Velona ny Tenin’i Jehovah
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’i Titosy sy Filemona ary ny Hebreo
NITSIDIKA ny nosin’i Kreta ny apostoly Paoly, rehefa avy nigadra voalohany tany Roma, tamin’ny taona 61. Hitany fa nila nanatsara ny fifandraisany tamin’i Jehovah ireo fiangonana tao, ka najanony tao i Titosy. Nanoratra ho an’i Titosy izy, tatỳ aoriana, angamba tamin’izy tany Makedonia. Nanome tari-dalana azy tamin’ny andraikiny izy, sady nampiseho fa izy no nanome fahefana azy.
Taloha kelin’ny nivoahan’i Paoly ny fonja tamin’ny taona 61 kosa, no nanoratany ho an’i Filemona, rahalahy kristianina tany Kolosia. Taratasy fiangaviana ilay izy.
Nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia koa i Paoly, tamin’ny taona 61 tany ho any. Noporofoiny fa ambony noho ny Fivavahana Jiosy ny Fivavahana Kristianina. Mirakitra torohevitra mahasoa antsika ireo taratasy telo ireo.—Heb. 4:12.
AOKA ISIKA HATANJAKA HATRANY AMIN’NY FINOANA
Nanome tari-dalana an’i Titosy i Paoly momba ny ‘fanendrena anti-panahy isan-tanàna.’ Nampirisihiny izy, taorian’izay, ‘hananatra mafy hatrany’ an’ireo tsy manaiky hofehezina, mba hahatonga azy ireny “hatanjaka amin’ny finoana.” Nampirisihiny koa ny Kristianina rehetra tany Kreta, mba “handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ... hisaina tsara.”—Tit. 1:5, 10-13; 2:12.
Nanome torohevitra fanampiny i Paoly, mba hanampiana ireo rahalahy tany Kreta hatanjaka amin’ny finoana hatrany. Hoy izy tamin’i Titosy: ‘Ialao ny fanontaniana adaladala’ sy “ny ady momba ny Lalàna.”—Tit. 3:9.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
1:15—Inona no dikan’ny hoe “madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio”? Tokony hofantarina aloha ny tian’i Paoly hambara amin’ny hoe “zava-drehetra.” Tsy ireo zavatra raran’ny Tenin’Andriamanitra no tiany hambara, fa ny zavatra azon’ny Kristianina tsirairay andraisana fanapahan-kevitra araka ny feon’ny fieritreretany. Madio amin’ny Kristianina misaina araka ny fitsipik’Andriamanitra ireny zavatra ireny. Maloto kosa izy ireny amin’ireo manana feon’ny fieritreretana voaloto sy tsy misaina araka ny tokony ho izy.a
3:5—Inona ilay ‘fanadiovana namonjena’ ny Kristianina voahosotra, ary nahoana izy ireo no lazaina fa ‘nohavaozin’ny fanahy’? Nodiovin’Andriamanitra tamin’ny ran’i Jesosy izy ireo, izany hoe navelany handray soa tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. ‘Nohavaozin’ny fanahy masina’ izy ireo satria lasa “zavaboary vaovao”, na zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy.—2 Kor. 5:17.
Lesona ho antsika:
1:10-13; 2:15. Tsy maintsy maneho herim-po ny mpiandraikitra kristianina, ka hanitsy ny tsy mety eo anivon’ny fiangonana.
2:3-5. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, ny vehivavy kristianina matotra ankehitriny, dia tokony “hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika na handevozin’ny divay be, fa ho mpampianatra zavatra tsara.” Hanaraka ny torohevitr’izy ireo amin’izay “ny vehivavy tanora” eo anivon’ny fiangonana, rehefa homeny torohevitra mitokana.
3:8, 14. “Tsara sady mahasoa” ny ‘mampifantoka ny saina amin’ny fanaovana asa tsara foana’, satria manampy antsika hahita vokatra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ho tafasaraka hatrany amin’ity tontolo ratsy ity.
MIANGAVIA AMIM-PITIAVANA
Noderaina noho ny ‘finoany sy ny fitiavany’ i Filemona. Namelombelona ny Kristianina namany i Filemona, ka nitondra “fifaliana sy fankaherezana lehibe” ho an’i Paoly izany.—Filem. 4, 5, 7.
