Ry loholona — Tandremo ny zavatra nankinina taminareo
“Tandremo ny tenanareo sy ny andian’ondry nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra, hiandrasanareo ny kongregasionan’Andriamanitra izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany mihitsy.” — ASAN’NY APOSTOLY 20:28, MN.
1. Inona no zavatra ankinina amin’ny kristiana?
NANANKIN-JAVATRA sarobidy tsy hay tombanana tamin’ireo anisan’ny fandaminany eto an-tany i Jehovah Andriamanitra. Fa inona moa no atao hoe zavatra ankinina? Izany dia zavatra sarobidy apetraka amin’olona izay miandraikitra azy. Ny zavatra ankinina amin’ny kristiana dia mahafaoka “ny mariky ny teny tsy misy kilema”, izany hoe ny fahamarinana ampitaina amin’ny alalan’ny Soratra masina, dia fahamarinana zarain’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” toy ny “hanina amin’ny fotoana”. (2 Timoty 1:13, 14; Matio 24:45-47.) Izany zavatra ankinina izany dia mahafaoka koa ny fanompoana mifandray amin’ny fahamarinana, izay tokony hotorina ao anatin’ny kongregasiona sy any ivelany (2 Timoty 4:1-5). Ireo mpitory ilay Fanjakana, anisan’izany ireo loholona notendren’ny fanahy, dia tokony hihevitra ho zava-dehibe tokoa io zavatra ankinina io.
2. Inona moa no zavatra amboniny ankinina amin’ny loholona, ary inona no nolazain’i Petera ny amin’izany?
2 Ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ireo loholona dia manana zavatra ankinina aminy amboniny: ny andraikitra hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. Izao no nosoratan’ny apostoly Petera ho azy ireo: “Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo (...); tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo.” — 1 Petera 5:1-4.
3. Tokony handray anjara amin’inona moa ireo loholona eo anivon’ny kongregasiona kristiana?
3 Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia tokony “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana”. (Isaia 32:1, 2.) Milaza izany fa izy ireny dia tokony handray anjara amin’ny fitondrana filaminana sy fiadanana ary tsy fihilangilanan’ny ‘andian’ondry’, dia ny mpanompon’Andriamanitra. “Bebe kokoa” no takina amin’ny loholona na mpiandry lefitra ny ondry, satria “nampitehirizina be” izy. (Lioka 12:48.) Eny, tena manana zavatra sarobidy nankinina taminy hotandremana tokoa izy ireny.
Nahoana no nankinina taminareo izany?
4. Nahoana moa no ilaina ny loholona maro be toy izany?
4 Koa satria misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 60 000 maneran-tany, dia ilaina ny lehilahy an’arivoarivony maro mahay eo amin’ny lafiny ara-panahy mba hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra. Mahafaly ny mahatsapa fa manana loholona maro ny tany tsirairay avy. Amin’ny ambaratonga maneran-tany, ny kongregasiona tsirairay avy dia ahitana mpitory eo amin’ny enimpolo amin’ny antsalany. Manana asa be dia be tokony hatao àry ireo loholona. — 1 Korintiana 15:58.
