Afaka Miaritra Hatramin’ny Farany Ianao
“Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — HEBREO 12:1.
1, 2. Inona no hevitry ny hoe miaritra?
“TOKONY hanana faharetana hianareo”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany. (Hebreo 10:36). Nanantitrantitra ny maha zava-dehibe io toetra io ny apostoly Petera, ka nampirisika toy izao koa ny Kristianina: ‘Ampio fiaretana ny finoanareo.’ (2 Petera 1:5, 6, NW ). Inona marina anefa no atao hoe fiaretana?
2 Izao no famaritan’ny diksionera grika-anglisy iray ilay matoanteny grika nadika hoe “miaritra”: “Mitoetra fa tsy mandositra (...) mamahatra tsara, tsy manaiky ho resy”. Hoy ny boky iray, mahakasika ilay anarana grika nadika hoe “fiaretana”: ‘Izy io no toe-tsaina hoenti-mizaka zavatra, tsy amim-pahaiza-mionona fotsiny, fa amim-panantenana miredareda. Izy io no toetra manampy ny olona iray hijoro hatrany eo am-piatrehana ny rivotra. Izy io no hatsaran-toetra afaka manova ny fisedrana mafy indrindra ho voninahitra, satria tsinjony any ankoatra ny fanaintainana ilay tanjona.’ Ny fiaretana àry dia manampy ny olona iray hiorina mafy eo anatrehan’ny vato misakana sy ny zava-tsarotra, ka tsy hanary toky. Iza indrindra no mila io toetra io?
3, 4. a) Iza no mila fiaretana? b) Nahoana isika no tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany?
3 Amin’ny heviny ara-panoharana, dia tafiditra ao amin’ny hazakazaka iray mitaky fiaretana, ny Kristianina rehetra. Tokony ho tamin’ny taona 65 am.f.i., dia nanoratra izao teny nanome toky izao ho an’i Timoty, mpiara-miasa taminy sady mpiara-dia taminy nahatoky, ny apostoly Paoly: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho”. (2 Timoty 4:7). Nampitahain’i Paoly tamin’ny hazakazaka iray nisy lalana voafaritra tsara sy tsipika fahatongavana, ny fiainany tamin’ny naha Kristianina azy, rehefa nilaza izy hoe “nahatanteraka ny fihazakazahako aho”. Tamin’izay fotoana izay, dia efa nanakaiky tamim-pandresena ny faran’ilay hazakazaka i Paoly, ary niandrandra tamin-toky ny hahazo ny valisoa. “Hatrizao”, hoy izy nanohy ny teniny, “dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay”. (2 Timoty 4:8). Natoky i Paoly fa hahazo ilay valisoa, satria niaritra hatramin’ny farany izy. Ahoana kosa ny amintsika?
4 Nanoratra toy izao i Paoly, mba hampaherezana an’ireo nirotsaka tamin’ilay hazakazaka: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. (Hebreo 12:1). Miditra amin’io hazakazaka lavitra ezaka io isika Kristianina, rehefa manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Zava-dehibe ny fiaingana tsara eo amin’ny hazakazaka ataontsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika, kanefa ny famitantsika ilay hazakazaka no tena zava-dehibe, amin’ny farany. Hoy i Jesosy: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Fiainana mandrakizay no loka miandry an’ireo mahavita ilay hazakazaka amim-pahombiazana! Noho izany, dia tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany isika, noho isika manana tanjona ao an-tsaina. Inona no hanampy antsika hanatratra io tanjona io?
Tsy maintsy misakafo tsara
5, 6. a) Mba hiaretantsika eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, inona no tsy maintsy heverintsika? b) Inona avy no sakafo ara-panahy tsy maintsy hararaotintsika, ary nahoana?
5 Teo akaikin’ny tanànan’i Korinto, tany Gresy, no nisy ilay toerana nanaovana ireo Lalao Ismika nalaza, tamin’ny andro fahiny. Tsy isalasalana fa takatr’i Paoly fa fantatr’ireo rahalahiny tany Korinto tsara ireo fifaninanana tamin’ny atletisma sy fifaninanana hafa natao teo. Izany zavatra fantatr’izy ireo izany no nentiny nampahatsiahivana azy ireo toy izao, ny amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana izay nidiran’izy ireo: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.” Nantitranterin’i Paoly ny maha zava-dehibe ny hanohizana hatrany ilay hazakazaka sy ny hirosoana hatramin’ny farany. Inona anefa no hanampy azy ireo hanao izany? “Ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”, hoy ny teny nanampiny. Eny, nanaiky hanaraka fiofanana henjana ireo mpifaninana tamin’ny lalao fahiny, nitandrina fatratra ny amin’izay nohaniny sy nosotroiny, ary nifehy ny zavatra rehetra nataony mba hahazoana fandresena. — 1 Korintiana 9:24, 25.
6 Ahoana ny amin’ilay hazakazaka nidiran’ny Kristianina? “Tsy maintsy mihevitra ny sakafonao ara-panahy ianao, raha te hiaritra eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana”, hoy ny loholona iray ao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Diniho hoe inona no sakafo ara-panahy omen’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny faharetana”, antsika. (Romana 15:5). Ny Teniny, ny Baiboly, no loharano lehibe indrindra anovozantsika sakafo ara-panahy. Moa ve isika tsy tokony hihazona fandaharam-potoana tsara ho an’ny famakiana Baiboly? Amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, dia omen’i Jehovah koa ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tonga amin’ny fotoana ilana azy, sy ireo zavatra vita an-tsoratra hafa miorina amin’ny Baiboly. (Matio 24:45, NW ). Hanatanjaka antsika ara-panahy ny fianarana amim-pahazotoana ireo zavatra vita an-tsoratra ireo. Eny, tsy maintsy maka fotoana — ‘manararaotra ny andro’ — mba hanaovana fianarana manokana, isika. — Efesiana 5:16.
7. a) Nahoana isika no tsy tokony hianina fotsiny amin’ny fahalalana ireo foto-pampianarana kristianina? b) Ahoana no mety ‘handrosoantsika haingana ho amin’ny fahamatorana’?
7 Tsy tokony hianina fotsiny amin’ny “abidim-pianarana” fototra isika, fa mila ‘mandroso haingana ho amin’ny fahamatorana’, raha tiantsika ny hanohy hatrany ilay hazakazaka ataontsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. (Hebreo 6:1, NW ). Koa tsy maintsy mamboly fahalianana amin’ny “sakany sy lavany ary hahavony sy halalin[’ny fahamarinana]” àry isika, ka manovo sakafo avy amin’ny ‘ventin-kanina ho an’izay efa lehibe’. (Efesiana 3:18; Hebreo 5:12-14). Hevero, ohatra, ireo fitantarana azo itokisana efatra momba ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, dia ireo Filazantsaran’i Matio, i Marka, i Lioka, ary i Jaona. Fantatsika amin’ny alalan’ny fandinihana amim-pitandremana ireo fitantaran’ny Filazantsara ireo ny asa nataon’i Jesosy sy ny hoe karazan’olona nanao ahoana izy. Tsy izay ihany anefa fa manjary takatsika koa ilay fomba fisaina nanosika azy hanao zavatra. Amin’izay isika dia afaka ny ‘hanana ny sain’i Kristy’. — 1 Korintiana 2:16.
8. Ahoana no anampian’ny fivoriana kristianina antsika hiaritra eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
8 Nanarin’i Paoly toy izao ireo mpiray finoana taminy: “Aoka isika hifampandinika mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, tahaka ny fahazaran’ny sasany, fa hifampahery kosa, ary vao mainka aza tokony hanao izany ianareo, satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25, NW ). Loharanom-pampaherezana tokoa ny fivoriana kristianina! Ary mamelombelona erỳ ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana izay maneho fiheverana antsika sy maniry hanampy antsika hiaritra hatramin’ny farany! Tsy afaka ny hanamaivana io fandaharana fanehoam-pitiavana avy amin’i Jehovah io isika, ka tsy hiharan’ny vokany. Aoka isika ‘ho lehilahy tokoa raha ny amin’ny fahalalana’, amin’ny alalan’ny fianarana manokana amim-pahazotoana sy ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. — 1 Korintiana 14:20.
Mpijery handrisika anao
9, 10. a) Amin’ny ahoana ny mpijery no mety ho loharanom-pampaherezana eo amin’ny hazakazaka lavitra ezaka iray? b) Iza moa ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika’, voalaza ao amin’ny Hebreo 12:1?