Niangavy tamim-pitiavana i Paoly fa tsy nandidy, rehefa nandamina ilay olana lehibe teo amin’i Filemona sy Onesimosy. Modely ho an’ny mpiandraikitra rehetra izany. Hoy izy tamin’i Filemona: “Matoky aho fa hanaiky ianao, ka izany no anoratako aminao, satria fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.”—Filem. 8, 9, 21.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
10, 11, 18—Nahoana no lasa ‘nahasoa’ i Onesimosy, nefa “tsy nahasoa” teo aloha? Mpanompo nikomy i Onesimosy. Niala tao an-tranon’i Filemona tompony tany Kolosia izy, ary nandositra tany Roma. Nety ho nangalatra tamin’ny tompony koa izy, mba hanaovany ilay dia 1 400 kilaometatra. Tena tsy nisy nilan’i Filemona azy. Nampian’i Paoly ho tonga Kristianina anefa i Onesimosy, tany Roma. Nanjary ‘nahasoa’ àry io mpanompo “tsy nahasoa” io, rehefa lasa Kristianina.
15, 16—Nahoana i Paoly no tsy nangataka an’i Filemona hanafaka an’i Onesimosy tsy ho mpanompo? Ny ‘hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo’ no nanirahana an’i Paoly, ka izany ihany no tiany ifantohana. Tsy nitsabaka tamin’ireo olana teo amin’ny fiaraha-monina àry izy, anisan’izany ny momba ny fanandevozana.—Asa. 28:31.
Lesona ho antsika:
2. Navelan’i Filemona hanaovana fivoriana kristianina ny tranony. Tombontsoa koa ny manome ny tranontsika hanaovana fivoriana alohan’ny fanompoana.—Rom. 16:5; Kol. 4:15.
4-7. Tokony hidera an’ireo mpiray finoana be fitiavana sy manana finoana matanjaka isika.
15, 16. Aza miasa saina be loatra rehefa misy zavatra mandiso fanantenana. Mety ho tsara fiafara ihany mantsy ilay izy, toy ny nitranga tamin’i Onesimosy.
21. Nantenain’i Paoly hamela ny helok’i Onesimosy i Filemona. Antenaina hamela ny rahalahy mety ho nanafintohina antsika koa isika.—Matio 6:14.
‘MANDROSOA HAINGANA HO AMIN’NY FAHAMATORANA’
Noporofoin’i Paoly fa ambony noho ny asan’ny Lalàna ny finoana ny soron’i Jesosy. Nasongadiny, ohatra, fa ambony i Jesosy, ilay nanorina ny Fivavahana Kristianina. Miavaka koa ny asa fisoronana ataony, ny sorona nataony, ary ny fifanekena vaovao. (Heb. 3:1-3; 7:1-3, 22; 8:6; 9:11-14, 25, 26) Azo antoka fa nanampy an’ireo Kristianina hebreo hiaritra ny fanenjehan’ny Jiosy ny fahalalana izany. Nampirisika azy ireo i Paoly mba “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.”—Heb. 6:1.
Tena mila manam-pinoana ve ny Kristianina? Hoy i Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” Nampirisika ny Hebreo izy hoe: “Aoka isika hihazakazaka amim-paharetana amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika”, ary hanao izany amim-pinoana.—Heb. 11:6; 12:1.
Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:
2:14, 15—“Manan-kery hahatonga fahafatesana” i Satana. Midika ve izany fa afaka mamono izay tiany hovonoina izy? Tsia. Marina fa hatramin’ny nanombohan’i Satana nanao ratsy tany Edena, dia niteraka fahafatesana ny laingany. Nanota mantsy i Adama ary namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranak’olombelona. (Rom. 5:12) Nanenjika ny mpanompon’Andriamanitra koa ny solontenan’i Satana teto an-tany, ary nisy novonoiny mihitsy aza tamin’izy ireny, anisan’izany i Jesosy. Tsy midika anefa izany hoe afaka mamono izay rehetra tiany hovonoina i Satana. Raha izany mantsy, dia efa ela no fongotra ny mpanompon’i Jehovah. Miaro ny mpanompony amin’ny fitambarany kosa i Jehovah, ka tsy mamela azy ireo haripak’i Satana. Na dia avelan’Andriamanitra ho faty noho ny fanafihan’i Satana aza ny sasany amintsika, dia matoky isika fa hanangana antsika Andriamanitra ary hamerina amin’ny laoniny izay rehetra nosimban’i Satana.
