-
‘Miala Amin’ny Tsy Fahamarinana’ ny Vahoakan’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Jolay
-
-
Nilaza tamin’i Timoty, ohatra, i Paoly eo amin’ny andinin-teny manodidina ny 2 Timoty 2:19 mba ‘tsy hiady teny’ sy ‘hiala amin’ny resaka tsy misy fotony.’ (Vakio ny 2 Timoty 2:14, 16, 23.) Nampiely fampianaran’ny mpivadi-pinoana ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana. Nisy koa nampiely hevitra niteraka fifandirana, izay tsy tena nifanohitra tamin’ny Soratra Masina nefa nampisaratsaraka. Nahatonga ny mpiara-manompo hifanditra sy hiady teny izany, ka natahorana hisara-bazana ny fiangonana. Izany no nahatonga an’i Paoly hanantitrantitra hoe tokony ‘holavina ny fanontaniana’ na ny adihevitra “adaladala” sy “tsy misy dikany.”
10. Ahoana no ampisehoantsika fa miala amin’ny fivadiham-pinoana isika?
10 Mahalana no misy mpivadi-pinoana eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Tsy maintsy tapa-kevitra ny handa ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina anefa isika, na avy aiza izany na avy aiza. Tsy fahendrena ny miady hevitra amin’ny mpivadi-pinoana, na mivantana izany na ao amin’ny Internet na amin’ny fomba hafa. Mandika ny toromariky ny Soratra Masina dinihintsika eto isika raha manao izany, na dia ny hanampy an’ilay olona aza no tanjontsika. Vahoakan’i Jehovah isika ka tokony hiala amin’ny fivadiham-pinoana, izany hoe hanalavitra tanteraka an’izany.
11. Inona no mety hahatonga adihevitra “adaladala”, ary inona no azon’ny anti-panahy atao mba ho modely izy?
11 Misy zavatra hafa mety handrava ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana, ankoatra ny fivadiham-pinoana. Mety hiteraka adihevitra “adaladala” sy “tsy misy dikany”, ohatra, ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny resaka fialam-boly. Marina fa raha misy Kristianina mampirisika ny hafa hanao fialam-boly mandika ny fitsipik’i Jehovah, dia tsy milefitra amin’izany ny anti-panahy satria fotsiny hoe tsy te hiady hevitra. (Sal. 11:5; Efes. 5:3-5)
-
-
‘Miala Amin’ny Tsy Fahamarinana’ ny Vahoakan’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2014 | 15 Jolay
-
-
13 Tsy ny resaka fialam-boly ihany no tokony hampiharana an’ireo toro lalan’ny Baiboly ireo. Mety hiteraka adihevitra koa ny resaka fitafiana sy taovolo, fahasalamana sy sakafo, ary ny zavatra hafa mahakasika antsika manokana. Fahendrena àry ny tsy miady hevitra momba an’ireo zavatra ireo, raha tsy misy toro lalan’ny Soratra Masina voadika. Milaza mantsy ny Baiboly fa “tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy [hahay handanjalanja, f.a.p.] amin’ny rehetra.”—2 Tim. 2:24.
-