Aza Miala Amin’ny Hazakazaka ho Amin’ny Fiainana!
“Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — HEBREO 12:1.
1, 2. Zava-nitranga mampientanentana inona avy no nampietam-po an’ireo mpanompon’i Jehovah mandritra izao andro farany izao?
MIAINA amin’ny fotoan-tsarotra sy mampientanentana isika. Maherin’ny 80 taona lasa izay, tamin’ny 1914, dia napetraka teo amin’ny seza fiandrianana ho Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, i Jesosy. Nanomboka ny “Andron’ny Tompo” sy ny “andro farany” ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ. (Apokalypsy 1:10; Daniela 12:9). Nanomboka tamin’izay, dia nanjary nihafaingana hatrany ilay hazakazaka ataon’ny Kristiana ho amin’ny fiainana. Nikely aina fatratra ireo mpanompon’Andriamanitra mba haharaka ny dian’ilay kalesin’i Jehovah any an-danitra, dia ny fandaminany any an-danitra izay mandeha tsy hay tohaina mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. — Ezekiela 1:4-28; 1 Korintiana 9:24.
2 Mahita fifaliana ve ny vahoakan’Andriamanitra eo am-panaovan’izy ireo ilay ‘hazakazaka’ ho amin’ny fiainana mandrakizay? Izany tokoa! Nientam-po izy ireo nahita ny fanangonana ireo sisa amin’ny rahalahin’i Jesosy, ary faly izy ireo mahatakatra fa efa madiva hifarana ny fanisiana tombo-kase farany an’ireo sisa amin’ny 144 000. (Apokalypsy 7:3, 4). Ambonin’izany, dia mientanentana izy ireo mahafantatra fa efa nandroso ny antsy fijinjany ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah mba hijinja “ny vokatry ny tany”. (Apokalypsy 14:15, 16). Ary vokatra re izany! (Matio 9:37). Hatramin’izao aloha, dia olona maherin’ny dimy tapitrisa no voangona — “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9). Tsy misy afaka milaza hoe ho toy inona amin’ny farany ny habetsahan’izany olona izany satria tsy misy olona afaka manisa azy ireo.
3. Tsy maintsy miezaka foana mamboly toe-tsaina falifaly isika na dia eo aza ny inona?
3 Marina fa miezaka hamingana antsika na hampiadam-pamindra antsika i Satana raha mbola mampitombo ny hafainganam-pandehantsika ao amin’ilay hazakazaka isika. (Apokalypsy 12:17). Ary tsy mora ny tsy mitsahatra mihazakazaka ao anatin’ny ady, ny mosary, ny areti-mandringana sy ireo zava-tsarotra hafa rehetra izay manamarika ny fotoan’ny farany. (Matio 24:3-9; Lioka 21:11; 2 Timoty 3:1-5). Na dia izany aza anefa, dia dibo-kafaliana ny fontsika arakaraka ny anakekezan’ny faran’ilay hazakazaka. Ezahintsika aseho ilay toe-tsaina nampirisihan’i Paoly hananan’ireo Kristiana namany tamin’ny androny, manao hoe: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” — Filipiana 4:4.
4. Karazana toe-tsaina nanao ahoana no nasehon’ireo Kristiana tany Filipy?
4 Tsy isalasalana fa nahita fifaliana tao amin’ny finoany ireo Kristiana izay nilazan’i Paoly ireo teny ireo, satria hoy i Paoly tamin’izy ireo: “Manohiza mifaly ao amin’ny Tompo.” (Filipiana 3:1, NW ). Kongregasiona iray nalala-tanana sy be fitiavana, izay nanompo tamin-jotom-po sy hafanam-po, ny Filipiana. (Filipiana 1:3-5; 4:10, 14-20). Tsy ny Kristiana rehetra tamin’ny taonjato voalohany anefa no nanana izany toe-tsaina izany. Nahatonga fanahiana, ohatra, ny sasany tamin’ireo Kristiana jiosy izay nanoratan’i Paoly ny bokin’ny Hebreo.
