Ny Ondry Hafa sy ny Fanekena Vaovao
“Ny hafa firenena (...) — dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko — dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina”. — ISAIA 56:6, 7.
1. a) Araka ny fahitan’i Jaona, inona no tontosaina raha mbola hazonina ny rivotry ny fandringanan’ny didim-pitsaran’i Jehovah? b) Vahoaka miavaka manao ahoana no hitan’i Jaona?
HITAN’NY apostoly Jaona tao amin’ny fahitana fahefatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, fa nohazonina ny rivotry ny fandringanan’ny didim-pitsaran’i Jehovah, raha mbola novitaina ny fanisiana tombo-kase ireo rehetra anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. Ireo no voalohany hotahina amin’ny alalan’i Jesosy, ilay lehibe indrindra amin’ireo anisan’ny taranak’i Abrahama. (Galatiana 6:16; Genesisy 22:18; Apokalypsy 7:1-4). Tao amin’io fahitana io ihany no nahitan’i Jaona “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny (...) niantso tamin’ny feo mahery (...) nanao hoe: Ny famonjena [dia azonay avy amin’Andriamanitray, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, NW ]”. (Apokalypsy 7:9, 10). Ny filazan’ny olona betsaka hoe, “ny famonjena dia azonay (...) avy amin’ny Zanak’ondry”, dia mampiseho fa hotahina amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama koa izy ireo.
2. Oviana no niseho ny olona betsaka, ary ahoana no amantarana azy io?
2 Tamin’ny 1935 no nahafantarana io olona betsaka io, ary miisa maherin’ny dimy tapitrisa izy io amin’izao andro izao. Voamarika ho tafita velona ireo anisan’izy io, ka hatokana ho amin’ny fiainana mandrakizay, rehefa hampisaraka ny “ondry” amin’ny “osy”, i Jesosy. Anisan’ny “ondry hafa” ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vala, ireo Kristiana anisan’ny olona betsaka. Manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa izy ireo. — Matio 25:31-46; Jaona 10:16; Apokalypsy 21:3, 4.
3. Ahoana no tsy itovian’ny Kristiana voahosotra sy ny ondry hafa, raha ny amin’ny fanekena vaovao?
3 Ho an’ireo 144 000, dia amin’ny alalan’ny fanekena vaovao no ampiharana ny fitahiana avy amin’ny fanekena abrahamika. Koa satria mpandray anjara amin’io fanekena io izy ireo, dia tonga eo “ambanin’ny fahasoavana” sy eo “ambanin’ny lalàn’i Kristy”, izy ireo. (Romana 6:15; 1 Korintiana 9:21). Noho izany, dia ireo 144 000 anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra ihany, no nandray anjara tamin’ireo marika, nandritra ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, ary izany rahateo no tokony ho izy. Tamin’izy ireo ihany no nifanaovan’i Jesosy fanekena ho amin’ny Fanjakana iray. (Lioka 22:19, 20, 29). Tsy mpandray anjara amin’ilay fanekena vaovao ireo anisan’ny olona betsaka. Miaraka amin’ny Isiraelin’Andriamanitra anefa izy ireo, no sady miara-monina amin’izy ireo eo amin’ny ‘taniny’. (Isaia 66:8). Mety àry ny ilazana fa manjary eo ambanin’ny fahasoavan’i Jehovah sy eo ambanin’ny lalàn’i Kristy koa izy ireo. Na dia tsy mpandray anjara ao amin’ilay fanekena vaovao aza izy ireo, dia mandray soa avy amin’izy io kosa.
Ireo “hafa firenena” sy ny “Isiraelin’Andriamanitra”
4, 5. a) Araka ny voalazan’i Isaia, antokon’olona iza no hanompo an’i Jehovah? b) Ahoana no ahatanterahan’ny Isaia 56:6, 7 eo amin’ny olona betsaka?
