Mandrisiha ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara — Amin’ny Fomba Ahoana?
“Aoka isika hifampandinika [mba handrisika ho amin’ny, NW ] fitiavana sy ny asa tsara; (...) fa [mifampahereza, NW ] kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” — HEBREO 10:24, 25.
1, 2. a) Nahoana no zava-dehibe ny nahitan’ireo Kristiana tany am-boalohany fampiononana sy fampaherezana tany amin’ny fiarahan’izy ireo nivory? b) Torohevitra nomen’i Paoly inona no nivaofy ny amin’ny ilana hiara-mivory?
NIVORY tamim-piafenana izy ireo, nifanety tao an-trano nihidy. Tany ivelany, dia nananontanona teny rehetra teny ny loza. Vao avy novonoina ho faty ampahibemaso ilay Mpitarika azy ireo, i Jesosy, ary izy io dia efa nampitandrina ireo mpanara-dia azy fa tsy ho tsara kokoa noho ny azy ny fomba hitondrana azy ireo. (Jaona 15:20; 20:19). Kanefa raha teo am-piresahana moramora ny amin’i Jesosy malalany izy ireo, ny naha-tafaraka azy dia tsy maintsy nahatonga azy ireo hahatsiaro tena ho voaro tamin’ny loza kokoa fara faharatsiny.
2 Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia niatrika fisedrana sy fanenjehana tamin’ny fomba rehetra ny Kristiana. Sahala amin’ireo mpianatra voalohany, dia nanovo fampiononana sy fampaherezana avy tamin’ny fiarahana mivory izy ireo. Araka izany, dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 10:24, 25: “Aoka isika hifampandinika [mba handrisika ho amin’ny, NW ] fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa [mifampahereza, NW ] kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.”
3. Nahoana ianao no milaza fa ny Hebreo 10:24, 25 dia mihoatra noho ny didy mba hiarahan’ireo Kristiana mivory fotsiny?
3 Mihoatra lavitra noho ny didy natao fotsiny mba hanohizana hiara-mivory ireo teny ireo. Izy ireo dia manome fari-pitsipika ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ho an’ireo fivoriana kristiana rehetra — ary, raha ny tena izy, dia ho an’ny tarehin-javatra rehetra izay iarahan’ireo Kristiana. Amin’izao andro izao, mihoatra noho ny hatramin’izay, rehefa hitantsika mazava fa mihantomotra ilay andron’i Jehovah, dia manjary tsy maintsy ilaina ny hahatongavan’ireo fivoriantsika ho toy ny toeram-pialofana miaro amin’ny loza, ho loharanon’ny tanjaka sy fampaherezana ho an’ny rehetra, noho ireo fanerena sy loza avy amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Inona no azontsika atao mba hiantohana izany? Aoka isika handinika amim-pitandremana ireo tenin’i Paoly, amin’ny fanaovana fanontaniana telo lehibe hoe: Inona no dikan’ny hoe ‘mifampandinika’? Inona no dikan’ny hoe ‘mifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’? Farany, ahoana no ahazoantsika ‘mifampahery’ amin’izao fotoan-tsarotra izao?
‘Mifampandinika’
4. Inona no dikan’ny hoe ‘mifampandinika’?
4 Rehefa nampirisika mafy ireo Kristiana mba “hifampandinika” i Paoly, dia nampiasa ilay matoanteny grika hoe ka·ta·no·eʹo, endriny fanamafisana an’ilay teny mahazatra hoe “mahita”. Milaza ny Theological Dictionary of the New Testament fa izy io dia midika hoe “mampitodika ny sain’ny tena rehetra ho amin-javatra iray”. Araka ny voalazan’i W. E. Vine, dia afaka midika koa izy io hoe “mahazo hevi-javatra amin’ny fomba feno, mandinika akaiky”. Koa rehefa ‘mifampandinika’ àry ny Kristiana, dia tsy vitan’ny hoe mahita fotsiny ny etỳ ivelany izy ireo fa mampiasa kosa ny fahaizany ara-tsaina rehetra izy ireo ary miezaka hahita lalina kokoa. — Ampitahao amin’ny Hebrio 3:1, Kat.
