Fampianarana Mahasoa ho An’ny Fotoan-tsarotra Misy Antsika
“Aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. (...) Ny ratsy fanahy sy ny mpisoloky kosa dia handroso hiharatsy kokoa, sady mamitaka no voafitaka.” — 2 TIMOTY 3:1, 13, NW.
1, 2. Nahoana isika no tokony ho liana amin’izay fampianarana arahintsika?
MAHAZO fanampiana ve ianao sa voaratra? Voalamina ve ireo zava-manahirana anao, sa miharatsy? Noho ny inona? Noho ny fampianarana. Eny, ny fampianarana dia afaka ny hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainanao, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy.
2 Nisy profesora mpiara-miasa telo nandinika io raharaha io vao haingana, ary namoaka ny vokatry ny fikarohany tao amin’ny Journal for the Scientific Study of Religion (Gazety ho An’ny Fandinihana Ara-tsiansa ny Fivavahana). Marina fa mety ho tsy nandinika manokana anao na ny fianakavianao izy ireo. Kanefa ny zavatra hitany dia mampiseho fa misy fifandraisana voafaritra tsara eo amin’ny fampianarana sy ny fahombiazan’ny olona iray, na ny tsy fahombiazany, hiatrika ny fotoan-tsarotra misy antsika. Hanisy fiheverana manokana ny amin’izay hitan’izy ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
3, 4. Inona avy no porofo sasany mampiseho fa miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika?
3 Diniho aloha itỳ fanontaniana itỳ: Manaiky ve ianao fa miaina amin’ny fotoana tsy mora setraina isika izao? Raha izany no izy, dia azo antoka fa ho hitanao ny porofo manamarina fa “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” tokoa izao. (2 Timoty 3:1-5, NW). Samy hafa ny fiantraikan’izany eo amin’ny olona. Ohatra, azo inoana fa ianao dia mahafantatra tany izay amin’izao fotoana izao dia rotidrotiky ny adin’ny ankolafiny samy hafa ao aminy mba hahazoana ny fahefana ara-politika. Any an-toeran-kafa, ny famonoana dia mitranga noho ny tsy fitoviana ara-pivavahana na ara-pirazanana. Tsy ny miaramila ihany no hany voaratra. Eritrereto ireo vehivavy sy ankizivavy tsy hita isa nanaovana an-keriny, na ireo be taona tsy nomen-kanina sy hafanana ary fialofana. Olona tsy tambo isaina no mijaly mafy, ka izany dia miteraka fitomboan’isa mahazendana eo amin’ireo mpitsoa-ponenana sy ny fahoriana maro mifandray amin’izany.
4 Ny fotoana misy antsika koa dia voamariky ny zava-manahirana ara-toe-karena, ka ny vokatr’izany dia fikatonan’ny orinasa, tsy fisian’asa, famoizana zo ho amin’ny fanampiana ara-bola sy pensions, fihenan’ny sandam-bola, sakafo kely kokoa na mahalana kokoa. Afaka manampy io lisitry ny zava-manahirana io ve ianao? Azo inoana fa izany tokoa. Olona an-tapitrisany maro hafa maneran-tany no mijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo sy noho ny aretina. Azo inoana fa efa hitanao ireo sary mampihoron-koditra avy atsy Afrika Atsinanana, mampiseho lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy misy afa-tsy taolana sy hoditra sisa. Olona an-tapitrisany maro any Azia no mijaly toy izany koa.
5, 6. Nahoana no azo lazaina fa ny aretina koa dia lafiny iray tafahoatra amin’ny fotoan-tsarotra misy antsika?
