Mandehana toy ny Ampianarin’Andriamanitra
“Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah (...), mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — MIKA 4:2.
1. Araka ny voalazan’i Mika, inona no hataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany amin’ny andro farany?
I MIKA, mpaminanin’Andriamanitra dia nanambara mialoha fa “any am-parany”, izany hoe amin’izao androntsika izao, dia hisy olona maro hitady amim-paharisihana an’Andriamanitra, mba hanolotra fanompoam-pivavahana aminy. Ireo dia hifampahery amin’ny filazana hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah (...), mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — Mika 4:1, 2.
2, 3. Amin’ny ahoana ilay filazan’i Paoly mialoha ny amin’ny olona ho tia vola no tanteraka amin’izao andro izao?
2 Ny fianarantsika ny 2 Timoty 3:1-5 (NW ) dia afaka manampy antsika hahita ny vokatry ny hoe ampianarin’Andriamanitra mandritra “ny andro farany”. Tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, isika dia nanomboka nahamarika ireo soa azon’ireo izay mandray am-po ny fampitandreman’i Paoly mba tsy ho “tia ny tenany”. Nanampy teny i Paoly fa amin’izao androntsika izao dia “ho tia vola” koa ny olona.
3 Tsy mila diplaoma momba ny tantara maoderina avy any amin’ny fianarana ambony vao hahatakatra fa tena mifanentana tsara amin’izao fotoana misy antsika izao ireo teny ireo. Moa ve ianao tsy efa namaky ny amin’ireo mpitantana raharaham-bola sy lehiben’ny fikambanam-barotra izay tsy afa-po mahazo vola be isan-taona? Ireny tia vola ireny dia mbola maniry hahazo bebe kokoa ihany, na dia amin’ny fomba tsy ara-dalàna aza. Mifanentana tsara amin’olona maro amin’izao andro izao koa ny tenin’i Paoly, dia amin’olona izay, na dia tsy manankarena aza, dia feno fitsiriritana tsy misy hafa amin’izany ihany, tsy afa-po mihitsy. Mety hahalala olona maro toy izany ianao ao amin’ny faritra misy anao.
4-6. Ahoana no anampian’ny Baiboly ny Kristiana tsy hanjary ho tia vola?
4 Moa ve ilay voalazan’i Paoly lafiny iray tsy azo ialana amin’ny maha-olombelona fotsiny? Tsia, raha araka ilay Mpanoratra ny Baiboly, izay nanambara hatramin’ny ela itỳ fahamarinana itỳ: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” Mariho fa tsy nilaza Andriamanitra hoe: ‘Ny vola no fototry ny ratsy rehetra’. Nilaza izy fa “ny fitiavam-bola” no toy izany. — 1 Timoty 6:10.
5 Mahaliana fa ny teny manodidina an’ireo tenin’i Paoly dia niaiky fa nisy Kristiana tsara dia tsara sasany tamin’ny taonjato voalohany izay nanankarena teo amin’ny fandehan-javatra tamin’izay, noho izy ireo nandova harena na nahazo izany. (1 Timoty 6:17). Tokony hiharihary àry fa na toy inona na toy inona toerana ara-bola misy antsika, dia mampitandrina antsika ny Baiboly ny amin’ny lozan’ny fahatongavana ho tia vola. Moa ve ny Baiboly manolotra fampianarana fanampiny mikasika ny fanalavirana io toetra ratsy mampalahelo sy fahita io? Tena manao izany tokoa izy, toy ny ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nataon’i Jesosy. Re laza maneran-tany ny maha-feno fahendrena azy io. Mariho, ohatra, izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny Matio 6:26-33.
