Tanora Manana Hoavy Azo Antoka
“NAHARIKORIKO sy faran’izay nanafintohina nitovy tamin’ny [raharaham-pisavihana] hafa rehetra ilay izy.” Toy izany no nilazalazan’ilay mpitsara nitarika raharaham-pitsarana iray vao haingana, an’ilay heloka bevava. Nisy andian-jiolahy nisy zatovo valo, 14 ka hatramin’ny 18 taona, nitily ka nanafika vehivavy iray mpizaha tany tao amin’ny faritanàna mifanizina iray any Londres, sy namerimberina nisavika azy, ary nanipy azy tao amin’ny lakandrano iray teo akaiky teo avy eo, na dia efa nilaza aza izy fa tsy nahay nilomano. Mora takatra tokoa raha nanambara ny renin’ny iray tamin’ireo zatovo ireo fa nandraiki-narary mihitsy izy rehefa nahita tao amin’ny televiziona ny filazam-baovao momba izay nataon’ny zanany lahy.
Mampalahelo fa mampiseho taratr’izay mitranga ao amin’ny fitambaran’olona amin’izao andro izao iny fisehoan-javatra iny. Nanjary fari-pitsipika ekena ny herisetra, na amin’ny fanaovana heloka bevava izany, na amin’ny fifandirana ao an-tokantrano, na amin’ny fifandonana ara-poko any amin’ireo tany Balkans sy any Afrika afovoany sy andrefana ary any an-toeran-kafa. Mihalehibe ao anatin’ny toe-piainana toy izany, na mandre matetika momba izany, ireo tanora. Tsy mahagaga àry raha manjary mafy fo sy ‘tsy mampiseho firaiketam-po voajanahary’, ary ‘tsy manana fifehezan-tena’, ny tanora maro. — 2 Timoty 3:3, NW.
“Lozabe”
I Roma no firenena natanjaka nanapaka, tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly, apostoly kristiana, ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, loholona tahaka azy. Nanjaka tao amin’ireo kianja filalaovana romana ny halozana sy ny habibiana. Kanefa, nampitandrina i Paoly fa amin’ny hoavy, dia hanjary hisy fotoana “tsy ho mora setraina”. (2 Timoty 3:1, NW ). Mahaliana fa mifono heviny hoe “lozabe” koa ilay teny grika izay milazalaza ireny fotoana ireny hoe ‘tsy mora setraina’. Nisy fisehoan-javatra iray nitranga, 30 taona mahery teo aloha kokoa, nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, mampiseho hoe inona no tao ambadiky ny sasany tamin’ny halozana be tamin’ny androny.
Vao tonga tamin’ny sambo teo amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy. Raha vao nandingana ny moron-drano izy, dia nisy lehilahy roa nifanehatra taminy. Hita mazava avy tamin’ny fisehoan’izy ireo ivelany sy ny fikiakiahany toy ny olona adala fa nisy zavatra tena tsy nety tao aminy. ‘Nasiaka loatra’ izy ireo, ary raha ny marina, dia demoniaka izy ireo.a Izay teny novazavazainy dia avy tamin’ireo fanahy ratsy, izay nifehy ny asa feno herisetra nataony. “Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak’Andriamanitra ô?”, hoy ireo lehilahy nikiakiaka. “Tonga etỳ va Hianao hampijaly anay alohan’ny fotoana?” Tena nahafantatra tsara ireo fanahy ratsy tao amin’ireo lehilahy roa ireo fa Andriamanitra efa nanendry fotoana hampiharany ny didim-pitsarany amin’ireo demonia. Ho fandringanana azy ireo mandrakizay izany. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia hampiasa ny fahaizana ambony noho ny an’ny olombelona ananany izy ireo mba hanetsehana herisetra feno halozana. Ny fahagagana nataon’i Jesosy mba handroahana an’ireo demonia ireo no hany nitondra fanamaivanana ho an’ireo lehilahy roa ireo. — Matio 8:28-32; Joda 6.