5 Isika rehetra dia nahare momba ireo aretina mampahatahotra izay mihamitombo izao. Tamin’ny 25 Janoary 1993, dia hoy ny nambaran’ny The New York Times: “Miroborobo eo anivon’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fihatsarambelatsihy ary ny fiarovana anjoanjo, ny areti-mifindra SIDA any Amerika Latina ka mandroso ary mitady hihoatra ny any Etazonia (...) Ny ankabetsahan’izany fitomboana izany dia avy amin’ny hafaingan’ny fifindrany eo amin’ny (...) vehivavy.” Tamin’ny Oktobra 1992, dia hoy ny U.S.News & World Report: “Vao roapolo taona monja izay, ny minisitry ny fahasalamana any Etazonia dia nihoby ny iray tamin’ireo fandresena lehibe indrindra teo amin’ny fahasalamam-bahoaka, ary nanambara fa tonga ny fotoana ‘hamaranana ny tantaran’ny areti-mifindra’.” Ahoana ny amin’izao fotoana izao? “Henika marary voan’ny aretina noheverina fa efa resy, indray izao ireo hopitaly. (...) Ireo mikraoby dia mamboatra teti-pitomboana mihakinga hatrany ihany, ka izany dia mahatonga azy ireo hitombo haingana kokoa noho ny fanamboarana antibiotika vaovao. (...) ‘Miditra amin’ny vanim-potoana vaovaon’ny areti-mifindra isika.’ ”
6 Ho ohatra, dia nanao izao tatitra izao ny Newsweek tamin’ny 11 Janoary 1993: “Ireo katsentsitry ny tazo izao dia mahavoa olona tombanana ho 270 tapitrisa isan-taona, ka mahafaty olona hatramin’ny 2 tapitrisa (...) ary mahatonga olona 100 tapitrisa fara fahakeliny harary mafy. (...) Miaraka amin’izany, dia mihamahay manohitra ireo fanafody nahasitrana taloha ilay aretina. (...) Rehefa afaka kelikely dia tsy ho azo sitranina ny karazany sasany.” Mahatonga anao hivarahontsana mihitsy izany.
7. Ahoana no fihetsiky ny maro amin’izao andro izao eo anatrehan’ny fotoan-tsarotra?
7 Mety ho voamarikao fa amin’izao fotoan-tsarotra tsy mora setraina izao, dia maro no mitady fanampiana mba handaminana ireo zava-manahirana azy. Raiso, ohatra, ireo izay mitodika any amin’ireo boky momba ny fiatrehana amim-pahombiazana ny fihenjanana na ny aretina vaovao iray. Ny hafa mitady mafy torohevitra momba ny fanambadiany miharava, ny fikarakarana ny ankizy, momba ireo zava-manahirana vokatry ny alkaola na ny zava-mahadomelina, na momba ny fomba hampifandanjana ny zavatra takina any am-piasana sy ireo fanerena tsapany ao an-tokantrano. Eny, tena mila fanampiana tokoa izy ireo! Eo am-piadiana mafy amin’ny zava-manahirana anao manokana ve ianao, sa iharan’ny sasany amin’ireo fahasahiranana ateraky ny ady, ny mosary na ny loza araka ny natiora? Na dia toa tsy misy fanafodiny aza ny zava-manahirana mafy iray, dia manana antony hanontaniana ianao hoe: ‘Nahoana isika no tonga amin’izao toe-javatra sarotra izao?’
8. Nahoana isika no tokony hitodika any amin’ny Baiboly mba hahazoana fahaiza-manavaka sy fitarihana?
8 Alohan’ny hahaizantsika miatrika amin’ny fomba mandaitra ny fiainana sy hahitantsika fahafaham-po amin’izy io ankehitriny sy amin’ny hoavy, dia ilaintsika hofantarina ny antony iatrehantsika fotoan-tsarotra toy izao. Raha tsorina, izany dia manome antony ho an’ny tsirairay amintsika handinihana ny Baiboly. Nahoana isika no manondro ny Baiboly? Satria izy io irery no mirakitra faminaniana araka ny marina, tantara voasoratra mialoha, izay mampiseho ireo anton’ny zavatra mampahory antsika sy izay misy antsika eo amin’ny fizotran’ny fotoana ary izay miandry antsika amin’ny hoavy.
Fianarana avy amin’ny tantara
9, 10. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24 toko faha-24 tamin’ny taonjato voalohany?
9 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994, dia nanolotra famerenana tsara homarihina ny amin’ny faminaniana toa hitan’ny maso nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-24. Raha sokafanao ho ao amin’io toko io ny Baibolinao, dia ho afaka hahita eo amin’ny andininy faha-3 (NW) ianao, fa ireo apostolin’i Jesosy dia nangataka famantarana iray momba ny fanatrehany ho avy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Avy eo, eo amin’ny andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-14, dia nilaza mialoha i Jesosy fa hisy Kristy sandoka, ady, tsy fahampian-tsakafo, fanenjehana ny Kristiana sy tsy fankatoavan-dalàna ary fitoriana miitatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
10 Ny tantara dia manaporofo fa tena nitranga tokoa nandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy ireo zavatra ireo mihitsy. Raha niaina tamin’izany fotoana izany ianao, moa ve izany tsy ho fotoan-tsarotra? Nizotra ho amin’ny fara tampony anefa ny tarehin-javatra, ho amin’ny fahoriana mbola tsy nisy toa azy teo amin’i Jerosalema sy ny fandehan-javatra jiosy. Eo amin’ny andininy faha-15 isika dia manomboka mamaky momba izay nitranga taorian’ny nanafihan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny 66 am.f.i. Ireo zava-nitranga ireo dia nahatratra ny fara tampony, tamin’ilay fahoriana notononin’i Jesosy eo amin’ny andininy faha-21 — ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., dia ny fahoriana ratsy indrindra nanjo an’io tanàna io. Kanefa, dia fantatrao fa tsy nijanona tamin’izay ny tantara, sady tsy nilaza koa i Jesosy fa hoe hijanona tamin’izay izy io. Ao amin’ireo andininy faha-23 ka hatramin’ny faha-28, dia nasehony fa hisy zavatra hafa hitranga hanaraka ilay fahoriana amin’ny 70 am.f.i.
11. Amin’ny fomba ahoana ny fahatanterahan’ny Matio 24 toko faha-24 tamin’ny taonjato voalohany no mifandray amin’izao androntsika izao?
11 Mety hisy amin’izao andro izao hirona hanilika izany raharaha izany ho any amin’ny lasa, amin’ny hoe: ‘Dia maninona koa anefa izany e?’ Ho fahadisoana izany. Zava-dehibe iankinan’ny aina ny fahatanterahan’ny faminaniana tamin’izay. Nahoana? Ireo ady, mosary, horohoron-tany, areti-mandringana sy fanenjehana nandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy dia tokony ho hita tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa aorian’ny nifaranan’ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena” tamin’ny 1914. (Lioka 21:24, NW). Maro amin’ireo velona ankehitriny no nahita maso ny Ady Lehibe Voalohany fony nanomboka io fahatanterahana maoderina io. Na dia teraka taorian’ny 1914 aza ianao, dia nahita maso ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy nanomboka tamin’izay. Ireo fisehoan-javatra tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ ireo dia manaporofo aoka izany fa miaina amin’ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ isika.
12. Araka ny voalazan’i Jesosy, inona no mbola azontsika ampoizina ho hita?
12 Izany dia midika fa mbola eo anoloantsika “ny fahoriana” resahina ao amin’ny Matio 24:29. Ho anisan’izany ny zava-mahagaga eny amin’ny lanitra izay mety tsy ho azo saintsainina. Ny Mt 24:30 andininy faha-30 dia mampiseho fa amin’izay ny olona dia hahita famantarana hafa iray — famantarana izay hanaporofo fa efa antomotra ny fandringanana. Araka ny fitantarana mifanitsy amin’io ao amin’ny Lioka 21:25-28, amin’izany fotoana ho avy izany, dia “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Lazain’ny fitantaran’i Lioka koa fa hanandratra ny lohany ireo Kristiana amin’izay, satria ho efa akaiky dia akaiky ny fanavotana azy.
13. Votoatin-kevitra fototra roa inona avy no mendrika ny fandinihantsika?
13 ‘Tsara dia tsara izany rehetra izany’, hoy angamba ianao, ‘kanefa noheveriko fa ny fototry ny ady hevitra dia hoe ahoana no ahafahako mahazo ny hevitry ny andro sarotra misy antsika, sy miatrika azy?’ Marina izany. Ny votoatin-kevitsika voalohany dia ny hamantarana ireo zava-manahirana fototra sy hahitana ny fomba ahafahantsika manalavitra azy ireo. Mifamatotra amin’izany ny votoatin-kevitra faharoa, dia ny hoe ahoana no ahafahan’ireo fampianarana araka ny Soratra Masina manampy antsika hanana fiainana tsaratsara kokoa ankehitriny. Mifandray amin’izany, dia sokafy ny Baibolinao ao amin’ny 2 Timoty 3 toko faha-3, ary jereo ny fomba azon’ny tenin’ny apostoly Paoly anampiana antsika hisetra ireo fotoan-tsarotra.
Faminaniana mikasika ny androntsika
14. Nahoana no misy antony tokony hinoana fa afaka mitondra soa ho antsika ny fandinihana ny 2 Timoty 3:1-5?
14 Andriamanitra dia nanome tsindrimandry an’i Paoly mba hanoratra ho an’i Timoty, Kristiana tsy nivadika, torohevitra tsara dia tsara be dia be izay nanampy azy hanana fiainana mahomby kokoa sy sambatra kokoa. Ny tapany amin’izay nosoratan’i Paoly dia tokony hanana ny fampiharana azy lehibe indrindra amin’izao androntsika izao. Na dia mihevitra aza ianao fa fantatrao tsara izy ireo, dia araho akaiky izao ireo teny ara-paminaniana ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 (NW). Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Aoka ho fantatrao izao, fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, ho matin-kambo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, hanana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny”.
15. Nahoana no tokony hahaliana antsika manokana amin’izao fotoana izao ny 2 Timoty 3:1?
15 Mariho kely ange fa nisy zavatra 19 notanisaina teo. Alohan’ny handinihantsika azy ireo mba hahafahantsika handray soa, dia miatoa kely aloha mba hahatakarana ilay faminaniana amin’ny ankapobeny. Jereo ny 2Ti 3:1 andininy voalohany. Hoy ny nolazain’i Paoly mialoha: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” “Andro farany” inona? Efa nisy andro farany maro, toy ireo andro faran’i Pompéi fahiny, na ireo andro faran’ny mpanjaka iray na fianakaviana manapaka iray. Na ny Baiboly aza dia manonona andro farany maromaro, toy ireo andro faran’ny fandehan-javatra jiosy. (Asan’ny Apostoly 2:16, 17). I Jesosy anefa dia nametraka fototra ho antsika mba hahatakarantsika fa “ny andro farany” nasian’i Paoly fitenenana dia manondro ny androntsika.
16. Tarehin-javatra inona amin’izao androntsika izao no nambara mialoha tamin’ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary?
16 Nanao izany i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray momba ny vary sy ny tsimparifary. Nafafy tao amin’ny saha iray ireo, ka navela hitombo miaraka. Nilaza izy fa ny vary sy ny tsimparifary dia samy mampiseho olona: ny Kristiana marina sy ny sandoka. Miresaka ny amin’io fanoharana io isika, satria izy io dia manamafy fa hisy fe-potoana lava handalo alohan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsy manontolo. Rehefa tonga izany fifaranany izany, dia hisy zavatra iray hiroborobo. Inona izany? Ny fivadiham-pinoana, na ny fiodinana amin’ny Kristianisma marina, izay namokatra faharatsiana be dia be. Misy faminaniana ara-baiboly maro hafa manamarina fa izany dia hitranga mandritra ny andro faran’ny fandehan-javatra ratsy. Izany no misy antsika, amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. — Matio 13:24-30, 36-43.
17. Filazana mifanitsy inona no omen’ny 2 Timoty 3:1-5 mikasika ny fifaranan’ny fandehan-javatra?
17 Hitanao ve ny hevitr’izany? Ny 2 Timoty 3:1-5 (NW) dia manome antsika filazana mifanitsy amin’izany fa hoe mandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra, na ny andro farany, dia ho ratsy ny vokatra hanodidina ny Kristiana. Tsy nilaza akory i Paoly fa ireo zavatra 19 notanisainy no ho fomba lehibe indrindra hanaporofoana fa efa tonga ny andro farany. Nampitandrina kosa izy ny amin’izay tsy maintsy iadiantsika mandritra ny andro farany. Ny 2Ti 3:1 andininy voalohany dia miresaka momba ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”. Io teny io dia avy amin’ny fiteny grika, ary midika ara-bakiteny hoe “fotoana voatondro lozabe”. (Kingdom Interlinear). Tsy manaiky ve ianao fa ny hoe “lozabe” dia milaza tsara izay atrehintsika amin’izao andro izao? Io teny ara-tsindrimandry io dia manohy manome fahaiza-manavaka avy amin’Andriamanitra mikasika izao androntsika izao.
