANA ISIKA NO TIAN’I JESOSY HIAMBINA?
4. Nahoana isika no mila miambina foana?
4 Misy antony roa nahatonga an’i Jesosy hampirisika antsika hiambina. Voalohany, satria misy zavatra tsy fantatsika momba ny hoavy. Tsy nahalala izay rehetra hitranga amin’ny hoavy i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Niaiky, ohatra, izy hoe: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Mat. 24:36) Mbola tsy fantatr’i Jesosy tamin’izany fotoana izany hoe rahoviana marina no hifarana ity tontolo ity. Toy izany koa isika. Tsy mahalala an’izay rehetra hitranga amin’ny hoavy isika. Tsy fantatsika hoe rahoviana i Jehovah no haniraka ny Zanany, mba handrava an’ity tontolo ratsy ity. Sady raha nahalala an’izany isika, dia tsy nila niambina hatrany. Ho avy tampoka ny farany, araka ny tenin’i Jesosy, ka mila miambina foana isika.—Vakio ny Matio 24:43.
5, 6. a) Tokony handrisika antsika hanao inona ny fahalalana ananantsika, raha tena miambina isika? b) Nahoana no tokony handrisika antsika mba hiambina foana ny zavatra fantatsika momba an’i Satana?
5 Faharoa, tian’i Jesosy hiambina isika satria betsaka ny zavatra fantatsika momba ny hoavy. Nahalala zavatra tsara be dia be momba ny hoavy i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, ary tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona izany. Mahalala zavatra betsaka koa isika, na dia tsy mitovy amin’ny an’i Jesosy aza. Nampiany mantsy isika hahafantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io tsy ho ela. Ahoana anefa ny amin’ireo mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika, na ny olona ao amin’ny faritanintsika? Tsy hitanao ve hoe ao anaty haizina tanteraka izy ireo, satria tsy mahalala an’ireo zavatra mahatalanjona fantatsika? Izany koa no antony mahatonga antsika hiambina. Raha tena miambina isika, dia hanararaotra hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra, isaky ny misy hirika hanaovana izany. Tsy tokony havela handalo fotsiny ireny fotoana kely ireny, fa tena sarobidy. Tandindomin-doza mantsy ny ain’ny olona!—1 Tim. 4:16.
6 Nisy zavatra hafa koa fantatr’i Jesosy, ka nahatonga azy hiambina foana. Fantany fa tena te haka fanahy azy i Satana, te hampijaly azy, ary te hitaona azy hivadika. Nitady hirika hitsapana azy foana io fahavalo ratsy fanahy io, ka tsy varimbariana mihitsy izy. (Lioka 4:13) Niezaka foana i Jesosy mba ho vonona hiatrika izay hitranga, na fakam-panahy izany, na fanoherana, na fanenjehana. Toy ny nanjo an’i Jesosy koa ny manjo antsika. Fantatsika fa mbola toy “ny liona mierona, mitady olona harapaka” i Satana. Izay no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hampirisika ny Kristianina rehetra hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina.” (1 Pet. 5:8) Ahoana no hanaovantsika izany?
MIAMBENA HATRANY KA MIVAVAHA
7, 8. Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy momba ny vavaka, ary inona ny ohatra navelany?
7 Asehon’ny Baiboly fa tena ilaina ny mivavaka, raha tiantsika ny hiambina hatrany na ho mailo. (Kol. 4:2; 1 Pet. 4:7) Hoy i Jesosy rehefa avy nampirisika ny mpianany mba hiari-tory miaraka aminy: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” (Mat. 26:41) Tamin’io fotoan-tsarotra io ihany ve ny mpanara-dia an’i Jesosy no nila nanaraka an’io torohevitra io? Tsia. Nila nampihatra azy io foana izy ireo, ary tokony hanao toy izany koa isika isan’andro.
8 Namela ohatra tena tsara i Jesosy, raha ny vavaka no resahina. Nivavaka nandritra ny alina manontolo, ohatra, izy indray mandeha. Alao sary an-tsaina izay nitranga. (Vakio ny Lioka 6:12, 13.) Lohataona tamin’izay, ary efa nihamaizina ny andro. Teny akaikin’i Kapernaomy, tanànan’ny mpanjono, angamba no nisy an’i Jesosy. Nankany amin’ny tendrombohitra iray, ahatazanana ny Ranomasin’i Galilia, izy, ary tazany avy teny ambony teny ireo jiro mitsilopilopy tao Kapernaomy sy ny manodidina azy. Nifantoka tanteraka tamin’ny vavaka anefa izy, ary niresaka tamin’i Jehovah. Tsy hitany akory ireo jiro efa nanomboka maty tsirairay terỳ ambany terỳ, na ny volana nanavatsava ny lanitra teny ambony, na ireo biby nandehandeha nitady hanina tany anaty kirihitra. Hifidy an’ireo apostoliny 12 mantsy izy. Fanapahan-kevitra lehibe izany, ka izay no tena nataony antom-bavaka. Azo antoka fa nolazainy tamin-dRainy daholo ny eritreriny sy izay rehetra nampanahy azy momba ny mpianany tsirairay. Tsy maintsy nitalaho mafy koa izy mba hahazo tari-dalana sy fahendrena.
9. Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy, raha ny vavaka no resahina?
9 Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy? Hoe mila mivavaka ora maro koa ve isika? Tsia. “Mazoto ihany” mantsy ny saintsika, “saingy ny nofo no malemy.” (Mat. 26:41) Afaka manahaka an’i Jesosy anefa isika. Azonao atao ny misaintsaina an’ireto: ‘Moa ve aho miresaka amin’i Jehovah rehefa handray fanapahan-kevitra mety hisy vokany eo amin’ny ara-panahiko, na ny an’ny fianakaviako, na ny an’ny mpiara-manompo amiko? Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy koa ve aho? Mivavaka amin’ny fo ve aho, sa mamerimberina teny mitovy foana?’ Mariho koa fa nivavaka samirery i Jesosy, ka namboraka ny tao am-pony sy ny tao an-tsainy tamin’ny Rainy. Manahaka azy ve ianao? Rotoroto lava ny fiainana, ka mety hanadino izay tena zava-dehibe isika. Hiambina bebe kokoa anefa isika, raha manokana fotoana betsaka hivavahana samirery amin’i Jehovah sy hamborahana aminy izay ao am-pontsika. (Mat. 6:6, 7) Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika amin’izay, ka ho vonona hanamafy sy hiaro ny fifandraisantsika aminy.—Sal. 25:14.
MIAMBENA HATRANY KA MITORIA
10. Inona no mampiseho fa mailo foana i Jesosy, ka nanararaotra nitory?
10 Niambina i Jesosy, izany hoe mailo foana izy, tamin’ilay asa nampanaovin’i Jehovah azy. Tsy misy vokany ratsy ny hoe varimbariana, rehefa manao asa sasany. Tsy toy izany kosa amin’ny karazana asa maro, fa mila mifantoka tsara ianao ary mailo foana. Hoatr’izany koa ny fanompoana. Tsy varimbariana mihitsy i Jesosy, fa nandinika tsara foana sao nisy hirika hitoriana ny vaovao tsara. Tonga tao Sykara, ohatra, izy sy ny mpianany indray mandeha, rehefa avy nandeha an-tongotra ny maraina tontolo. Nandeha nividy sakafo ny mpianany avy eo, fa izy nijanona teo akaikin’ny fantsakana mba haka aina. Nisy vehivavy samaritanina tonga hantsaka anefa taorian’izay. Azon’i Jesosy natao ny nitady antony tsy hitoriana taminy. Azony natao koa ny natory kely. Nahita hirika hitoriana anefa izy, ary nisy vokany tena tsara tamin’ny olona maro tao amin’ilay tanàna izany. (Jaona 4:4-26, 39-42) Afaka manahaka bebe kokoa an’i Jesosy ve isika, ka ho mailo foana? Nahoana raha miezaka handinika kokoa, sao mba mahita hirika hitoriana rehefa manao ny asa aman-draharaha isan’andro?
11, 12. a) Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nisy olona nitady hanelingelina ny fanompoany? b) Inona no mampiseho fa nahay nandanjalanja i Jesosy?
11 Nitady hanelingelina ny fanompoan’i Jesosy ny olona tso-po sasany indraindray. Faly be tamin’ny fanasitranana mahagaga nataony, ohatra, ny olona tao Kapernaomy, ka tian’izy ireo hijanona tao an-tanànany i Jesosy. Nirahina hitory ‘tamin’ny ondry very tamin’ny taranak’Israely’ anefa izy, fa tsy tamin’ny olona tao amin’ny tanàna iray fotsiny. (Mat. 15:24) Niteny tamin’ireo olona ireo àry i Jesosy hoe: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:40-44) Zava-dehibe tamin’i Jesosy tokoa ny fanompoana, ka tsy navelany hisy na inona na inona hahavarimbariana azy.
12 Nafana fo tafahoatra ve anefa i Jesosy? Tsy mba nifalifaly mihitsy ve izy, satria hoe be atao amin’ny fanompoana? Tsy niraharaha izay nilain’ny olona ve izy, fa revo nanompo? Tsia. Nahay nandanjalanja izy. Nankafy fiainana izy, ary nifalifaly niaraka tamin’ny namany. Nangoraka an’ireo fianakaviana hitany izy, ary nahatsapa ny olana nahazo azy ireny, sady nahatakatra hoe inona no nilainy. Tsy nisalasala mihitsy izy naneho fitiavana tamin’ny ankizy.—Vakio ny Marka 10:13-16.
