Mila ny Fahalalana An’Andriamanitra ny Olombelona
“Ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” — OHABOLANA 2:5.
1. Nahoana no azo atao ny milaza fa ny fon’olombelona dia sanganasan’ny famoronan’Andriamanitra?
FON’OLOMBELONA 5 600 000 000 eo ho eo no mitepo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana itenenana izao. Isan’andro, ny fonao manokana dia mitepo in-100 000 ary mandefa ny mitovy habetsahana amin’ny ra 7 600 litatra hamakivaky ny rafitry ny fo sy ny lalan-dra misy 100 000 kilaometatra ao amin’ny vatanao. Tsy misy hozatra hafa miasa mafy kokoa noho io sanganasan’ny famoronan’Andriamanitra io.
2. Ahoana no ilazalazanao ny fo ara-panoharana?
2 Misy fo ara-panoharana 5 600 000 000 koa miasa eto ambonin’ny tany. Ao amin’ny fo ara-panoharana no itoeran’ny fihetseham-pontsika sy ny antony manosika antsika hanao zavatra ary ny faniriantsika. Izy io no foiben’ny eritreritsika sy ny fahazoantsika hevi-javatra ary ny sitrapontsika. Ny fo ara-panoharana dia afaka mirehareha na manetry tena, manjombona na falifaly, azon’ny haizina na ny hazavana. — Nehemia 2:2; Ohabolana 16:5; Matio 11:29; Asan’ny Apostoly 14:17; 2 Korintiana 4:6; Efesiana 1:16-18.
3, 4. Ahoana no hanohinana ny fo amin’ny vaovao tsara?
3 Afaka mamaky ny fon’ny olona i Jehovah Andriamanitra. Milaza toy izao ny Ohabolana 17:3: “Ny memy ho an’ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ny volamena; fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.” Tsy hoe mamaky ny fo tsirairay ary manonona didim-pitsarana fotsiny anefa i Jehovah, fa mampiasa ireo Vavolombelony kosa izy mba hanohinana ny fon’ny olona amin’ny alalan’ny vaovao tsara. Izany dia mifanaraka amin’ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “ ‘Izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena.’ Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary ataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra [vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara, NW ]!’ ” — Romana 10:13-15.
4 Nahafaly an’i Jehovah ny naniraka an’ireo Vavolombelony hatrany amin’ny faran’ny tany mba ‘hitondra vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara’ sy hahita ireo izay manana fo mora mandray. Miisa mihoatra ny 5 000 000 isika ankehitriny — izany hoe Vavolombelona 1 isaky ny mponina 1 200 eo ho eo eto an-tany. Tsy mora ny manatratra an’ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto ambonin’ny tany amin’ny alalan’ny vaovao tsara. Andriamanitra anefa no mitarika io asa io amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy mitaona ireo olona tso-po. Araka izany, dia voaporofo ho marina ilay faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 60:22 manao hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.”
5. Inona no atao hoe fahalalana, ary inona no azo lazaina ny amin’ny fahendren’itỳ tontolo itỳ?
5 Ankehitriny izany fotoana izany, ary misy zavatra iray mazava tsara — mila fahalalana ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto ambonin’ny tany. Araka ny heviny fototra, ny fahalalana dia ny fifankazarana amin’ireo zava-misy izay azo avy amin’ny fanandraman-javatra, ny fandinihan-javatra na ny fianarana. Nahangona fahalalana be itỳ tontolo itỳ. Nisy fandrosoana vita teo amin’ny sahan’asa toy ny fitaterana sy ny fitsaboana ary ny serasera. Ny fahalalana araka an’itỳ tontolo itỳ ve anefa no tena ilain’ny olombelona? Tsy izany mihitsy! Manohy manototra ny olombelona ny ady, ny fampahoriana, ny aretina sy ny fahafatesana. Ny fahendren’itỳ tontolo itỳ matetika dia voaporofo ho tsy azo ianteherana aoka izany.
6. Mahakasika ny ra, ahoana no ampitahana ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny fahendrena araka an’itỳ tontolo itỳ?
