“Olom-boavidy ianareo”
“Olom-boavidy ianareo. Amin’ny fomba rehetra, mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.” — 1 KORINTIANA 6:20, MN.
1, 2. a) Inona no namoha lalana ho an’ny “fanafahana amin’ny fahafatesana”? b) Inona no tsy maintsy natao mba hampanan-kery ara-dàlana ny soron’i Kristy, araka ny naseho ara-panoharana mialoha tamin’inona?
“ANDRIAMANITRA no Andriamanitry ny famonjena ho antsika”, hoy ny mpanao salamo, “ary an’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana.” (Salamo 68:20). Namoha lalana ho an’izany fanafahana izany ny soron’i Jesosy Kristy. Kanefa, mba hampanan-kery ara-dalàna izany sorona izany, dia tsy maintsy miseho manokana eo anatrehan’ny tenan’Andriamanitra i Kristy.
2 Izany dia naseho ara-panoharana mialoha tamin’ny Andro Fanavotana, rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe. (Levitikosy 16:12-15). “Fa Kristy kosa”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, “rehefa tonga ho Mpisoronabe (...) tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika.” — Hebreo 9:11, 12, 24.
Ny herin’ny ra
3. a) Ahoana no fiheveran’ny mpanompon’i Jehovah ny ra, ary nahoana? b) Inona no mampiseho fa manana hery ara-dalàna hanao fanavotana noho ny ota ny ra?
3 Anjara asa inona no tanan’ny ran’i Kristy eo amin’ny famonjena antsika? Hatramin’ny andron’i Noa, dia nihevitra ny ra ho masina ireo tena mpanompon’Andriamanitra. (Genesisy 9:4-6). Manana anjara lehibe eo amin’ny fiasan’ny aina ny ra, satria milaza ny Baiboly fa “ny ain’ny nofo dia amin’ny ra”. (Levitikosy 17:11). Koa ny Lalàn’i Mosesy àry dia nitaky ny handrarahana ny ra eo anatrehan’i Jehovah rehefa nisy biby natao sorona. Indraindray dia natentina teo amin’ny tandroky ny alitara koa ny ra. Mazava fa, ny hery manao fanavotana eo amin’ny sorona iray, dia ao amin’ny rany. (Levitikosy 8:15; 9:9). “Ary saiky diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka”. — Hebreo 9:22.
4. a) Niasa ho an’ny fikasana inona ny fameran’Andriamanitra ny fampiasana ny ra? b) Inona no zavatra niavaka tamin’ny fomba namonoana an’i Jesosy?
4 Tsy mahagaga àry raha nosazina ho faty izay rehetra nampiasa ny ra tamin’ny fomba ratsy teo ambanin’ny Lalàna. (Levitikosy 17:10). Fantatsika rehetra fa, rehefa tsy fahita firy ny zavatra iray, na ferana mafy ny fampiasana azy, dia miakatra ny vidiny. Ny fameperana nataon’i Jehovah momba ny fampiasana ny ra dia nanome antoka ny amin’ny ho fiheverana azy ho zava-tsarobidy sy lafo vidy, fa tsy zavatra mahazatra fotsiny. (Asan’ny apostoly 15:29; Hebreo 10:29). Nifanaraka tamin’ny fikasana be voninahitra nampiasana ny ran’i Kristy izany. Nifanentana tamin’izany, dia maty tamin’ny fomba izay nahatonga ny rany ho latsaka izy. Araka izany, dia niharihary fa tsy nanao sorona ny vatan’olombelona nananany fotsiny i Kristy fa nandraraka ny fanahiny [ainy], nanao sorona iny ainy iny mihitsy tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy! (Isaia 53:12, MN). Tsy nanary ny zo ara-dalànan’izany aina izany noho ny tsy fahatanterahana i Kristy; koa nanana vidiny lehibe sady afaka naseho teo anatrehan’Andriamanitra ho fanavotana noho ny fahotan’ny taranak’olombelona ny ra nalatsany.
5. a) Inona no nentin’i Kristy nankany an-danitra, ary nahoana? b) Ahoana no nihariharian’ny faneken’Andriamanitra ny soron’i Kristy?
