-
Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Desambra
-
-
“Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an’ireny.
-
-
Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Desambra
-
-
‘RESY LAHATRA KA NINO’
5. a) Inona no dikan’ny hoe ‘resy lahatra ka mino’? b) Ahoana no ahalalantsika fa tena nino ny vaovao tsara momba an’i Jesosy i Timoty?
5 Tena mila mahalala momba ny olona sy ny zava-nitranga resahin’ny Baiboly ny ankizy. Tsy ampy anefa izany. Tsy hoe nahalala ny Soratra Masina fotsiny i Timoty, fa ‘resy lahatra’ koa ‘ka nino.’ Ny teny grika nadika hoe ‘resy lahatra ka nino’, dia midika hoe “miaiky na matoky sy mahazo antoka fa marina ny zavatra iray.” Mbola zazakely i Timoty dia efa nahalala ny Soratra Hebreo. Nisy porofo nandresy lahatra azy anefa tatỳ aoriana hoe i Jesosy no Mesia. Tsy hoe nanana fahalalana fotsiny àry izy, fa tena niaiky hoe marina ny zavatra fantany. Tena nino an’izany izy ka natao batisa ary lasa misionera niaraka tamin’i Paoly.
6. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao ho resy lahatra hoe marina ny voalazan’ny Baiboly?
6 Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao ho resy lahatra toa an’i Timoty? Mila manam-paharetana aloha ianao, satria tsy ho resy lahatra vetivety eo izy. Tsy hoe satria misy zavatra inoanao, dia hino an’iny ho azy ny zanakao. Mila ‘mampiasa ny sainy’ ny ankizy tsirairay mba ho resy lahatra hoe marina ny voalazan’ny Baiboly. (Vakio ny Romanina 12:1.) Ianareo ray aman-dreny no tena mila manampy azy hanao izany, indrindra fa rehefa mametraka fanontaniana ry zareo. Diniho izay nataon’ny raim-pianakaviana iray.
7, 8. a) Inona no mampiseho fa manam-paharetana i Thomas rehefa mampianatra ny zanany? b) Rahoviana ianao no mila manam-paharetana amin’ny zanakao?
7 Manan-janakavavy 11 taona i Thomas. Hoy izy: “Hoatr’izao no anontanian’ilay zanako indraindray: ‘Sao mba nataon’i Jehovah nivoatra miandalana àry ny zavamananaina teto an-tany?’ Na koa hoe: ‘Fa maninona isika no tsy mba miaraka amin’ny olona mifidy e? Mba miara-miezaka manatsara ny fiainana!’ Mila mifehy tena be aho indraindray mba tsy ho tonga dia hiteny aminy fotsiny hoe inona no tokony hinoany. Porofo kely be dia be mitambatambatra mantsy no mandresy lahatra, fa tsy porofo ngezabe anankiray.”
8 Fantatr’i Thomas hoe mila faharetana izy rehefa mampianatra ny zanany. Isika Kristianina rehetra mihitsy no mila an’io toetra io. (Kol. 3:12) Hitany, ohatra, hoe mila miresaka imbetsaka amin’ny zanany izy mba hanampiana azy hanana finoana matanjaka. Mila mampiasa ny Soratra Masina koa izy mba hampisaintsainana azy, ka hahatonga azy ho resy lahatra hoe marina izay ianarany ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Rehefa tena zava-dehibe ilay zavatra ianarana, dia fantarinay mivady tsara hoe tena mino an’ilay izy ve ilay zanakay, ary azony tsara ve ilay izy. Mahafinaritra rehefa manontany izy. Matahotra aho raha vao tsy manontany izy fa tonga dia manaiky.”
9. Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hino ny Tenin’Andriamanitra?
9 Raha manam-paharetana ny ray aman-dreny rehefa mampianatra ny zanany, dia ho azony tsikelikely ny fahamarinana. Ho takany ny “sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.” (Efes. 3:18) Tokony hatao mifanaraka amin’ny taonany sy ny fahaizany ny zavatra ampianarina azy. Rehefa resy lahatra izy, dia ho mora kokoa aminy ny hiaro ny zavatra inoany rehefa miresaka amin’ny olona izy, anisan’izany ny mpiara-mianatra aminy. (1 Pet. 3:15) Hain’ny zanakao ve, ohatra, ny mampiasa ny Baiboly mba hanazavana hoe manao ahoana ny olona rehefa maty? Azony tsara ve izay voalazan’ny Baiboly?a Marina fa mila manam-paharetana ianao raha te hanampy azy hino ny Tenin’Andriamanitra. Tena hitondra soa anefa izany.—Deot. 6:6, 7.
10. Inona no tena ilaina rehefa mampianatra ny ankizy?
10 Tokony ho modely koa ianao. Hoy i Stephanie, manan-janaka telo vavy: “Tamin’ny mbola kely ny zanako dia efa tsy maintsy nieritreritra aho hoe: ‘Resahiko amin-dry zareo ve hoe nahoana aho no resy lahatra fa misy i Jehovah, be fitiavana izy, ary mahasoa ny mankatò azy? Hitan’izy ireo ve fa tena tia an’i Jehovah aho?’ Tsy afaka ny hanantena mihitsy aho hoe ho resy lahatra amin’ny zavatra ampianarina azy izy ireo, raha izaho aza tsy resy lahatra amin’ilay izy.”
-