9 Na dia tsara fiomanana toy inona aza anefa ny mpihazakazaka iray, dia mety hisy zavatra hitranga mety hamingana azy eny am-pihazakazahana eny. “Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy [hankato hatrany ny fahamarinana, NW ]?”, hoy ny fanontanian’i Paoly. (Galatiana 5:7). Niharihary fa nanana naman-dratsy ny Kristianina sasany tany Galatia, ka nanjary voahelingelina tamin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Etsy an-danin’izany, dia manjary mora kokoa ny miaritra eo amin’ilay hazakazaka, rehefa mahazo fanohanana sy fampaherezana avy amin’ny hafa ny tena. Izany dia be itoviana amin’ny hery ananan’ny mpijery eo amin’ireo mpandray anjara amin’ny lalao iray. Ireo olona sesehena mafana fo dia mampitombo ilay fientanentanana izay mandrisika ireo mpifaninana, manomboka eo amin’ny fiaingana ka hatrany amin’ny fahatongavana. Ireo mpandray anjara mihamanatona ny tsipika fahatongavana dia mahazo ny fandrisihana fanampiny ilainy avy amin’ny horakorak’ireo mpijery, izay matetika no arahina mozika mafy sy tehaka. Eny tokoa, mety hisy heriny tsara eo amin’ireo mpihazakazaka, ireo mpijery manohana azy.
10 Eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana nidiran’ny Kristianina, iza no mpijery? Izao no nosoratan’i Paoly, rehefa avy nitanisa ireo vavolombelon’i Jehovah nahatoky talohan’ny Kristianisma izy, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Hebreo toko faha-11: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia (...) aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. (Hebreo 12:1). Tsy ilay teny grika ilazana rahona manana habe sy bika voafaritra tsara no nampiasain’i Paoly teto, rehefa nampiasa teny an’ohatra ny amin’ny rahona izy. Ny nampiasainy kosa dia teny grika iray, izay “manondro rahona mitankosina, tsy manam-bika voafaritra tsara, manarona ny lanitra”, araka ny fanazavan’ilay mpanao diksionera atao hoe W. E. Vine. Mazava àry fa ny tao an-tsain’i Paoly dia vavolombelona sesehena, maro aoka izany, hany ka toy ny rahona mitankosina.
11, 12. a) Amin’ny ahoana ireo vavolombelona nahatoky talohan’ny Kristianisma no afaka mandrisika antsika, raha azo atao ny milaza izany, mba hanohy ilay hazakazaka amim-piaretana? b) Ahoana no mety handraisantsika soa amin’ny fomba feno kokoa avy amin’ireo ‘vavolombelona maro toy ny rahona’?
11 Afaka ny ho mpijery ara-bakiteny amin’izao fotoana izao ve ireo vavolombelona nahatoky talohan’ny Kristianisma? Azo antoka fa tsia. Matory ao amin’ny fahafatesana avokoa izy ireo, miandry ny fitsanganany. Mpihazakazaka nahomby anefa izy ireo, fony fahavelony, ary velona ao amin’ireo pejin’ny Baiboly ny ohatra navelany. Eo am-pandinihantsika ny Soratra Masina, dia afaka ny ho velona ao an-tsaintsika sy handrisika antsika ireny olona nahatoky ireny, raha azo atao ny milaza izany, mba hanohizantsika ilay hazakazaka hatramin’ny farany. — Romana 15:4.a
12 Ohatra, rehefa alaim-panahy hanararaotra ireo fahafahana atolotr’izao tontolo izao isika, moa ve tsy hanosika antsika hanohy hatrany ilay hazakazaka ny fandinihana ny fomba nandavan’i Mosesy ireo voninahitra tany Ejipta? Raha tojo fisedrana iray toa mafy isika, dia azo antoka fa hampirisika antsika tsy hitsoaka an-daharana amin’ilay adin’ny finoana, ny fitadidiana ny fitsapana mafy natrehin’i Abrahama, fony izy nasaina nanolotra an’i Isaka zanany ho sorona. Arakaraka ny ahitantsika mazava ireny vavolombelona ‘maro toy ny rahona’ ireny amin’ny mason’ny fahatakarantsika zavatra, no andrisihan’izy ireny antsika toy izany.
13. Amin’ny fomba ahoana no andrisihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny antsika eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
13 Voahodidina Vavolombelon’i Jehovah maro be koa isika amin’ny andro ankehitriny. Oha-pinoana lehibe tokoa ireo Kristianina voahosotra, mbamin’ireo lehilahy sy vehivavy anisan’ny “olona betsaka”! (Apokalypsy 7:9). Afaka mamaky ny tantaram-piainan’izy ireo ato amin’ity gazety ity sy ny zavatra vita an-tsoratra hafan’ny Watch Tower isika, indraindray.b Mahazo fampirisihana hiaritra hatramin’ny farany isika, eo am-pisaintsainana ny finoan’izy ireny. Ary mahafinaritra erỳ ny mahazo ny fanohanan’ireo havana aman-tsakaiza, izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana koa! Eny, manana olona maro mandrisika antsika eo amin’ny hazakazaka ho amin’ny fiainana isika.
Fero amim-pahendrena ny hafainganam-pandehanao
14, 15. a) Nahoana no zava-dehibe ny hamerantsika amim-pahendrena ny hafainganam-pandehantsika? b) Nahoana isika no tokony hahalala ny antonony rehefa mametra tanjona?
14 Rehefa manao hazakazaka lavitra ezaka, toy ny marathon, ny mpihazakazaka iray, dia tsy maintsy mametra amim-pahendrena ny hafainganam-pandehany. Hoy ilay gazetiboky hoe New York Runner: “Mety hitarika faharesena ho anao ny fandehanana mafy loatra eo am-panombohana. Azo inoana fa mety hanjary hiady mafy ianao eo amin’ireo kilaometatra vitsivitsy farany, na hanjary hitsoaka an-daharana.” Izao no tsaroan’ny mpanao marathon iray: “Nampitandrina mazava toy izao ilay olona nanome toromarika anay, ho fiomanana ho amin’ilay hazakazaka: ‘Aza manenjika ny mpihazakazaka mandeha haingana. Izay hafainganam-pandehanao ihany tazonina rehefa mihazakazaka. Raha tsy izany, dia ho reraka ianao ka mety ho voatery hitsoaka an-daharana.’ Nanampy ahy hamita ilay hazakazaka ny fanarahana io torohevitra io.”
15 Tsy maintsy mikely aina mafy ny mpanompon’Andriamanitra, eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. (Lioka 13:24). Nanoratra toy izao anefa i Jakoba mpianatra: “Ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) [mahalala ny antonony, NW ]”. (Jakoba 3:17). Mety hampirisika antsika hanao bebe kokoa ny ohatra tsara omen’ny hafa, kanefa ny fahalalana ny antonony dia hanampy antsika hametra tanjona araka ny zava-misy, mifanaraka amin’ny fahaizantsika sy ny tarehin-javatra misy antsika. Izao no fampahatsiahivana omen’ny Soratra Masina antsika: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa; fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” — Galatiana 6:4, 5.
16. Ahoana no anampian’ny fiheveran-tena araka ny antonony antsika, eo amin’ny famerana ny hafainganam-pandehantsika?
16 Misy izao fanontaniana mampisaintsaina izao apetraka amintsika, ao amin’ny Mika 6:8 (NW ): “Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho setriny afa-tsy (...) ny hihevi-tena araka ny antonony eo amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitrao?” Tafiditra amin’ny fiheveran-tena araka ny antonony ny fahatsapana ny fetran’ny mety ho vitantsika. Manjary voafetra ve ny vitantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, noho ny tsy fahasalamana na ny fandrosoan’ny taona? Aoka isika tsy hanjary ho kivy. Manaiky ny ezaka sy ny sorona ataontsika ‘araka izay ananantsika, fa tsy araka izay tsy ananantsika’, i Jehovah. — 2 Korintiana 8:12; ampitahao amin’ny Lioka 21:1-4.
Banjino hatrany ilay loka
17, 18. Nanampy an’i Jesosy hiaritra ny hazo fijaliana ny fibanjinana ny inona?
17 Rehefa nohazavain’i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Korinto ny ilana hiaretana amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, dia noresahiny ny lafiny hafa iray tamin’ireo Lalao Ismika izay mendrika ny hoheverin’izy ireo. Izao no nosoratan’i Paoly, mahakasika ireo mpifaninana tamin’ireny lalao ireny: “Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”. (1 Korintiana 9:25, 26). Satroboninahitra, na randrana natao faribolana, vita tamin’ny ravin-kesika na ravin-javamaniry hafa, na vita tamin’ny seleria nohamainina mihitsy aza, no loka ho an’ny mpandresy tamin’ireny lalao fahiny ireny — eny tokoa, tena “satroboninahitra mety ho lo”. Inona anefa no miandry ny Kristianina izay miaritra hatramin’ny farany?
18 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, rehefa nanisy firesahana ny amin’i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika: “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” (Hebreo 12:2). Niaritra hatramin’ny faran’ny fiainany tamin’ny naha olombelona azy i Jesosy, ka nijery ilay valisoany tany ankoatra ny hazo fijaliana. Anisan’ilay valisoany ny fifaliana tsapany, noho izy nandray anjara tamin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, nanavotra ny fianakavian’olombelona tamin’ny fahafatesana, sy hanapaka amin’ny maha Mpanjaka sy Mpisoronabe, izay hamerina ny olombelona mpankato ho amin’ny fiainana tsy misy farany, ao amin’ny tany zary paradisa. — Matio 6:9, 10; 20:28; Hebreo 7:23-26.
19. Amin’inona no tokony hifantohantsika hatrany, eo am-panohizantsika ilay hazakazaka amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika?
19 Diniho ilay fifaliana apetraka eo anoloantsika, eo am-panohizantsika ilay hazakazaka, amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Nanome antsika ilay asa mahafa-po lalina, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampitana amin’ny hafa ilay fahalalana mamonjy aina ao amin’ny Baiboly, i Jehovah. (Matio 28:19, 20). Endrey ny fahafinaretantsika mahita olona liana ta hahafantatra ilay Andriamanitra marina, ka manampy izany olona izany hiditra ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana! Ary tombontsoa ny mandray anjara amin’ilay asa mifandray amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, na manao ahoana na manao ahoana ny fandraisan’ny olona itoriantsika. Manana ilay fifaliana entin’ny fampifaliana ny fon’i Jehovah isika, rehefa miaritra eo amin’ny fanompoana, na dia eo aza ny tsy firaikana na ny fanoheran’ny olona eny amin’ny faritany itoriantsika. (Ohabolana 27:11). Ary fiainana mandrakizay no valisoa lehibe ampanantenain’i Jehovah antsika. Ho fifaliana tokoa re izany! Ilaintsika ny mibanjina hatrany ireny fitahiana ireny ka mikiry manohy ilay hazakazaka.
Eo am-panatonana ny farany
20. Ahoana no mety hahasarotra kokoa ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, arakaraka ny anatonana ny faran’ilay hazakazaka?
20 Tsy maintsy miady amin’i Satana Devoly, ilay fahavalontsika lehibe indrindra, isika, eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Miezaka tsy an-kijanona ny hamingana antsika na ny hampiadam-pamindra antsika izy, arakaraka ny anatonantsika ny farany. (Apokalypsy 12:12, 17). Ary tsy mora ny mitozo amim-pahatokiana amin’ny maha mpitory ilay Fanjakana vita fanoloran-tena, rehefa heverina ireo ady, mosary, areti-mandringana, sy ireo zava-tsarotra hafa rehetra manamarika ny “andro farany”. (Daniela 12:4; Matio 24:3-14; Lioka 21:11; 2 Timoty 3:1-5). Ankoatra izany, indraindray dia mety ho toa lavitra kokoa tsy araka ny nanampoizantsika azy ny farany, indrindra fa raha efa am-polony taona maro izao no nidirantsika tao amin’ilay hazakazaka. Na izany aza, dia manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa ho avy ny farany. Milaza i Jehovah fa tsy ho diso aoriana izy io. Efa tsinjo izy io. — Habakoka 2:3; 2 Petera 3:9, 10.
21. a) Inona no hanatanjaka antsika eo am-panohizantsika ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana? b) Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika, arakaraka ny anatonana ny farany?
21 Tsy maintsy manovo hery avy amin’ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amim-pitiavana àry isika, raha ta hahomby amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Ilaintsika koa ny fampaherezana rehetra azontsika raisina avy amin’ny fifaneraserana tsy tapaka amin’ireo mpiray finoana amintsika, izay manao ilay hazakazaka koa. Na dia mety hanasarotra kokoa ilay hazakazaka ataontsika aza ny fanenjehana mafy sy ny fisehoan-javatra tsy nampoizina mipoitra eny am-pihazakazahana eny, dia afaka miaritra hatramin’ny farany isika, satria manome “ny hery mihoatra noho ny mahazatra”, i Jehovah. (2 Korintiana 4:7, NW ). Manome toky tokoa ny mahafantatra fa irin’i Jehovah ny hamitantsika ilay hazakazaka amim-pandresena! Amim-pahatapahan-kevitra mafy, dia “aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”, ka hatoky tanteraka fa “amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Hebreo 12:1; Galatiana 6:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1987, pejy faha-10-20, mba hahitana ny fandinihana ny Hebreo 11:1–12:3.
b Ahitana ohatra faramparany ny amin’ireny fitantarana mampahery ireny ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1998, pejy faha-28-31; 1 Septambra 1998, pejy faha-24-28; 1 Febroary 1999, pejy faha-25-29.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany?
◻ Inona avy no zavatra nomen’i Jehovah ka tsy tokony hataontsika tsirambina?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hamerantsika amim-pahendrena ny hafainganam-pandehantsika?
◻ Inona no fifaliana apetraka eo anoloantsika, eo am-panohizantsika ilay hazakazaka?
[Sary, pejy 18]
Manovoza fampaherezana avy amin’ny fivoriana kristianina