5 Tsy afaka nitondra ny rany ara-bakiteny tany an-danitra akory i Kristy. (1 Korintiana 15:50). Nentiny kosa izay nasehon’izany ra izany: ny vidiny ara-dalàna avy amin’ny ain’olombelona tanteraka natao sorona. Afaka nampiseho tamin’ny fomba ôfisialy izany aina izany toy ny avotra iray ho takalon’ny taranak’olombelona mpanota izy teo anatrehan’ny tenan’Andriamanitra. Nanjary niharihary ny faneken’i Jehovah izany sorona izany tamin’ny Pentekosta 33 am.fan.ir., rehefa nilatsaka teo amin’ny mpianatra 120 tany Jerosalema ny fanahy masina. (Asan’ny apostoly 2:1-4). Izao dia lasa fananan’i Kristy, tamin’ny alalan’ny fividianana, ny taranak’olombelona, raha azo atao ny milaza izany. (Galatiana 3:13; 4:5; 2 Petera 2:1). Hatreo, dia afaka nirotsaka teo amin’ny taranak’olombelona ireo soa avy amin’ny avotra.
Ireo mandray soa voalohany amin’ny avotra
6. Fandaminana inona no nataon’Andriamanitra mba hampiharana ireo soa avy amin’ny avotr’i Kristy?
6 Tsy nidika anefa izany hoe homena fahatanterahana ara-batana avy hatrany ny taranak’olombelona, satria raha tsy resy ny toetra maha-mpanota ny olombelona, dia tsy hety hisy ny fahatanterahana ara-batana. (Romana 7:18-24). Amin’ny fomba ahoana ary rahoviana no ho resy ny fahotana? Nandamina ireo 144 000 aloha Andriamanitra, dia ireo “mpisorona ho an’Andriamanitsika” any an-danitra mba ‘hanjaka ambonin’ny tany’ miaraka amin’i Jesosy Kristy . (Apokalypsy 5:9, 10; 7:4; 14:1-3). Amin’ny alalan’izy ireo, dia hampiharina tsikelikely amin’ny taranak’olombelona ny soa avy amin’ny avotra mandritra ny vanim-potoana haharitra arivo taona. — 1 Korintiana 15:24-26; Apokalypsy 21:3, 4.
7. a) Inona ilay fanekena vaovao, iza avy ny andaniny sy ny ankilany amin’izany, ary noho ny fikasana inona no nanaovana azy? b) Nahoana no tsy maintsy nisy fahafatesana mba hahatonga ny fanekena vaovao hety hisy, ary inona no anjara asan’ny ran’i Kristy amin’izany?
7 Mba hahatongavana amin’izany, dia “navotana avy tamin’ny olona” ireo 144 000 mpanjaka sady mpisorona. (Apokalypsy 14:4). Tanteraka izany noho ny “fanekena vaovao” iray. Io fanekena io dia fifanekena eo amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy mba hanompoan’ireo mpikambana ao aminy amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona. (Jeremia 31:31-34; Galatiana 6:16; Hebreo 8:6-13; 1 Petera 2:9). Ahoana anefa no hetezan’ny fanekena iray eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona tsy tanteraka? Manazava toy izao i Paoly: “Eo amin’izay misy fanekena [eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona tsy tanteraka], dia ilaina homena ny fahafatesan’ilay olombelona nanao fanekena. Koa manan-kery ny fanekena iray eo ambonin’ny faty novonoina, satria tsy manan-kery mihitsy izy raha mbola velona ilay olombelona nanao fanekena. — Hebreo 9:16, 17, MN.
8, 9. Ahoana no ifandraisan’ny avotra amin’ny fanekena vaovao?
8 Noho izany, ny sorom-panavotana dia tena zava-dehibe ho an’ny fanekena vaovao izay i Jesosy no Mpanalalana aminy. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny [mifanandrify ho an’ny, MN] olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’izao androny izao”. (1 Timoty 2:5, 6). Mihatra indrindra amin’ireo 144 000 izay nifanaovana ny fanekena vaovao ireo teny ireo.