5. Inona no mahatonga ny kristiana iray handray tombontsoa ho loholona?
5 Raha loholona ianareo, nahoana moa io tombontsoa voatahy io no nankinina taminareo? Ohatra, tsy maintsy nianatra ny Tenin’Andriamanitra tamim-paharisihana ianareo (Josoa 1:7, 8). Tsy maintsy nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny fitoriana ianareo ka nanampy olon-kafa ho tonga mpitory ilay Fanjakana. ‘Nozahan-toetra aloha’ ianareo tamin’ny fanompoana tamim-pahatokiana tamin’ny naha-mpikarakara momba ny asa. ‘Naniry’ ny ho loholona ianareo, nanao izay hamenoana ireo fepetra mba hahatongavana amin’izany, satria takatrareo fa “asa tsara” ny ho mpiandraikitra (1 Timoty 3:1, 10). Sahala amin’ny hita tamin’i Timoty, dia “tsara laza teo amin’ny rahalahy” ianareo. (Asan’ny apostoly 16:2.) Fony natolotra ho loholona ianareo, dia azo inoana fa efa nanatona ny fahatelopolo taona, na efa be taona kokoa ka nanana fanandraman-javatra teo amin’ny fiainana. Nanjary nanaja anareo ny kongregasiona, nihevitra anareo ho rahalahy matotra eo amin’ny lafiny ara-panahy, mora hatonina, mahay manome torohevitra tsara araka ny Baiboly sy mitana tsiambaratelo. — Ohabolana 25:9, 10.
Ny fomba hitandremana ny zavatra nankinina taminareo
6, 7. Torohevitra inona voarakitra ao amin’ny 1 Timoty 4:13-15 moa no mety hanampy ny loholona hitandrina ny zavatra nankinina taminy?
6 Eny, ry loholona, matoa nanankinana raharahan’ny mpiandraikitra kristiana ianareo, dia noho ny antony tsara. Nekenareo ho toy ny tombontsoa lehibe izany. Fa ahoana no azonareo itandremana ny zavatra nankinina taminareo?
7 Mba hitandremana ny zavatra nankinina taminareo rehefa tonga loholona ianareo, dia ilainareo, ankoatra ny zavatra hafa, ny miantsoroka ny adidinareo amim-pahatapahan-kevitra sy fahadodonana. Isika rehetra dia nahazo adidy misy ambaratongan’andraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Aza miala eo amin’ny toeranareo àry, ary mianìna amin’ny ‘fitondrana tena toy ny kely indrindra’. (Lioka 9:46-48; jereo Mpitsara 7:21.) Ankamamio ny tombontsoanareo, ary ‘aza miraviravy tanana’ mihitsy amin’ny asa. (Ohabolana 10:4.) Aza mijanona amin’izao, fa noho ny fanampian’i Jehovah, dia mandrosoa eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana. Eny, araho ity torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ity: “Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona. Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Timoty 4:13-15.
8. Inona moa no hanampy ny loholona hanome torohevitra tsara sy hampita hevitra ara-panahy mampitombo fahalalana ao amin’ireo fivoriana?
8 Manàna mandrakariva fandaharam-pianarana manokana tsara. Koa satria loholona ianareo, dia rariny ny hanantenana ny hanomezanareo torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. Mba hahatongavana ho ampy fitaovana hiantsorohana io andraikitra io, moa ve ianareo namaky ny Baiboly manontolo — angamba imbetsaka — tamin’ny fisaintsainana izany (Ohabolana 15:28)? Inona no holazaina ny amin’ireo lahateninareo? Manomana tsara izany ve ianareo, amin’ny fitadiavana ny fanampian’i Jehovah ao amin’ny vavaka, mba hampitana hevitra ara-panahy mampitombo fahalalana amin’ireo izay manatrika ny fivoriana kristiana? Ireo loholona indrindra no tokony hilaza ‘teny tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana’. — Efesiana 4:29; Romana 1:11.
9. Araka ny 2 Timoty 4:2, inona no tokony hataon’ny loholona?
9 Ry loholona, araho izao fananaran’i Paoly izao: “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” (2 Timoty 4:2). Natahotra i Paoly sao hiorina tao anatin’ny kongregasiona ny fivadiham-pinoana, satria ny sasany tamin’ireo mpikambana tao aminy dia ‘niady teny’, nilaza “fanontaniana adaladala”, ary ‘tsy nandray tsara ny fahamarinana’. (2 Timoty 2:14-18, 23-25; 3:8-13; 4:3, 4.) Na mandia andro sarotra ny kongregasiona na mandia andro mora, dia tokony ‘hitory ny teny’ i Timoty. Amin’izany no hanatanjahany ireo namany mpino mba hahatoherany ny fivadiham-pinoana. Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ireo loholona dia tokony hitory ny Tenin’Andriamanitra, dia io hafatra mahery io izay manohina ny fo sy mamporisika hanaja ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah. — Hebreo 4:12.