4 Nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony — dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko — dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-dra dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako”. (Isaia 56:6, 7). Ny dikan’izany teo amin’ny Isiraely, dia hoe, ireo “hafa firenena”, izany hoe ireo tsy Isiraelita, dia hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah — ho tia ny anarany, hankatò ireo fepetra ao amin’ny faneken’ny Lalàna, hitandrina ny Sabata, sy hanao fanatitra ao amin’ny tempoly, ilay “trano fivavahana” izay an’Andriamanitra. — Matio 21:13.
5 Ny olona betsaka no “hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah” amin’izao androntsika izao. Manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny Isiraelin’Andriamanitra, izy ireo. (Zakaria 8:23). Manolotra fanatitra ankasitrahana mitovy amin’ny an’ny Isiraelin’Andriamanitra, izy ireo. (Hebreo 13:15, 16). Manolotra fanompoam-pivavahana ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy, izay ‘tranony fivavahana’ izy ireo. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 7:15.) Mitandrina ny Sabata isan-kerinandro ve izy ireo? Samy tsy didiana hanao izany na ny voahosotra, na ny ondry hafa. (Kolosiana 2:16, 17). Izao anefa no nolazain’i Paoly tamin’ireo Kristiana voahosotra hebreo: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay niditra tao amin’ny fitsaharany, dia izy koa no nitsahatra tamin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy.” (Hebreo 4:9, 10, fanamarihana ambany pejy). Niditra tao amin’io “sabata fitsaharana” io ireo Hebreo ireo, rehefa nanaiky ny “fahamarinana avy amin’Andriamanitra” ka tsy niezaka nanamarin-tena intsony tamin’ny asan’ny Lalàna. (Romana 10:3, 4). Manana fitsaharana mitovy amin’izany ireo Kristiana voahosotra jentilisa, tamin’ny fanekeny ny fahamarinan’i Jehovah. Miaraka amin’izy ireo ao amin’izany fitsaharana izany ny olona betsaka.
6. Ahoana no itanan’ny ondry hafa amin’izao andro izao ny fanekena vaovao?
6 Ankoatra izany, dia mitana ny fanekena vaovao ny ondry hafa, toy ny nitanan’ireo hafa firenena fahiny ny faneken’ny Lalàna. Amin’ny fomba ahoana? Tsy amin’ny fahatongavana ho mpandray anjara amin’izy io akory, fa amin’ny fanekena ireo lalàna mifandray amin’izy io, sy amin’ny fandraisan-tsoa avy amin’ireo fandaharana mifamatotra amin’izy io. (Ampitahao amin’ny Jeremia 31:33, 34.) Sahala amin’ireo voahosotra namany, dia manana ny lalàn’i Jehovah voasoratra “ao am-pony”, ny ondry hafa. Tia fatratra sy mankatò ireo didy sy foto-pitsipik’i Jehovah, izy ireo. (Salamo 37:31; 119:97). Mahafantatra an’i Jehovah sahala amin’ireo Kristiana voahosotra izy ireo. (Jaona 17:3). Ahoana ny amin’ny famorana? Dimanjato sy arivo taona teo ho eo talohan’ny nanaovana ny fanekena vaovao, dia nampirisika ny Isiraelita toy izao i Mosesy: “Forao ny fonareo”. (Deoteronomia 10:16; Jeremia 4:4). Na dia foana niaraka tamin’ny Lalàna aza ny famorana ara-nofo tsy maintsy natao, dia tsy maintsy ‘mamora’ ny fony ny voahosotra sy ny ondry hafa. (Kolosiana 2:11). Farany, dia mamela ny heloky ny ondry hafa i Jehovah, miorina amin’ny ‘ran’ny fanekena’ izay nalatsak’i Jesosy. (Matio 26:28; 1 Jaona 1:9; 2:2). Tsy manangana azy ireo ho zanany ara-panahy, toy ny nataony tamin’ny 144 000, akory Andriamanitra. Manambara ny ondry hafa ho olo-marina anefa izy, mitovy amin’ny nanambarana an’i Abrahama ho olo-marina, tamin’ny naha-sakaizan’Andriamanitra azy. — Matio 25:46; Romana 4:2, 3; Jakoba 2:23.
7. Fahatsinjovan-javatra inona no misokatra eo anoloan’ny ondry hafa amin’izao andro izao, izay ambara fa olo-marina sahala amin’i Abrahama?
7 Ho an’ireo 144 000, ny fanambarana azy ireo ho olo-marina dia manome azy ireo fahafahana hanana ilay fanantenana ny hiara-manapaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. (Romana 8:16, 17; Galatiana 2:16). Ho an’ny ondry hafa, ny fanambarana azy ireo ho olo-marina, amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra, dia mahatonga azy hanana ilay fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa — na ho anisan’ny olona betsaka ho tafita velona amin’ny Haramagedona, na amin’ny alalan’ny “fitsanganan’ny marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15). Tombontsoa tokoa ny manana fanantenana toy izany, sy ny ho sakaizan’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, ka ‘hitoetra ao amin’ny tabernakeliny’! (Salamo 15:1, 2). Eny, samy tahina amin’ny fomba mahatalanjona amin’ny alalan’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama, ny voahosotra sy ny ondry hafa.
Andro Fanavotana lehibe kokoa
8. Inona no naseho mialoha tamin’ireo sorona tamin’ny Andro Fanavotana, teo ambanin’ny Lalàna?
8 Rehefa niresaka ny amin’ilay fanekena vaovao i Paoly, dia nampahatsiaro an’ireo mpamaky ny taratasiny ny amin’ilay Andro Fanavotana isan-taona teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna. Nisy sorona samy hafa natolotra tamin’io andro io — ny iray ho an’ny fokon’i Levy izay mpisorona, ary ny iray hafa ho an’ny foko 12 tsy mpisorona. Efa hatramin’ny ela no nanazavana izany ho nampiseho mialoha ny sorona lehibe nataon’i Jesosy izay hitondra soa ho an’ny 144 000 manana fanantenana ny ho any an-danitra, sy ireo olona an-tapitrisany maro izay manana fanantenana ny ho eto an-tany.a Nasehon’i Paoly fa, amin’ny fahatanterahan’ilay Andro Fanavotana, ny soa entin’ny soron’i Jesosy dia ampiharina amin’ny alalan’ny Andro Fanavotana lehibe kokoa, eo ambanin’ny fanekena vaovao. Amin’ny maha-Mpisoronabe azy amin’io andro lehibe kokoa io, i Jesosy dia nanome ny ainy lavorary ho sorom-panavotana, mba hahazoan’ny olombelona “fanavotana mandrakizay”. — Hebreo 9:11-24.
9. Afaka nandray inona ireo Kristiana voahosotra hebreo, noho izy ireo tao anatin’ny fanekena vaovao?
9 Kristiana hebreo maro tamin’ny taonjato voalohany no mbola “fatra-pitana ny lalàn[’i Mosesy]” ihany. (Asan’ny Apostoly 21:20). Nety indrindra àry ny nampahatsiarovan’i Paoly azy ireo toy izao: “Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao [i Jesosy], rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.” (Hebreo 9:15). Ny fanekena vaovao dia nanafaka an’ireo Kristiana hebreo tamin’ilay fanekena taloha, izay nampiharihary ny naha-mpanota azy ireo. Afaka nandray “ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay” any an-danitra, izy ireo, noho ny fanekena vaovao.
