Tia Karokaroka ve Ianao?
‘Tia mametra-panontaniana ny olona. Mbola kely ny ankizy dia efa manontany foana. Ireo zava-bitan’ny olona hatramin’izay, dia nanomboka tamin’ny fanontaniana foana, ka izay valiny hitany no nahavitany zavatra.’ —Octavio Paz, poety meksikanina.
NAHOANA ny mpikaroka tany vaovao no vonona handeha any an-tany lavitra? Nahoana ny ankizy no be fanontaniana? Satria misy zavatra manitikitika ny sain’izy ireo.
Ary ianao? Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve indraindray? Ohatra hoe: Ahoana no nampisy ny fiainana? Inona no antony namoronana antsika? Tena misy ve Andriamanitra? Maro tamintsika no efa nanontany toy izany, sy nanadihady ny anton’ny zavatra maro. Rehefa misy manitikitika ny saintsika, dia miezaka mamantatra izany araka izay azontsika atao isika. Maro tokoa ny soa mety ho hitan’ny olona tia karokaroka. Mety hisy vokany ratsy koa anefa izany, na hampidi-doza mihitsy aza.
Ilaina ny mitandrina
Mety hidiran-doza indraindray ny olona tia mamanta-javatra. Mety hanandrana hikasika fatana mahamay, ohatra, ny ankizy be kitikitika, ka ho loza ny vokany. Efa toetrantsika mihitsy ny tia miana-javatra sy manadihady. Fahendrena ve anefa ny mamantatra ny zavatra rehetra manitikitika ny saintsika?
Mazava ho azy fa misy zavatra tsy tokony hofantarina mihitsy satria ratsy. Manimba ny saina sy mampidi-doza, ohatra, ny sary vetaveta, ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina, ny fampianaran’ny sekta na antokon’olona mahery fihetsika. Tsy tokony ho liana amin’ny zavatra toy ireny àry isika. Tsara ny mivavaka toa an’ilay mpanao salamo hoe: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana.”—Salamo 119:37.
Mety tsy ho ratsy kosa ny zavatra sasany saingy tsy misy dikany, ka tsy ilaina ny mahafantatra azy. Inona, ohatra, no soa ho azo raha fantatsika amin’ny an-tsipiriany ny fiainan’ireo mpanao filma na olo-malaza, ny valin’ny lalao ara-panatanjahan-tena rehetra, na ny fitaovana maoderina nivoaka farany sy ny fiara vaovao rehetra? Na lasa “manam-pahaizana” amin’ireny aza isika, dia tsy hitondra soa ho antsika izany, raha ny marina.
Ohatra tsara
Misy mahatsara azy koa anefa ny hoe tia mamanta-javatra. Diniho, ohatra, ilay Alemà mpandinika zavaboary sady mpikaroka tany vaovao, atao hoe Alexander von Humboldt, izay velona tamin’ny taonjato faha-19. Avy tamin’ny anarany ilay hoe Korian-dranon’i Humboldt, any akaikin’ny morontsiraka andrefan’i Amerika Atsimo.
Nilaza toy izao i Humboldt, indray mandeha: ‘Mbola kely aho dia efa naniry mafy handeha lavitra be, any amin’izay mbola tsy falehan’ny Eoropeanina. Te hikaroka zava-baovao [mantsy] aho. Nanitikitika mafy ny saiko izany, ka tsy aritro mihitsy.’ Tamin’izy 29 taona àry, dia nitety an’i Amerika Afovoany sy Atsimo izy, nandritra ny dimy taona. Namoaka boky 30 mirakitra ny zavatra hitany tamin’ilay diany izy, taorian’izay.
Nahaliana an’i Humboldt avokoa na ny maripanan’ny ranomasina, na trondro, na zavamaniry. Nianika tendrombohitra izy, nandinika renirano, ary nanao dia an-dranomasina. Nanampy ny mpahay siansa hahita zava-baovao maro ireny fikarohana nataony ireny. Noho izy tia namanta-javatra no nahatonga izany rehetra izany. Nikaroka zava-baovao foana izy, nandritra ny fiainany manontolo. Hoy i Ralph Emerson, mpanoratra amerikanina, momba azy: ‘Olona tena niavaka i Humboldt. Hita avy amin’izay nataony, fa afaka mahavita zavatra tena mahagaga be dia be ny sain’ny olona.’
Fahalalana mendrika hokarohina
Vitsy amintsika no ho afaka hitety an’izao tontolo izao, na hanao fikarohana hampandroso ny siansa. Misy fahalalana mahasoa lavitra noho izany anefa azontsika ianarana. Nanonona azy io i Jesosy Kristy rehefa nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra, hoe: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
Tena mahasoa ny fahalalana an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy Zanany. Tsy misy fahalalana toy izany mihitsy. Tadidinao ve ireo fanontaniana mahakasika ny fiainana, voalaza tetsy aloha? Ireto koa misy hafa: Nahoana no feno fijaliana eto an-tany? Ho potika tanteraka ve ny tany noho ny ataon’ny olona? Inona no hataon’Andriamanitra mba hisakanana izany? Tsy vitan’ny hoe hahalala zava-baovao isika raha mianatra ny valin’ireo. ‘Hahazo fiainana mandrakizay’ koa isika, hoy i Jesosy. Azo antoka ve izany?
Eny, satria Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly, momba azy io: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.
Araka izany, dia manampy antsika hanao ny tsara ny fahalalana avy ao amin’ny Baiboly. Hanahaka ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika, raha mianatra azy io. Fantatsika koa fa lehibe lavitra noho ny an’ny olona ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany. Nahazo herin’ny fanahy masina i Isaia mpaminany, ka nanoratra hoe: “Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.”—Isaia 55:8, 9.
Tsy mba tianao ho fantatra ve ny lalan’Andriamanitra sy ny fiheviny, izay ambony lavitra noho ny antsika? Mahaliana anao ve izay lazain’ny Baiboly momba izany? Manitikitika ny sainao ve ny hahafantatra hoe ahoana no hanafoanan’Andriamanitra ny fijaliana rehetra, ary inona no hataony ho an’ny olona mankatò azy? Mampirisika anao ny Baiboly hoe: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.”—Salamo 34:8.
Rehefa mahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona tso-po, dia toy ny hoe jamba lasa mahiratra! Hoy ny apostoly Paoly: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Romanina 11:33) Raha ny marina dia tsy ho azontsika amin’ny fomba feno ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahendreny, raha tsy miaina mandrakizay isika. Tena hahafinaritra rehefa ho tanteraka izany! Tsy hankaleo antsika mihitsy ny fiainana, satria hianatra zava-baovao foana isika.
Mianara zava-baovao foana!
Marina aloha fa tsy voatery ho lasa mpikaroka malaza na mpamoron-java-baovao isika. Mety tsy hanam-potoana hianarana an’izay rehetra tiantsika ho fantatra koa isika izao. Na izany aza, dia mianara zava-baovao hatrany. Aoka ianao ho tia karokaroka foana, satria efa izay no namoronan’Andriamanitra antsika.
Ampiasao tsara io fanomezan’Andriamanitra io, mba hianarana ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. Hahafinaritra sady hisy heviny ny fiainanao, dieny izao sy ho mandrakizay. Hoy ny Baiboly: “Ny zavatra rehetra samy nataon[’Andriamanitra] ho miendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”—Mpitoriteny 3:11.
[Sary, pejy 21]
Fantatrao ve fa...
• Taonjato maro talohan’ny fikarohana nataon’i Christophe Colomb sy Magellan, dia efa nilaza ny Baiboly hoe boribory ny tany fa tsy fisaka?—Isaia 40:22.
• Efa ela talohan’ny nahitan’ny manam-pahaizana hoe mitsingevana eny amin’ny habakabaka ny tany, dia efa nilaza ny Baiboly fa mihantona amin’ny tsy misy izy io?—Joba 26:7.
• Efa 2 500 taona mahery talohan’ny nahafantaran’i William Harvey, dokotera anglisy, ny fikorian’ny ra ao amin’ny vatana, dia efa nilaza ny Baiboly hoe toy ny loharano ny fo, izany hoe loharanon’ny aina?—Ohabolana 4:23.
• Tokotokony ho 3 000 taona lasa izay, dia nohazavain’ny Baiboly tamin’ny fomba tsotra ny tsingerin’ny rano, izay tena ilaina mba hahavelona ny zavaboary eto an-tany?—Mpitoriteny 1:7.
Tsy mahagaga tokoa ve ny hoe efa voalazan’ny Baiboly avokoa ireo, ela be talohan’ny nahalalan’ny olombelona azy? Be dia be mihitsy ny zavatra tsara azo ianarana avy ao amin’izy io. Anjaranao àry ny mikaroka izany!
[Sary, pejy 19]
Alexander von Humboldt