Tsara ny hahatsiarovantsika an’io fisehoan-javatra io, rehefa manao zavatra amin-kadalana ny olona amin’izao andro izao, anisan’izany ireo tanora. Nahoana? Satria amin’izao taonjato faha-20 izao, isika dia miatrika loza mifandray amin’izany, araka ny hazavain’ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly, toy izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Mariho kely fa arahin’ny “fahatezerana lehibe” io fampietrena an’i Satana io, satria fantany fa fohy ny fotoana tavela ho azy.
Ao anatin’ny fanafihana
Araka ny voalaza matetika ao amin’ireo pejin’itỳ gazety itỳ, dia ny taona 1914 no nametrahana an’i Kristy Jesosy teo amin’ny seza fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra azy. Nanao zavatra avy hatrany hanoherana an’i Satana, ilay fahavalo lehibe indrindran’Andriamanitra, i Jesosy. Noroahina avy tany an-danitra ny Devoly sy ireo demoniany, araka izany, ary mampifantoka ny sainy amin’itỳ tany itỳ izy ireo ankehitriny. (Apokalypsy 12:7-9). Koa satria voafetra izaitsizy ny faritra ampiharan’i Satana ny hery mitaonany, dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” izy. (1 Petera 5:8). Iza no remby mora azony? Tsy mora takatra ve ny hoe izany dia ireo izay tsy ampy fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fifandraisan’olombelona indrindra? Nanjary lasibatry ny Devoly àry ireo tanora amin’izao andro izao. Amin’ny alalan’ny ankamaroan’ny fikatsahan’izy ireo mozika sy fialam-boly, dia lalaovin’io mpamolavola fetsy ratsy tsy hita maso io mivantana, izy ireo. — Efesiana 6:11, 12.
Na dia rehefa miezaka ny hahavita zavatra eo amin’ny fiainany aza ireo tanora, dia hitan’izy ireo ho misy zavatra manakana azy. Nanomboka tamin’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, tany amin’ny ankamaroan’ireo tany niady teo aloha, dia nisy olona niezaka hanonitra ny fahoriany tamin’ny fanolorana fomba fiaina nilomano tao anatin’ny harena, ho an’ny fianakaviany. Nanjary tanjona lehibe ny fananana ara-nofo sy ny fialam-boly tsy voafehy ary ny fanalana andro. Ho vokany, dia maro no nijaly. “Izay ta-hanan-karena”, hoy i Paoly nampitandrina an’i Timoty, “dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra (...). Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10). Amin’ny ankapobeny, dia hitantsika fa voatsindron’ny alahelo be eo amin’ny ara-toe-karena sy ara-bola ary ara-pihetseham-po ny olona ao amin’ny fitambaran’olona miahy fatratra ny zavatra ara-nofo, amin’izao andro izao. Misy tanora maro, anisan’izy ireny, voan’io tetik’adin’ilay fahavalo lehibe indrindran’Andriamanitra io.
Soa ihany anefa fa misy vaovao tsara. Ary mahakasika ireo tanora izy io, dia ireo izay manana hoavy azo antoka eo anoloany. Ahoana no mety hampisy izany?
Mitadiava dia hahita ianao
Tanora maro no manana filamatra ambony. Manilika ny fari-pitsipika mihasimba fahita eo amin’ny olon-dehibe izy ireo. Tafintohina izy ireo eo anoloan’ny tsy rariny sy ny fihetsika tsy mihontsina asehon’ireo mpanao politika sy mpandraharaha liam-pahefana. Raha tanora ianao, dia angamba izany koa no tsapanao.
Hevero ny amin’i Cedric, zatovolahy manatona ny faha-20 taonany; tsy hoe maningana akory ny zavatra niainany.b Tamin’izy mbola ankizy, dia nanan-tahotra maro izy, anisan’izany ny tahotra ny fahafatesana. Naniry hahalala izay zava-kendren’ny fiainana izy. Noho izy tsy nahita valin’ireo fanontaniany hatreo amin’ny faha-15 taonany, dia nanaiky fotsiny ny hisaintsaina momba ny fiainana, niaraka tamin’ny tanora hafa mpikatsaka ny filamatra, izy. “Nifoka rongony izahay, ary nipetrapetraka teny, nanokon-dresaka tsy nisy farany”, hoy ny tsaroany. “Nino ny tena fa nitovy hevitra tamin’ny tena ny olon-drehetra, nefa tsy nisy nanana ny vahaolana.”