10. Tokony hisaotra an’Andriamanitra noho ny amin’inona ny voahosotra sy ny ondry hafa?
10 Handray soa avy amin’ny sorom-panavotana “izay rehetra” “mino ny Zanaka”. (Jaona 3:16, 36). Hoy i Paoly: “Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena.” (Hebreo 9:28). Voafaoka ho anisan’izay miandry an’i Jesosy, amin’izao andro izao, ireo Kristiana voahosotra mbola tsy maty, anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra, sy ireo olona an-tapitrisany maro mahaforona ny olona betsaka, izay manana lova mandrakizay koa. Samy misaotra an’Andriamanitra ireo kilasy roa ireo noho ilay fanekena vaovao sy noho ireo fitahiana manome fiainana, mifandray amin’izy io. Anisan’izany fitahiana izany ilay Andro Fanavotana lehibe kokoa sy ny fanompoan’i Jesosy, ilay Mpisoronabe, any amin’ny Masina Indrindra any an-danitra.
Be atao eo amin’ny fanompoana masina
11. Inona no ataon’ny voahosotra sy ny ondry hafa amim-pifaliana, noho izy ireo manana fieritreretana nodiovina tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy?
11 Nohantitranterin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo fa ambony vidy kokoa ny soron’i Jesosy tao amin’ny fandaharana ny amin’ny fanekena vaovao, raha nampitahaina tamin’ireo fanatitra noho ny ota izay natolotra teo ambanin’ny fanekena taloha. (Hebreo 9:13-15). Ilay sorona tsara kokoa nataon’i Jesosy dia afaka ‘manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba [hanaovantsika fanompoana masina ho, NW ] an’Andriamanitra velona’. Ho an’ireo Kristiana hebreo, ny “asa maty” dia nahafaoka ireo “fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany”. Ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao, izany dia mahafaoka ireo fahotana natao tamin’ny lasa, izay nibebahana marina tokoa, ka navelan’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9-11). Amin’ny fieritreretana voadio, ireo Kristiana voahosotra dia manao “fanompoana masina ho an’Andriamanitra velona”. Ary manao toy izany koa ny olona betsaka. Noho izy ireo nanadio ny fieritreretany tamin’ny alalan’ny “ran’ny Zanak’ondry”, dia ao amin’ny tempolin’Andriamanitra lehibe ara-panahy izy ireo, “[manao fanompoana masina ho, NW ] Azy andro aman-alina”. — Apokalypsy 7:14, 15.
12. Ahoana no ampisehoantsika fa manana “fahatokiana be avy amin’ny finoana” isika?
12 Hoy i Paoly, ho fanampin’izany: “Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ny rano madio”. (Hebreo 10:22). Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa manana “fahatokiana be avy amin’ny finoana” isika? Nampirisika ireo Kristiana hebreo toy izao i Paoly: “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana [ho any an-danitra] mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:23-25). Raha velona ny finoantsika, dia tsy ‘hahafoy ny fiarahantsika miangona’ koa isika. Hahafinaritra antsika ny hampirisika ireo rahalahintsika sy hahazo fampirisihana avy aminy, ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. Ary hahafinaritra antsika ny hohatanjahina mba hanao ilay asa tena lehibe, dia ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, na eto an-tany izany, na any an-danitra. — Jaona 13:35.
Ilay “fanekena mandrakizay”
13, 14. Amin’ny fomba ahoana avy no maha-mandrakizay an’ilay fanekena vaovao?
13 Inona no hitranga rehefa ho tanteraka ny fanantenan’ny farany amin’ireo 144 000 ho any an-danitra? Hitsahatra tsy hanan-kery intsony ve ilay fanekena vaovao? Amin’izay fotoana izay, dia tsy hisy sisa amin’ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra intsony eto an-tany. Ireo mpandray anjara rehetra amin’ilay fanekena dia hiaraka amin’i Jesosy “any amin’ny fanjakan’ny Rai[ny]”. (Matio 26:29). Tadidintsika anefa ny tenin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo manao hoe: “Andriamanitry ny fiadanana (...) [dia] nitondra (...) [ny] Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay”. (Hebreo 13:20, izahay no manao sora-mandry; Isaia 55:3). Amin’ny heviny ahoana no maha-mandrakizay an’ilay fanekena vaovao?