13. Inona no azontsika atao, raha tiantsika ny hiambina nefa koa hahay handanjalanja toa an’i Jesosy?
13 Inona no azontsika atao, raha tiantsika ny hiambina nefa koa hahay handanjalanja toa an’i Jesosy? Tsy tokony hanaiky ho voarebirebin’ity tontolo ity isika fa hifantoka amin’ny fanompoana. Mety hampirisika antsika hampihena ny fanompoantsika ny namana na ny havantsika tso-po, na hampirisika antsika hikatsaka an’izay heveriny hoe tena fiainana. Manahaka an’i Jesosy anefa isika, ka mihevitra ny fanompoana ho zava-dehibe toy ny sakafo. (Jaona 4:34) Na dia mitondra fifaliana ho antsika aza anefa ny fanompoana sady manatanjaka antsika ara-panahy, dia tsy miseho ho masina be isika ary tsy mampihafy tena be. Mila mahay mandanjalanja sy falifaly toa an’i Jesosy isika, satria mpanompon’ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.
MIAMBENA HATRANY REHEFA TOJO FITSAPANA
14. Inona no tsy tokony hataontsika rehefa iharam-pitsapana isika, ary nahoana isika no tsy tokony hanao izany?
14 Tamin’i Jesosy niharam-pitsapana no tena nanantitrantitra hoe ilaina ny miambina foana. (Vakio ny Marka 14:37.) Tena ilaintsika àry ny ohatra navelany rehefa misy zava-tsarotra. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy ity tenin’ny Ohabolana ity, rehefa iharam-pitsapana isika: “Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.” Haverina indroa mihitsy io ao amin’ny Ohabolana! (Ohab. 14:12; 16:25) Raha miantehitra amin’ny hevitsika fotsiny àry isika eo amin’ny fiainana, indrindra fa rehefa misy olana lehibe, dia hahita loza isika sy ny fianakaviantsika.
15. Inona no fakam-panahy mety hahazo ny loham-pianakaviana, rehefa manana olana ara-bola?
15 Aoka hatao hoe miady mafy ny loham-pianakaviana iray, mba hamelomana ny “ankohonany.” (1 Tim. 5:8) Mahita asa izy, nefa ilay asa hanapatapaka ny fanatrehany fivoriana, ny fanompoany, na ny fitarihany Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Ahoana àry no hataony? Angamba tena te hanao an’ilay asa izy. Hoatran’ny hoe mety izany, raha miantehitra amin’ny heviny fotsiny izy. Mety hahatonga azy harary na ho faty ara-panahy anefa izany. Tsara kokoa àry ny manaraka ny Ohabolana 3:5, 6, manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”
16. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe niantehitra tamin’ny fahendren’i Jehovah izy fa tsy natoky tena? b) Ahoana no ampisehoan’ny loham-pianakaviana maro hoe miantehitra amin’i Jehovah toa an’i Jesosy izy ireo?
16 Tsy niantehitra tamin’ny fahaizany mihitsy i Jesosy, rehefa niatrika fitsapana. Eritrereto ange e! Tsy nisy olona hendry noho izy teto an-tany, nefa tsy niantehitra tamin’ny fahendreny izy. Rehefa naka fanahy azy, ohatra, i Satana, dia imbetsaka izy no niteny hoe: “Voasoratra hoe.” (Mat. 4:4, 7, 10) Hita amin’izany fa niantehitra tamin’ny fahendren’ny Rainy izy mba hanoherana fakam-panahy. Nanetry tena izy, fa tsy sahala amin’i Satana, izay mankahala ny fanetren-tena. Manahaka an’i Jesosy ve isika? Raha miambina hatrany ny loham-pianakaviana, dia hanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra, indrindra fa rehefa misy olana. Izany no ataon’ny loham-pianakaviana maro maneran-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe kokoa amin’izy ireo noho ny fivelomana. Rehefa manao an’izany izy ireo, dia voakarakarany amin’ny fomba faran’izay tsara ny fianakaviany. Tahin’i Jehovah izy ireo, ka ampiany mba hahita izay ilaina eo amin’ny fiainana, araka ny efa nampanantenainy.—Mat. 6:33.
17. Nahoana ianao no maniry hiambina foana toa an’i Jesosy?
17 I Jesosy no modely tsara indrindra raha tiantsika ny hiambina hatrany. Azo arahina tsara ny ohatra nomeny, sady andraisantsika soa, ary mamonjy aina mihitsy aza. Tadidio fa tian’i Satana hatory ara-panahy ianao, halemy finoana, halaindaina amin’ny fanompoana, ary hivadika amin’i Jehovah. (1 Tes. 5:6) Aza avela handresy izy! Miambena foana toa an’i Jesosy, ka mivavaha amin’ny fo, mitadiava hirika hitoriana, ary matokia an’i Jehovah rehefa misy fitsapana. Raha manao izany ianao, dia ho sambatra sy hanana fiainana mahafa-po dieny izao, eny fa na dia eto amin’ity tontolo miala aina ity aza. Azo antoka koa fa rehefa tonga i Jesosy handrava an’ity tontolo ity, dia ho hitany hoe miambina ianao ary mazoto manao ny sitrapon’ny Rainy. Ho faly koa i Jehovah, ka hamaly soa anao noho ianao tsy nivadika!—Apok. 16:15.
[Sary, pejy 6]
Rahoviana ianao no mitady hirika hitoriana, toy ny nataon’i Jesosy?
[Sary, pejy 7]
Hita hoe miambina ianao, raha mikarakara ny fianakavianao eo amin’ny lafiny ara-panahy