Naniry mafy hahatsapa fahataitairana i Cedric, toa an’ireo tanora maro. Tsy nahafa-po azy ny fidorohana zava-mahadomelina fotsiny. Tsy ela izy dia nanjary voarohirohy tao amin’ny halatra sy ny fivarotana tsy ara-dalàna zava-mahadomelina. Mbola nitady fahataitairana vaovao ihany izy. Nanomboka nangalatra izy, arakaraka izay nangatahina taminy. “Nahazo fahafinaretana avy tamin’izany aho”, hoy izy niaiky. “Tsy naka zavatra na inona na inona avy tamin’ny olon-tsotra mihitsy anefa aho. Raha nangalatra fiarakodia aho, dia navelako tsy nisy simba izy io. Tsy namaky trano fivarotana aho raha tsy efa fantatro fa ho voaonitry ny fiantohana izy ireo. Nanampy ahy hanamarina ny zavatra nataoko izany.” Araka ny mety hampoizinao, dia niafara tany am-ponja i Cedric.
Hoy ny fitadidian’i Cedric: “Niresaka tamiko i Mark, voafonja iray tahaka ahy. Rehefa nahamarika izy fa misy lakroa tombokavatsa lehibe eo amin’ny sandriko, dia nanontany ahy ny antony nanaovako azy io. Nihevitra izy fa tsy maintsy ho zava-dehibe tamiko teo amin’ny lafiny ara-pivavahana izy io.” Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nomen’i Mark ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, i Cedric.c “ ‘Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay’ — nanaitra ahy avy hatrany ireo teny vitsy ireo. Efa niresaka momba izany foana izahay, nefa tsy nety nahafantatra ny tena marina momba izany mihitsy.” Rehefa avy niresaka imbetsaka tamin’ny iray tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izay nitsidika ilay fonja i Cedric, dia nanjary nahatakatra fa azo tanterahina izay niriny mafy — nefa araka ny fomban’Andriamanitra ihany.
“Raha vao nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ireo namako taloha aho, dia nanao fandrosoana haingana”, hoy ny fanamarihan’i Cedric. Tsy mora taminy ny nanao fandrosoana teo amin’ny fahazoana hevi-javatra sy teo amin’ny lalan’ny fahasambarana. “Mbola eo am-piezahana amin’izany foana aho”, hoy izy. “Mila mitandrina ny amin’ny fomba fisainako aho.” Eny, takatr’i Cedric ankehitriny fa nitarika azy ho amin’ny fandriky ny Devoly ny naha-mpandala ny filamatra azy, ka niheverany fa tsy ho azo tratrarina ny tanjony raha tsy amin’ny firotsahana ao amin’ny fanaovan-javatra izay mifantoka amin’ny fahataitairana ihany.
Soa ihany fa efa ela ny nivoahan’i Cedric ny fonja, ary mankafy fiarahana tsy tapaka amin’ny olon-kafa nahita izay notadiaviny izy. Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny ary mizara ny fanantenana ananan’izy ireo, dia ny hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Miandrandra ny fotoana hifaranan’ny hery mitaonan’i Satana, amin’ny endriny ivelany mamitaka rehetra koa, izy.
Mazava ho azy, fa tsy ireo tanora toa an’i Cedric ihany no manana hoavy azo antoka; misy hafa koa, notezain’ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra, izay nampiditra tsikelikely tao amin-janany, fitiavana ny fahamarinana ara-baiboly.
Misy tombony ny fampiofanana araka an’Andriamanitra
“Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry tamin’ny andro fahiny. (Ohabolana 22:6). Voaporofo fa marina izany raha ny amin’ny tanora maro tsy voazarazara ny fony, izay nifidy ny hanaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly.