14 Voalohany, dia tsy mba sahala amin’ny faneken’ny Lalàna izy io fa tsy hosoloana na oviana na oviana. Faharoa, dia maharitra ny vokatry ny asan’izy io, tsy misy hafa amin’ny fanjakan’i Jesosy. (Ampitahao ny Lioka 1:33 sy ny 1 Korintiana 15:27, 28.) Manana toerana mandrakizay eo amin’ny fikasan’i Jehovah, ilay Fanjakana any an-danitra. (Apokalypsy 22:5). Ary fahatelo, dia hanohy handray soa avy amin’ny fandaharana ny amin’ilay fanekena vaovao ny ondry hafa. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia tsy hitsahatra ‘hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah andro aman’alina eo amin’ny tempoliny’, ireo olona mahatoky, tsy misy hafa amin’izay ataony ankehitriny. Tsy hofongarin’i Jehovah indray ireo fahotan’izy ireo tamin’ny lasa. Efa voavela mantsy izany, niorina tamin’ny ran’i Jesosy, izay tsy inona fa ny ‘ran’ny fanekena’. Hanohy hanana ny toeran’olo-marina amin’ny maha-sakaizan’i Jehovah izy ireo, ary mbola ho voasoratra ao am-pony ihany ny lalàn’i Jehovah.
15. Lazalazao ny fifandraisan’i Jehovah amin’ireo mpivavaka aminy eto an-tany, ao amin’ilay tontolo vaovao.
15 Ho afaka hilaza amin’ireny olombelona mpanompony ireny ve i Jehovah amin’izay hoe ‘Andriamaniny Aho, ary oloko izy’? Eny. “Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny”. (Apokalypsy 21:3, izahay no manao sora-mandry.) Ho tonga “tobin’ny olona masina” izy ireo, hisolo tena eto an-tany ny “tanàna malala”, ilay ampakarin’i Jesosy Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 14:1; 20:9; 21:2). Ho azo atao izany rehetra izany noho ny finoan’izy ireo ny ‘ran’ny fanekena’ nalatsak’i Jesosy, sy noho ny fanekeny ireo mpanjaka sy mpisorona any an-danitra, izay Isiraelin’Andriamanitra, fony izy ireo tetỳ an-tany. — Apokalypsy 5:10.
16. a) Inona avy no mety hiandry an’ireo hatsangana ho eto an-tany? b) Fitahiana inona avy no ho tonga amin’ny faran’ny arivo taona?
16 Ahoana ny amin’ireo maty izay hatsangana eto an-tany? (Jaona 5:28, 29). Hasaina ‘handray fitahiana’ koa izy ireo, amin’ny alalan’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama. (Genesisy 22:18). Tsy maintsy tia ny anaran’i Jehovah koa izy ireo, manompo azy, manolotra fanatitra ankasitrahana, sy manao fanompoana masina ao amin’ny trano fivavahana aminy. Izay manao izany dia hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. (Isaia 56:6, 7). Amin’ny faran’ny arivo taona, ireo mahatoky rehetra dia ho tonga olombelona lavorary, noho ny fanompoan’i Jesosy Kristy sy ireo mpisorona namany 144 000. Ho olo-marina izy ireo, fa tsy hoe hambara fotsiny ho olo-marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra. Ho “velona” izy ireo, satria ho afaka tanteraka amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. (Apokalypsy 20:5; 22:2). Izany ka ho fitahiana! Raha araka ny fahitantsika azy ankehitriny, dia toy ny hoe ho vita amin’izay ny asa maha-mpisorona an’i Jesosy sy ireo 144 000. Efa ho narotsaka tanteraka ireo fitahiana amin’ilay Andro Fanavotana lehibe kokoa. Ankoatra izany, dia ‘hatolotr’i Jesosy ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana’. (1 Korintiana 15:24). Hisy fitsapana farany ho an’ny taranak’olombelona, ary avy eo dia horinganina mandrakizay i Satana sy ireo demoniany. — Apokalypsy 20:7, 10.
17. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika, noho ilay fifaliana miandry antsika?