‘Mitandrema mafimafy kokoa’
5. a) Toe-tsaina nanao ahoana no nananan’ireo Kristiana hebreo rehefa niforona ny kongregasiona kristiana voalohany? b) Lazalazao ny toe-tsain’ny Kristiana hebreo sasany tany amin’ny taona 66 am.f.i. tany ho any.
5 Ny kongregasiona kristiana voalohany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia fitambarana Jiosy tera-tany sy proselyta, ary naorina tao Jerosalema tamin’ny 33 am.f.i. Karazana toe-tsaina nanao ahoana no nananan’izy io? Raha mamaky fotsiny ireo toko voalohandohany amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ianao dia hahafantatra ny hafanam-pony sy ny fifaliany, na dia teo anoloan’ny fanenjehana aza. (Asan’ny Apostoly 2:44-47; 4:32-34; 5:41; 6:7). Rehefa nandeha anefa ireo taona am-polony maro, dia niova ny toe-javatra, ary Kristiana jiosy maro no niharihary fa nampiadam-pamindra teo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Hoy ny loharanon-kevitra iray momba ny toe-javatra nisy azy ireo, tamin’ny taona 60 am.f.i. tany ho any: “Filasilasiana sy fahatrotrahana, fanampoizan-javatra tsy tanteraka, fanantenana nahemotra, finiavana tsy hanao izay tokony hatao ary tsy finoana teo amin’ireo raharaha andavanandro. Kristiana izy ireo, saingy kely dia kely ny fankasitrahany ny voninahitra mifamatotra amin’ny fiantsoana azy.” Ahoana no nahatonga Kristiana voahosotra ho ao anatin’ny toe-javatra toy izany? Manampy antsika hamaly izany fanontaniana izany ny fandinihana ny tapany amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo (nosoratana tokony ho tamin’ny 61 am.f.i.). Izany fandinihana izany dia hanampy antsika rehetra amin’izao andro izao mba hanalavitra ny filentehana ao anatin’ny fahosana ara-panahy toy izany.
6. Inona avy ireo tsy fitoviana sasany eo amin’ny fanompoam-pivavahana teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy sy ny fanompoam-pivavahana miorina amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy?
6 Ireo Kristiana hebreo dia nivoaka avy tao amin’ny Jodaisma, izay rafitra iray nihambo ho nankatò ilay Lalàna nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Toa mbola nanohy nanintona Kristiana jiosy maro io Lalàna io, angamba satria nandritra ny taonjato maro, dia izy io no hany fomba nanatonana an’i Jehovah, ary rafi-panompoam-pivavahana nahatalanjona koa moa izy io, noho izy nisy fisoronana sy fanatitra tsy tapaka ary tempoly iray nalaza naneran-tany, tao Jerosalema. Hafa noho izany ny Kristianisma. Nitaky fomba fijery ara-panahy izy io, sahala amin’ilay nananan’i Mosesy izay “nijery ny famalian-tsoa” mbola amin’ny hoavy, sy “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita”. (Hebreo 11:26, 27). Miharihary fa tsy nanana fomba fijery ara-panahy toy izany ny Kristiana jiosy maro. Nivembena izy ireo fa tsy nihazakazaka tamim-pahatapahan-kevitra.
7. Inona no mety ho fiantraikan’ilay fandehan-javatra nivoahantsika eo amin’ny fomba ihazakazahantsika eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
7 Misy toe-javatra mitovy amin’izany ve amin’izao andro izao? Tsy azo lavina fa tsy dia mitovy tanteraka amin’izany akory ny toe-javatra. Na dia izany aza anefa, dia nivoaka avy tao amin’ny fandehan-javatra iray izay be rehaka, ny Kristiana. Manolotra fahafahana mampientana hahazo fisondrotana izao tontolo izao, kanefa etsy an-danin’izany, dia mitaky zavatra betsaka amin’ny olona. Fanampin’izany, dia maro amintsika no mipetraka any amin’ny tany izay ielezan’ny fihetsika be fisalasalana sy ahitana olona tsy mitady afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany amim-pitiavan-tena. Raha avelantsika ho voataonan’izany zavatra izany ny tenantsika, dia mety hanjavozavo mora foana ny ‘mason’ny fontsika’. (Efesiana 1:18, NW ). Ahoana no hahafahantsika hihazakazaka tsara ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana raha toa isika ka tsy afaka mahita mazava tsara intsony ny lalana izorantsika?