9 Rehefa nanao fanekena tamin’ny Isiraely ara-nofo Andriamanitra, dia tsy nanan-kery ara-dalàna izany raha tsy nisy ram-biby nalatsaka ho sorona. (Hebreo 9:18-21). Toy izany koa, fa mba hahatonga ny fanekena vaovao hanjary hiasa, dia tsy maintsy nandatsaka ny “ran’ny fanekena” i Kristy. (Matio 26:28, MN; Lioka 22:20). Noho Kristy miasa amin’ny maha-Mpisoronabe sady ‘Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao’, dia ampiharin’Andriamanitra amin’ireo tafiditra ao amin’ny fanekena vaovao ny vidin’ny ran’i Jesosy, amin’ny fanambarana azy ireo ara-dalàna ho manana ny fahamarinan’olombelona. (Hebreo 9:15; Romana 3:24; 8:1, 2). Amin’izay Andriamanitra dia afaka mampiditra azy ireo ao amin’ilay fanekena vaovao mba ho mpanjaka sady mpisorona any an-danitra! Amin’ny maha-Mpanalalana sy Mpisoronben’izy ireo azy, dia manampy azy ireo hitoetra ho madio eo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy. — Hebreo 2:16; 1 Jaona 2:1, 2.
Fanangonana ny zavatra etỳ an-tany
10, 11. a) Ahoana no itaran’ny avotra amin’olona ankoatran’ireo kristiana voahosotra? b) Iza ireo olona betsaka, ary toerana inona no tanany eo anatrehan’Andriamanitra?
10 Moa ve ireo kristiana voahosotra ihany no afaka manandrana fanafahana avy amin’ny avotra, dia ny famelana ny otan’izy ireo? Tsia, fa mampihavana ny zavatra hafa rehetra aminy Andriamanitra, ka ny ra teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana, araka ny asehon’ny Kolosiana 1:14, 20. Mahatafiditra ny zavatra any an-danitra (ireo 144 000) ary koa ny zavatra etỳ ambonin’ny tany izany. Ireto farany dia ireo izay hahazo ny fiainana eto an-tany, olombelona izay hifaly amin’ny fianana tanteraka ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Hatramin’ny 1935 indrindra no nisy ezaka niaraha-nanao mba hanangonana ireny olona ireny. Milazalaza azy ireo ho toy ny “olona betsaka” izay mahazo ny famonjena avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny Apokalypsy 7:9-17. Mbola mila ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo ary ‘hoentina ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina’, satria asehon’ny Apokalypsy 20:5 fa tsy hanjary ho velona amin’ny fomba feno izy ireo ka hanana ny fiainan’olombelona tanteraka, raha tsy any amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. Ireo izay ho tafita amin’ny fitsapana farany amin’ny maha-olombelona tanteraka azy amin’izay, dia hambara fa marina ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany. — Apokalypsy 20:7, 8.
11 Na dia izany aza, ny olona betsaka dia efa ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ aloha. (Apokalypsy 7:14). Tsy miasa amin’ny maha-Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao ho azy ireo akory i Kristy, kanefa dia mandray soa avy amin’io fanekena io izy ireo amin’ny alalan’ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola miasa amin’ny maha-Mpisoronabe ho azy ireo anefa i Kristy, ka amin’ny alalany no ahafahan’i Jehovah mampihatra ny avotra ka manambara azy ireo fa marina izao amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:23.) Mandritra ilay Fanjakana arivo taona, amin’ny fomba miandalana, izy ireo dia “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, [mandra-pahatongany amin’ny farany] ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 8:21.
12. Amin’ny fototra inona no ifandraisan’Andriamanitra amin’ireo olona nahatoky talohan’ny andro kristiana?
12 Raha ny amin’ny toerany eo anatrehan’Andriamanitra, dia mety ho toa tsy misy fahasamihafana firy eo amin’ireo olona betsaka sy ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristiana. Kanefa, Andriamanitra dia nifandray tamin’ireto farany tamin’ny fitsinjovana ilay fandaharan’ny avotra mbola ho avy. (Romana 3:25, 26). Nahazo famelana ny helony tamin’ny fomba vonjimaika fotsiny izy ireny. (Salamo 32:1, 2). Tsy nanafaka azy ireo tanteraka tamin’ny ‘fieritreretana ny amin’ny ota’ ny sorona biby, fa nahatonga “fahatsiarovana ny ota” kosa. — Hebreo 10:1-3.
13. Tombony inona no ananantsika amin’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana?
13 Tsy mitovy amin’izany ny amin’ireo kristiana marina amin’izao fotoana izao. Manompo mifototra amin’ny avotra iray efa voaloa izy ireo! Amin’ny alalan’ny Mpisoronabeny, dia ‘manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana’ izy ireo. (Hebreo 4:14-16). Ho azy ireo, ny fihavanana amin’Andriamanitra dia tsy fahatanterahan-javatra mbola antenaina fa efa zava-misy! (2 Korintiana 5:20). Rehefa manao fahadisoana izy ireo, dia afaka mahazo tena famelan-keloka. (Efesiana 1:7). Mifaly amin’ny tena fieritreretana madio izy ireo. (Hebreo 9:9; 10:22; 1 Petera 3:21). Ireo fitahiana ireo dia fanandramana mialoha ny amin’ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra izay hifalian’ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny hoavy!
Ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra sy ny fitiavany
14, 15. Amin’ny ahoana ny avotra no mampisongadina ny fahendren’Andriamanitra tsy azo takarina, ary koa ny fahamarinany sy ny fitiavany?
14 Fanomezana mahatalanjona avy amin’i Jehovah toy inona moa ny avotra! Mora azo ny heviny nefa ampy fahalalinana izany mba hanohina izay matsilo saina indrindra. Zara raha nosafosafointsika fotsiny ny fandinihana momba ny asan’ny avotra. Kanefa dia miara-mihiaka amin’ny apostoly Paoly isika manao hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalàny tsy azo fantarina!” (Romana 11:33). Niseho ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny nahavitany namonjy ny taranak’olombelona sady niaro ny fiandrianany. Noho ny avotra, dia “naharihary ny fahamarinan’Andriamanitra (...) Andriamanitra nampiseho [an’i Kristy] ho fanati-panavotana amin’ny alalan’ny finoana ny rany”. — Romana 3:21-26, MN.
15 Tsy misy fanakianana azo amelezana an’Andriamanitra noho ny namelany ny ota izay nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana tamin’ny lasa. Ankoatra izany, dia tsy misy fanakianana azo amelezana an’i Jehovah noho ny nanambarany an’ireo voahosotra ho marina amin’ny maha-zanany azy, na ny olona betsaka amin’ny maha-sakaizany azy. (Romana 8:33). Tamin’ny vidiny lafo dia lafo naloan’ny tenany, Andriamanitra dia niseho ho ara-dalàna, na feno fahitsiana tamin’ny fomba tonga lafatra teo amin’ny fifampiraharahana nataony, ka noporofoiny tanteraka fa diso ilay fihamboana feno lainga nataon’i Satana hoe mpitondra tsy manao ny rariny i Jehovah! Naharihary tamin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra toy izany koa ny fitiavan’Andriamanitra ireo zavaboariny, tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany. — Romana 5:8-11.
16. a) Amin’ny fomba ahoana no namelan’ny avotra handamina ilay raharaha mikasika ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’Andriamanitra? b) Ahoana no anomezan’ny avotra antsika fototra ho an’ny finoana ny tontolo vaovao iray hanjakan’ny rariny ho avy?
16 Ny fomba nanomezana ny avotra koa dia nandamina ilay raharaha nahatafiditra ny tsy fivadihan’ireo mpanompon’Andriamanitra. Nanatanteraka izany ny fankatoavan’i Jesosy fotsiny ihany. (Ohabolana 27:11; Romana 5:18, 19). Manampy izany anefa ny fomba fiainan’ireo kristiana 144 000 izay nitoetra tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana na dia teo aza ny fanoheran’i Satana! (Apokalypsy 2:10). Ny avotra dia nahatonga hety ny fahazoan’izy ireo ho valisoa ny tsy fahafatesana — fiainana tsy mety simba! (1 Korintiana 15:53; Hebreo 7:16, MN). Izany dia mahatonga ho hadalana ny fihamboan’i Satana hoe tsy mendrika itokiana ireo mpanompon’Andriamanitra! Nanome antsika fototra mafy ho an’ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra koa ny avotra. Afaka mahatsinjo rafitra iray momba ny famonjena izay “naorina ara-dalàna” tamin’ny alalan’ny sorom-panavotana isika. (Hebreo 8:6, MN). Azo antoka amin’izay ny tontolo vaovao iray hanjakan’ny rariny! — Hebreo 6:16-19.
Aoka isika tsy ho diso ny zava-kendreny
17. a) Ahoana no ampisehoan’ny sasany fa tsy nahatratra ny zava-kendren’ny avotra izy? b) Inona no afaka manome antsika antony manosika hitoetra ho madio ara-pitondrantena?
17 Mba handraisan-tsoa avy amin’ny avotra, dia ilaina ny mahazo fahalalana, maneho finoana, ary miaina araka ny fari-pitondrantena ao amin’ny Baiboly. (Jaona 3:16; 17:3). Vitsy ihany anefa no vonona hanao izany. (Matio 7:13, 14). Na dia eo anivon’ireo kristiana marina aza, ny sasany dia mety “hanaiky ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory, nefa tsy hahatratra ny zava-kendreny”. (2 Korintiana 6:1, MN). Nandritra ireo taona, ohatra, dia an’arivony maro no voaroaka noho ny fitondrantena ratsy teo amin’ny lahy sy ny vavy. Mahamenatra re izany raha jerena izay nataon’i Jehovah sy Kristy ho antsika! Moa ve ny fankasitrahana ny avotra tsy tokony hanosika olona iray tsy hanjary ‘hanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny’? (2 Petera 1:9). Amin’ny fomba mety àry no ampahatsiarovan’i Paoly ny kristiana hoe : “Fa olom-boavidy ianareo. Amin’ny fomba rehetra, mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo”. (1 Korintians 6:20, MN). Manome antsika antony manosika mahery mba hitoerana ho madio ara-pitondrantena ny fitadidiana izany! — 1 Petera 1:14-19.
18. Ahoana no ahafahan’ny kristiana iray latsaka ao anatin’ny ota lehibe mbola handray soa amin’ny avotra ihany?
18 Ahoana anefa raha toa ny olona iray ka efa latsaka ao anatin’ny ota lehibe? Tokony hanararaotra ny famelan-keloka izay nanjary nety noho ny avotra izy, amin’ny fandraisana fanampiana avy amin’ireo mpiandraikitra be fitiavana. (Jakoba 5:14, 15). Na dia ilaina aza ny fifehezana mafy, dia tsy tokony hitambotsotra noho izany fanitsiana izany ny kristiana mibebaka iray. (Hebreo 12:5). Manana ity fanomezan-toky ao amin’ny Baiboly mahatalanjona ity isika: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra”. — 1 Jaona 1:9.
19. Inona no fomba fiheverana azon’ny kristiana raisina mikasika ny fitondrantenany ratsy izay nitranga talohan’ny nianarany ny fahamarinana?
19 Indraindray ny kristiana dia kivy amin’ny fomba tafahoatra noho ny fitondrantena ratsy tamin’ny lasa. “Talohan’ny nidiranay tao amin’ny fahamarinana”, hoy ny nosoratan’ny rahalahy very hevitra iray, “dia voan’ny ‘herpès génital’ (aretina mifindra avy amin’ny firaisana) izaho sy ny vadiko. Indraindray izahay dia mahatsiaro tena ho tsy madio, toy ny hoe tsy ‘sahaza’ ny fandaminan’i Jehovah madio”. Ekena fa na dia aorian’ny fahatongavana ho kristiana aza, dia mety hijinja fahoriana sasany avy amin’ny fahadisoana tamin’ny lasa ny olona sasany. (Galatiana 6:7). Na dia izany aza, dia tsy misy antony tokony hahatsapana tsy fahadiovana eo imason’i Jehovah rehefa nibebaka ny tena. “Ny ran’i Kristy” dia afaka “hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty” — Hebreo 9:14.
20. Ahoana no ahafahan’ny finoana ny avotra manamaivana ny kristiana iray amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka tsy ilaina.
20 Eny, afaka manampy mba hanamaivana antsika amin’ny enta-mavesatry ny fahatsiarovan-tena ho meloka tsy ilaina ny finoana ny avotra. Nanaiky toy izao ny anabavy tanora iray: “Niady mafy tamin’ny fahazarana maloto manao ‘masturbation’ aho nandritra ny 11 taona mahery izao. Saika nandao ny kongregasiona mihitsy aho tamin’ny fotoana iray, noho ny fahatsapana fa tsy ho tian’i Jehovah mihitsy ny olona iray maharikoriko toy izany handoto ny kongregasionany.” Tsy maintsy mahatsiaro anefa isika fa Jehovah dia “tsara sady mamela heloka” raha miady mafy amim-pitandremana amin’ny tsy rariny isika fa tsy manaiky ho resiny! — Salamo 86:5.
21. Ahoana no tokony hampisy akony ny avotra eo amin’ny fiheverantsika ireo nanafintohina antsika?
21 Tokony hisy akony koa eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny avotra. Ahoana, ohatra, no fihetsikao rehefa manafintohina anao ny kristiana namanao iray? Moa ve ianao mamela heloka malalaka sahala amin’i Kristy? (Lioka 17:3, 4). Moa ve ianao ‘miantra sy mamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokao ao amin’i Kristy’? (Efesiana 4:32). Sa kosa ianao mirona hitahiry lolompo na hanao otripo? Izany dia azo antoka fa tsy fahatratrarana ny zava-kendren’ny avotra. — Matio 6:15.
22, 23. a) Vokany inona no tokony hoentin’ny avotra eo amin’ny zava-kendrentsika sy ny fomba fiainantsika? b) Fanapahan-kevitra inona no tokony hataon’ny kristiana rehetra momba ny avotra?
22 Farany, dia tokony hisy vokany lalina eo amin’ny zava-kendrentsika sy ny fomba fiainantsika ny fankasitrahantsika ny avotra. Hoy i Paoly: “Olom-boavidy hianareo, ka aza mety ho andevon’olona.” (1 Korintiana 7:23). Moa ve ny zavatra ilaina ara-bola — trano, asa, sakafo, fitafiana — no mbola vaindohan-draharaha eo amin’ny fiainanao? Sa ianao mikatsaka ny Fanjakana aloha, mametraka ny finoanao amin’ny fampanantenan’Andriamanitra fa hanome izay ilainao? (Matio 6:25-33). Mety ho miasa mafy ho an’ny mpampiasa anao ve ianao kanefa tsy manome toerana ampy ho an’ireo asa teokratika? Tsarovy fa Kristy dia “nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba (...) hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany”. — Titosy 2:14; 2 Korintiana 5:15.
23 “Isaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” noho io fanomezana faran’izay tsara io, dia ny avotra! (Romana 7:25, MN). Enga anie isika tsy ho diso ny zava-kendren’ny avotra na oviana na oviana, fa hamela azy kosa ho tonga tena hery eo amin’ny fiainantsika. Na amin’ny fisainana, na amin’ny teny, na amin’ny atao, dia enga anie isika hanome voninahitra an’Andriamanitra mandrakariva, mitadidy amim-pankasitrahana fa olom-boavidy isika.
Fanontaniana famerenana
◻ Nahoana ny ra no heverina ho masina, ary tamin’ny fomba ahoana no nampisehoana ny ran’i Kristy teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra?
◻ Inona no anjara asan’ny ran’i Kristy tamin’ny fanamafisana ny fanekena vaovao?
◻ Ahoana no itondran’ny avotra soa ho an’ny voahosotra sy ny olona betsaka?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy diso ny zava-kendren’ny avotra isika?
[Sary, pejy 16]
Ny hery manao fanavotana amin’ny sorona iray dia ao amin’ny rany misy ny aina
[Sary, pejy 17]
Izay mankasitraka ny famelan’Andriamanitra heloka dia vonona ny hanitatra ny famelan-keloka amin’ny hafa