Mpirahalahy Tsy Nitovy Toetra
TSY maintsy misy fiantraikany eo amin’ny zanaka ny safidin’ny ray aman-dreny. Marina izany tany amin’ny saha Edena, ary mbola marina ihany koa ankehitriny. Nisy vokany lalina teo amin’ny olombelona rehetra ny fikomian’i Adama sy Eva. (Genesisy 2:15, 16; 3:1-6; Romana 5:12) Afaka manao izay ifandraisana tsara amin’ny Mpamorona anefa isika rehetra, raha mifidy ny hanao izany. Mampiseho izany ny tantaran’i Kaina sy Abela, dia ireo mpirahalahy voalohany teto an-tany.
Tsy lazain’ny Soratra Masina raha niresaka tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra na tsia, taorian’ny nandroahany azy ireo tany Edena. Niresaka tamin’ny zanak’izy ireo kosa anefa i Jehovah. Azo antoka fa fantatr’i Kaina sy Abela avy tamin’ny ray aman-dreniny ny zava-nitranga. Hitan’izy ireo ‘ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby miambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina.’ (Genesisy 3:24) Hitan’izy ireo koa fa marina ilay fanambaran’Andriamanitra hoe ho feno fahoriana sy hatsembohana ny fiainan’izy ireo.—Genesisy 3:16, 19.
Tsy maintsy ho efa fantatr’i Kaina sy Abela ity tenin’i Jehovah tamin’ilay bibilava ity: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Afaka nanampy an’i Kaina sy Abela hifandray tsara tamin’i Jehovah ny zavatra fantatr’izy ireo momba azy.
Tsy maintsy ho nanjary naniry ny fankasitrahan’i Jehovah i Kaina sy Abela, rehefa nisaintsaina ny faminaniany sy ny toetrany amin’ny maha Mpanao soa be fitiavana azy. Hatraiza anefa no hambolen’izy ireo izany faniriana izany? Hanaraka ny faniriany voajanahary ny hivavaka amin’Andriamanitra ve izy ireo ary hanatsara ny fahasalamany ara-panahy, ka hanjary hino azy?—Matio 5:3.
Nanao fanatitra izy mirahalahy
Nanao fanatitra ho an’Andriamanitra i Kaina sy Abela, rehefa nandeha ny fotoana. Vokatry ny tany no nentin’i Kaina, fa ny voalohan-teraky ny ondriny kosa ny an’i Abela. (Genesisy 4:3, 4) Nety ho efa 100 taona teo ho eo izy ireo tamin’izany, satria 130 taona i Adama rehefa niteraka an’i Seta, zanany lahy fahatelo.—Genesisy 4:25; 5:3.
Nasehon’i Kaina sy Abela tamin’ny alalan’ny fanatiny fa nanaiky izy ireo fa mpanota ary naniry ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah. Tsy maintsy ho efa mba noeritreretin’izy ireo ihany ny fampanantenan’i Jehovah momba ilay bibilava sy ilay Taranaky ny vehivavy. Tsy voalaza anefa ny fotoana sy ny ezaka natokan’i Kaina sy Abela mba hifandraisana tsara tamin’i Jehovah. Nampiharihary izay tena tany an-tsain’izy mirahalahy anefa ny fihetsik’Andriamanitra teo anoloan’ny fanatitra nataon’izy ireo.
Misy manam-pahaizana milaza fa nihevitra an’i Kaina ho ilay “taranaka” hanorotoro an’ilay bibilava i Eva, satria niteny toy izao izy rehefa teraka i Kaina: “Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.” (Genesisy 4:1) Diso tanteraka i Kaina raha nino an’izany. Nanam-pinoana kosa anefa i Abela rehefa nanao fanatitra. “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina.”—Hebreo 11:4.
Nahatakatra kokoa ny zavatra ara-panahy i Abela fa tsy mba toy izany kosa i Kaina. Tsy izay ihany anefa no naha samy hafa azy mirahalahy, fa tsy nitovy toetra koa izy ireo. Izany no antony ‘nankasitrahan’i Jehovah an’i Abela mbamin’ny fanatiny; fa Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany.’ Azo inoana fa tsy nieritreritra lavitra momba ny fanatiny i Kaina, ary mody niseho fotsiny hoe nanolotra azy io. Tsy nankasitraka ny fivavahana ara-pomba fotsiny toy izany anefa Andriamanitra. Nanjary nanana fo ratsy i Kaina, sady tsikaritr’i Jehovah fa ratsy saina izy. Niharihary ny tena toe-tsain’i Kaina, rehefa nolavina ny fanatiny. Tsy niezaka nanitsy ny toetrany izy fa ‘tezitra indrindra, sady nanjombona ny tarehiny.’ (Genesisy 4:5) Nabaribarin’ny fihetsiny fa nanana hevitra sy fikasan-dratsy izy.
Ny fiheverany ny fampitandremana
Fantatr’Andriamanitra ny toetran’i Kaina, ka nanoro hevitra azy toy izao izy: “Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no nanjombona ny tarehinao? Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.”—Genesisy 4:6, 7.
Misy lesona ho antsika avy amin’io tantara io. Toy ny miandry fotsiny eo am-baravarana mba handrapaka antsika ny ota. Nomen’Andriamanitra safidy malalaka anefa isika, ka afaka mifidy ny hanao ny tsara. Nanasa an’i Kaina mba ho “tsara toetra” i Jehovah, fa tsy nanery azy hiova. Nanao araka izay tiany i Kaina.