17 Inona no ho anjara asan’ilay “fanekena mandrakizay”, raha mbola hanana anjara asa ihany izy io, ao amin’ilay vanim-potoana hampientana izay hanomboka amin’izay fotoana izay? Tsy anjarantsika ny hilaza izany. Efa ampy ho an’ny ankehitriny izay nahariharin’i Jehovah hatramin’izao. Mahatalanjona antsika izany. Eritrereto fotsiny ange izany hoe hiaina mandrakizay amin’ny maha-anisan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” e! (2 Petera 3:13). Enga anie ka tsy hisy na inona na inona hampihena ny faniriantsika handova izany fampanantenana izany. Mety tsy ho mora ny miorina mafy. Hoy i Paoly: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10:36). Tadidio anefa fa manjary tsinontsinona izay zava-manahirana sy fanoherana tokony horesena, raha ampitahaina amin’ilay fifaliana miandry antsika. (2 Korintiana 4:17). Noho izany, dia enga anie tsy hisy amintsika ho “naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana”, fa hampiseho kosa ny tenantsika ho “naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. (Hebreo 10:39). Enga anie isika rehetra hatoky tanteraka an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fanekena, mba ho fitahiana mandrakizay antsika rehetra isam-batan’olona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray, toko faha-13, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Azonao ve ny Heviny?
◻ Iza, ankoatra ireo Kristiana voahosotra, no tahina amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama?
◻ Noho ny ondry hafa mahazo fitahiana amin’ny alalan’ny fanekena vaovao, inona no itovian’izy ireo amin’ireo proselyta teo ambanin’ny fanekena taloha?
◻ Ahoana no itahiana ny ondry hafa amin’ny alalan’ilay fandaharana momba ny Andro Fanavotana lehibe kokoa?
◻ Nahoana i Paoly no niantso ny fanekena vaovao hoe “fanekena mandrakizay”?
[Efajoro, pejy 21]
Fanompoana Masina ao Amin’ny Tempoly
Ny olona betsaka dia miara-manolotra fanompoam-pivavahana amin’ireo Kristiana voahosotra, ao amin’ny kianja eto an-tany, amin’ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe. (Apokalypsy 7:14, 15; 11:2). Tsy misy antony tokony hanatsoahana hevitra hoe ao amin’ny kianja mitokana iray izy ireo, izany hoe ao amin’ny Kianjan’ny Jentilisa. Fony i Jesosy teto an-tany, dia nisy Kianjan’ny Jentilisa tao amin’ny tempoly. Tsy nisy fandaharana ho an’ny Kianjan’ny Jentilisa anefa tao amin’ireo planin’ny tempolin’i Solomona sy i Ezekiela, izay avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Tao amin’ny tempolin’i Solomona, dia nisy kianja ivelany iray. Niara-nanolotra fanompoam-pivavahana tao amin’io kianja io ireo Isiraelita sy proselyta, lehilahy sy vehivavy. Io ilay modely ara-paminaniana ho an’ilay kianja eto an-tany amin’ilay tempoly ara-panahy, izay nahitan’i Jaona ny olona betsaka nanao fanompoana masina.
Ny mpisorona sy ny Levita ihany anefa no afaka niditra tao amin’ilay kianja anatiny izay nisy ilay alitara lehibe; ny mpisorona ihany no afaka niditra tao amin’ny Masina; ary ny mpisoronabe ihany no afaka niditra tao amin’ny Masina Indrindra. Ilay kianja anatiny sy ny Masina dia takatra fa mampiseho ilay toe-piainana ara-panahy tsy manam-paharoa misy ireo Kristiana voahosotra eto an-tany. Ary ny Masina Indrindra dia mampiseho ny lanitra mihitsy, izay hahazoan’ireo Kristiana voahosotra ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana miaraka amin’ilay Mpisoronaben’izy ireo any an-danitra. — Hebreo 10:19, 20.
[Sary, pejy 23]
Noho ilay fifaliana miandry antsika, dia aoka isika ho “naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”