Ny fahatokiana — Inona no vidiny?
“Ny olona mahatoky no hanehoanao fahatokiana.” — SALAMO 18:25, MN.
1, 2. (a) Inona no atao hoe fahatokiana, ary amin’ny ahoana no ikasihan’ireo fomba samy hafa isehoany ny fiainantsika? (b) Nahoana ny tsara ny hitodihantsika any amin’i Jehovah amin’ny maha-Ohatra miavaka ho antsika azy?
FAHATOKIANA, andraikitra, fitiavana, adidy, fankatoavana ny mpitondra. Inona no iombonan’ireo teny ireo? Samy fomba samy hafa isehoan’ny fahatokiana izy ireo. Toetra araka an’Andriamanitra ateraky ny fifikirana avy amin’ny fo ny fahatokiana. Ho an’ny olona maro be ankehitriny anefa, dia tsy misy heviny firy ny fahatokiana. Ny fahatokiana eo anatrehan’ny vadin’ny tena, ny andraikitra amin’ny mpianakavy efa be taona, ny fankatoavan’ny mpiasa iray ny mpampiasa azy — ireo rehetra ireo dia atao tsinontsinona ary ampandeferina matetika. Ary inona no mitranga rehefa mipoitra ny fifanoheran’ny tarehin-javatra roa samy mitaky ny fahatokian’ny tena? Tsy ela izay, tany Angletera, rehefa avy nilaza ny marina momba ny toe-bolan’ny fikambanany tamin’ireo mpanara-maso ny fandoavan-ketra ny mpiasa iray niadidy izany, dia nafoiny ny asany.
2 Mora ny miresaka fotsiny momba ny fahatokiana, kanefa ny tena fahatokiana dia tsy maintsy tohanan’ny asa izay tsy misy ifandraisana amin’ny fileferana noho ny tahotra. Amin’ny maha-olona tsy tanteraka antsika, dia matetika isika no tsy mahavita izany. Koa tsara àry ny handinihantsika ny ohatr’ilay tsy azo isalasalana velively ny fahatokiany, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy.
Ny fahatokiana naseho tamin’ny ohatra
3. Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jehovah ho nahatoky raha ny amin’ny fikasany voambara ao amin’ny Genesisy 3:15?
3 Rehefa nanota i Adama, dia nolazain’i Jehovah mazava ny fikasany hanavotra ny fiankavian’olombelona izay tsy mbola teraka. Ny fototra niorenan’izany fanaovan-javatra izany dia ny fitiavany ny zavaboariny olombelona. (Jaona 3:16) Tamin’ny fotoana nety àry, i Jesosy Kristy, ilay taranaka nampanantenaina araka ny faminanian’ny Genesisy 3:15, dia hita ho ilay sorom-panavotana, ary tsy ho azo eritreretina ny tsy hitanan’i Jehovah ny teny efa nataony. Amin’ny fanekentsika ny soron’i Jesosy, dia tsy hitondra ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny finoantsika. — Romana 9:33, MN.
4. Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jehovah ho nahatoky teo anatrehan’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany?
4 Ny fahatokian’i Jehovah teo anatrehan’i Jesosy dia nampahery mafy ny Zanany nandritra ny fotoana niainany teto an-tany. Fantatr’i Jesosy fa tsy maintsy hiatrika ny fahafatesana izy, ary nanana fahavononana mafy ny hitoetra ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra hatramin’ny farany izy. Naharihary taminy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy sy nanosorana azy tamin’ny fanahy masina ny fahalalana feno kokoa momba ny fiainany talohan’ny naha-olombelona azy. Tamin’ny alina namadihana azy, dia nivavaka izy mba haverina any amin’ny Rainy any an-danitra, any ‘amin’ny voninahitra niarahany nanana tamin’i Jehovah fony tsy mbola ary izao tontolo izao.’ (Jaona 17:5) Amin’ny ahoana no hetezan’izany? Tsy nety afa-tsy tamin’ny tsy famelan’i Jehovah ny Zanany nahatoky hahita ny fahalovana tao am-pasana. Nanangana azy tamin’ny maty ho amin’ny tsy fahafatesana i Jehovah, ka nahatanteraka tamin-pahatokiana tamin’izany ny fampanantenany araka ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Salamo 16:10 manao hoe: “Tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola, MN ] ny aiko.” — Asan’ny apostoly 2:24-31; 13:35; Apokalypsy 1:18.