5. Lafin-toetra sasany inona avy eo amin’olona iray no mety tsy ho voamarika avy hatrany, ary nahoana isika no tokony handinika izany?
5 Ilaintsika ny mitadidy fa misy zavatra betsaka lavitra eo amin’ny olona iray noho izay mety hahariharin’ny fitazanana fotsiny ny fisehoany ivelany, na ny asany, na ny maha-izy azy. (1 Samoela 16:7). Matetika ny fisehoana ivelany ho tony dia manafina ny tena fihetseham-po lalina na ny fahaizana manao sy mandray vazivazy mahafinaritra. Eo koa ny fahasamihafana be eo amin’ny fiaviana. Ny sasany dia efa nandalo fizahan-toetra mahatsiravina teo amin’ny fiainany; ny hafa ankehitriny dia eo am-piaretana tarehin-javatra izay sarotra amintsika ny maka sary an-tsaina izany. Impiry impiry moa ny fahasosorantsika noho ny fomba hafahafa sasany ataon’ny rahalahy na anabavy iray no manjavona rehefa fantatsika bebe kokoa ny amin’ny fiavian’ilay olona na ny toe-javatra misy azy. — Ohabolana 19:11.
6. Fomba sasany inona avy no ahafahantsika mifankahalala tsaratsara kokoa, ary soa inona no mety ho vokatr’izany?
6 Mazava ho azy fa izany akory tsy midika hoe tokony hitsofoka amin’ny raharahan’ny hafa manokana isika, kanefa tsy nasaina hanao izany. (1 Tesaloniana 4:11). Na dia izany aza, dia azo antoka fa afaka maneho fahalianana manokana amin’ny hafa avy isika. Izany dia mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fiarahabana fotsiny any amin’ny Efitrano Fanjakana. Nahoana raha mifidy olona iray izay irinao hofantarina tsaratsara kokoa, ary mikendry ny handany minitra vitsivitsy iresahana aloha na aorian’ny fivoriana? Mbola ho tsara kokoa ny ho ‘mazoto mampiantrano vahiny’ amin’ny fanasana namana iray na roa any an-tranonao ho amin’ny sakafo maivana tsotra. (Romana 12:13). Manehoa fahalianana. Mihainoa. Ny fanontaniana fotsiny ny olona iray ny amin’ny fomba nanjary nahafantarany sy nitiavany an’i Jehovah, dia mety hampiharihary zavatra betsaka. Mety mbola hahafanta-javatra bebe kokoa anefa ianao amin’ny fiarahana miasa eo amin’ny fanompoana isan-trano. Ny fifampandinihana amin’izany fomba izany dia hanampy antsika mba hampitombo tena fiaraha-miory na fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa marina. — Filipiana 2:4; 1 Petera 3:8.
‘Mifandrisika’
7. a) Ahoana no fiantraikan’ny fampianaran’i Jesosy teo amin’ny olona? b) Inona no nahatonga ny fampianarany hahery aoka izany?
7 Rehefa mifampandinika isika, dia voaomana tsara kokoa mba hifandrisika, na hifampirisika mafy ho amin’ny fanaovan-javatra. Ireo loholona kristiana indrindra no manana anjara asa lehibe amin’io lafiny io. Izao no vakintsika mahakasika fotoana iray nitenenan’i Jesosy ampahibemaso: “Dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28). Tamin’ny toe-javatra hafa iray, na dia ireo miaramila nirahina hisambotra azy aza dia nandao azy tamin’ny filazana hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” (Jaona 7:46). Inona no nahatonga ny fampianaran’i Jesosy ho nahery aoka izany? Noho ny fampisehosehoana fihetseham-po tafahoatra ve? Tsia, niteny tamim-pahamendrehana i Jesosy. Kanefa dia nikendry mandrakariva ny hanohina ny fon’ny mpihaino azy izy. Noho izy nandinika ny olona, dia hainy tsara ny nanosika azy ireo hanao zavatra. Nampiasa fanoharana mora azo alaina sary an-tsaina sy tsotra izay nanome taratr’ireo zava-nisy teo amin’ny fiainana andavanandro izy. (Matio 13:34). Toy izany koa fa, ireo manao anjara nanendrena amin’ireo fivoriantsika dia tokony hanahaka an’i Jesosy amin’ny fanaovana ny anjarany amin’ny fomba mafana sy feno risi-po izay manosika hanao zavatra. Sahala amin’i Jesosy, dia afaka miezaka isika mitady ohatra izay mifanentana amin’ny mpihaino antsika ka hanohina ny fony.