Nanao toy izany i Sheila sy i Gordon ary i Sarah. Tsaroan’izy ireo fa ny ray aman-dreniny dia nihevitra ho zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’i Kristy ‘handeha, dia hanao mpianatra’, amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14; 28:19, 20) “Tamin’izay fanapahan-kevitra rehetra tsy maintsy natao, dia nahazatra anay sy i Neny ny nifanontany hoe: ‘Inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny asa fitoriana?’ ”, hoy ny tsaroan’i Sheila. “Maro ny fikasana nafoinay ho vokatr’io fanjohian-kevitra io”, hoy izy niaiky, sady nanampy teny hoe: “Nefa fitahiana re izao azonay izao!” Na dia tamin’ny faran’ny andro lava nitsidihana ny tokantranon’ireo olona nitondrana ny vaovao tsara aza, dia nitaritarika tongotra nody sady nihira i Sheila sy ny reniny. “Feno ny hafaliako tamin’izay”, hoy izy. “Mbola afaka mahatsapa izany aho izao.”
Tadidin’i Gordon ireo asabotsy takariva nahafinaritra. “Nasaina ho any an-tokantranon’ny loholon’ny kongregasiona aho, ary nanao ankamantatra sy dinika nahasoa izahay tany. Nampirisihina izahay hianatra tsianjery andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly, hiresaka amin-kalalahana momba ny loha hevitra araka ny Soratra Masina, hitantara fanandraman-javatra hita teny amin’ny fitoriana, ary hianatra ny fomba nitaran’ny asan’ilay Fanjakana”, hoy ny tsaroan’i Gordon. “Nanampy ahy hametraka fototra tsara sy hamboly fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra, ireny rehetra ireny.”
Manana fahatsiarovana mahafinaritra an’ireo takariva nitsidihana Vavolombelona, i Sarah. “Niara-nisakafo izahay. Avy eo, mba hamaranana ilay andro, dia nitendry piano izahay, ka nanaraka an’ireo izay nanao hira momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena nanampy anay betsaka ny mozika, indrindra fa nandritra ireo taona nandehananay tany an-tsekoly, satria nahafahan’ny fianakavianay niara-nanao zavatra izy io.”
Mazava ho azy fa tsy ny tanora rehetra mitady hampifaly an’i Jehovah no mahita tarehin-javatra filamatra ao amin’ny fianakaviana. Kanefa, manolotra azy ireo tsy fananana ahiahy sy fahatsapana ho tsy atao an-kilabao ny fiarahana akaiky amin’ny fianakaviana Vavolombelona hafa ao amin’ny kongregasiona.
Ankamamio ny fototra azo antoka ho amin’ny hoavy
Misy safidy eo anoloan’ny tanora amin’izao andro izao. Afaka manohy miaraka amin’itỳ tontolo ratsy itỳ izy ireo, tontolo izay mitsambiki-mikimpy ao amin’ny fandringanana ao amin’ny “fahoriana lehibe” ho avy, nambaran’i Jesosy mialoha. Na, afaka ‘mametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra izy ireo ka mitandrina ny didiny’, araka ny hiran’i Asafa, mpanao salamo nahazo tsindrimandry. Hisakana azy ireo tsy ho tonga “taranaka maditra sy miodina (...), dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’Andriamanitra ny fanahiny”, ny fankatoavana an’Andriamanitra. — Matio 24:21; Salamo 78:6-8.
Ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany miisa 80 000 mahery, dia hahita tanora maro izay mety hampitolagaga anao ianao. Nanaraka ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty tanora “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy”, izy ireo. Ho vokany, izao izy ireo dia ‘mihazona mafy ny tena fiainana’. (1 Timoty 6:18, 19). Ataovy izay hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ireo Kristiana marina ireo, amin’ny fanatrehana ireo fivoriany. Amin’izay dia ho afaka hahazo ny fanantenana hoavy azo antoka koa ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teny grika iray ihany ampiasaina ao amin’ny Matio 8:28 sy 2 Timoty 3:1 no adika hoe “lozabe”.
b Novana ireo anarana.
c Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 7]
Ireo fanahy ratsy no tao ambadik’ireo lehilahy ‘nasiaka loatra’ izay nositranin’i Jesosy
[Sary, pejy 8]
Fanaovana ‘fanorenana tsara ho amin’ny andro ho avy’