10. Nahoana moa ny loholona no tokony hitory tsy tapaka miaraka amin’ny mpianakaviny sy ny mpitory hafa?
10 Mba hiresahana amim-pahefana, ny loholona iray dia tokony hanana fiainana mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hitandrina ny zavatra nankinina taminy anefa izy raha tsy ‘mitory ny teny’ afa-tsy eny amin’ny lampihazo, ao anatin’ny kongregasiona. Tsy lavitra eo ihany koa no nananaran’i Paoly an’i Timoty toy izao: “Ataovy ny asan’ny evanjelista.” Ry loholona, mba ‘hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoanareo’, dia tokony hitory ny Tenin’Andriamanitra ‘eo imason’ny olona sy ao amin’ny isan-trano’ ianareo. (2 Timoty 4:5; Asan’ny apostoly 20:20, 21.) Mandraisa anjara àry amin’ny fitoriana miaraka amin’ny mpianakavinareo. Hihamafy amin’izany ny fatorana ara-panahy mampiray anareo amin’ny vadinareo, ary handray soa lehibe avy amin’izany ireo zanakareo. Mandania fotoana hiaraha-mitory amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona koa. Manamafy ny fatorana ara-panahy izany ary mampitombo ny fitiavan-drahalahy (Jaona 13:34, 35). Marina fa ny loholona iray dia hiezaka hizara amim-pahaiza-mandanjalanja ny fotoana ananany amin’ny fianakaviany sy ny kongregasiona. Raha maneho fahaiza-manavaka izy, dia tsy ho be loatra ny fotoana hatokany ho an’ny anankiray ka hitondra fahavoazana ho an’ny faharoa.
11. Nahoana moa ireo loholona no tokony hiasa mafy mba hampitomboana ny fahaizany mampianatra?
11 Ry loholona, raha tianareo ny hitandrina ny zavatra nankinina taminareo, dia tokony hanao fiezahana mafy ianareo mba hampitomboana ny fahaizanareo mampianatra. “Raha mampianatra dia aoka ho amin’ny fampianarana, hoy i Paoly; raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana.” (Romana 12:7, 8). Koa satria mampianatra ny hafa ny mpampianatra iray, dia zon’ireo ny hanantena zavatra betsaka avy aminy. Raha milaza hevi-diso lehibe ny loholona iray rehefa mampianatra ka miteraka fahasorisorenana eo amin’ireo namany kristiana izany, dia ho latsaka eo ambany fanamelohan’Andriamanitra izy. Marina tokoa fa “ho mafimafy kokoa no hitsarana” ireo mpampianatra. (Jakoba 3:1, 2; Matio 12:36, 37.) Tokony hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra àry ny loholona ka hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Amin’izany no hankasitrahan’ireo namany tokoa ny fampianarany ny Baiboly hamafisin’ny fampiharany manokana izany. Hiaro ny kongregasiona amin’ireo fitaoman-dratsy, indrindra fa ny fivadiham-pinoana, koa izany.
Halaviro ireo fandrika
12. Torohevitra inona nomen’ity gazety ity tamin’ny taonjato lasa moa no hanampy loholona tsy hampiasa ny lelany amin’ny fomba ratsy?