6 Araka ny voatantara ao amin’ny Lioka 12:15-21, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny lehilahy nanankarena iray izay nitady hanangona harena bebe kokoa hatrany, kanefa namoy ny ainy tampoka. Inona no tian’i Jesosy holazaina? Hoy izy: “Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’[izao karazana fitsiriritana rehetra izao, NW ] hianareo; fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany.” Miaraka amin’ny fanomezany torohevitra toy izany, dia melohin’ny Baiboly ny hakamoana ary hamafisiny ny hasarobidin’ny asa mafy atao amim-pahamarinana. (1 Tesaloniana 4:11, 12). Eny e, mety hisy hanohitra hoe tsy mihatra amin’izao androntsika izao ireo fampianarana ireo — kanefa dia mihatra tokoa izy ireo, ary mandaitra.
Ampianarina sy mandray soa
7. Antony inona no ananantsika mba hatokiana fa azontsika ampiharina amim-pahombiazana ny torohevitry ny Baiboly momba ny harena?
7 Any amin’ny firenena maro, ianao dia afaka mahita ohatra tena niainan’ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin’ny ambaratonga ara-tsosialy sy ara-bola rehetra, izay nampihatra ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra momba ny vola. Nandray soa tamin’izany ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany, ka na dia ireo eny ivelany aza dia afaka mahita izany. Ohatra, ao amin’ilay boky hoe Religious Movements in Contemporary America, avy tamin’ny mpampanonta ho an’ny Oniversiten’i Princeton, dia nanoratra toy izao ny manam-pahaizana iray mpandinika ny olombelona: “Ao amin’ireo boky [an’ny Vavolombelona] sy ao amin’ireo lahateny atao any amin’ny kongregasiona, dia ampahatsiahivina izy ireo fa tsy miankina amin’ny fiarakodia vaovao, na fitafiana lafo vidy, na fomba fiaina feno fandanilaniana foana, ny lazan’izy ireo. Miaraka amin’izany koa, ny Vavolombelona iray dia tokony hiasa tsara mandritra ny andro iray ho an’ny mpampiasa azy [ary tokony] hanao ny marina amim-pitandremana fatratra (...) Ny lafin-toetra toy izany dia mahatonga, na dia lehilahy iray tsy manana fahaizana manokana maro aza, ho mpiasa ilaina, ary ny Vavolombelona sasany tany Philadelphie Avaratra [faritanàna mahantra any Philadelphie] dia nahazo fisondrotana ho amin’ny toerana itanana andraikitra lehibe dia lehibe eo amin’ny asa.” Mazava fa ny olona izay nanaiky fampianarana avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny, dia nampitandremana ny amin’ireo fihetsika izay manasarotra kokoa ny fisetrana ny toe-piainana misy ankehitriny. Ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo dia manaporofo fa ny fampianaran’ny Baiboly dia mitarika ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa sy sambatra kokoa.
8. Nahoana no azo ampifandraisina ny “mpieboebo” sy “mpiavonavona” ary “mpiteny ratsy”, ary inona no dikan’ireo teny telo ireo?
8 Azontsika ampifandraisina ireo zavatra telo manaraka notanisain’i Paoly. Amin’ny andro farany, ny olona dia “ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy”. Tsy mitovy ireo toetra telo ireo, saingy izy rehetra dia mifandray amin’ny hambom-po. Ilay voalohany dia “mpieboebo”. Milaza ny rakibolana iray fa ilay teny grika fototra eto dia midika hoe: “ ‘Olona iray izay manao ny tenany ho mihoatra noho ny hamarinin’ny zava-misy’, na ‘mampanantena mihoatra noho izay azony tanterahina’.” Azonao izao ny antony ampiasan’ny Baiboly sasany ilay teny hoe “mpandoka tena”. Manaraka izany ny hoe “mpiavonavona”, na ara-bakiteny hoe “miseho ho ambony”. Farany dia eo ny hoe “mpiteny ratsy”. Mety hisy hieritreritra ny mpiteny ratsy ho ireo izay miteny tsy amim-panajana momba an’Andriamanitra, kanefa ilay teny fototra dia mahafaoka fanaovana teny fanisian-dratsy, na fanosoram-potaka na fanevatevana atao amin’olona. Koa i Paoly dia niresaka ny amin’ny fitenenan-dratsy atao amin’Andriamanitra sy ny olona.