Mitohy toy izao ilay fitantarana ara-tsindrimandry: “Ary Kaina niteny tamin’i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny ka namono azy.” (Genesisy 4:8) Sady lasa mpamono olona àry i Kaina no tsy mpankatò ary mafy fo. Tsy nanenina kely akory izy rehefa nanontanian’i Jehovah hoe: “Aiza i Abela rahalahinao?” Tsy rototra akory izy sady niavonavona namaly hoe: “Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?” (Genesisy 4:9) Nampiharihary ny hamafin’ny fony izany lainga be sy fialana andraikitra izany.
Nanozona an’i Kaina i Jehovah, ary tsy namela azy hanakaiky an’i Edena. Vao mainka nihatra bebe kokoa tamin’i Kaina ilay fanozonana ny tany notononina taloha, ary tsy hamokatra izy io na dia asainy aza. Ho tonga mpirenireny sy mpandositra eny ambonin’ny tany izy. Nitaraina i Kaina hoe mafy loatra ny saziny. Nasehony tamin’izany fa natahotra izy sao hovaliana faty noho ny nahafatesan’ny rahalahiny. Tsy tena nibebaka anefa izy. Nanao “famantarana” ho an’i Kaina i Jehovah, azo inoana fa didy mazava iray. Fantatra sy hitan’ny olon-kafa izy io, ka nisakana azy ireo tsy hamono an’i Kaina noho ny valy faty.—Genesisy 4:10-15.
“Niala teo anatrehan’i Jehovah ary nonina tao amin’ny tany Noda tandrifin’i Edena” i Kaina, avy eo. (Genesisy 4:16) Nanambady ny anabaviny na ny zanaky ny iray tam-po taminy izy, ary nanorina tanàna nampitondrainy ny anaran’i Enoka, zanany lahimatoa. Lasa nahery setra koa i Lameka, taranak’i Kaina tsy tia an’Andriamanitra. Ringana tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa anefa ny fianakavian’i Kaina.—Genesisy 4:17-24.
Lesona ho antsika
Afaka maka lesona avy amin’ny tantaran’i Kaina sy Abela isika. Mampirisika ny Kristianina mba hifankatia ny apostoly Jaona, fa “tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny”, satria ‘ratsy ny asan’i Kaina, fa marina ny an’ny rahalahiny.’ Hoy koa i Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” Misy akony eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny fanantenantsika tokoa ny fomba itondrantsika ny Kristianina namantsika. Tsy afaka ny hankasitraka antsika mihitsy Andriamanitra raha mankahala ny mpiray finoana amintsika isika.—1 Jaona 3:11-15; 4:20.
Nitovy ihany ny fitaizana an’i Kaina sy Abela, kanefa tsy nanam-pinoana an’Andriamanitra i Kaina. Nasehony mihitsy aza fa ny toe-tsain’ny Devoly, ilay ‘mpamono olona sady rain’ny lainga’ voalohany, no narahiny. (Jaona 8:44) Asehon’ny fihetsik’i Kaina fa manana safidy isika rehetra, manalavitra an’Andriamanitra ireo mifidy ny hanota, ary hampihatra didim-pitsarana amin’ireo tsy mibebaka i Jehovah.
Naneho finoana an’i Jehovah kosa i Abela. “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony.” Na dia tsy misy teny nolazain’i Abela aza ao amin’ny Soratra Masina, dia “miteny” amin’ny alalan’ny finoany fakan-tahaka izy.—Hebreo 11:4.
Voalohany amin’ireo olona maro be tsy nivadika i Abela. Tsy hadino ny rany ‘nitaraina tamin’i Jehovah avy tamin’ny tany.’ (Genesisy 4:10; Lioka 11:48-51) Afaka mankafy fifandraisana sarobidy sy maharitra amin’i Jehovah isika raha maneho finoana toy ny nataon’i Abela.
[Efajoro, pejy 22]
ILAY MPAMBOLY SY ILAY MPIANDRY ONDRY
Anisan’ny andraikitra nomen’Andriamanitra an’i Adama ny fiasana ny tany sy ny fikarakarana ny biby. (Genesisy 1:28; 2:15; 3:23) Lasa mpamboly i Kaina zanany, fa i Abela kosa mpiandry ondry. (Genesisy 4:2) Voankazo sy legioma ihany no nohanin’ny olona talohan’ny Safodrano, ka nahoana àry no niompy ondry izy ireo?—Genesisy 1:29; 9:3, 4.
Mila ny fikarakaran’olombelona ny ondry mba hampitombo azy. Porofoin’ny asan’i Abela fa efa niompy an’ireny biby ireny ny olona raha vao nisy mihitsy ny olombelona. Tsy lazain’ny Soratra Masina raha efa nataon’ny olona talohan’ny Safodrano sakafo ny ronono na tsia. Afaka nampiasa volon’ondry anefa na dia ireo tsy nihinana afa-tsy zavamaniry aza. Tena nilaina ny hoditry ny ondry maty. Nomen’i Jehovah “akanjo hoditra” hanaovana, ohatra, i Adama sy Eva.—Genesisy 3:21.
Na ahoana na ahoana, dia toa niara-niasa i Kaina sy Abela tamin’ny voalohany, mba hitadiavana izay hotafina sy hohanin’ny fianakaviany.
[Sary, pejy 23]
‘Ratsy ny asan’i Kaina, fa marina ny an’ny rahalahiny’