12 Ry loholona, mba hitandremana ny zavatra nankinina taminareo, dia ilainareo koa ny manalavitra ireo fandrika. Ny anankiray amin’izany dia ny fampiasana ny lela amin’ny fomba ratsy eo amin’ny fampianarana. Soritan’ny fandaminan’i Jehovah hatramin’ny ela be ny ilàna haneho fahamalinana amin’io lafiny io. Ohatra, tao amin’ny fanontany amin’ny teny anglisy tamin’ny 15 may 1897, ity gazety ity dia nanazava ny Jakoba 3:1-13 ka nilaza toy izao indrindra ny amin’ireo loholona: “Raha manana lela mahay miteny izy ireo, dia mety ho loharanon-tsoa lehibe izany, mety hitarika olona be dia be hanatona ny Tompo sy ny fahamarinana ary ny lalan’ny rariny izany; etsy an-daniny anefa, raha voaloton’ny hevi-diso ny lelany, dia mety hitondra fahavoazana mila tsy ho azo lazalazaina izany — hanimba ny finoana sy ny toe-pitondrantena ary ny asa tsara. Tsy azo lavina fa izay rehetra manao fampianarana, fanomezam-pahasoavana iray, dia manana andraikitra lehibe kokoa eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. (...) Izay rehetra maniry ho loharano hampiboiboika ny Tenin’Andriamanitra, izay rehetra maniry hitondra fitahiana sy fampaherezana ary hery, dia tokony hitandrina mba tsy hisy rano mangidy, fampianaran-diso hiteraka ozona, fahavoazana, hahita fomba hisehoana eo aminy, ka izany dia hanala baraka an’Andriamanitra sy hanova ho ratsy ny Teniny. Rehefa mifidy ireo izay mitarika ny fivoriana, dia tsy tokony hohamaivanina ny fahaizan’ny “lela” araka ny ilazalazana azy eto. Tsy ireo mpandahateny foizina no hofidina, fa ireo manetry tena indrindra, ireo mahalala ny antonony izay “mahafehy” ny lelany ka miezaka amim-pitandremana mba ‘tsy hilaza afa-tsy ny teny marin’Andriamanitra’.” Eny, zava-dehibe tokoa ny hampiasan’ny loholona iray ny lelany amin’ny fomba tsara.
13. Inona moa no tokony hotandreman’ireo loholona eo amin’ny lafin’ny fialam-boly?
13 Ho fandrika koa ny handaniam-potoana be loatra mba hialam-boly. Ny fialam-boly dia tokony hamela ny kristiana ho afa-bizana sy hampandroso azy, fa tsy hanasatra azy na hampiala azy amin’ny adidiny. Afa-tsy izany koa, ireo dia tokony ‘hahonon-tena’. (1 Timoty 3:2.) Raha maneho fahononan-tena ianareo eo amin’ny lafin’ny fialam-boly, dia ho voaro, ianareo sy ny ankohonanareo, ary hanome ohatra tsara ho an’ny kongregasiona. Hanome ohatra tsara ve ianareo raha lasa matetika amin’ny faran’ny herinandro raha mbola mandray anjara amin-jotom-po amin’ny fitoriana ireo namanareo kristiana? Tokony hotorina ny vaovao tsara. Tokony hanome ohatra àry ireo loholona amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana be zotom-po. — Marka 13:10; Titosy 2:14.
14. a) Ohatra araka ny Baiboly inona avy moa no mampitandrina ireo loholona amin’ny fahalotoam-pitondrantena? b) Torohevitra inona naverimberina imbetsaka moa no tsy tokony hataon’ireo loholona tsirambina rehefa manampy ny anankiray amin’ireo anabaviny kristiana izy ireny?