9. Mifanohitra amin’ireo fihetsika manimba izay manjaka, fihetsika inona avy no ampirisihan’ny Baiboly ny olona mba hampitomboina?
9 Inona no tsapanao rehefa voahodidin’ny olona izay mifanentana tsara amin’ny filazalazan’i Paoly ianao, na mpiara-miasa izy ireo, na mpiara-mianatra, na havana? Mahatonga ny fiainanao ho mora kokoa ve izany? Sa kosa ny olona toy izany mampisafotofoto ny fiainanao, mahatonga ny fisetranao izao androntsika izao ho sarotra kokoa? Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia mampianatra antsika handositra ireny fihetsika ireny, manolotra antsika fampianarana toy ny hita ao amin’ny 1 Korintiana 4:7; Kolosiana 3:12, 13; sy Efesiana 4:29.
10. Inona no mampiseho fa ny vahoakan’i Jehovah dia mandray soa avy amin’ny fanekena ny fampianarana ara-baiboly?
10 Na dia tsy lavorary aza ny Kristiana, ny fampiharan’izy ireo io fampianarana tsara dia tsara io dia manampy azy ireo betsaka amin’izao fotoan-tsarotra izao. Ilay gazety italiana hoe La Civiltà Cattolica, dia nilaza fa ny antony iray tsy itsaharan’ny Vavolombelon’i Jehovah mitombo isa “dia noho ilay fandaminana manome ny mpikambana ao aminy ny maha-izy azy voafaritra tsara sy mahery”. Kanefa tamin’ny filazana hoe ‘ny maha-izy azy mahery’, moa ve ilay mpanoratra te hilaza hoe ‘mpieboebo, mpiavonavona, mpiteny ratsy’? Mifanohitra amin’izany, fa nomarihin’ilay gazety zezoita fa ilay fandaminana dia “manome ny mpikambana ao aminy ny maha-izy azy voafaritra tsara sy mahery, ary izy io dia toerana natao ho azy ireo, toerana andraisana tsara azy ireo amin-kafanana sy amin’ny fahatsapana firahalahiana sy firaisan-kina”. Tsy miharihary ve fa manampy ny Vavolombelona ireo zavatra izay nampianarina azy?
Mitondra soa ho an’ny mpianakavy ny fampianarana
11, 12. Ahoana no nilazan’i Paoly araka ny marina ny ho tarehin-javatra ao amin’ny fianakaviana maro?
11 Azontsika atambatra ireo zavatra efatra manaraka, izay misy ifandraisany rahateo. Nambaran’i Paoly mialoha fa mandritra ny andro farany, dia maro no “tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary”. Fantatrao fa ny roa amin’ireo toetra ratsy ireo — ny tsy fahaiza-mankasitraka sy ny fivadihana — dia miely hatraiza hatraiza. Kanefa dia hitantsika mora foana ny antony nametrahan’i Paoly azy ireo teo anelanelan’ny ‘tsy fankatoavana ray aman-dreny’ sy ny ‘tsy fananana firaiketam-po voajanahary’. Mifamatotra ireo efatra ireo.