8. Ahoana no nandrisihan’i Jesosy tamin’ny ohatra, ary ahoana no ahafahantsika manahaka azy amin’io lafiny io?
8 Amin’ny fanompoana ilay Andriamanitsika, dia mety hifandrisika amin’ny alalan’ny ohatra isika rehetra. Azo antoka fa nandrisika ny mpihaino azy i Jesosy. Tiany ilay asa fanompoana kristiana ary nasandrany ilay fanompoana. Nilaza izy fa izany dia toy ny sakafo ho an’ny tenany. (Jaona 4:34; Romana 11:13). Mety hamindra ny risi-po toy izany. Moa ve ianao afaka mamela ny fifalianao eo amin’ny fanompoana hiseho toy izany koa? Na dia manalavitra amim-pitandremana ny fandokafan-tena aza ianao, dia zarao amin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona ireo fanandraman-javatra tsara hitanao. Rehefa manasa ny hafa hiara-miasa aminao ianao, dia jereo raha azonao ampiana izy ireo hahita tena fahafinaretana marina amin’ny firesahana amin’ny hafa ny amin’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika Lehibe. — Ohabolana 25:25.
9. a) Inona avy ireo fomba sasany fandrisihana ny hafa izay irintsika hohalavirina, ary nahoana? b) Inona no tokony hanosika antsika hanome ny avy amin’ny tenantsika ho an’ny fanompoana an’i Jehovah?
9 Mitandrema anefa, mba tsy handrisika ny hafa amin’ny fomba tsy mety. Ohatra, amin’ny fomba tsy nahy, isika dia mety hanao izay hahatsiarovany tena ho meloka noho ny tsy nanaovany bebe kokoa. Tsy fanahy iniantsika, fa mety hampahamenatra azy isika amin’ny fampitahana azy amin’ny fomba mahasosotra amin’ny hafa izay miharihary fa marisika kokoa, na mety hanorina mihitsy fari-pitsipika henjana isika ka hanaratsy izay tsy mahatratra izany. Ny tsirairay amin’ireo fomba ireo dia samy mety hanosika olona sasany hanao zavatra mandritra ny fotoana kelikely, kanefa i Paoly dia tsy nanoratra hoe: ‘Mba handrisika ho amin’ny fanamelohan-tena sy ny asa tsara’. Tsia, tsy maintsy mandrisika ho amin’ny fitiavana isika, avy eo dia hanaraka ny asa avy amin’ny antony manosika tsara. Tsy misy olona tokony ho voatosika indrindra noho ny fiheverana izay hoeritreretin’ny hafa ao amin’ny kongregasiona momba azy raha toa izy ka tsy tena mahavita ireo zavatra antenaina aminy. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:6, 7.
10. Nahoana isika no tokony hitadidy fa tsy tompon’ny finoan’ny hafa isika?
10 Ny hoe mifandrisika dia tsy midika hoe mifampifehy. Na dia nanana fahefana be avy tamin’Andriamanitra aza ny apostoly Paoly, dia nampahatsiaro tamim-panetren-tena toy izao ny kongregasiona tao Korinto izy: ‘Tsy tompon’ny finoanareo izahay’. (2 Korintiana 1:24). Raha sahala aminy isika, ka mahatakatra amim-panetren-tena fa tsy anjarantsika ny mamaritra izay tokony hataon’ny hafa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, na ny maka ny toerany ka manisy fitsipika ho an’ny feon’ny fieritreretany eo amin’ny fanapahan-kevitra manokana hafa, dia hanalavitra ny ho tonga “marina loatra”, tsy manam-pifaliana, henjana, tsy manorina, na mirona hanao fitsipika, isika. (Mpitoriteny 7:16). Ny toetra toy izany dia tsy mandrisika fa mampahory.
11. Inona no nanosika hanao fanomezana tamin’ny andro nanorenana ny tabernakelin’ny Isiraely, ary ahoana no mety haha-marina izany amin’izao androntsika izao?