14 Fandrika hafa iray koa tokony hohalavirina ny fahalotoam-pitondrantena. Na dia ny loholona koa aza dia mety hanaiky ho voatariky ny fikororosian’ny fitondrantena eo amin’izao tontolo izao raha tsy manohitra ireo fakam-panahy ataon’i Satana eo anoloan’ireo mpanompon’Andriamanitra mba hanandramana hanapaka ny tsy fivadihan’izy ireo (jereo Matio 4:1-11; 6:9, 13). Tadidio fa rehefa tsy nahomby i Balama mpaminany tamin’ny fiezahana hanozona ny Isiraelita, dia nilaza anakampo fa ny tenan’i Jehovah mihitsy no hanozona azy ireo raha atosika hanaram-po amin’ny fanindrahindrana ny amin’ny lahy sy ny vavy izy ireo. Nanoro hevitra an’i Balaka, mpanjakan’i Moaba, àry izy mba ‘hanisy fahatafintohinana eo anoloan’ny Zanak’Isiraely, hihinana hena aterina amin’ny sampy sy hijangajanga’. Nanalavitra izany fandrika izany ve ny Isiraelita? Tsia, fa 24 000 taminy no matin’ny loza avy tamin’i Jehovah satria nanana firaisana maloto tamin’ny vehivavy moabita ary niankohoka teo anoloan’ny andriamanitr’izy ireo (Apokalypsy 2:14; Nomery 25:1-9). Tadidio koa fa na dia Davida, ‘lehilahy araka ny fon’Andriamanitra’, aza dia latsaka tao anatin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena (1 Samoela 13:14; 2 Samoela 11:2-4). Ry loholona, araho àry izao torohevitra nomen’ny “mpanompo mahatoky” imbetsaka izao: tsy manampy irery mihitsy anabavy ara-panahy iray, fa miantsoroka mandrakariva an’io andraikitra io miaraka amin’ny loholona hafa iray. — Lioka 12:42.
15. Ahoana no azon’ny fianakavian’ny loholona anampiana azy tsy ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo?
15 Ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo dia fandrika hafa iray koa tokony hitandreman’ny loholona tena. Mianìna amin’izay ilaina noho ny fahalalana fa hanome izay ilainao i Jehovah (Matio 6:25-33; Hebreo 13:5). Ampianaro ny mpianakavinao hahay hitsitsy, satria ny fandanilaniana foana mangalatra fotoana sy fananana mety ho azo anampiana ny fianakaviana, andraisana anjara amin’ny fitoriana, anatanjahana ny kongregasiona sy iasana ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Mandray soa amin’ny fiaraha-miasan’ny ankohonany ny loholona iray amin’io lafiny io, ary velom-pankasitrahana azy ireo izy noho ny tsy itakiany aminy mandrakariva zavatra tsy dia ilaina. Raha ny marina dia “aleo ny kely misy ny fahatahorana an’i Jehovah toy izay harena be misy ahiahy”. — Ohabolana 15:16.
“Tandremo ny tenanareo”
16. Torohevitra inona moa no nomen’i Paoly an’ireo mpiandraikitra tany Efesosy?
16 Mba hitandremana ny zavatra nankinina taminy, ireo loholona dia tokony hampihatra ity torohevitra nomen’i Paoly ho an’ireo mpiandraikitra tany Efesosy ity: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany [ran’ny Zanany, MN ]. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman-alina tamin’ny ranomaso.” — Asan’ny apostoly 20:28-31.
17, 18. Torohevitra inona nomena tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 80 taona lasa teo ho eo izay no mbola mihatra amin’ireo loholona ihany?
17 80 taona mahery izay, Ny Tilikambo Fiambenana (fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 martsa 1909) dia nanonona ny torohevitra nomen’i Paoly ireny kristiana izay loholona tahaka azy ireny, ary nanome izao fanazavana izao: “Tokony ho malina indrindra ireo loholona na aiza na aiza; ireo mahay indrindra sy ireo fanta-bahoaka indrindra tokoa no asiana matetika sy sedraina mafy indrindra. Izany no antony nandefasan’i [Jakoba] izao fananarana izao: ‘Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana izay toy izany.’ Izahay koa dia mananatra ny Loholona rehetra izay manana fo madio sy tsy mihevitra ny tombontsoan’ny tenany, tsy hanana afa-tsy fitiavana sy fihetseham-po tsara amin’ny olona rehetra, ho feno kokoa hatrany ny vokatra sy ny fahasoavan’ny Fanahy masina, ka hikarakara ny andian’ondry. Tadidio fa an’ny Tompo ny andian’ondry ary manana andraikitra eo anatrehan’ny Tompo ianareo, ary koa amin’ny ondry. Tadidio fa tokony hiahy ny amin’ny fanahin’izy ireny [ny tombontsoany] ianareo amin’ny maha-lehilahy tsy maintsy hampamoahin’ilay Mpiandry lehibe filoha. Tadidio koa fa ny fitiavana no zava-dehibe indrindra; ary amin’ny tsy fanaovana tsirambina ny fampianarana, dia tandremo indrindra ny fisehoan’ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny mpikambana samihafa amin’ny Tenany, mba hahatonga azy ireny ‘ho mendrika ny lovan’ny olona masina ao anatin’ny fahazavana’, ary, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, mba tsy hahatafintohina azy ireny amin’izao andro ratsy izao, fa mba hijoroany kosa, rehefa avy nanao ny zavatra rehetra, ao amin’i Kristy Tenany, Momba ny tenany, Mpiara-manao fisoronana aminy sy Mpiray lova aminy.”
18 Loholona voahosotry ny fanahy sy ireo rahalahy tao amin’ny finoana no nanaovana ireo teny ireo, nifanaraka tamin’ny fahatakaran-javatra sy ny toeran’ny fandaminan’i Jehovah teo am-piandohany. Mbola manan-kery ihany anefa izany ankehitriny. Na ho ny any an-danitra na ny ho eto an-tany no fanantenan’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia tokony ‘hitandrina ny tenany’ izy ireny, ‘hitandrina ny zavatra nankinina taminy’ ary hiahy amim-pitiavana ny tombontsoan’ny andian’ondrin’Andriamanitra.
Ho falifaly ianareo raha mitandrina ny zavatra nankinina taminareo
19, 20. Nahoana moa no fifaliana ho an’ireo loholona ny mitandrina ny zavatra nankinina taminy?
19 Ry loholona, ho sambatra ianareo, eny ho falifaly tokoa, raha mitandrina ny zavatra nankinina taminareo ary eritrereto ny fotoana hahafahanareo hilaza sahala amin’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra hoe: “Efa vitako izay nandidianao ahy.” — Ezekiela 9:3, 4, 11.
20 Eny, tanteraho amim-pahatokiana ny andraikitrareo amin’ny maha-loholona mba hilazana ny aminareo izay nolazaina tamin’i Noa hoe: ‘Dia nataony izany.’ (Genesisy 6:22). Mandray soa amin’ny fomba maro amin’ny asa ataonareo amin-jotom-po ny kongregasiona. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia omem-boninahitra Jehovah amin’ny alalan’ireo kongregasiona matanjaka sy marisika manana loholona mahatoky miahy azy sy mitandrina ny zavatra nankinina taminy. Mbola tokony hanao mihoatra noho izany anefa ianareo raha tianareo ny handre filazana hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara!” (Lioka 19:17). Amin’ny maha-loholona anareo, dia tokony hitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amim-pahalemem-panahy ianareo.
Ahoana no havalinao?
◻ Zavatra ankinina amboniny inona moa no noraisin’ireo loholona?
◻ Inona moa no azon’ny loholona atao mba hitandremana ny zavatra nankinina taminy?
◻ Mba hitandremana ny zavatra nankinina taminy, inona avy moa no fandrika tokony hohalavirin’ny loholona?
◻ Nahoana moa no fifaliana ho an’ireo loholona ny mitandrina ny zavatra nankinina taminy?
[Sary, pejy 10]
Tokony ho “fialofana amin’ny ranonoram-baratra” ireo loholona.
[Sary, pejy 12]
Ry loholona, miaraha mitory tsy tapaka amin’ny mpianakavinareo sy ny mpitory hafa.
[Sary, pejy 13]
Ry loholona, raha mitandrina ny zavatra nankinina taminareo ianareo, dia handray soa betsaka avy amin’izany ny kongregasiona.