12 Saiky izay rehetra mahay mandini-javatra, na tanora na antitra, dia voatery hiaiky fa ny tsy fankatoavana ray aman-dreny dia miely hatraiza hatraiza, ary miharatsy izy io. Mitaraina ny ray aman-dreny maro fa toa tsy mankasitraka izay rehetra atao ho azy ny tanora. Tanora maro no manohitra fa tsy tena mahatoky eo anatrehan’izy ireo (na eo anatrehan’ny fianakaviana amin’ny ankapobeny) ny ray aman-dreniny fa revo amin’ny asany, amin’ny fahafinaretan’ny tenany, na amin’ny tenan’izy ireo. Tsy hanandrana hamaritra izay diso isika fa jereo kosa ny vokany. Ny fisarahana manjary misy eo amin’ny olon-dehibe sy ny tanora dia matetika mitondra ny zatovo hanorina ny fari-pitsipiny manokana momba ny fitondran-tena na ny fahalotoam-pitondran-tena. Inona no vokany? Fitomboana haingana dia haingana eo amin’ny isan’ny zatovovavy bevohoka sy ny fanalana zaza ary ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana eo amin’ny zatovo. Matetika tokoa, ny tsy fisian’ny firaiketam-po voajanahary ao an-tokantrano dia mitarika ho amin’ny herisetra. Azo inoana fa afaka mitantara ohatra avy ao amin’ny faritra misy anao ianao, dia porofo fa mihamanjavona ny firaiketam-po voajanahary.
13, 14. a) Eo anatrehan’ny fahasimban’ny fianakaviana maro, nahoana isika no tokony hanisy fiheverana ny Baiboly? b) Karazana torohevitra mampiseho fahendrena inona no omen’Andriamanitra mikasika ny fiainam-pianakaviana?
13 Izany dia mety hanazava ny antony mahatonga olona mihamaro hatrany hihatakataka amin’ireo izay toa anisan’ny fianakaviany lavitra, na anisan’ny antokon’olona, na foko, na fitambaran’olona nisy azy teo aloha. Tadidio anefa fa tsy miresaka ireo zavatra ireo isika mba hanamafisana ny lafiny tsy manorina amin’ny fiainana ankehitriny. Ny zava-mahaliana antsika roa fototra dia: Moa ve ny fampianaran’ny Baiboly afaka manampy antsika mba tsy hijaly noho ireo fahadisoana izay notanisain’i Paoly, sy ny hoe moa ve isika handray soa avy amin’ny fampiharana ny fampianaran’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika? Afaka ny hoe eny ny valiny, araka ny miharihary amin’ireo votoatin-kevitra efatra tao amin’ilay fitanisana nataon’i Paoly.
14 Voamarina tsara ny fanambarana ankapobeny iray: Tsy misy fampianarana mihoatra noho ny an’ny Baiboly raha ny amin’ny famokarana fiainam-pianakaviana izay manafana ny fo sy mahomby tsara. Izany dia hamarinin’ny santionany iray monja amin’ny toroheviny izay afaka manampy ny mpianakavy, tsy hanalavitra ireo fandrika fotsiny, fa mba hahomby koa. Manazava tsara izany ny Kolosiana 3:18-21, na dia misy aza teny maro hafa kanto sy azo ampiharina natao ho an’ny lehilahy manambady sy ho an’ny vehivavy manambady ary ho an’ny ankizy. Mandaitra io fampianarana io amin’izao andro izao. Marina aloha fa, na dia ao amin’ny fianakavian’ireo Kristiana marina aza, dia misy fahasarotan-javatra sy zava-tsarotra tsy maintsy resena. Ireo vokatra ankapobeny anefa dia manaporofo fa ny Baiboly dia manome fampianarana tena mahasoa ho an’ny fianakaviana.
15, 16. Tarehin-javatra inona no hitan’ny mpanao fikarohana iray rehefa nandinika ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Zambia izy?