8. Inona avy ireo lafiny sasany maha-ambony kokoa ny Kristianisma raha oharina amin’ny fanompoam-pivavahana teo ambanin’ny Lalàna?
8 Mba handrisihana ireo Kristiana jiosy, dia nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo ny maha-ambony ny rafitra kristiana, miohatra amin’ny Lalàn’i Mosesy. Marina fa, fony mbola vahoakan’i Jehovah teo ambanin’ny Lalàna ny firenen’ny Isiraely, dia niteny taminy tamin’ny alalan’ny mpaminany nahazo tsindrimandry i Jehovah. Amin’izao andro izao anefa izy, araka ny filazan’i Paoly, dia miresaka amin’ny alalan’ny “Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao”. (Hebreo 1:2). Ankoatra izany, i Jesosy dia lehibe kokoa noho ireo mpanjaka rehetra avy tamin’ny taranak’i Davida ‘namany’. Mbola ambony kokoa noho ny anjely mihitsy aza izy. — Hebreo 1:5, 6, 9.
9. Sahala amin’ireo Kristiana jiosy tamin’ny andron’i Paoly, nahoana isika no mila ‘mitandrina mafimafy kokoa’ izay lazain’i Jehovah?
9 Noho izany, dia nanoro hevitra ireo Kristiana jiosy toy izao i Paoly: “Tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” (Hebreo 2:1). Na dia fitahiana mahatalanjona aza ny fianarana momba an’i Kristy, dia nisy zavatra bebe kokoa nilaina. Nila nitandrina tsara ny Tenin’Andriamanitra izy ireo mba hanoherana ilay fitaoman’ny tontolo jiosy nanodidina azy ireo. Mila mitandrina “mafimafy kokoa” izay lazain’i Jehovah koa isika, noho isika tsy voaro amin’ny fampielezan-kevitra sesilany avy amin’itỳ tontolo itỳ. Izany dia midika hoe manao izay hananana fahazarana tsara eo amin’ny fianarana, ary mitana fandaharam-potoana tsara ho an’ny famakiana Baiboly. Araka ny nolazain’i Paoly tatỳ aoriana tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia midika koa izany hoe tsy manapatapaka amin’ny fivoriana sy eo amin’ny fitoriana ny finoantsika amin’ny hafa. (Hebreo 10:23-25). Ny fanaovan-javatra toy izany dia hanampy antsika hitoetra ho mailo ara-panahy mba tsy hanadinoantsika ilay fanantenantsika be voninahitra. Raha mameno ny saintsika amin’ny hevitr’i Jehovah isika, dia tsy ho resin’izay mety ho zavatra azon’itỳ tontolo itỳ atao amintsika, na ho voahilangilan’izany. — Salamo 1:1-3; Ohabolana 3:1-6.
Aza mitsahatra ‘mifananatra’
10. a) Inona no mety hitranga amin’izay tsy mitandrina mafimafy kokoa ny Tenin’i Jehovah? b) Amin’ny fomba ahoana no tsy hitsaharantsika ‘hifananatra’?
