Misakafo Tsara ve Ianao eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy?
“Ny sakafo tsara no zavatra fototra indrindra ilain’ny olombelona. (...) Raha tsy misy sakafo ampy, dia ho faty isika.” — Food and Nutrition.
IO FAHAMARINANA fototra io dia aseho mazava an-tsary eo amin’ny vatana kaozatr’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mosarena izay tsy omena an’io “zavatra fototra indrindra ilain’ny olombelona” io. Afaka mahazo an’io zavatra ilaina io ihany ny hafa, nefa tena mbola tsy ampy sakafo mihitsy. Kanefa, maro ny olona afaka misakafo tsara no mianina matetika amin’ny sakafo tsy manjary izay tsy mahavelona firy. “Ny sakafo no hita fa iray amin’ireo fananantsika izay atao tsirambina indrindra”, hoy ny Healthy Eating.
Toy izany koa ny amin’ny sakafo ara-panahy — ny fahamarinana hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Na dia ny sakafo ara-panahy fototra indrindra aza dia tsy ananan’ny olona sasany; mosarena ara-panahy izy ireny. Ny hafa dia manao tsirambina tsotra izao ny fanararaotana ny sakafo ara-panahy azo raisina. Ahoana ny aminao? Misakafo tsara ve ny tenanao manokana eo amin’ny lafiny ara-panahy? Sa mety hoe mampihafy tena ianao ka tsy mandray sakafo ara-panahy? Zava-dehibe ny ho marina amin’ny tenantsika amin’io raharaha io satria ilaintsika bebe kokoa noho ny sakafo ara-nofo mihitsy aza ny sakafo ara-panahy. — Matio 4:4.
Sakafo mba hahazoana fitomboana ara-panahy
Manome antsika antony tsara telo isakafoana tsara ny boky fianarana, Food and Nutrition, izay mivaofy ny maha-zava-dehibe ny fihinanana sakafo araka ny tokony ho izy. Ny iray dia ny hoe mila sakafo isika “mba hampisy fitomboana sy mba hanonerana ny fahasimban’ny sela amin’ny vatantsika”. Efa fantatrao ve fa sela iray tapitrisa tapitrisa amin’ny vatanao no tsy miasa intsony ary mila ny hosoloana isaky ny andro iray iainanao? Mitaky sakafo tsara ny fitomboana araka ny tokony ho izy sy ny fikojakojana ny vatana.
Marina koa izany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Rehefa nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Efesosy, ohatra, ny apostoly Paoly, dia nanantitrantitra ny ilan’ny Kristiana tsirairay sakafo ara-panahy tsara mba hahatongavana ho “lehilahy lehibe”. (Efesiana 4:11-13). Rehefa mamahan-tena araka ny tokony ho izy amin’ny sakafo ara-panahy mahavelona isika, dia tsy mitovy amin’ny zazakely marefo intsony, izay tsy afaka mikarakara tena, ka lasa rembin’izao karazana loza rehetra izao. (Efesiana 4:14). Mitombo ho olon-dehibe matanjaka kosa isika, afaka manao ady mafy ho an’ny finoana satria isika “tezaina amin’ny tenin’ny finoana”. — 1 Timoty 4:6.
Marina ve izany ny aminao? Nitombo ve ianao teo amin’ny lafiny ara-panahy? Sa ianao mbola mitovy amin’ny zazakely ara-panahy — marefo, miankina tanteraka amin’ny hafa, ary tsy afaka miantsoroka andraikitra ara-panahy feno? Takatra mora foana fa vitsy amintsika no hilaza avy hatrany fa toy ny zazakely isika eo amin’ny lafiny ara-panahy; mety anefa ny hanaovana fandinihan-tena amim-pahatsorana. Toy izany ny Kristiana voahosotra sasany tamin’ny taonjato voalohany. Na dia tokony ho efa “mpampianatra” aza ny tenan’izy ireo, ka ho afaka sy ho vonona hampianatra ny hafa izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, dia nanoratra toy izao ihany ny apostoly Paoly: “Mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina.” Mambole fahazotoan-komana amin’ny ventin-kanina ara-panahy tsara, raha maniry hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy ianao. Aza mianina amin’ny sakafo ara-panahy natao ho an’ny zazakely! — Hebreo 5:12.
Mila an’io ventin-kanina ara-panahy io koa isika mba hanamboarana izay simba vokatry ny fisedrana isan’andro izay atrehintsika eo amin’ny tontolo iray feno fankahalana. Afaka mampihena ny tanjatsika ara-panahy ireny. Afaka manavao izany tanjaka izany anefa Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny.” (2 Korintiana 4:16). Ahoana no ‘hanavaozana antsika isan’andro isan’andro’? Amin’ny ampahany, dia amin’ny alalan’ny famahanan-tena tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fianarana, manokana sy miaraka amin’ny hafa, ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly.
Sakafo mba hahazoana hery ara-panahy
Ilaina koa ny sakafo “mba hanome hafanana sy hery”. Manome ny zavatra ilain’ny vatantsika mba hiasany tsara ny sakafo. Tsy hanana hery firy isika raha tsy ampy sakafo. Ny tsy fahampian’ny vy ao amin’ny sakafontsika dia afaka mahatonga antsika hahatsiaro ho vizana sy malaindaina. Izany ve no tsapanao indraindray raha ny amin’ny asa ara-panahy? Mahita fahasahiranana ve ianao manefa ireo adidy mipetraka amin’ny Kristiana iray? Manjary sasatra amin’ny fanaovan-tsoa ny sasany izay milaza fa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ary tsy ampy tanjaka hanaovana asa kristiana. (Jakoba 2:17, 26). Raha hitanao fa marina izany ny aminao, ny fanafodiny dia tena mety ho ny fanatsarana ny sakafonao ara-panahy na ny fampitomboana ny fandraisanao sakafo ara-panahy. — Isaia 40:29-31; Galatiana 6:9.
Aza manaiky ho voafitaka ka hamboly fahazaran-dratsy eo amin’ny fisakafoana ara-panahy. Ny fampiekena ny olona fa tsy mila mamaky ny Baiboly sy mandray fahalalana araka ny marina avy ao izy ireo, no iray amin’ireo fitaka lehibe indrindra nampiasain’i Satana nandritra ny taonjato maro. Izy dia mampiasa tetik’ady tranainy izay noraisin’ireo tafika mpanani-bohitra handresena ny tanàna fahavalo — ny misakana ny fahazoany sakafo sy ny manao izay hahamosarena azy ka hitolo-batana izy. Nitariny ho amin’ny dingana fanampiny anefa io tetik’ady io. Mamitaka ireo izay ‘ataony fahirano’ izy, ka asainy manao izay hahamosarena ny tenany izy ireo na dia voahodidina antontan-tsakafo ara-panahy mahasoa aza. Tsy mahagaga raha maro be aoka izany no lasa rembin’ny fanafihany! — Efesiana 6:10-18.
Sakafo mba hahazoana fahasalamana ara-panahy
Ny antony fahatelo ilantsika sakafo, hoy ny Food and Nutrition, dia “mba ho ara-dalàna ny fahasalaman’ny vatana (...) sy mba hisorohana aretina”. Tsy miharihary avy hatrany ny soa ara-pahasalamana entin’ny sakafo tsara. Rehefa avy nihinana sakafo tsara isika, dia mahalana no mieritreritra hoe ‘Tena nanatsara aoka izany ny foko, (na ny voako na ny hozatro, sy ny toy izany) izy iny.’ Kanefa, manandrama ange tsy misakafo mandritra ny fe-potoana lava e, manjary miharihary ny vokany eo amin’ny fahasalamanao. Vokany inona? Hoy ny boky ara-pitsaboana iray: “Ny fahita indrindra dia ny vokany manimba: tsy fitomboana, tsy fahatoherana aretina tsy dia manao ahoana, tsy fananana hery sy finiavana hanao zavatra.” Nahavoa ny Isiraely fahiny nandritra ny fotoana kelikely ny karazana tsy fahasalamana ara-panahy toy izany. Nilaza toy izao momba azy ireo i Isaia mpaminany: “Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary”. — Isaia 1:5, 6.
Manome antsika ny hery hanoherana ny fahosana ara-panahy toy izany sy ny vokatry ny aretina ara-panahy, ny sakafo ara-panahy tsara. Manampy mba hihazonana antsika ho salama tsara ara-panahy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra — raha mamahan-tena amin’izy io isika! I Jesosy Kristy dia nanazava ny fomba tsy nisintonan’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny fianarana avy tamin’ny fanaovan’ireo razambeny tsirambina teo amin’ny raharaha momba ny famahanan-tena ara-panahy araka ny tokony ho izy. Nanda tsy hamahan-tena tamin’ireo fahamarinana nampianariny koa izy ireo. Inona no vokany? Hoy i Jesosy: “Efa adala ny fon’izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho”. (Matio 13:15). Tsy nandray soa mihitsy avy tamin’ny hery manasitran’ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Nitoetra ho narary ara-panahy izy ireo. Nanjary ‘narary sy narofy’ na dia ny Kristiana voahosotra sasany aza. (1 Korintiana 11:30). Enga anie isika tsy hampiseho fanamavoana mihitsy ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra. — Salamo 107:20.
Loto ara-panahy
Ambonin’ny fandrahonana ho mosarena ara-panahy, dia misy loza iray hafa izay ilaintsika ho fantatra — ny karazan-tsakafo hanintsika mihitsy no mety ho voaloto. Afaka manapoizina antsika mora foana tsy misy hafa amin’ny fihinanana sakafo ara-nofo voaloton’ny otrik’aretina na ny poizina, ny fandraisana fampianarana voaloton’ny hevitra mampidi-doza sy araka ny demonia. (Kolosiana 2:8). Tsy mora foana ny mamantatra ny sakafo misy poizina. “Mety ho tena mahasalama ny fahitana ny sakafo iray”, hoy ny manam-pahaizana iray, “nefa mety hitahiry bakteria mampaharary ilay izy.” Koa maneho fahendrena isika raha mandinika ny loharano niavian’ny sakafontsika ara-panoharana, ka mitadidy ao an-tsaina fa mety ho voaloton’ny fampidirana fampianarana sy filozofia tsy araka ny Soratra Masina ny zavatra vita an-tsoratra sasany, toy ny asa soratr’ireo mpivadi-pinoana. Mampiasa mihitsy anarana mamitaka aza ny mpanamboatra sakafo sasany mba hamitahana ny mpividy raha ny amin’izay ao anatin’ny entana vokariny. Tena afaka manampo an’i Satana, ilay mpamitaka lehibe, hanao mitovy amin’izany isika. Ataovy azo antoka àry fa mandray izany sakafo ara-panoharana izany avy amin’ny loharano azo ianteherana ianao mba hitoeranao ho “salama amin’ny finoana”. — Titosy 1:9, 13, fanamarihana ambany pejy.
Nilaza momba ny olona tamin’ny androny i Thomas Adams, mpitory iray tamin’ny taonjato faha-17, hoe: “Nandavaka ny fasany tamin’ny nifiny izy ireo.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nahafaty azy ireo izay zavatra nohaniny. Ataovy azo antoka fa tsy hahafaty anao izay zavatra haninao eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mitadiava tahirin-tsakafo ara-panahy tsara. “Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina”?, hoy i Jehovah Andriamanitra nanontany, rehefa nitodika tany amin’ny mpampianatra sy mpaminany sandoka ireo izay nilaza tena ho vahoakany. “Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, — mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo”. — Isaia 55:2, 3; ampitahao amin’ny Jeremia 2:8, 13.
Sakafo ara-panahy tondraka
Azo antoka fa tsy misy tsy fahampian-tsakafo ara-panahy tsara. Araka ny naminanian’i Jesosy Kristy azy, dia manana kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina izay be atao eo amin’ny fanomezana ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’izay rehetra maniry azy io, izy izao. (Matio 24:45, NW ). Nampanantena toy izao i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; (...) Ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po”. Raha ny marina, dia mampanantena fanasana amin’ny sakafo izy ho an’ireo izay maniry hihinana azy io. “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...), dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka”. — Isaia 25:6; 65:13, 14.