5. Fanaovan-javatra tamim-pahatokiana inona avy no mifandray amin’ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Jesosy?
5 Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nahafantatra toy izany koa i Jesosy fa afaka ny niantehitra tamin’ny tenin’i Jehovah ny amin’ny ‘hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony’ izy. (Salamo 110:1) Tonga tamin’ny 1914 izany fotoana izany, tamin’ny faran’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, tamin’ny nanorenana ny Fanjakana tany an-danitra. Ny fahefana ananan’i Jesosy eo amin’ireo fahavalony, araka ny nampanantenaina, dia nanomboka tamin’ny fandroahana an’i Satana sy ireo demoniany avy tany an-danitra. Izany dia hahatratra ny fara tampony rehefa hazera ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona izy ireo, ary rehefa ho ringana “ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany.” — Lioka 21:24, MN; Apokalypsy 12:7-12; 19:19; 20:1-3.
6. Fanantenana azo antoka inona no atolotr’i Jehovah antsika, ary ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fankasitrahantsika ny amin’izany?
6 Nampirisika toy izao ny mpanao salamo: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny lalany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy.” (Salamo 37:34) Afaka matoky isika fa hanohy hitana ny teniny i Jehovah, ary koa, fa mandritra ny faran’ity tontolo ratsy ity izy dia hamonjy ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay ‘mitandrina ny lalany’. Izany fitenenana izany, tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, dia nanana ny heviny hoe faharisihana sy fahatokiana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ankehitriny àry dia tsy fotoana tokony hamelana ny tena ho reraka na hitsaharana amin’ireo tombontsoam-panompoana omena antsika. Izao dia fotoana tokony hiezahantsika mafy amin’ny fanompoana amim-pahatokiana an’ilay Andriamanitsika sy ny Fanjakany. (Isaia 35:3, 4) Maro be ny ohatra tsara dia tsara hampahery antsika. Aoka isika handinika ny sasany amin’izy ireny.
Maneho fahatokiana ireo patriarka
7, 8. (a) Asa inona avy no nanendren’i Jehovah an’i Noa sy ny fianakaviany hataony? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ny ankohonan’i Noa ho mendrika ny fiarovan’Andriamanitra azy nandritra ny safodrano nanerana ny tany?
7 Rehefa nikasa ny handringana ny fitambaran’olona ratsy iray tamin’ny safodrano i Jehovah dia nanao fanekena tamin’i Noa, ilay patriarka lohan’ny fianakaviany mba hamonjena azy ireo sy mba hahafahany hanohy hiaina amin’ity tany ity. (Genesisy 6:18) Velom-pankasitrahana noho izany fahatsinjovana ny famonjen’Andriamanitra izany i Noa, kanefa tsy maintsy nanaporofo fa mendrika ny hahazo izany izy sy ny fianakaviany. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanaovana izay nandidian’Andriamanitra azy hataony. Voalohany aloha dia niatrika ny asa goavana fanamboarana ilay sambo fiara izy ireo. Rehefa vita izany, dia tsy maintsy nameno izany tamin’ny santionany avy tamin’ny karazam-biby izy ary tamin’ny sakafo ampy hivelomany mandritra ny fotoana haharitra. Kanefa tsy izay ihany. Nandritra izany fotoam-piomanana nitohy izany i Noa dia nanao izay rehetra azony natao teo amin’ny asa fitoriana tsy mbola nisy toy izany, ka nampitandrina ny amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. — Genesisy, toko faha-6 sy faha-7; 2 Petera 2:5.