10 Raha tsy mitandrina tsara ireo zavatra ara-panahy isika, dia mety hanjary ho toa tsy tena izy ireo fampanantenan’Andriamanitra. Efa nitranga mihitsy aza izany tamin’ny taonjato voalohany, fony Kristiana voahosotra no nahaforona ny kongregasiona manontolo, ary mbola velona ny sasany tamin’ireo apostoly. Nampitandrina toy izao ny Hebreo i Paoly: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy [ampy finoana, NW ] ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.” (Hebreo 3:12, 13). Manantitrantitra ny ilana ho mailo ilay fitenenan’i Paoly hoe “tandremo”. Misy loza mananontanona! Mety hitombo ao am-pontsika ny tsy fahampiam-pinoana, izay “ota”, ary mety hiala amin’Andriamanitra isika fa tsy hanatona azy. (Jakoba 4:8). Nampahatsiahy antsika i Paoly mba tsy hitsahatra ‘hifananatra’. Mila ilay hafanana avy amin’ny fiarahana amin’ireo rahalahy isika. “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1). Izany filana fiarahana izany no manosika ny Kristiana amin’izao andro izao tsy hanapatapaka eo amin’ny fanatrehana fivorian’ny kongregasiona sy fivoriambe.
11, 12. Nahoana isika no tsy tokony ho afa-po amin’ny fahalalana fotsiny an’ireo fampianarana fototra kristiana?
11 Nanome izao torohevitra tena sarobidy fanampiny izao i Paoly, tatỳ aoriana kokoa, tao amin’ny taratasiny: “Na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina. (...) Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:12-14). Miharihary fa nisy Kristiana jiosy sasany tsy nandroso teo amin’ny fahazoana hevi-javatra. Votsa be izy ireo teo amin’ny fanekena ny fahazavana nitombo momba ny Lalàna sy ny famorana. (Asan’ny Apostoly 15:27-29; Galatiana 2:11-14; 6:12, 13). Nisy mbola nety ho nanaja fatratra ihany ireo fanao nentim-paharazana toy ny Sabata isan-kerinandro sy ilay Andro Fanavotana lehibe isan-taona. — Kolosiana 2:16, 17; Hebreo 9:1-14.
12 Noho izany, dia hoy i Paoly: “Satria efa nandao ny abidim-pianarana ny amin’i Kristy isika, dia aoka isika handroso haingana ho amin’ny fahamatorana”. (Hebreo 6:1, NW ). Ny mpanao hazakazaka lavitra ezaka iray izay mitandrina tsara ny sakafo haniny dia afaka miaritra tsara kokoa ilay hazakazaka lavitra sy mitaky ezaka be. Toy izany koa fa ny Kristiana iray izay mitandrina tsara ny fisakafoana ara-panahy — tsy mianina amin’ireo “abidim-pianarana” fototra — dia ho tsara kokoa ny fahafahany hitoetra eo amin’ilay hazakazaka sy hahatanteraka azy io hatramin’ny farany. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:7.) Ny dikan’izany dia hoe manao izay hahaliana ny tena amin’izay “sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny” amin’ny fahamarinana, ka amin’izany dia handroso ho amin’ny fahamatorana. — Efesiana 3:18.
“Tokony hanana faharetana hianareo”
13. Ahoana no nanehoan’ireo Kristiana hebreo ny finoany, tamin’ny lasa?
13 Tamin’ilay vanim-potoana nanaraka avy hatrany ny Pentekosta 33 am.f.i., dia niorina mafy ireo Kristiana jiosy na dia teo aza ny fanoherana faran’izay mafy. (Asan’ny Apostoly 8:1). Izany angamba no tao an-tsain’i Paoly fony izy nanoratra hoe: “Tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo”. (Hebreo 10:32). Izany fiaretana tamim-pahatokiana izany dia nampiseho ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy nanome azy ireo fahafahana hiteny amin-kalalahana teo anatrehany. (1 Jaona 4:17). Nanarin’i Paoly izy ireo mba tsy hanary izany fahasahiana izany noho ny tsy fahampiam-pinoana. Nampirisika azy ireo toy izao izy: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ‘rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra’.” — Hebreo 10:35-37.
14. Zava-misy inona avy no tokony hanampy antsika hiaritra na dia efa taona maro aza izay no nanompoantsika an’i Jehovah?
14 Ahoana ny amintsika amin’izao andro izao? Be zotom-po ny ankamaroantsika fony isika nianatra voalohany ny fahamarinana kristiana. Mbola manana izany zotom-po izany ihany ve isika? Sa isika ‘niala tamin’ilay fitiavantsika voalohany’? (Apokalypsy 2:4). Nihanangatsiaka ve isika, angamba nanjary somary diso fanantenana na sasatry ny miandry ny Haramagedona? Miatoa kely anefa ary mieritrereta tsara. Nahatalanjona ny fahamarinana taloha, ary tsy latsa-danja noho izany ny amin’izao fotoana izao. Mbola Mpanjakantsika any an-danitra ihany i Jesosy. Mbola manantena fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa ihany isika, ary mbola manana ihany ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Ary aza hadinoina mihitsy izao: “Ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra.”
15. Ahoana no niaretan’ny Kristiana sasany fanenjehana mafy, sahala amin’i Jesosy?
15 Noho izany, dia tena mety ny tenin’i Paoly voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Hebreo 12:1, 2 manao hoe: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota [tsy fahampiam-pinoana] izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” Misy zavatra maro iaretan’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Sahala amin’i Jesosy izay nahatoky hatramin’ny fahafatesana nahafadiranovana, ny sasany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika dia niaritra tamim-pahatokiana fanenjehana faran’izay mafy — toby ho an’ireo voafonja, fampijalijaliana, fisavihana, ary fahafatesana mihitsy aza. (1 Petera 2:21). Tsy entanim-pitiavana azy ireo ve ny fontsika rehefa mandinika ny tsy fivadihany?
16, 17. a) Inona avy ireo zava-tsarotra ho an’ny finoana tsy maintsy iadian’ny ankamaroan’ny Kristiana? b) Manampy antsika hanohy hihazakazaka eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ny fitadidiana ny inona?
16 Mihatra amin’ny ankamaroan’ny Kristiana anefa ny teny nanampin’i Paoly hoe: “Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin’ny ota hatramin’ny fahalatsahan-dra.” (Hebreo 12:4). Na dia izany aza, eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy mora ho antsika, na iza isika na iza, ny lalan’ny fahamarinana. Kivy noho ny ‘fanoherana ataon’ny mpanota’ any am-piasana na any an-tsekoly ny sasany, miaritra fanesoana na manohitra fanerena hanota. (Hebreo 12:3). Nanimba tsikelikely ny fahatapahan-kevitry ny sasany hihazona ireo fari-pitsipik’Andriamanitra ambony, ny fakam-panahy mahery. (Hebreo 13:4, 5). Nihaino ny fampielezan-kevitra feno poizin’ireo mpivadi-pinoana ny sasantsasany ka nisy fiantraikany teo amin’ny fahaizan’izy ireo nandanjalanja izany. (Hebreo 13:9). Nanaisotra ny fifalian’ny hafa ireo tsy fifanarahana noho ny tsy fitovian-toetra. Nampahosa ny Kristiana sasany ny fanantitranterana tafahoatra ny fialam-boly sy ireo zavatra atao ho fialam-boly. Ary mahatsiaro tena ho teren’ireo olana amin’ny fiainana eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ ny ankamaroany.
17 Marina fa tsy misy ‘ady hatramin’ny fahalatsahan-dra’ amin’ireo toe-javatra ireo. Ary raha zohina ny toe-javatra sasany, dia mety ho avy amin’ny fanapahan-kevitra diso nataon’ny tenantsika ihany. Nitondra zava-tsarotra ho an’ny finoantsika anefa izy rehetra ireo. Izany no antony tokony hibanjinantsika ilay oha-piaretana lehibe nomen’i Jesosy. Enga anie isika tsy hanadino mihitsy fa mahatalanjona ny fanantenantsika. Enga anie isika tsy hanary mihitsy ilay fiekentsika mafy fa “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”, i Jehovah. (Hebreo 11:6). Amin’izay isika dia hanana ilay tanjaka ara-panahy hanohizana hihazakazaka eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana.