15 Nandritra ny herintaona sy tapany, ny mpanao fikarohana iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Lethbridge, any Kanada, dia nandinika ny fiainana ara-tsosialy atsy Zambia. Hoy ny famaranan-tenin’io ramatoa io: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fahombiazana lehibe kokoa noho ny mpikambana ao amin’ny antokom-pinoana hafa raha ny amin’ny fihazonana fifamatoram-panambadiana mafy orina. (...) Ny fahombiazan’izy ireo dia mampiseho fifandraisana niova eo amin’ny lehilahy sy ny vadiny, izay nanjary ampamoahin’ny mpitarika vaovao iray, dia Andriamanitra, raha ny amin’ny fifampitondrany, ao amin’io fiezahana hiara-miasa vao hitany sady tsy misy fandrahonana io. (...) Ny lehilahy Vavolombelon’i Jehovah manambady dia ampianarina mba hihamatotra eo amin’ny fiantsorohany ny andraikiny mba hitondra soa ho an’ny vady aman-janany. (...) Ny lehilahy sy ny vadiny dia ampirisihina mba ho olona tsy mivadika. (...) Io fitakiana lehibe indrindra mba hanehoana tsy fivadihana io dia manamafy ny fanambadiana.”
16 Itỳ fianarana itỳ dia niorina tamin’ny fanandraman-javatra tena nisy maro. Ohatra, io mpanao fikarohana io dia nilaza fa, mifanohitra amin’ny fitsipika fahita, “ny lehilahy Vavolombelon’i Jehovah dia hita matetika kokoa manampy ny vadiny eny an-jaridaina, tsy mandritra ny fanomanana ny tany ihany, fa mandritra ny fambolena sy ny fiasana tany koa”. Miharihary araka izany fa misy fitantarana tsy hita isa maneran-tany mampiseho fa ny fampianaran’ny Baiboly dia mahakasika fiainana maro.
17, 18. Vokatra nanaitra inona avy no nipoitra tao amin’ny fandinihana iray natao mikasika ny fitaizana nolovana ara-pivavahana sy ny firaisana alohan’ny fanambadiana?
17 Ilay lahatsoratra teo aloha dia nanisy fitenenana ny amin’ireo zavatra hitan’ny Journal for the Scientific Study of Religion. Tamin’ny 1991, izy io dia nirakitra lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny Fitaizana Nolovana Ara-pivavahana sy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana: Porofo avy Amin’ny Santionana Olon-dehibe Mbola Tanora eo Amin’ny Firenena”. Azo inoana fa fantatrao fa miely hatraiza hatraiza ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Tena mbola kely ny maro dia manaiky ho resin’ny fahamaimaizana, ary zatovo maro no manao firaisana amin’olona maro samy hafa. Afaka manova izany ve ireo fampianaran’ny Baiboly?
18 Ny profesora mpiara-miasa telo izay nandinika io fanontaniana io, dia nanantena ny hahita ‘fa tsy ho azo inoana kokoa fa hanana firaisana alohan’ny fanambadiana ireo zatovo sy olon-dehibe mbola tanora notezaina araka ny lovantsofina kristiana mpitana kokoa ny fanao fahiny’. Inona anefa no nasehon’ny zava-nisy? Amin’ny ankapobeny, eo anelanelan’ny 70 sy ny 82 isan-jato tamin’izy ireo no efa nanao firaisana talohan’ny fanambadiana. Ho an’ny sasany, “ny fitaizana nolovana izay nanaraka ara-bakiteny ny Baiboly dia [nampihena] ny nety ho firaisana alohan’ny fanambadiana, fa tsy ny ‘firaisana alohan’ny fanambadiana eo amin’ny zatovo’.” Ireo mpanao fikarohana dia niresaka ny amin’ny tanora sasany avy amin’ny fianakaviana toa tia fivavahana, izay “nampiharihary fa betsaka lavitra ny nety ho nanaovany firaisana alohan’ny fanambadiana, rehefa oharina amin’ireo Protestanta Mahazatra”. — Anay ny soramandry.