8 Milaza amintsika ny Baiboly fa “nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:22; 7:5) Niseho ho nahatoky teo am-panatontosana ny asa nanendrena azy hataony i Noa sy ny fianakaviany. Ny toe-tsainy feno fandavan-tena dia nidika fa nampiasainy tamin’ny fomba nitondra vokatra tsara ny fotoanany, kanefa mafy ilay asa ary sarotra ilay fitoriana. Tamin’ny tsy fananana anaka talohan’ny Safodrano, ireo zanakalahin’i Noa sy ny vadin’izy ireo avy dia afaka nifantoka tamin’ilay asa teo anoloany nasaina nataony ary nampifanaraka ny fanovany zavatra. Namarana ara-drariny ny tontolo iray ratsy iny safodrano nahery iny. Tsy nisy afa-tsy i Noa, sy ny vadiny ary ny zanany lahy telo sy ny vinantovaviny telo no tafita velona. Afaka mifaly isika satria nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fitarihany izy ireo, satria isika tsirairay avy dia samy taranak’i Noa mivantana, avy amin’ny Sema na i Hama na i Jafeta. — Genesisy 5:32; 1 Petera 3:20.
9. (a) Tamin’ny ahoana no fisedrana ny fahatokian’i Abrahama ny fisedran’i Jehovah azy? (b) Tamin’ny ahoana no nanehoan’i Isaka fahatokiana tamin’izany?
9 Rehefa niomana ny hanolotra an’i Isaka ho sorona i Abrahama dia ho fankatoavana tamim-pahatokiana ny didin’i Jehovah no nanaovany izany. Endrey izany fisedrana ny fahatokiany! Kanefa nisakana ny tanan’i Abrahama i Jehovah ka nanao hoe: “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao ka tsy narovano ny zanakao, dia ny lahitokanao.” Na dia izany aza dia ho tsara ny hieritreretantsika izay nitranga talohan’izay. Nandritra ilay dia naharitra telo andro ho any an-tendrombohitra Moria, dia azo antoka fa nanam-potoana handinihana ny zavatra rehetra tamim-pitandremana sy hiovana hevitra i Abrahama. Ary ahoana ny amin’i Isaka, izay nitondra ny kitay hanaovana ny fanatitra ary nanaiky ny hamatorana ny tanany sy ny tongony? Tsy nihozongozona izy raha ny amin’ny fankatoavany an’i Abrahama rainy, na nanontany akory ny amin’ny anjara asa tsy maintsy ho noraisiny, na dia toa hita aza fa hitarika ho amin’ny famoizany ny ainy ny lalan’ny fahatokiana harahiny. — Genesisy 22:1-18; Hebreo 11:17.
Ny fahatokiana kristiana
10, 11. Ohatra nampiseho fahatokiana inona avy no nomen’ireo kristiana voalohany?
10 Nanao zavatra tamim-pahatokiana marina foana i Jehovah. “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo”, hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly. (Efesiana 5:1, 2) Toy ny fihetsik’ireo patriarka no tokony ho fihetsik’ireo kristiana. Namela ohatra tsara dia tsara ireo kristiana voalohany raha ny amin’ny fanompoana tamim-pahatokiana, araka ny asehon’ny fanandraman-javatra manaraka.
11 I Constantius I, emperora romana, rain’ny Emperora Constantin, dia toa nanana fanajana lalina ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Mba hisedrana ny fahatokian’ireo kristiana tao an-dapany, dia nilaza taminy izy fa afaka nanohy niasa ho azy izy ireo kanefa raha nanaiky ny hanolotra fanatitra ho an’ny sampy ihany. Nilazana izy ireo fa ny fandavana ny hanao izany dia hitarika ho amin’ny fandroahana azy ireo sy ny valifaty avy amin’ny tanany. Tamin’ny alalan’izany fanaovan-javatra tsotra izany no nanirian’i Constantius hahafantatra hoe iza no tsy hampandefitra ny fahatokiany na oviana na oviana. Ireo izay nanaporofo ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fotopoto-pitsipiny dia nohazonina hiasa ho an’ilay emperora, ny sasany taminy aza dia tonga mpanolo-tsaina nitokiana mihitsy. Ireo izay tsy nahatoky raha ny amin’ny baikon’Andriamanitra dia noroahina tao anatin’ny fahafaham-baraka.