Eritrereto anefa izao: Mety ho faty mosary isika any amin’ny fanasana iray! Mbola afaka ny ho tena tsy ampy sakafo ihany isika na dia voahodidin’ny sakafo aza, raha tsy tena mitsangana mihitsy ny tenantsika hihinana amin’izy io. Manome itỳ filazalazana ara-bakiteny itỳ ny Ohabolana 26:15: “Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, nefa ny hampakatra azy ho amin’ny vavany dia mahasasatra azy.” Tarehin-javatra mampalahelo re izany! Isika koa toy izany dia mety hanjary ho kamo loatra ka tsy hikely aina eo amin’ny fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly natao mba hanampiana antsika handray sakafo ara-panahy. Na mety hanjary ho sasatra loatra isika ka tsy hahavita hanomana na handray anjara amin’ireo fivorian’ny kongregasiona kristiana.
Fahazarana tsara ara-tsakafo
Manana ny antony rehetra hampitomboana fahazarana tsara ara-tsakafo àry isika. Ny zava-misy anefa dia hoe mitsingintsingina ny sakafony ara-panahy ny maro, ny sasany aza manao izay hahamosarena tanteraka ny tenany. Mety ho tahaka an’ireo olona izay tsy mahita ny maha-zava-dehibe ny sakafo araka ny tokony ho izy, izy ireo, mandra-pizakany ny vokany eo amin’ny fiainany any aoriana kokoa. Raha ny amin’ny mety hanaovantsika tsirambina eo amin’ny fahazarantsika ara-tsakafo, na dia fantatsika aza fa tena ilaina mba hahavelona ny fisakafoana tsara, dia manome izao antony izao ny Healthy Eating (Fisakafoana Mahasalama): “Ny zava-manahirana dia hoe tsy misy fahasimbana haingana eo amin’ny fahasalamana [ho vokatry ny fahazarana ratsy ara-tsakafo], tsy misy vokany tampoka, tsy mba toy izay mitranga aorian’ny fiampitana ny arabe tsy amim-pitandremana. Mety hisy fahasimbana tena miadana sy misoko mangina kosa eo amin’ny fahasalamana, mety ho mora azon’ny aretina kokoa, mety halemy kokoa ny taolana, mety hiadana kokoa ny fahasitranan’ny fery sy ny fahasitranana amin’ny aretina.”
Amin’ny toe-javatra mihoa-pampana, ny olona iray dia mety hanjary hitovy amin’ny vehivavy tanora iray izay voan’ny anorexie mentale. Mampiaiky tena izy fa tsy mila sakafo firy ary tena salama tsara ny tenany, na dia mihasaozanina aza izy ara-batana. Tsy manana faniriana hihinana na inona na inona izy amin’ny farany. “Toe-piainana mampidi-doza izany”, hoy ny boky ara-pitsaboana iray. Nahoana? “Na dia mahalana aza ilay marary no maty ara-bakiteny noho izy mosarena, dia manjary tena tsy ampy sakafo izy ary mety ho fatin’ny aretina tsy dia manao ahoana, raha ny tokony ho izy.”
Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Nandritra ny taona maro aho dia niady mafy noho ny fahafantarako ny ilana hanomanana fivoriana sy hanaovana fianarana manokana tsy tapaka, nefa tsy afaka nanao izany mihitsy aho.” Tena nanao fanovana izy tamin’ny farany, hany ka nanjary mpianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa niaiky tamin’ny fomba feno ny naha-dodona ny tarehin-javatra nisy azy anefa izy vao nanao izany.
Ataovy am-po àry ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera. Aoka ianao ho tahaka ny “zaza vao teraka”, ka ‘maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanao amin’izany ho amin’ny famonjena’. (1 Petera 2:2). Eny, “maniria” — mambole faniriana mafy — mba hameno ny sainao sy ny fonao amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Mila tsy mitsahatra manolokolo an’izany faniriana izany koa ny olon-dehibe ara-panahy. Aza avela ho lasa ‘iray amin’ireo fanananao izay atao tsirambina indrindra’ ny sakafo ara-panahy. Misakafoana tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy, ary mandraisa soa amin’ny fomba feno avy amin’ny “teny mahasalama” rehetra hita ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. — 2 Timoty 1:13, 14, NW.
[Sary, pejy 28]
Mila manatsara ny sakafo haninao ve ianao?