Afaka miaritra isika
18, 19. Zava-nitranga ara-tantara inona avy no toa milaza fa nanaraka ny torohevitr’i Paoly ara-tsindrimandry ireo Kristiana hebreo tao Jerosalema?
18 Ahoana no nandraisan’ireo Kristiana jiosy ilay taratasin’i Paoly? Enin-taona teo ho eo taorian’ny nanoratana ilay taratasy ho an’ny Hebreo, dia tao anatin’ny ady i Jodia. Nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romana tamin’ny 66 am.f.i., ka nanatanteraka ny tenin’i Jesosy hoe: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.” (Lioka 21:20). Ho tombontsoan’ireo Kristiana izay tao Jerosalema tamin’izay fotoana izay anefa, dia hoy i Jesosy: “Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:21). Noho izany, dia niteraka fitsapana ilay ady tamin’i Roma: Moa ve ireo Kristiana jiosy ireo handao an’i Jerosalema izay foiben’ny fanompoam-pivavahana jiosy sy toerana nisy ilay tempoly be voninahitra?
19 Tampoka teo, ary noho ny antony tsy fantatra, dia nihataka ny Romana. Azo inoana fa nihevitra izany ho porofon’ny fiarovan’Andriamanitra an’ilay tanàna masiny, ireo Jiosy tia fivavahana. Ahoana ny amin’ireo Kristiana? Lazain’ny tantara amintsika fa nandositra izy ireo. Avy eo, tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina ny Romana ka nandrava tanteraka an’i Jerosalema. Nahatsiravina ny aina nafoy tamin’izany. Tonga tamin’i Jerosalema ilay “andron’i Jehovah” nambaran’i Joela mialoha. Tsy tao intsony anefa ireo Kristiana nahatoky. ‘Afa-nandositra’ izy ireo. — Joela 3:3-5; Asan’ny Apostoly 2:16-21.
20. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fahafantarantsika fa akaiky ny “andron’i Jehovah” lehibe?
20 Amin’izao andro izao, dia fantatsika fa hisy “andron’i Jehovah” lehibe hafa iray, hiantraika tsy ho ela amin’itỳ fandehan-javatra itỳ manontolo. (Joela 4:12-14). Tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan’izany andro izany. Kanefa manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa ho tonga tokoa izy io! Milaza i Jehovah fa tsy ho diso aoriana akory izy io. (Habakoka 2:3; 2 Petera 3:9, 10). Noho izany, dia aoka isika ‘hitandrina mafimafy kokoa izay efa rentsika’. Halaviro ny tsy fahampiam-pinoana, ilay “ota izay malaky mahazo antsika”. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiaritra na hafiriana na hafiriana ilana izany. Tadidio fa eo am-pandehanana ilay fandaminan’i Jehovah any an-danitra toy ny kalesy lehibe. Hanatanteraka ny nikasana azy izy io. Koa enga anie isika rehetra hanohy hihazakazaka ka tsy hiala amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana!
Tadidinao Ve?
◻ Hanampy antsika hiaritra eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ny fanarahana ilay fananaran’i Paoly ho an’ny Filipiana hoe ahoana?
◻ Inona no hanampy antsika hanohitra ny fironan’itỳ tontolo itỳ hampivily antsika?
◻ Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba hiaritra eo amin’ilay hazakazaka?
◻ Inona avy no zavatra sasany mety hampiadam-pamindra ny Kristiana iray?
◻ Ahoana no ahafahan’ny ohatr’i Jesosy manampy antsika hiaritra?
[Sary, pejy 8, 9]
Toy ny mpihazakazaka, dia tsy tokony hamela na inona na inona hampivily azy ny Kristiana
[Sary, pejy 10]
Tsy misy na inona na inona afaka manakana ilay kalesin’i Jehovah lehibe any an-danitra tsy hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra