Ny kristiana eo anoloan’ny fikorontanan-tsaina
ARAKA ny filazan’ny manam-pahaizana manokana, dia Amerikana iray amin’ny dimy no toa hoe mijaly noho ny fikorontanan-tsaina. Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, dia tombanan’ny Fandaminam-pirenena momba ny Fahasalamana fa angamba efapolo tapitrisa ny isan’ny marary saina tsy tsaboina; ary tafiditra hatrany amin’ireo nosy paradisa any Pasifika aza io aretina hafahafa io.
Noho izany, dia tsy mahagaga loatra raha misy kristiana sasany voan’ny fikorontanan-tsaina na fo mety ho tonga amin’ny fitebitebena fotsiny ka hatramin’ny tsy filaminana lehibe toy ny fahaketrahana mafy, ny aretin-tsaina miseho amin’ny hadalana sy fahaketrahana (na aretina hafa misy fisehoany roa), ny tahotra tsy amin’ny antony sy ny fahaverezan-tsaina. Ny sasany voan’ireny aretina ireny talohan’ny hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah, ny hafa nisehoan’izany rehefa be taona.
Tsy voatsimbina akory ny kristiana
Ny vehivavy kristiana be fandavan-tena iray izay manompo ny Mpamorona hatramin’ny roapolo taona mahery, dia nilaza ho voakorontan’ny feo mafy reny tsy an-kijanona. “Zavatra hafa tanteraka no noeritreretiko, hoy ny fitantarany, ary tsitapitapitr’izay dia hoy ilay feo tamiko: ‘Mamonoa tena.’ (...) Reko tsy an-kiato izany feo izany mandra-paha-tsy zakako azy intsony.” Ahoana no mety hahatonga vehivavy kristiana mahatoky ho voasedra toy izany? Moa ve tsy vakina ao amin’ny 2 Timoty 1:7 izao: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena”?
Marina tanteraka izany; kanefa, ny fahendrena dia tsy milaza loatra ny filaminan’ny sain’ny olona iray fa ny fanehoan’ny fahaiza-mitsara zavatra amin’ny fiankinana amin’ny Baiboly. Mifanohitra amin’ny mpiara-belona aminy izay “maizin-tsaina” na “maloto saina”, ny kristiana dia ‘nanavao ny sainy’ tamin’ny alalan’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra (Efesiana 4:17, 18; 2 Timoty 3:8; Romana 12:2). Marina fa mandray anjara be dia be amin’ny filaminan’ny sainy sy ny toe-tsainy izany toe-piainana izany, kanefa tsy miaro azy amin’izay rehetra mety ho fahavoazana amin’io lafiny io. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia efa nisy mpanompo mahatokin’Andriamanitra, tahaka an’i Epafrodito, nahita fotoana nahaketraka na nampitebiteby. — Filipiana 2:25, 26; Lioka 2:48.
Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa “maty ao amin’i Adama ny olona rehetra”. (1 Korintiana 15:22.) Raha ny marina, dia maro amintsika no mijaly noho ny aretina ara-batana mora hita, fa ny hafa kosa voan’ny fikorontanan-tsaina sy fo.
Ny mahatonga izany
Matetika tokoa dia toa ny taova no fototry ny fikorontanan-tsaina. Araka izany, ny Baiboly dia miresaka amintsika ny amin’ny olona iray izay ‘mahita zavatra hafahafa’ ny masony. Izany fahitan-javatra tsy misy nefa mahagaga izany raha ny marina dia avy amin’ny hoe ilay olona resahina dia ‘mijanona ela eo akaikin’ny divay’. (Ohabolana 23:29-33, MN.) Fantatra fa mety hiteraka izany fahitan-javatra tsy misy izany ny alkaola. Toy izany koa fa miaiky ny fitsaboana hoe ny tsy fifandanjana simika ao amin’ny atidoha, ny anton-javatra sasany avy amin’ny fandovan-toetra ary angamba aza ny fomba fisakafoana dia mety hiteraka fikorontanan-tsaina sy foa.
Voasedra mafy indraindray ny sain’ny olona iray ka mety ho loharanom-pahasahiranana ny fihenjanana aterak’izany. Araka izany, amin’ny “andro mahory” diavintsika, ny fiezahana ataon’ny mpanompon’Andriamanitra mba hitoerana ho madio ara-pitondrantena sy mba hambolena toetra kristiana tsara dia mety ho ampy hiteraka fihenjanana (2 Timoty 3:1-5). Moa ve tsy nolazaina fa ‘nahory loatra ny fanahin’i Lota marina’ noho ny faharatsiana nosetrainy isan’andro tao amin’ny tanànan’i Sodoma (2 Petera 2:8)? Ambonin’izany, ny kristiana sasany dia mbola mahatsapa ihany amin’izao fotoana izao ny vokatry ny famelezana momba ny lahy sy ny vavy, na ny fisavihana mihitsy aza, nihatra taminy, vokatry ny fanaovan-javatra maloto na tsy fahalalana onony (toy ny fampiasana zavatra mahadomelina) nahameloka azy taloha. Ny sasany mbola mitahiry ao an-tsainy maradratra ihany ireny soritry ny lasa ireny.
Ny anjara asan’ny loholona
Ireo loholona nanankinana ny andian’ondry dia miahy ny amin’ny hiandrasana ny ondry rehetra, anisan’izany ireo mahita fahasahiranana amin’ny lafin’ny saina (1 Petera 5:2; Isaia 32:1, 2). Marina fa tsy mpitsabo akory izy ireny, ary toy ny tsy nanasitranan’i Paoly an’i Epafrodito avy tamin’ny aretiny na ny fahaketrahana naterak’izany, dia tsy afaka manaisotra ny aretina amin’ireo namany kristiana ireo loholona (Filipiana 2:25-29). Kanefa, amin’ny fiahiana tokoa ny amin’izy ireny sy amin’ny fiezahana mba hipetraka eo amin’ny toerany, dia afaka manao zavatra be dia be izy ireo mba hanampiana azy ireny sy hampaherezana azy. — 1 Petera 3:8.
Inona no tokony hatao ao anatin’izany toe-javatra izany, raha manaraka fihetsika hafahafa ny kristiana iray na mitaraina noho ny tsy filaminan-tsaina? Azon’ireo loholona atao aloha ny mitarika azy hilaza hevitra; ho azon’izy ireo atao amin’izay ny mamantatra marina izay mitana ny sainy: angamba nisy loza nahazo azy, toy ny fahafatesan’ny havan-tsy foy, na mandalo vanim-potoana misedra indrindra izy noho ny famoizana asa, ka izany no nampisamboaravoara azy tamin’ny lafin’ny fihetseham-po (Mpitoriteny 7:7). Angamba mila hahaketraka azy kely ny fitoerana ho manirery ka mila olona “hanome toky” azy izy. (1 Tesaloniana 5:14.) Na mety hikorontan-tsaina koa izany kristiana izany noho ny fahadisoana manokana? Azo atao amin’izay — sady manome ny torohevitra ilainy — ny mampahatsiahy azy fa feno fitiavana sy famindrampo Andriamanitra, ka izany dia mety hampihena ny fanahiany (Salamo 103:3, 8-14). Soa lehibe no azo atao amin’ny fiaraha-mivavaka fotsiny amin’ny kristiana iray ao anatin’ny fahoriana. — Jakoba 5:14.
Afaka miankina amin’ny fahendrena azo ampiharina koa ireo loholona mba hanampiana kristiana ketraka iray (Ohabolana 2:7). Ohatra, tsapa fa misy vokany eo amin’ny toe-tsain’ny olona iray ny fomba fisakafony. Ho azon’ireo loholona atao àry ny manoro hevitra kristiana iray mba ho voalanjalanja ny sakafony ka hohalaviriny izay rehetra mety ho tsy fahalalana onony eo amin’ny fifidianana ny karazan-tsakafony. Na mety ho fantatr’izy ireo fa voasedra mafy ny kristiana iray tamin’ny asany ka hanatsoaka hevitra avy amin’izany izy ireo fa mila “fialan-tsasatra kely”, izany hoe matory tsara amin’ny alina, ary izany dia ara-dalàna kokoa tsy araka ny fanaony angamba. — Mpitoriteny 4:6, MN.
Ireo izay mila “mpitsabo”
Kanefa, rehefa tsy mety afaka ny faharariana mafy, dia tsara ny mahatsiahy ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody [mpitsabo, MN ], fa ny marary.” (Matio 9:12). Maro ny olona ketraka tsy mety manatona mpitsabo; noho izany antony izany, angamba ny loholona sy ny havan’ny kristiana iray tokony hamporisika azy hitady hevitra azo ekena: ho azony atao, ohatra, ny hangataka amin’ny mpitsabo iray itokiany, mba hanao fandiniham-pahasalamana feno aminy. Araka ny filazan’ny profesora Maurice Martin, dia “manafina izao karazan’aretin’ny taova rehetra izao ny fikorontanan-tsaina”. Afa-tsy izany koa, na dia amin’ny tena aretin-tsaina aza, dia matetika no misy fomba fitsaboana mandaitra.
Nitantara ny vadin’ny loholona iray fa nikorontan-tsaina mafy ny lahy ka “nanomboka natahotra ny hiaraka amin’ireo rahalahy ary tsy naniry hanatrika ireo fivoriana intsony. (...) Ny hany hevitra masaka tao an-tsainy dia izao: ho faty”. Nahazo ny fikarakarana ara-pitsaboana nilainy anefa izy, ary tatỳ aoriana, dia afaka nilaza toy izao ny vadiny: “Tsy ketraka mafy intsony intsony toy ny taloha izy, ary tsy mandà intsony ny hanatrika ireo fivoriana. Izy no nanao ny lahateny ampahibemaso androany.”
Ilaina ny miaiky fa tsy ahitana fanafodiny haingana toy izany akory ny toe-javatra rehetra. Zara raha vao nanomboka nahita ny zava-miafina ny amin’ny aretin-tsaina ny siansa. Matetika ny fitadiavana famantarana aretina azo antoka sy ny fomba fitsaboana mandaitra no maharitra sy sarotra, nefa matetika no manorina ny vokany.
Ny herin’ireo demonia
Ny olona sasany azon’ny fikorontanan-tsaina dia matahotra ny hiharan’ny famelezan’ny demonia, satria, araka ny filazany, dia misy fotoana andrenesan’izy ireo “feo”. Marina fa ny olona salama saina dia mety hitondra tena amin’ny fomba tsy ara-dalàna eo ambany fitarihan’ny demonia (Marka 5:2-6, 15). Kanefa, tsy misy na inona na inona manaporofo fa hoe mandray anjara ireo demonia amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra isehoan’ny olona iray ho manao zavatra hafahafa, na manjary moana, jamba na azon’ny androbe. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo demonia indraindray dia efa nahatonga na nanamafy aretina toy izany (Matio 9:32, 33; 12:22; 17:15-18). Avahan’ny Baiboly mazava anefa “ny marary” sy ny “demoniaka”. (Marka 1:32-34; Matio 4:24; Asa. 5:16.) Mazava àry fa ny ankamaroan’ny fahajambana na ny androbe hita amin’izao andro izao dia avy amin’ny taova fa tsy araka ny demonia. Tsy isalasalana mihitsy fa azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny ankamaroan’ny fikorontanan-tsaina.
Na dia ao aza izany rehetra izany, dia tokony hotadidiana fa Satana sy ireo demonia dia ‘miady’ amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ka mamely matetika ireo kristiana mahatoky (Apokalypsy 12:17; Efesiana 6:12). Lozabe ny demonia, koa tsy mahagaga raha ahitany fahafinaretan-dratsy ny fampijaliana olona sasany azon’ny fikorontanan-tsaina, ka mampitombo amin’izany ny fahaverezan-keviny.
Noho izany, raha manana antony tsara tokony hiheverana ireo loholona fa mety ho eo ambanin’ny herin’ny demonia ny anankiray amin’ireo namany, dia tsy misy maha-ratsy mihitsy ny hanontaniany azy, ohatra, raha nandray, tamim-pahalalana tanteraka, zavatra ahiahina ho avy amin’ny tanan’olona iray manaraka fanao araka ny demonia izy. Raha manaisotra zavatra toy izany izy, dia mety hihatsara ny fahasalamany (Asa. 19:18-20). Koa satria ny kristiana tsy maintsy ‘manohitra ny Devoly’ dia azon’ireo loholona atao koa ny manoro hevitra ny marary mba tsy hihaino “feo” hafahafa mety hanam-piandohana avy amin’ny demonia (Jakoba 4:7; Matio 4:10). Rehefa mahatsiaro famelezan’ny demonia ny olona iray, dia tokony hivavaka mafy izy amin’ny fiantsoana amin’ny feo avo ny anaran’i Jehovah. — Efesiana 6:18; Ohabolana 18:10.
Na dia izany aza, amin’ny ankapobeny dia toa tsy misy fifandraisana amin’ny demonia ny aretin-tsaina, fa maningana ihany na dia misy aza izany. Izao no notantarain’ny vehivavy kristiana iray: “Mandra-pitodiko tany amin’ny fitsaboana ka nahitako fa tsy fifandanjana simika no nahazo ahy, dia mihevitra aho fa azon’ny demonia. Maivamaivana aho nahare fa aretina no nahatonga ny zavatra nataoko fa tsy hoe nisy demonia namely ahy.”
Ny fitsaboana aretin-tsaina sy ny fanafody
Ampiasaina amin’izao andro izao ny karazam-panafody rehetra mba hitsaboana ny aretin-tsaina; ary marina fa ny fampiasana sasany tamin’izy ireny, teo ambany fanaraha-mason’ny mpitsabo, dia nahatonga kristiana voa mafy anefa, hahita fiainana ara-dalàna indray. Na dia izany aza, indraindray dia misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona tsy manam-pikasan-dratsy velively, manandrana misakana anankiray amin’ireo namany tsy hanaraka fitsaboana natoron’ny mpitsabo azy: angamba izy ireny matahotra sao manimba ny taovany na mitarika fisehoan’ny fahazaran-dratsy ireo fanafody asaina ampiasaina. Marina fa mety hisy voka-dratsiny ny fomba fitsaboana rehetra, ka ‘mandinika ny diany ny mahira-tsaina’ amin’ny fiheverana ny ho vokatry ny safidiny any aoriana. — Ohabolana 14:15.
Ilaina anefa ny hahafantarana fa fanafody maro ampiasaina amin’ny fitsaboana aretin-tsaina no tsy mampahita zavatra tsy misy akory ary tsy fampitonena; afa-tsy izany koa, dia tsy miteraka fahazaran-dratsy izy ireny: ny anjara asany dia natao fotsiny hampiverenana ny fifandanjana simika ao amin’ny atidoha. Ny “neuroleptiques”, ohatra, indraindray dia mahafaka fisehoan’aretina matetika no hafahafa toy ny fahaverezan-tsaina. Mety hanamaivana ny ketraka ny “lithium”, ka hampihena ny fihetsehan’ny aretin-tsaina miseho amin’ny hadalana sy ny fahaketrahana.
Marina fa indraindray ny fanafody mahery sasany, tena zavatra mahadomelina, dia ampiasaina mba hampitonena marary na hiadiana amin’ny fironana hamono tena. Raha manaraka fomba fitsaboana toy izany àry ny kristiana iray — tsy hoe mba hahitany fahafinaretana, fa mba hahafahana manana fiainana ara-dalàna — ny toerany dia mitovitovy amin’ny an’ny olona iray voan’ny aretin’ny be siramamy izay voatery mampiasa “insuline” tsy tapaka.
Aoka tsy hohadinointsika fa matetika ireo fanafody ampiasaina amin’ny fitsaboana aretin-tsaina no misy asany any aoriana ary mety hisy voka-dratsiny. Indraindray koa ny mpitsabo dia voatery mitsapatsapa alohan’ny hahitana ny fomba fitsaboana sy ny habetsaham-panafody tsy hitarika voka-dratsiny loatra any aoriana. Matetika no kivy ilay marary: adidin’ny havana aman-tsakaizany amin’izay ny manohana sy mampahery azy mba hanehoany faharetana sy hanarahany amim-pankasitrahana ny toromariky ny mpitsabo mahay hitany. Inona no tokony hataon’ny marary izay manontany tena ny amin’ny fanafody iray, mahita fahasahiranana na toa tsy misy vokany tsara ny fomba fitsaboana azy? Tokony hiresaka ny amin’izany amin’ny mpitsabo azy izyb. Azony atao, raha ilaina izany, ny manontany mpitsabo hafa.
Ny fomba “seza lava”
Amin’ny toe-javatra sasany, dia azo atao ny mihevitra ny hanontany ilay marary. Ny mpitsabo ny fianakaviany, itokiany sady mahalala azy tsara angamba no ho mpiresaka aminy hahita vokany tsara. Fa raha ny amin’ny hoe fitadiavana fanampian’ny mpitsabo aretin-tsaina na mpandinika toe-tsaina, dia anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra, amin’ny fampiasana fahamalinana anefa. Mampiasa fomba manokana tokoa ireny olona ireny: ny sasany, ohatra, dia manohy manaraka ny “psychanalyse freudienne” (fitadiavana izay hamoahan’ny olona ny miafina ao an-tsaina amin’ny alalan’ny resaka ataony), izay mampisalasala ny manam-pahaizana manokana maro ny fahatsarany.
Ny mbola mampanahy kokoa ihany dia hoe, indraindray ireny manam-pahaizana ireny, na dia manana fikasana tsara tokoa aza, dia manome torohevitra mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly. Noho izy ireo tsy mahafantatra ireo fotopoto-pitsipika kristiana, ka tonga hatramin’ny fiheverana izany ho “fahadalana”, dia manatsoaka hevitra avy amin’izany aza izy fa ny mahatonga ny fahasahiranan’ilay marariny dia avy amin’ny faniriany hanaraka amin’ny fomba hentitra ny fitambaran-dalàna ara-pitondrantena raketin’ny Baiboly. — 1 Korintiana 2:14.
Na dia izany aza, ny manam-pahaizana manokana sasany, anisan’izany ny mpandinika toe-tsaina sy ny mpitsabo aretin-tsaina, dia manolotra fomba fitsaboana mifototra amin’ny fifanakalozan-kevitra, nefa tsy misy fifandraisana mivantana amin’ny “psychanalyse”: ampian’izy ireny ilay marary mba hahafantatra ny aretiny, asehony azy ny ilàna hihinam-panafody ary aravony ny fahasahiranana mety ho hita eo amin’ny lafin’ny fampiharana. Mety hahita fanampiana amin’ny fomba fitsaboana karazan’izany ny kristiana; alohan’ny hanekena izany anefa, dia tsara ny hahafantarany ny valin’ireto fanontaniana ireto: Ahoana marina moa ilay fomba fitsaboana? Torohevitra manao ahoana no homena azy? Moa ve ilay mpitsabo mahatakatra sy manaja ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovahc? Raha ekenao ny hampiharana fomba fitsaboana toy izany, dia ‘fantaro ny tenin’ny’ mpitsabo anao fa aza manaiky ny zavatra rehetra avy hatrany. — Joba 12:11, 12.
Miharihary amin’izay fandinihana izay fa miankina amin’ny fitsaboana indrindra, fa tsy amin’ny fanahy ny fikorontanan-tsaina. Raha mahatsapa izany toe-javatra izany ny fianakavian’ny marary iray mbamin’ireo loholona sy ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona misy azy dia ho afaka hanampy azy kokoa. Indraindray, ny kristiana ketraka iray dia mila fanohanana ara-panahy koa. Ao amin’ny nomerao iray hanaraka, dia ho hitantsika hoe amin’ny fomba ahoana no azon’ny kongregasiona itondrana ny fanampiany ny anankiray amin’ny havany ao anatin’ny fahoriana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny nomeraon’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 oktobra 1987 sy tamin’ny 8 septambra 1986.
b Tsy manoro na milaza ny hatsaran’ny fanafody na fomba fitsaboana na inona na inona akory ny Fikambanana Watch Tower; mety hiharihary anefa fa ilaina ny hanaovana fikarohana momba izany ao amin’ireo boky avoakany.
c Raha sarotra amin’ny marary iray ny mamelabelatra ireo zavatra inoany araka ny Baiboly eo anoloan’ny mpitsabo, dia afaka manampy azy ny kristiana matotra iray.
[Sary, pejy 26]
Amin’ny fahaizana mihaino sy manome torohevitra amim-pamoram-panahy, dia matetika ireo loholona no afaka manampy ireo mijaly noho ny fikorontanan-tsaina.
[Sary, pejy 29]
Mahasoa ny olona iray voan’ny fikorontanan-tsaina indraindray ny manatona mpitsabo.