11 Irintsika ny hanaovana ireo ezaka rehetra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, amin’ny toe-tsaina mitovy amin’ilay teo amin’ny Isiraely fahizay, fony nilaina ny fanomezana ho an’ny fanorenana ny tabernakely. Vakina toy izao ny Eksodosy 35:21: “Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny [asa, NW ]”. Tsy voatery avy etỳ ivelany izy ireo, fa voatosika avy ao anaty kosa, avy amin’ny fo. Raha ny marina, ilay teny hebreo eto dia milaza ara-bakiteny fa “izay rehetra voaingan’ny fony” dia nanao izany fanomezana izany. (Izahay no manao soramandry.) Amin’ny fanaovan-javatra lasa lavitra kokoa, dia aoka isika hikely aina mba samy hanainga ny fon’ny hafa avy na oviana na oviana isika no miaraka. Afaka manao ny sisa ny fanahin’i Jehovah.
“Mifampahereza”
12. a) Heviny sasany inona avy no ananan’ilay teny grika nadika hoe “mampahery”? b) Tamin’ny ahoana ireo sakaizan’i Joba no tsy nahavita nampahery azy? d) Nahoana isika no hitana tena mba tsy hifampitsara?
12 Fony i Paoly nanoratra ny amin’ny tokony ‘hifampaherezantsika’, dia nampiasa ny endriny iray amin’ilay teny grika hoe pa·ra·ka·leʹo, izay midika koa hoe ‘manatanjaka, mampionona’, izy. Ao amin’ny dikan-tenin’ny Septante Grika, dia io teny io ihany no nampiasaina ao amin’ny Joba 29:25, izay nilazalaza an’i Joba ho mpampionona ny misaona. Tsy arakaraka izany fa, fony ny tenan’i Joba tao anatin’ny fisedrana mafy, dia tsy nahazo fampaherezana toy izany izy. Ireo “mpampionona” azy telo lahy dia revo aoka izany tamin’ny fitsarana azy sy tamin’ny fandevilevena azy, hany ka tsy nahavita nahatakatra ny fiheviny na nahay nipetraka teo amin’ny toerany. Raha ny marina, tao anatin’ny resaka rehetra nataon’izy ireo, dia tsy niantso an’i Joba tamin’ny anarany na dia indray mandeha akory aza izy ireo. (Ampifanohero amin’ny Joba 33:1, 31.) Miharihary fa nihevitra azy kokoa ho toy ny zava-manahirana fa tsy ho toy ny olona, izy ireo. Tsy mahagaga raha nihiaka tamin’izy ireo tamim-pahakiviana toy izao i Joba: “Raha mba tonga tahaka ahy [mantsy] hianareo”! (Joba 16:4). Toy izany koa amin’izao andro izao, fa raha maniry hampahery olona ianao, dia mahaiza mipetraka eo amin’ny toerany! Aza mitsara. Hoy ny Romana 14:4: “Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy [i Jehovah, NW ].”
13, 14. a) Fahamarinana fototra inona no ilaintsika hampiekena an’ireo rahalahy sy anabavintsika mba hampiononana azy ireny? b) Ahoana no nanatanjahan’ny anjely iray an’i Daniela?
13 Misy endriny iray amin’ny pa·ra·ka·leʹo sy ny anarana mifandray aminy adika hoe “fampiononana” ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:16, 17: “Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.” Mariho fa ampifandraisin’i Paoly ilay hevitra momba ny fampiononana ny fontsika sy ilay fahamarinana fototra hoe tia antsika i Jehovah. Koa mety hifampahery sy hampionona ny hafa isika amin’ny fanamafisana io fahamarinana lehibe io.
14 Tamin’ny toe-javatra iray, dia nikorontan-tsaina aoka izany ny mpaminany Daniela taorian’ny nahazoany fahitana nampahatahotra iray, hany ka hoy izy: “Nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.” Nirahin’i Jehovah ny anjely iray izay nampahatsiaro imbetsaka an’i Daniela fa “malala” teo imason’i Jehovah izy. Inona no vokatr’izany? Nilaza toy izao tamin’ilay anjely i Daniela: “Efa nampahery ahy [ianao].” — Daniela 10:8, 11, 19.
15. Ahoana no tokony hampifandanjan’ny loholona sy ny mpiandraikitra mpitety faritany ny teny fiderana sy ny fanitsiana?
15 Indro àry misy fomba hafa iray hampaherezana ny hafa. Derao izy ireo! Mora dia mora ny milatsaka ao amin’ny toe-tsaina tia manakiana, sarotsarotiny. Marina aloha fa misy fotoana mety hilana fanitsiana, indrindra fa avy amina loholona na mpiandraikitra mpitety faritany. Hahasoa azy ireo anefa raha toa izy ireo tsaroana noho ireo fampaherezana manafana ny fo nomeny, toy izay noho ny fananany fihetsika feno fanakianana.
16. a) Rehefa mampahery olona ketraka, nahoana matetika no tsy ampy fotsiny ny mampirisika mafy azy mba hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Elia fony izy ketraka?
16 Ireo ketraka indrindra no mila fampaherezana, ary antenain’i Jehovah ny haha-loharanom-panampiana antsika, amin’ny maha-Kristiana namana — indrindra fa raha loholona isika. (Ohabolana 21:13). Inona no azontsika atao? Ny valin’izany dia mety tsy ho tsotra fotsiny, toy ny hoe filazana aminy mba hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nahoana? Satria mety hilaza an-kolaka izany fa ny fahaketrahan’izy ireo dia avy amin’ny tsy fahampian’izay nataon’izy ireo. Tsy izany mazàna ny tarehin-javatra. Indray mandeha ny mpaminany Elia dia ketraka mafy ka naniry ny ho faty; kanefa dia tonga izany tamin’ny fotoana naha-faran’izay be zavatra natao azy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ahoana no nifampiraharahan’i Jehovah taminy? Naniraka anjely izy mba hanome fanampiana azo nampiharina. Namboraka izay tao am-pony tamin’i Jehovah i Elia, naharihariny fa nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny toy ireo razambeny efa nody mandry izy, fa very maina ny asa rehetra nataony, ary fa irery tanteraka izy. Nihaino i Jehovah ary nampionona azy tamin’ny fampisehoana nahatahotra ny heriny sy tamin’ny fanomezana toky azy fa tsy irery velively akory izy, ary ilay asa natombony dia hovitaina. Nampanantena koa i Jehovah fa hanome namana an’i Elia mba hampiofaniny ka handimby azy amin’ny farany. — 1 Mpanjaka 19:1-21.
17. Ahoana no ahafahan’ny loholona iray mampahery olona izay masiaka loatra amin’ny tenany?
17 Mampahery toy inona moa izany! Enga anie isika hampahery toy izany koa ireo izay mikorontana ara-pihetseham-po eo amintsika. Miezaha mahatakatra ny fiheviny amin’ny fihainoana! (Jakoba 1:19). Manomeza fampiononana araka ny Soratra Masina mifanentana amin’izay ilain’izy ireo isam-batan’olona. (Ohabolana 25:11; 1 Tesaloniana 5:14). Mba hampaherezana ireo izay masiaka loatra amin’ny tenany, ireo loholona dia afaka manolotra amin-katsaram-panahy porofo araka ny Soratra Masina fa tia azy sy mihevitra azy ho sarobidy i Jehovah.a Ny firesahana ny avotra dia mety ho fomba fampaherezana mahery iray ho an’ireo mihevi-tena ho tsy misy vidiny. Ny olona iray izay malahelo noho ny ota sasany tamin’ny lasa dia mety hila ny hanehoana fa ny avotra dia nanadio azy raha nibebaka marina sy niala tanteraka tamin’izay mety ho fanao toy izany izy. — Isaia 1:18.
18. Ahoana no tokony hampiasana ny fampianarana momba ny avotra mba hampaherezana olona iray izay niharam-pahavoazana noho ny nataon’ny hafa, toy ny tamin’ny fisavihana?
18 Mazava ho azy fa ny loholona iray dia hanisy fiheverana ny tarehin-javatra manokana mba hampiasana izany fampianarana izany araka ny tokony ho izy. Aoka isika handinika ohatra iray: Ny sorom-panavotan’i Kristy dia nanana ho tandindona an’ireo sorona biby tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay notakina tamin’ny fanaronana ny ota rehetra. (Levitikosy 4:27, 28). Tsy nisy anefa fepetra notakina hoe voatery hanao izany fanatitra noho ny ota izany ny olona iray nisy nisavika. Milaza ny Lalàna fa tsy azon’izy ireo ‘asiana na inona na inona’ izy mba hanasaziana azy. (Deoteronomia 22:25-27). Koa amin’izao andro izao, raha toa ny anabavy iray nisy nanafika sy nisavika, ka izany dia nahatonga azy hihevi-tena ho maloto sy tsy misy vidiny, dia hety ve ny hanantitranterana aminy ny amin’ny ilany ny avotra mba hanadio azy amin’izany fahotana izany? Azo antoka fa tsia. Tsy nanota izy fony izy nisy nanafika. Ilay mpisavika no nanota sy mila hodiovina. Kanefa ilay fitiavana nasehon’i Jehovah sy i Kristy tamin’ny fanomezana ny avotra dia azo ampiasaina ho porofo fa tsy voaloto teo imason’Andriamanitra izy noho ny fahotan’olon-kafa iray, fa sarobidy amin’i Jehovah izy ary mitoetra ao amin’ny fitiavany. — Ampitahao amin’ny Marka 7:18-23; 1 Jaona 4:16.
19. Nahoana isika no tsy tokony hanantena fa hampahery avokoa ny fiarahana rehetra amin’ny rahalahy sy anabavintsika, kanefa inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika?
19 Eny, na inona na inona mety ho tarehin-javatra eo amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona, na toy inona na toy inona toe-javatra mampanaintaina mety hanamaizina ny fiainany tamin’ny lasa, dia tokony ho afaka hahita fampaherezana ao amin’ny kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah izy. Ary hahita izany izy raha toa isika isam-batan’olona mikely aina mifampandinika sy mifandrisika ary mifampahery amin’ny fotoana rehetra iarahantsika. Noho isika tsy lavorary anefa, dia tsy mahavita manao izany isika rehetra indraindray. Amin’ny fomba tsy azo ialana, dia samy mandiso fanantenana na mampalahelo mihitsy ny hafa aza isika indraindray. Miezaha mba tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazan’ny hafa eo amin’io lafiny io. Raha mifantoka amin’ireo fahadisoana madinika ianao, dia mety hanjary ho be fanakianana tafahoatra ny kongregasiona ary mety ho latsaka mihitsy aza ao amin’ilay fandrika izay nahadodona aoka izany an’i Paoly ny hanampy antsika hanalavitra azy, dia ny famoizana ny fiarahantsika mivory. Enga anie ka tsy hitranga mihitsy izany! Arakaraka ny hahatongavan’itỳ fandehan-javatra tranainy itỳ ho mihamampidi-doza sy ho mihamampahory kokoa, dia aoka isika ho tapa-kevitra mafy ny hanao izay azontsika atao mba hahatonga ny fiarahantsika any amin’ireo fivoriana hampandroso — mainka satria hitantsika fa mihantomotra ny andron’i Jehovah!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny loholona iray dia mety hifidy ny hianatra lahatsoratra mampahery ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! miaraka amin’ny olona toy izany — ohatra: “Moa ve Ianao Handray Soa avy Amin’ny Hatsaram-po ho An’izay Tsy Mendrika Akory”? sy “Ny Fomba Handresena Amin’ny Ady Atao Amin’ny Fahaketrahana”. — Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May sy 1 Jona 1990.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no tena zava-dehibe ny hahatonga ireo fivoriantsika sy fiarahantsika hampahery amin’izao andro farany izao?
◻ Inona no dikan’ny hoe mifampandinika?
◻ Inona no dikan’ny hoe mifandrisika?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe mifampahery?
◻ Ahoana no mety hampaherezana an’ireo ketraka sy rera-po?
[Sary, pejy 16]
Ny fampiantranoam-bahiny dia manampy antsika hifankahalala tsaratsara kokoa
[Sary, pejy 18]
Fony ketraka i Elia, dia nampionona azy tamin-katsaram-panahy i Jehovah