4:9-11—Ahoana no ‘idirantsika amin’ny fitsaharan’Andriamanitra’? Nitsahatra tamin’ny asa famoronana Andriamanitra, tamin’ny faran’ny andro fahenina. Natoky izy tamin’izay fa ho tanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. (Gen. 1:28; 2:2, 3) ‘Miditra ao amin’izany fitsaharana izany’ isika, rehefa tsy manao izay hanamarinan-tena intsony, fa mino ny vidim-panavotana nomen’Andriamanitra hamonjena antsika. Hahazo fitahiana isika raha mino an’i Jehovah sy manara-dia ny Zanany, fa tsy mitady izay hahasoa antsika fotsiny. Hamelombelona sy hampitony antsika isan’andro izany.—Matio 11:28-30.
9:16—Iza ilay “olona nanao fifanekena”, rehefa natao ny fifanekena vaovao? I Jehovah no namorona ny fifanekena vaovao, ary i Jesosy no “olona nanao fifanekena.” I Jesosy mantsy no Mpanelanelana amin’io fifanekena io, ary ny fahafatesany no nanomezany ny sorona nampanan-kery azy io.—Lioka 22:20; Heb. 9:15.
11:10, 13-16—Inona ilay “tanàna” nandrasan’i Abrahama? Tanàna an’ohatra izy io, dia i “Jerosalema any an-danitra.” I Kristy Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy 144 000, no anisan’izy io. Antsoina hoe ‘Jerosalema Vaovao, tanàna masina’ koa ireo mpiara-manjaka amin’i Jesosy. (Heb. 12:22; Apok. 14:1; 21:2) Niandrandra ny hiaina eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra i Abrahama.
12:2—Inona ilay “fifaliana natao teo anoloan[’i Jesosy]” ka ‘niaretany ny hazo fijaliana’? Nahafaly azy ny nieritreritra ny ho vokatry ny fanompoany. Anisan’izany ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, ny fanamarinana ny zony hitondra, ary ny fanavotana ny olombelona ho afaka amin’ny fahafatesana. Nibanjina ny valisoany koa i Jesosy, dia ny ho Mpanjaka sy Mpisoronabe ho tombontsoan’ny olombelona.
13:20—Nahoana no lazaina fa “mandrakizay” ny fifanekena vaovao? Ireto misy antony telo: 1) Tsy hosoloana mihitsy izy io, 2) maharitra ny vokatra entiny, ary 3) mbola handray soa avy amin’izy io ny “ondry hafa”, aorian’ny Hara-magedona.—Jaona 10:16.
Lesona ho antsika:
5:14. Tokony hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra izay ianarantsika isika. Tsy hanana “fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” isika, raha tsy izany.—1 Kor. 2:10.
6:17-19. Tokony hitadidy ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fianianany isika mba ho mafy orina ny fanantenantsika. Hanampy antsika tsy hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana izany.
12:3, 4. Aza ‘kivy na reraka’ rehefa iharan’ny fitsapana na fanenjehana kely. Miezaha kosa handroso ho amin’ny fahamatorana sy hahay hiaritra kokoa rehefa misy fitsapana. Tokony ho tapa-kevitra hiaritra “hatramin’ny fahalatsahan-dra” isika, izany hoe mandra-pahafaty.—Heb. 10:36-39.
12:13-15. Ny olona manakiana ny fomba fanaovan-javatra eo anivon’ny fiangonana no “faka misy poizina.” Aza mamela azy ireny hisakana antsika tsy ‘hanao lala-mahitsy halehan’ny tongotsika.’
12:26-28. Tsy maintsy hesorina ny “zavatra natao”, afa-tsy izay nataon’Andriamanitra. Anisan’izany ny rafitr’ity tontolo ity manontolo sy ilay “lanitra” ratsy. Ny “zavatra tsy hozongozonina”, na ilay Fanjakana sy ny mpanohana azy io sisa no ho tavela. Tokony hazoto hitory ilay Fanjakana sy hanaraka ny toro lalana omeny àry isika!
13:7, 17. Tokony hankatò sy hanaiky an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana isika, araka io fananarana io. Ho vonona hiara-miasa amin’izy ireo isika, raha mitadidy izany foana.
[Fanamarihana ambany pejy]