6 Indro misy ohatra manazava izany: Roanjato taona lasa izay, dia nahazatra ny nampiasa ny fanesoran-dra izay noheverina ho nanasitrana. I George Washington, ny prezidàn’i Etazonia voalohany, dia nanesoran-dra niverimberina tamin’ireo ora farany niainany. Nisy fotoana nanaovany hoe: “Avelao aho ho faty moramora; tsy afaka ny ho velona ela intsony aho.” Marina ny azy, satria maty tamin’io andro io ihany izy — ny 14 Desambra 1799. Tsy ny fanesoran-dra kosa amin’izao andro izao no antitranterina, fa ny fampidiran-dra ho ao amin’ny vatan’olombelona. Samy feno zava-manahirana mahafaty ireo fomba fanaovan-javatra roa ireo. Nandritra izany fotoana rehetra izany anefa, dia nilaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra: ‘Fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:29). Marina sy azo ianteherana ary araka ny toetr’andro foana ny fahalalana an’Andriamanitra.
7. Ahoana no ampitahana ny fahalalana marina araka ny Soratra Masina amin’ny fahendrena araka an’itỳ tontolo itỳ raha ny amin’ny fitaizana?
7 Mandiniha ohatra hafa iray ny amin’ny fahendrena tsy azo ianteherana araka an’itỳ tontolo itỳ. Nandritra ny taona maro, ireo psikology dia niaro mafy ny fitaizana milefitra loatra, saingy tatỳ aoriana dia niaiky ny fahadisoan’izany ny iray tamin’ireo mpiaro mafy izany. Ny Fikambanana Alemanina Momba ny Fiteny dia nilaza indray mandeha fa ny fileferana loatra dia “tompon’andraikitra, amin’ny fomba tsy mivantana fara faharatsiny, amin’ireo zava-manahirana hitantsika amin’ny tanora ankehitriny”. Mety hitsingevaheva atsỳ sy arỳ ny fahendrena araka an’itỳ tontolo itỳ, toy ny hoe atopatopan’ny rivotra, fa ny fahalalana marina araka ny Soratra Masina kosa dia tsy azo hozongozonina. Ny Baiboly dia manome torohevitra voalanjalanja momba ny fitaizana. “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao”, hoy ny Ohabolana 29:17. Tokony hampiharina amim-pitiavana ny famaizana toy izany, satria hoy i Paoly: “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” — Efesiana 6:4.
“Ny fahalalana an’Andriamanitra”
8, 9. Ahoana no hanazavanao izay lazain’ny Ohabolana 2:1-6 momba ilay fahalalana izay tena ilain’ny olombelona?
8 Na dia lehilahy nahita fianarana aza i Paoly, dia nilaza toy izao: “Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”. (1 Korintiana 3:18, 19). Andriamanitra ihany no afaka manome ilay fahalalana izay tena ilain’ny olombelona. Mikasika izany fahalalana izany dia nilaza toy izao ny Ohabolana 2:1-6: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao [fahaiza-manavaka, NW ] ny fonao; eny, raha miantso ny [fahazoana hevi-javatra, NW ] hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny [fahaiza-manavaka, NW ].”
9 Ireo izay atosiky ny fo tsara dia manongilan-tsofina amin’ny fahendrena, amin’ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny fahalalana omen’Andriamanitra. Ampitandremany fahaiza-manavaka ny fony, amin’ny fanombanana amim-pitandremana ireo zava-misy ianarany. Raha ny marina no lazaina, izy ireo dia miantso ny fahazoana hevi-javatra, na ny fahaiza-mahita ny fomba ifandraisan’ireo lafiny samihafan’ny foto-kevitra iray. Ireo olona mahitsy fo dia miezaka toy ny hoe mitrandraka volafotsy sy mikatsaka harena afenina izy ireo. Fa harena lehibe inona no hitan’ireo manana fo mora mandray? Izany dia “ny fahalalana an’Andriamanitra”. Inona izany? Raha lazaina tsotra, izy io dia ny fahalalana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
10. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fahasalamana ara-panahy tsara?
10 Ny fahalalana an’Andriamanitra dia azo antoka, tsy mihozongozona, manome fiainana. Mampandroso ny fahasalamana ara-panahy izy io. Nampirisika mafy an’i Timoty toy izao i Paoly: “Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy [ny firafitry ny teny mahasalama, NW ] izay efa renao tamiko.” (2 Timoty 1:13). Ny fiteny iray dia manana firafitry ny teny iray. Dia toy izany koa fa ny “fiteny madion’ny” fahamarinana araka ny Soratra Masina dia manana “ny firafitry ny teny mahasalama” miorina indrindra indrindra amin’ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Fanjakana. (Zefania 3:9, NW ). Ilaintsika ny mitadidy ao an-tsaina sy ao am-po io firafitry ny teny mahasalama io. Raha tiantsika ny hanalavitra ny aretim-po ara-panoharana sy hitoetra ho salama ara-panahy, dia tsy maintsy mampihatra ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika isika ary manararaotra amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy omen’Andriamanitra amin’ny alalan’“ny mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW; Titosy 2:2). Aoka hotadidintsika mandrakariva, fa mba hahazoana fahasalamana ara-panahy tsara, dia mila ny fahalalana an’Andriamanitra isika.
11. Inona ireo antony sasany ilan’ny olombelona ny fahalalana an’Andriamanitra?
11 Diniho ireo antony hafa ilan’ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto an-tany ny fahalalana an’Andriamanitra. Fantatr’izy rehetra ireo ve ny fomba nisian’ny tany sy ny olombelona? Tsia, tsy mahalala izy ireo. Moa ve ny olombelona rehetra mahalala ilay Andriamanitra marina sy ny Zanany? Fantatry ny rehetra ve ireo raharaha napoitran’i Satana momba ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona? Tsia koa no valiny. Moa ve ny olona amin’ny ankapobeny mahalala hoe nahoana isika no mihantitra sy maty? Eto indray koa dia tsy maintsy mamaly hoe tsia isika. Takatr’ireo mponina rehetra amin’ny tany ve fa efa manapaka ankehitriny ny Fanjakan’Andriamanitra ary miaina amin’ny andro farany isika? Fantany ve ny amin’ireo hery ara-panahy ratsy? Moa ve ny olona rehetra manana fahalalana azo ianteherana mikasika ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra? Ary moa ve ny sarambaben’ny olona mahalala fa fiainana sambatra ao amin’ny Paradisa no fikasan’ny Mpamorona antsika ho an’ny olombelona mankato? Ho an’ireo fanontaniana ireo koa dia tsia no valiny. Mazava àry fa mila ny fahalalana an’Andriamanitra ny olombelona.
12. Ahoana no azontsika anolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”?
12 Mila ny fahalalana an’Andriamanitra koa ny olombelona noho izay nolazain’i Jesosy am-bavaka tamin’ny alina farany teo amin’ny fiainany teto an-tany. Tsy maintsy ho nihetsi-po lalina ireo apostoliny rehefa nandre azy nilaza toy izao: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” (Jaona 17:3, NW ). Ny fampiharana fahalalana toy izany no hany fomba azo ekena hanolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay [manolotra fanompoam-pivavahana, NW ] aminy tsy maintsy [manolotra fanompoam-pivavahana, NW ] amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, hoy i Jesosy. (Jaona 4:24). Manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy” isika rehefa atosiky ny fo feno finoana sy fitiavana. Ahoana no anolorantsika fanompoam-pivavahana aminy ‘amin’ny fahamarinana’? Amin’ny fianarana ny Teniny sy amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana aminy mifanaraka amin’ny fahamarinany naharihary — “ny fahalalana an’Andriamanitra”.
13. Fisehoan-javatra inona no voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:25-34, ary fianarana inona no azontsika raisina avy amin’izany?
13 Olona an’arivony maro no manomboka manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah isan-taona. Kanefa, moa ve tsy maintsy tarihina mandritra ny fotoana lava ireo fampianarana Baiboly amin’ireo olona liana, sa azon’ireo olona tso-po atao ny ho tonga haingana kokoa amin’ny batisa? Diniho izay nitranga tamin’ilay mpiandry tranomaizina sy ny ankohonany, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:25-34. Natao an-tranomaizina tany Filipy i Paoly sy i Silasy, nefa nony namatonalina dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy namoha ny varavaran’ny tranomaizina. Nihevitra ilay mpiandry tranomaizina fa efa nandositra ny mpifatotra rehetra ary koa fa hofaizina mafy ny tenany, hany ka saika hamono tena izy, kanjo nilaza taminy i Paoly fa tao avokoa izy rehetra. “Nitory ny tenin’[i Jehovah, NW ] taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony” i Paoly sy i Silasy. Io mpiandry tranomaizina io sy ny fianakaviany dia Jentilisa izay tsy notezaina araka ny Soratra Masina. Kanefa, tao anatin’iny alina iray iny, dia tonga mpino izy ireo. Ary ambonin’izany dia “natao batisa (...) izy mbamin’izay azy rehetra”. Toe-javatra tsy mahazatra izany, kanefa nisy olona vaovao nampianarina ireo fahamarinana fototra, ary avy eo dia nianatra zavatra hafa tany amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Tokony ho azo atao ny hanao zavatra mitovy amin’izany amin’izao andro izao.
Be ny vokatra!
14. Nahoana no misy ilana ny hitarihana fampianarana Baiboly mandaitra maro kokoa ao anatin’ny fe-potoana fohy kokoa?
14 Ho tsara dia tsara raha afaka mitarika fampianarana Baiboly mandaitra maro kokoa ao anatin’ny fe-potoana fohy kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena misy ilana izany. Any amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana, ohatra, ny olona dia voatery hatao amin’ny liste d’attente vao mahazo fampianarana Baiboly. Toy izany koa no izy any amin’ny toeran-kafa. Ao amin’ny tanàna iray any amin’ny Repoblika Dominikanina, ny Vavolombelona dimy dia nahazo fangatahana maro aoka izany, hany ka tsy afaka nitarika ireo fampianarana rehetra izy ireo. Inona no nataony? Nampirisihiny ireo olona liana hanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy hangataka mba hosoratana ao amin’ny liste d’attente mba hahazoana fampianarana Baiboly. Misy any amin’ny toerana maro manerana ny tany ny tarehin-javatra mitovy amin’izany.
15, 16. Inona no nomena mba hanelezana haingana kokoa ny fahalalana an’Andriamanitra, ary inona no zava-misy sasany momba azy io?
15 Misy faritany midadasika — saha lehibe hojinjaina — mihamisokatra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Na dia mampandeha mpiasa maro kokoa aza i Jehovah, ‘ilay Tompon’ny vokatra’, dia mbola misy asa betsaka tokony hatao. (Matio 9:37, 38). Mba hanelezana ny fahalalana an’Andriamanitra haingana kokoa àry, ny ‘mpanompo mahatoky’ dia nanolotra zavatra izay manome amin’ny fomba voafintina fanazavana voafaritra tsara, mba hahafahan’ireo mpianatra Baiboly hanao fandrosoana ara-panahy isaky ny lesona tsirairay. Izany dia zavatra vita an-tsoratra vaovao izay azo dinihina haingana ihany any amin’ireo fianarana Baiboly any an-tokantrano — angamba ao anatin’ny volana vitsivitsy. Ary izy io dia azo entina mora foana ao anaty kitapontsika, poketratsika na paosintsika mihitsy aza! Ravoravo ireo olona ana hetsiny maro tafavory tany amin’ireo Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, nandray an’io boky vaovao 192 pejy mitondra ny lohateny hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay io.
16 Nisy mpanoratra tany amin’ny tany maro nanomana fanazavana izay nomena tamim-pitandremana ny endriny farany ho an’ny boky Fahalalana. Noho izany, dia tokony hanana toetra manintona iraisam-pirenena izy io. Ho ela be ve anefa vao havoaka amin’ireo fitenin’ny olona manerana izao tontolo izao io zavatra vita an-tsoratra vaovao io? Tsia, satria azo adika haingana kokoa noho ny boky lehibe ny boky iray 192 pejy. Tamin’ny Oktobra 1995, dia efa nanaiky ny handikana an’io boky io avy tamin’ny fiteny anglisy ho amin’ny fiteny 130 ny Komitin’ny Fanoratan’ny Fitambara-mpitantana.
17. Anton-javatra inona avy no tokony hahamora ny fampiasana ny boky Fahalalana?
17 Ireo tsipiriany manokana ao amin’ny toko tsirairay amin’ny boky Fahalalana, dia tokony hanampy ireo mpianatra hanao fandrosoana ara-panahy haingankaingana ihany. Ilay boky dia mampiseho ny fahamarinana araka ny Soratra Masina amin’ny fomba manorina. Tsy mifantoka amin’ireo foto-pampianaran-diso izy. Ny fomba fiteny mazava sy ny famelabelarana lojika dia tokony hahamora ny fampiasana ilay boky mba hitarihana fampianarana Baiboly sy hanampiana ny olona hahatakatra ny fahalalana an’Andriamanitra. Ankoatra ireo andinin-teny voatonona, dia misy koa andininy ara-baiboly voalaza izay azon’ilay mpianatra jerena eo am-panaovany fanomanana an’ilay fiaraha-midinika. Izy ireny dia azo vakina mandritra ilay fianarana, arakaraka ny amelan’ny fotoana hanao izany, kanefa tsy ho fahendrena ny hampidirana fanazavana fanampiny izay mety hanakona ireo hevi-dehibe. Ireo mitarika fampianarana Baiboly kosa dia tokony hiezaka hahay hanavaka sy hampita amin’ilay mpianatra izay porofoin’ilay boky isaky ny toko. Midika izany fa ilay mpampianatra dia tsy maintsy mianatra amim-pahazotoana, mba ho tena mazava ao an-tsainy ireo hevi-dehibe.
18. Inona avy ireo fanipazan-kevitra natao momba ny fampiasana ny boky Fahalalana?
18 Ahoana no ahafahan’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay manafaingana ny asa fanaovana mpianatra? Azo ianarana ao anatin’ny fotoana fohy ihany io boky 192 pejy io, ary ireo “mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay” dia tokony ho afaka hianatra zavatra ampy amin’ny alalan’ny fianarana azy io, mba hanao fanoloran-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. (Asan’ny Apostoly 13:48, NW ). Koa aoka àry hampiasaintsika amin’ny fomba tsara eo amin’ny fanompoana ny boky Fahalalana. Raha efa lasa lavitra eo amin’ny fianarana boky hafa ny mpianatra Baiboly iray, dia mety ho tsara ny hamitana azy io. Fa raha tsy izany, dia ampirisihana ny hamindrana ho amin’ny boky Fahalalana ireo fampianarana Baiboly. Aorian’ny famitana an’io zavatra vita an-tsoratra vaovao io, dia tsy ampirisihana ny hitarihana fianarana boky faharoa amin’io mpianatra io ihany. Ireo izay mandray ny fahamarinana dia afaka mameno ny fahalalana azony amin’ny fanatrehana ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary koa amin’ny famakiana samy irery ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana maro samihafa. — 2 Jaona 1.
19. Alohan’ny hitarihana fampianarana Baiboly amin’ny boky Fahalalana, nahoana no hahasoa ny hanaovana famerenana ireo pejy faha-175 ka hatramin’ny faha-218 amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika?
19 Ny boky Fahalalana dia nosoratana ho fikendrena ny hanampy ny olona iray hamaly ireo fanontaniana rehetra hiarahan’ireo loholona hodinihina amin’ireo mpitory tsy vita batisa maniry hatao batisa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, alohan’ny hamindranao ho amin’io zavatra vita an-tsoratra vaovao io, ireo fampianarana Baiboly tarihinao ankehitriny, dia ampirisihana ny handanianao ora vitsivitsy hanaovana famerenana an’ireo fanontaniana eo amin’ny pejy faha-175 ka hatramin’ny faha-218 ao amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika.a Izany dia hanampy anao hanamafy ireo valiny ho an’ny fanontaniana toy izany mandritra ny fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny boky Fahalalana.
20. Inona no kasainao hatao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
20 Tokony handre ny vaovao tsara ny olona hatraiza hatraiza. Eny, mila ny fahalalana an’Andriamanitra ny olombelona, ary manana ireo Vavolombelony i Jehovah mba hampahafantatra izany. Ankehitriny isika dia manana boky vaovao iray izay nomen’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra tamin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Hampiasa azy io ve ianao mba hampianarana ny fahamarinana sy hanomezam-boninahitra ny anarana masin’i Jehovah? Azo antoka fa hitahy anao i Jehovah eo am-panaovanao ny ezaka rehetra mba ho azon’ny olona maro raisina ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no hilazalazanao ny fo ara-panoharana?
◻ Inona no atao hoe fahalalana an’Andriamanitra?
◻ Nahoana no ilain’ny olombelona ny fahalalana an’Andriamanitra?
◻ Boky vaovao inona no azo raisina, ary ahoana no kasainao hampiasana azy io?
[Sary, pejy 10]
Misy antony maro ilan’ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto an-tany ny fahalalana an’Andriamanitra