19, 20. Tamin’ny ahoana ny fampianaran’Andriamanitra no nanampy sy niaro tanora maro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
19 Ireo profesora ireo dia nahita ny mifanohitra amin’izany indrindra teo anivon’ny tanora teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay anisan’ny “niavaka indrindra tamin’ny hafa”. Fa nahoana? “Ny ambaratongam-panekena hanao zavatra sy fahatafidirana ao amin’ny fiainana ara-tsosialy vokatr’ireo fanandraman-javatra sy fanantenana ary fandraisana anjara amin’ireo asa ara-pivavahana (...) dia mazàna mety hiteraka ambaratongam-pifikirana ambony kokoa amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny finoana.” Hoy ny teny nanampin’izy ireo: “Ireo Vavolombelona dia antenaina fa hanatontosa andraikitra misionera [fampielezana ny filazantsara] eo amin’ny maha-zatovo sy olon-dehibe mbola tanora azy.”
20 Koa misy fiantraikany tsara eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampianaran’ny Baiboly, amin’ny fanampiana azy ireo hanalavitra ny fahalotoam-pitondran-tena. Izany dia midika ho fiarovana amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, izay tsy azo sitranina ny sasany, ary ny hafa mahafaty. Izany dia midika ho tsy fisian’ny fanerena hanala zaza, izay ampianarin’ny Baiboly fa mitovy amin’ny famonoana olona. Izany koa dia mahatonga olon-dehibe mbola tanora ho afaka hiditra ao amin’ny fanambadiana, manana feon’ny fieritreretana madio. Izany dia midika ho fanambadiana miorina amin’ny fanorenana mafy orina kokoa. Ny fampianarana toy izany no afaka manampy antsika handresy, ho salama kokoa, sambatra kokoa.
Fampianarana manorina
21. Zavatra inona avy no nambaran’i Paoly mialoha araka ny marina ho amin’izao fotoana misy antsika izao?
21 Izao dia miverena mankany amin’ny 2 Timoty 3:3, 4 (NW ), ary mariho izay zavatra hafa nolazain’i Paoly fa hahatonga ny androntsika ho tsy mora setraina ho an’ny maro — fa tsy ho an’ny rehetra: “[Ny olona] tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, ho matin-kambo, [sy] ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. Tena araka ny marina tokoa izany! Na dia izany aza, ny fampianarana avy ao amin’ny Baiboly dia afaka miaro antsika sy manome fitaovana antsika mba handresy, hahomby.
22, 23. Namarana ny fitanisany tamin’ny fampirisihana manorina inona i Paoly, ary toy inona no maha-zava-dehibe izany?
22 Mamarana ny fitanisany amin’ny teny manorina ny apostoly Paoly. Navadiny ilay zavatra notanisaina farany ho baiko araka an’Andriamanitra izay afaka mitondra soa tsy hita fetra ho antsika koa. I Paoly dia nanisy fitenenana ny amin’ireo izay “hanana endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa ho hita fa handa ny heriny; ary ireo dia ialao”. Tsarovy fa ireo tanora any amin’ny fiangonana sasany dia tena manana isan’ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana betsaka kokoa noho ny antsalany. Na dia eo amin’ny ambaratonga antsalany fotsiny aza ny fahalotoam-pitondran-tenan’ireo mpiangona ireo, moa ve izany tsy ho efa porofo fa tsy manan-kery ny endri-panompoam-pivavahana arahiny? Ankoatra izany, moa ve ireo fampianarana ara-pivavahana manova ny fihetsiky ny olona eo amin’ny fandraharahana ahazoam-bola, ny fomba ifampiraharahany amin’ireo izay eo ambany fahefany, na ny fomba fitondrany ny havany?
23 Asehon’ireo tenin’i Paoly fa tokony hampiharintsika izay ianarantsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanana fomba fanolorana fanompoam-pivavahana izay mampiharihary ny tena herin’ny Kristianisma isika. Momba ireo izay manana endri-panompoam-pivavahana tsy manan-kery, dia hoy i Paoly amintsika: “Ireo dia ialao.” Baiko mazava izany, baiko izay hitondra soa azo antoka ho antsika.