18. Amin’inona no tokony hifantohantsika eo am-pianarana ny teny ara-paminaniana nataon’i Paoly?
18 Ny fahalianantsika mikasika io faminaniana io dia tokony hamela antsika hamantatra ireo ohatra mampalahelo mampiseho fa tena sarotra, na lozabe, tokoa ny fe-potoana misy antsika. Tsarovy ireo votoatin-kevitra fototra roa: 1) hamantatra ireo zava-manahirana izay mahatonga ny fotoana misy antsika ho tsy mora sy hahita ny fomba hanalavirana azy ireo; 2) hanaraka ireo fampianarana izay tena azo ampiharina marina sady afaka manampy antsika hanana fiainana tsaratsara kokoa. Koa, tsy hanamafy ireo lafiny ratsy isika, fa hifantoka kosa amin’ireo fampianarana izay afaka manampy antsika sy ny fianakaviantsika amin’izao fotoana tsy mora setraina izao.
Mijinjà soa manana amby ampy
19. Porofo inona no hitanao fa ny olona dia tia ny tenany?
19 Manomboka ny fitanisany i Paoly amin’ny filazana mialoha fa amin’ny andro farany, ‘ny olona [dia] ho tia ny tenany’. (2 Timoty 3:2). Inona no tiany holazaina? Ho marina ny teninao raha milaza ianao fa nandritra ny tantara manontolo, dia nisy lehilahy sy vehivavy be ebo sy tsy nahalala afa-tsy ny tenany. Kanefa tsy isalasalana mihitsy fa fahita amin’ny fomba miavaka io toetra ratsy io amin’izao andro izao. Tafahoatra izy io ao amin’ny olona maro. Saiky fitsipika ara-dalàna izy io eo amin’ny tontolon’ny politika sy ny varotra. Misy lehilahy sy vehivavy mikatsaka fahefana sy laza, na inona na inona vidiny. Mazàna izany dia atao na inona na inona vidiny ho an’ny hafa, satria ireo olona tia ny tenany toy izany dia tsy miraharaha ny fahavoazana entiny ho an’ny hafa. Maika erỳ izy ireo ny hitory any amin’ny fitsarana sy hamitaka ny hafa. Azonao amin’izay ny antony iantsoan’ny maro izao taranaka izao hoe ny “taranaky ny izaho aloha”. Sesehena ireo mpizahozaho sy ireo tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tenany.
20. Ahoana no ifanoheran’ilay fihetsika tia tena manjaka amin’ny torohevitra ara-baiboly?
20 Tsy ilaintsika hampahatsiahivina ireo fanandraman-javatra nangidy hitantsika nifandray tamin’olona “tia ny tenany”. Na dia izany aza anefa dia marina fa, amin’ny fampahafantarana amim-pahatsorana io zava-manahirana io, ny Baiboly dia manampy antsika, satria mampianatra antsika ny fomba hanalavirana io fandrika io izy. Izao no lazainy: “Aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.” “Aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena”. Izany torohevitra faran’izay tsara izany dia hita ao amin’ny Filipianina 2:3, 4 sy Rômanina 12:3, araka ny ilazan’ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara azy.
21, 22. a) Inona no porofo miharihary mampiseho fa afaka ny hahasoa ny torohevitra toy izany amin’izao andro izao? b) Nisy vokany nanao ahoana teo amin’ny olon-tsotra maro ny torohevitr’Andriamanitra?
21 Mety hisy hanohitra hoe: ‘Tsara izany, kanefa tsy azo ampiharina.’ Tena azo ampiharina tokoa anefa. Afaka ny handaitra izy io, ary tena mandaitra tokoa eo amin’olon-tsotra amin’izao andro izao. Tamin’ny 1990, dia nanao pirinty ny The Social Dimensions of Sectarianism ny mpampanonta ho an’ny Oniversiten’i Oxford. Ny toko faha-8 amin’izy io dia nitondra ny lohateny hoe “Ny Vavolombelon’i Jehovah ao Amin’ny Tany Katolika Iray”, ary nilazalaza momba ny fandinihana iray natao tany Belzika. Izao no vakintsika: “Raha ny amin’ny zavatra manorina manintona amin’ny fahatongavana ho Vavolombelona, ankoatra ny fanintonan’‘ny Fahamarinana’ mihitsy, dia nanonona toetra mampiavaka mihoatra ny iray indray ireo nadinina indraindray. (...) Ny hafanana, ny fisakaizana, ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina no toetra voatonona matetika indrindra, kanefa ny fanaovana ny marina sy ny fihetsiky ny tsirairay ‘hampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly’ koa dia toetra ankamamin’ireo Vavolombelona.”
22 Izany fijerena ankapobeny izany dia azontsika ampitovina amin’ny sary iray nalaina tamin’ny fakan-tsary maka sary ankapobeny; raha nampiasa zoom, na téléobjectif, anefa ianao, dia ho nahita sary nalaina akaiky kely maro, dia fanandraman-javatra tena niainana be dia be. Ho tafiditra amin’izany ireo lehilahy izay be hambo, nanjakazaka, na tia tena be taloha, kanefa ankehitriny dia malemy fanahy kokoa ary nanjary vady sy ray mampiseho firaiketam-po feno fiheverana kokoa sy hatsaram-panahy kokoa amin’ny vady aman-janany sy amin’ny hafa. Ho tafiditra amin’izany koa ireo vehivavy izay nanjakazaka na mafy fo taloha, ary ankehitriny dia manampy ny hafa hianatra ny lalan’ny tena Kristianisma. Misy ana hetsiny maro ny ohatra toy izany. Izao dia aoka ianao hitsotra. Tsy hitanao ve fa tsara lavitra ny ho voahodidin’olona toy izany, toy izay ho voatery foana hifanandrina amin’ny lehilahy sy vehivavy tia ny tenany aloha sy ambonin’ny hafa rehetra? Tsy hanamora kokoa ny fiatrehana amim-pahombiazana ny fotoan-tsarotra misy antsika ve izany? Koa tsy hahatonga anao ho sambatra kokoa ve ny fanarahana fampianarana ara-baiboly toy izany?
23. Nahoana no mendrika ny hodinihina bebe kokoa ny 2 Timoty 3:2-5?
23 Vao ny zavatra voalohany ao amin’ilay lisitra nataon’i Paoly voasoratra ao amin’ny 2 Timoty 3:2-5 fotsiny anefa no nodinihintsika. Ahoana ny amin’ireo hafa? Moa ve ny fandinihanao azy ireo amim-pitandremana hanampy anao koa hahafantatra ireo zava-manahirana fototra amin’izao androntsika izao mba hanalavirana azy ireo ka hahatonga anao hahatakatra izay lalana hitondra fahasambarana lehibe kokoa ho anao sy ho an’ireo olo-malalanao? Ny lahatsoratra manaraka dia hanampy anao mba hamaly ireo fanontaniana ireo sy hahazo fitahiana manana amby ampy.
Votoatin-kevitra Hotsarovana
◻ Inona avy no porofo sasany mampiseho fa miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika?
◻ Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa miaina amin’ny andro farany?
◻ Inona avy ireo votoatin-kevitra fototra roa izay azontsika tsoahina avy amin’ny fianarana ny 2 Timoty 3:1-5?
◻ Mandritra izao fotoana isian’ny olona maro aoka izany tia ny tenany izao, ahoana no nanampian’ny fampianarana ara-baiboly ny vahoakan’i Jehovah?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Sary ambony ankavia: Andy Hernandez/Sipa Press; sary ambany ankavanana: Jose Nicolas/Sipa Press