12. Amin’ny fomba ahoana no tokony hanehoan’ireo loholona kristiana fahatokiana, ary nahoana izany no zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny kongregasiona?
12 Na dia tsy maintsy mampiavaka ny fiainan’ny kristiana rehetra aza ny fahatokiana, izy io dia notononina manokana ao amin’ny Titosy 1:8 (MN ) ho anisan’ireo toetra tsara ilain’ny lehilahy iray mba hahatongavana ho loholona kristiana. Milaza i William Barclay fa ny hoe hoʹsi·os, ny teny grika nadika hoe “mahatoky” dia manondro “ny lehilahy izay mankatò ireo lalàna mandrakizay efa teo ary mbola eo alohan’ny lalàn’olombelona rehetra.” Zava-dehibe ny hankatoavan’ireo loholona amim-pahatokiana ireo lalàn’Andriamanitra. Izany ohatra tsara izany dia hanampy ny kongregasiona hitombo sy hatanjaka mba hiatrika ny fisedrana sy fanerena rehetra mety handrahona azy amin’ny fitambarany na ny mpikambana tsirairay avy ao aminy. (1 Petera 5:3) Ireo loholona voatendry dia manana andraikitra lehibe eo anatrehan’ireo ondry mba tsy hampandefitra na oviana na oviana ny fahatokiany eo anatrehan’i Jehovah, satria nanarina mba ‘hanaraka ny finoany’ ny kongregasiona. — Hebreo 13:7.
Ny fahatokiana — Inona no vidiny?
13. Inona no tiana holazaina amin’ilay fitenenana hoe “Azo vidim-bola daholo ny olona rehetra”, ary ohatra inona avy no toa manamarina izany?
13 Ny fitenenana hoe “Samy azo vidim-bola daholo ny olona rehetra” dia avy amin’i Sir Robert Walpole, praiminisitra britanika tamin’ny taonjato faha-18. Izy io dia mamintina tsara ny zava-nisy nandritra ny tantara raha natakalo tombom-barotra feno fitiavan-tena ny fahatokiana. Diniho i William Tyndale, ilay mpandika tenin’ny Baiboly, izay nandray an’i Henry Phillips ho toy ny namana nahatoky, kanjo diso hevitra. Tamin’ny 1535 i Phillips dia namadika an’i Tyndale tamin’ny fahavalony, ka nitarika ho amin’ny fanaovana an-tranomaizina an’i Tyndale avy hatrany sy ny fahafatesany aloha be. Ny mpanoratra tantara iray dia milaza fa i Phillips, izay azo inoana fa niasa na ho an’ny mpanjakan’i Angletera na ho an’ireo katolika tany Angletera, dia “nokaramaina be mba hanao io asan’i Jodasy io.” Mazava ho azy fa i Jodasy Isikariota, izay nanaiky sekely volafotsy 30 ho vidin’ny namadihany an’i Jesosy Kristy, no nasian’io mpanoratra tantara io fitenenana. Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy amin’ireo ohatra ireo anefa isika fa vola foana no “vidiny” ho takalon’ny fahatokian’ny olona iray. Tsy vola foana izany.
14. Tamin’ny fomba ahoana no voasedra ny fahatokian’i Josefa teo anatrehan’i Jehovah, ary inona no niafarany?
14 Rehefa nangataka tsy an-kijanona an’i Josefa ny vadin’i Potifara mba “handry [aminy]”, dia voasedra ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah. Inona no hataony? Efa nazava tsara tao an-tsain’i Josefa ireo fotopoto-pitsipika tafiditra tamin’izany ka nandositra nivoaka ilay trano izy, vonona ny tsy “hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra” na oviana na oviana. Tsy naharesy ny fahatokian’i Josefa teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny ny fahatsinjovana ny hahazo fahafinaretina teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. — Genesisy 39:7-9.
15. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Absaloma tsy fahatokiana, ary inona no vokany?
