-
Ry Tanora, Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Mey
-
-
5. Araka ny 2 Timoty 3:14, 15, inona ireo antony roa nahatonga an’i Timoty hifidy ny hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah?
5 Nifidy tanjona manome voninahitra an’i Jehovah tokoa i Timoty. Inona no nahatonga azy hanao izany? Nilaza antony roa lehibe i Paoly, tao amin’ilay taratasy faharoa nosoratany ho an’i Timoty. Hoy izy: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe avy tamin’iza avy no nianaranao azy ireny. Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina.” (2 Timoty 3:14, 15)
-
-
Ry Tanora, Miezaha Hanatratra Tanjona Manome Voninahitra An’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Mey
-
-
Ianaro ny “Soratra Masina”
9. Ankoatra ny fifidianana namana tsara, inona no tsy maintsy ataonao mba ‘hanazarana ny tenanao hahafoy tena ho an’Andriamanitra’?
9 Ampy ve ny mifidy namana tsara, mba hanatratrarana tanjona manome voninahitra an’i Jehovah? Tsia. Mila mandinika tsara ny “Soratra Masina” toa an’i Timoty ianao. Tsy dia tia mianatra angamba ianao. Tadidio anefa fa tsy maintsy ‘nanazatra ny tenany mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra’ i Timoty. Matetika no manao fanazaran-tena mafy be mandritra ny volana maro ny mpanao fanatanjahan-tena, mba hanatratrarana ny tanjony. Mila miezaka mafy toy izany koa ianao sady mahafoy zavatra sasany, mba hanatratraranao ny tanjonao. (1 Timoty 4:7, 8, 10) Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Nahoana no manampy ahy hanatratra ny tanjoko ny fianarana Baiboly?’ Misy fomba telo anampian’izy io anao.
10, 11. Nahoana ny Soratra Masina no handrisika anao hanatratra tanjona manome voninahitra an’i Jehovah? Manomeza ohatra.
10 Voalohany, hahatonga anao hanana antony tsara hanatratrarana ny tanjonao ny Soratra Masina. Resahina ao mantsy ireo toetra faran’izay tsara ananan’ilay Raintsika any an-danitra, sy ny zava-dehibe indrindra nataony mba hanehoana fitiavana antsika, ary ireo fitahiana mandrakizay miandry ny mpanompony mahatoky. (Amosa 3:7; Jaona 3:16; Romanina 15:4) Rehefa mitombo ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah, dia hitombo koa ny fitiavanao azy sy ny fanirianao hanolo-tena ho azy.
11 Nilaza ny tanora kristianina maro fa ny fianarana samirery tsy tapaka ny Baiboly no tena nanampy azy handray am-po ny fahamarinana. Anisan’izany i Adele. Notezain’ny ray aman-dreny kristianina izy, nefa tsy nanana tanjona mihitsy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hoy izy: “Nentin’ny ray aman-dreniko tany am-pivoriana aho, nefa tsy nihaino akory aho tany sady tsy mba nianatra samirery.” Nanomboka nihevitra ny fahamarinana ho zava-dehibe kokoa i Adele, rehefa natao batisa ny rahavaviny. Hoy ihany izy: “Nanomboka namaky ny Baiboly manontolo aho. Isaky ny avy mamaky kely aho, dia nisy zavatra nosoratako momba izay novakiko. Mbola voatahiriko hatramin’izao ireny zavatra nosoratako ireny. Voavakiko tao anatin’ny herintaona ny Baiboly tamin’izay.” Nandrisika an’i Adele hanolo-tena ho an’i Jehovah izany, ary mpisava lalana na mpitory manontolo andro izy izao, na dia kilemaina aza.
12, 13. a) Hanampy ny tanora hanao fiovana inona ny fianarany Baiboly? Ahoana no hetezan’izany? b) Manomeza santionany amin’ny fahendrena raketin’ny Tenin’Andriamanitra.
12 Faharoa, hanampy anao hanova izay toetranao mila ovana ny Baiboly. Nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa ny “Soratra Masina” dia “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Hanatsara ny toetranao ny fanahin’Andriamanitra, raha misaintsaina tsy tapaka momba ny zavatra misy ifandraisany amin’ny Teniny ianao, ary mampihatra ny toro lalana ao amin’izy io. Hanjary hanana toetra tena ilaina ianao, toy ny fanetren-tena, fikirizana, fahazotoana miasa, ary ny tena fitiavana ny Kristianina hafa. (1 Timoty 4:15) Nanana an’ireo toetra ireo i Timoty, ka afaka nanampy tsara an’i Paoly sy ilay fiangonana nisy azy.—Filipianina 2:20-22.
13 Fahatelo, mirakitra fahendrena be dia be ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 1:1-3; 19:7; 2 Timoty 2:7; 3:15) Hanampy anao izany mba hahay hifidy namana tsara sy fialam-boly mahasoa, ary hiatrika olana maro hafa. (Genesisy 34:1, 2; Salamo 119:37; 1 Korintianina 7:36) Tena mila mandray fanapahan-kevitra tsara dieny izao ianao, mba hanatratraranao ny tanjonao.
-