-
Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Desambra
-
-
“Mpisoronabe”
15. Nahoana no miavaka ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy, raha oharina amin’ny an’ireo mpisoronabe fahiny?
15 Maro ny lehilahy nanao ny asan’ny mpisoronabe fahiny. Miavaka anefa ny asan’ny Mpisoronabe ataon’i Jesosy. Nahoana? Hoy i Paoly: “Tsy mila manao tahaka an’ireny mpisoronabe ireny izy, ka manolotra sorona isan’andro, voalohany noho ny otan’ny tenany, ary avy eo noho ny otan’ny vahoaka. Fa efa nataony indray mandeha monja izany rehefa nanolotra ny tenany izy. Lehilahy manana fahalemena no tendren’ny Lalàna ho mpisoronabe, fa Zanaka natao lavorary mandrakizay kosa no tendren’ny tenin’ny fianianana mafy, izay tonga taorian’ny Lalàna.”—Heb. 7:27, 28.b
16. Nahoana no tena miavaka ny soron’i Jesosy?
16 Lehilahy lavorary i Jesosy, tsy nisy hafa tamin’i Adama tamin’izy mbola tsy nanota. (1 Kor. 15:45) I Jesosy irery àry no olona afaka nanome aina lavorary ho sorona, sady tsy nila namerimberina izany. Natao isan’andro ny sorona, teo ambany Lalàn’i Mosesy. Tandindon’ny zavatra ataon’i Jesosy atỳ aoriana ireny sorona sy asan’ny mpisorona ireny. (Heb. 8:5; 10:1) Miavaka noho ny Mpisoronabe hafa àry i Jesosy, satria nahavita zavatra lehibe lavitra, ary hitana an’io andraikiny io mandrakizay.
-
-
Anjara Asa Miavaka Tanan’i Jesosy eo Amin’ny Fikasan’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Desambra
-
-
b Milaza ny manam-pahaizana iray fa misy heviny lehibe ilay teny nadika hoe “indray mandeha monja”, ao amin’ny Baiboly. “Midika izy io fa miavaka, tsy manan-tsahala, ary indray mandeha tsy miverina ny fahafatesan’i Kristy.”
-