15 Kanefa mbola misy loza hafa; afaka mampihena tsikelikely ny fahatokiana ny fanirian-daza. Izany no antony nanosika an’i Absaloma hikomy tamin’i Davida mpanjaka rainy. Tamin’ny alalan’ny teti-dratsy sy ny fiokoana, i Absaloma dia nikatsaka ny hahazo sitraka tamin’ny vahoaka. Tamin’ny farany izy dia nanainga tafika iray mba hanohitra ireo mpanohana nahatoky teo anatrehan-drainy. Ny fahafatesany tamin’ny tanan’i Joaba dia namarana ny tsy fahatokian’i Absaloma teo anatrehan’i Davida rainy, kanefa endrey izany vidiny naloa noho ny fanandramana ny hanongana ny fandaharana teokratika! — 2 Samoela 15:1-12; 18:6-17.
Ny fahatokiana izay tsy azo vidim-bola aman-karena
16. Inona no ahariharin’ny 2 Korintiana 11:3 momba ny antony manosika an’i Satana hanao zavatra?
16 Na dia mihambo aza i Satana fa samy azo vidim-bola ny tsirairay avy, ary marina izany raha ny amin’i Absaloma, dia tsy marina kosa raha ny amin’i Josefa, ary tsy marina na oviana na oviana raha ny amin’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky. Na dia izany aza anefa, dia hanao izay fanolorana rehetra azony atao mba hanapahantsika ny fahatokiantsika eo anatrehan’ny Mpamorona antsika i Satana. Naneho ny fahatahorany ny apostoly Paoly fandrao “tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny”, ny saintsika dia ho simba ka hitarika antsika hampandefitra ny fahatokiantsika eo anatrehan’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana aminy. — 2 Korintiana 11:3.
17. Natakalon’ny sasany inona ireo tombontsoany tsy hay tombanana ao amin’ny fanompoana masina?
17 Mety ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Misy vidiny azoko ekena ho takalon’ny tombontsoa ananako manompo ny Mpamorona ahy amim-pahatokiana ve?’ Mampalahelo tokoa fa nisy tamin’ireo mpanompo nanolo-tena ho an’i Jehovah, tsy nitovy tamin’i Josefa, fa tsy nitaky firy akory ho takalony. Nisy loholona sasany aza izay nanakalo ireo tombontsoany tsy hay tombanana ao amin’ny fanompoana masina tamin’ny fahafinaretan’ny nofo nihelina teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Na loholona izy na tsia, dia maro amin’ireo manao izany no namoy tamin’ny fomba tsy azo sitranina, ny firaisan-tsain’ny fianakaviany, ny fitiavana sy ny fanajan’ny kongregasiona ary ny fankasitrahan’i Jehovah — dia Ilay afaka manome hery mihitsy mba hihazonana ny fahatokiana sy hanoherana ny fakam-panahy avy amin’i Satana. — Isaia 12:2; Filipiana 4:13.
18. Nahoana no zava-dehibe ny hihainoana ny fampitandremana ao amin’ny 1 Timoty 6:9, 10?
18 Ny hafa, noho izy tapa-kevitra sy maniry mafy ny hanohy hanatratra zava-kendrena eo amin’izao tontolo izao, dia “nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be”, na dia eo aza ireo fampitandremana mazavan’ny Baiboly. (1 Timoty 6:9, 10) Voa i Demasy, kristiana iray noresahin’i Paoly, tamin’io lafiny io, na vetivety ihany izany na tamin’ny fomba naharitra. (2 Timoty 4:10) Tsy azo ampandeferina na oviana na oviana ka tsy hahitana vokatra mampidi-doza ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah. “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” — Galatiana 6:7.
19, 20. (a) Inona avy ny sasantsasany amin’ireo loza mifandray amin’ny fijerena televiziona tafahoatra? (b) Ohatra inona no navelan’ny fianakaviana vavolombelona iray?