24. Amin’ny ahoana ny fampirisihana ao amin’ny Apokalypsy 18 toko faha-18 no mifanitsy amin’ny torohevitr’i Paoly?
24 Amin’ny fomba ahoana? Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza vehivavy ara-panoharana iray, vehivavy janga iray, antsoina hoe Babylona Lehibe. Asehon’ny porofo fa i Babylona Lehibe dia mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay nodinihin’i Jehovah Andriamanitra ka nolaviny. Tsy voatery ho anisan’izany anefa isika. Mampirisika antsika toy izao ny Apokalypsy 18:4: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” Moa ve izany tsy mitovy amin’ilay hafatra izay nampitain’i Paoly hoe: “Ireo dia ialao”? Ny fanarahantsika izany dia fomba iray hafa koa ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fampianaran’Andriamanitra.
25, 26. Hoavy inona no voatahiry ho an’ireo izay manaiky sy mampihatra dieny izao ny fampianarana avy amin’i Jehovah Andriamanitra?
25 Tsy ho ela Andriamanitra dia hisalovana mivantana amin’ny raharahan’ny olombelona. Hofoanany avokoa ny fivavahan-diso rehetra sy ny sisa amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Tena ho antony hifaliana tokoa izany araka ny asehon’ny Apokalypsy 19:1, 2. Eto an-tany, ireo izay manaiky sy manaraka ny fampianaran’Andriamanitra dia havela hanaraka hatrany ny fampianarany rehefa ho lasa ireo vato misakana amin’izao fotoan-tsarotra izao. — Apokalypsy 21:3, 4.
26 Azo antoka fa ny fiainana ao amin’izany Paradisa an-tany ho tafaorina indray izany dia haharavoravo hihoatra izay azontsika saintsainina. Mampanantena Andriamanitra fa mety hisy izany ho antsika, ary afaka mitoky tanteraka aminy isika. Araka izany, dia manome antsika antony tondraka mba hanekena sy hanarahana ny fampianarany mahasoa, izy. Rahoviana? Aoka isika hanaraka ny fampianarany amin’izao fotoan-tsarotra misy antsika izao ary ao amin’ilay Paradisa nampanantenainy. — Mika 4:3, 4.
Hevitra Hosaintsainina
◻ Ahoana no andraisan’ny vahoakan’i Jehovah soa avy amin’ny torohevitra omeny momba ny harena?
◻ Nanamarina ny vokatra tsara inona avy, azo avy amin’ny fampiharan’ny mpanompon’Andriamanitra ny Teniny, ny gazetiboky zezoita iray?
◻ Nampiharihary soa inona avy, azo avy amin’ny fampiharan’ny fianakaviana ny fampianarana araka an’Andriamanitra, ny fandinihana natao tatsy Zambia?
◻ Fiarovana inona no omen’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ho an’ny tanora?
[Efajoro, pejy 15]
VOKANY MAHATSIRAVINA RE IZANY!
“Tsy hita pesipesenina ny mety hahavoan’ny SIDA an’ireo zatovo, noho izy ireo tia manandranandrana firaisana sy zava-mahadomelina, tia misetra loza sy tsy miraharaha ny ampitso, ary noho izy ireo mihevi-tena ho tsy mety maty sy mihantsy ny fahefana”, hoy ny tatitra iray nentina teo amin’ny kaonferansa momba ny SIDA sy ny zatovo. — New York Daily News, alahady 7 Martsa 1993.
“Ireo zatovovavy manao firaisana tsy tapaka dia hanjary hiharihary fa ho ‘loha laharana’ manaraka amin’ny areti-mifindra SIDA, araka ny hitan’ny fandinihana iray nataon’ny Firenena Mikambana tany Eoropa sy Afrika ary Azia Atsimo-Atsinanana.” — The New York Times, zoma 30 Jolay 1993.
[Sary, pejy 16, 17]
Andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah soa ao amin’ny kongregasiona sy ao an-tokantrano ny fampianaran’ny Baiboly