19 Indraindray dia miseho amin’ny fomba ankolaka ny vidiny. Ohatra, ny tatitra iray avy any Etazonia dia milaza fa fianakaviana maro no mandany eo amin’ny antsasaky ny fotoana tsy atoriany hijerena televiziona ao an-trano, ary ireo tanora no tena tsy afaka amin’izany. Raha mamahana ny sainy voalohany indrindra amin’ny televiziona mbamin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary ny herisetra asehony, ny kristiana iray, tsy ela izy dia hampihena vidiny tsikelikely ireo fotopoto-pitsipika kristiana. Mety hitarika azy mora foana ho amin’ny tsy fahatokiana izany, hiala tanteraka amin’i Jehovah. Tena manimba ny fitondrantena tsara tokoa ny fifaneraserana ratsy toy izany. (1 Korintiana 15:33, MN ) Tsy tokony hohadinointsika fa ny Soratra Masina dia mampirisika antsika mba haka fotoana hianarana sy hisaintsainana ny Tenin’i Jehovah. Moa ve ny fotoana tafahoatra lany eo anoloan’ny vata fahita lavitra takalony mifanentana amin’ny fotoana azo ampiasaina hahazoana fahalalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny maha-mpanompo mahatokin’i Jehovah? Maro be ireo tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana amin’izao andro izao no tsy maintsy nanao fanamboarana lehibe dia lehibe teo amin’ny fomba fisainany tamin’io lafiny io. — 1 Timoty 4:15, 16; 2 Timoty 2:15.
20 Mpanao raharaham-barotra japone monina any Angletera i Takashi. Taloha izy dia nandany telo na efatra ora tamin’ny ankamaroan’ny takariva, niarahana nijery televiziona tamin’ny fianakaviany. Rehefa avy natao batisa izy sy ny vadiny, telo taona lasa izay, dia nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy maka ny toerana voalohany ny fianarana manokana sy ny fianaram-pianakaviana. Nampihena ny fotoana fijereny televiziona ho 15 na 10 minitra monja isan’andro tamin’ny antsalany izy, ka nanome ohatra tsara dia tsara ny fianakaviana. Na dia tsy maintsy mampiasa Baiboly roa aza i Takashi rehefa mianatra, amin’ny teny anglisy sy amin’ny teny japone, dia nandroso haingana tamin’ny ara-panahy ary mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona iray miteny anglisy izy izao. Ny vadiny dia mpitory maharitra mpanampy. “Mba hiarovana ny fiainana ara-panahin’ireo zanakay lahy roa”, hoy izy, “isan’andro aho dia manara-maso amim-pitandremana koa izay azonay sy ny vadiko avela hojeren’izy ireo.” Mitondra voka-tsoa ny fifehezana ny tena toy izany.
21. Inona no fantatsika momba ny tetik’i Satana, ary amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika?
21 Afaka mahazo antoka izao manaraka izao isika: Fantatr’i Satana ny fahalementsika, angamba mihoatra noho ny tenantsika aza. Tsy hamela na inona na inona hanakana azy izy eo am-piezahana hanao izay hampandeferantsika na hampihenantsika ny fifikirantsika amin’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Matio 4:8, 9.) Ahoana àry no ahafahantsika miaro ny tenantsika? Amin’ny fitadidiana mandrakariva ao an-tsaintsika ny fanolorantsika ny tenantsika ary amin’ny fahitana fahafinaretana eo amin’ny fambolena fahaizana manao zavatra sasany rehefa manampy ny hafa amin’ny lafiny ara-panahy isika. Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah mahatoky antsika, isika dia tsy maintsy manao zavatra foana eo amin’ny fanompoana azy ary hotarihin’ny Teniny masina amin’ny fotoana rehetra. Izany dia hanampy antsika eo amin’ny fahatapahan-kevitsika hentitra tsy hamela, na inona na inona vidiny atolotr’i Satana, hamily antsika hiala amin’ny fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra. — Salamo 119:14-16.
Ahoana no havalinao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jehovah sy Jesosy fahatokiana?
◻ Iza no ohatra hafa sasany nampiseho fahatokiana ao amin’ny Baiboly?
◻ Inona no mety hatolotr’i Satana antsika na handramany hatao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manatanjaka ny tenantsika mba hitoetra ho mahatoky eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah?