Na dia eo Aza ny Fisedrana, Mifikira Amin’ny Finoanao!
“Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny [ fisedrana, NW ] samy hafa hianareo”. — JAKOBA 1:2.
1. Manompo an’i Jehovah amim-pinoana sy amin’ny “faharavoam-po” ny vahoakany, na dia misetra inona aza izy?
NY VAHOAKAN’I Jehovah dia Vavolombelony manompo azy amim-pinoana sy amin’ny “faharavoam-po”. (Deoteronomia 28:47; Isaia 43:10). Manao izany izy ireo na dia ianjadian’ny fisedrana maro aza. Na dia eo aza ireo zava-tsarotra diaviny, dia manovo fampiononana avy amin’ireto teny ireto izy: “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny [fisedrana, NW ] samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.” — Jakoba 1:2, 3.
2. Inona no fantatra momba ilay mpanoratra ny taratasin’i Jakoba?
2 Io filazana io dia nosoratan’i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy Kristy iray reny taminy, tokony ho tamin’ny 62 am.f.i. (Marka 6:3). Loholona tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema i Jakoba. Raha ny marina aza, izy sy i Kefasy (Petera) ary i Jaona dia “natao ho andry” — olona nafana fo sady mafy orina teo amin’ny fanohanana ny kongregasiona. (Galatiana 2:9). Rehefa naroso teo amin’ny “Apostoly sy ny loholona” ilay raharaha niadian-kevitra momba ny famorana tamin’ny 49 am.f.i. tany ho any, i Jakoba dia nanome fanoloran-kevitra niorina tamin’ny Soratra Masina ary neken’io fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany io ilay izy. — Asan’ny Apostoly 15:6-29.
3. Inona avy no sasany tamin’ireo olana natrehin’ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no ahafahantsika mandray soa be indrindra avy amin’ny taratasin’i Jakoba?
3 Noho i Jakoba mpiandry ara-panahy be fiahiana, dia ‘fantany ny tarehin’ny ondry’. (Ohabolana 27:23). Takany fa niatrika fisedrana mafy ny Kristiana tamin’izany fotoana izany. Nila fanitsiana ny fomba fisainan’ny sasany, satria nampiseho fiangarana tamin’ny mpanan-karena izy ireo. Ho an’ny Kristiana maromaro, dia fombafomba fotsiny ny fanompoam-pivavahana. Ny sasany nandratra tamin’ny lelany tsy voafehy. Nitondra vokany nanimba ny toe-tsaina araka an’izao tontolo izao, ary Kristiana maro no sady tsy nanam-paharetana no tsy nazoto nivavaka. Raha ny marina aza, dia nanjary narary ara-panahy ny Kristiana sasany. Mamelabelatra ny amin’ireo raharaha ireo amin’ny fomba mampahery ny taratasin’i Jakoba, ary azo ampiharina amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny torohevitra nomeny. Handray soa be dia be isika raha mihevitra io taratasy io ho toy ny hoe nosoratana ho antsika manokana.a
Rehefa mandia fisedrana isika
4. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fisedrana?
4 Asehon’i Jakoba amintsika ny fomba tokony hiheverana ny fisedrana. (Jakoba 1:1-4). Tsy nanonona ny rohim-pihavanany tamin’ny Zanak’Andriamanitra izy fa niantso ny tenany tamim-panetren-tena kosa hoe “mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo”. I Jakoba dia nanoratra tamin’ny ‘firenena roa ambin’ny folon’ny’ Isiraely ara-panahy ‘nonina tany am-pielezana’. Teo am-boalohany, dia noho ny fanenjehana no nahatonga azy ireo hiely. (Asan’ny Apostoly 8:1; 11:19; Galatiana 6:16; 1 Petera 1:1). Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia enjehina koa isika ary ‘iharan’ny fisedrana samy hafa’. Raha mitadidy anefa isika fa manatanjaka ny finoantsika ireo fisedrana iaretana, dia ‘hataontsika ho fifaliana avokoa’, rehefa iharan’izy ireny isika. Raha mihazona ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra isika mandritra ireo fisedrana, dia hitondra fahasambarana maharitra ho antsika izany.
5. Inona no mety ho anisan’ireo fisedrana antsika, ary inona no mitranga rehefa miaritra azy ireny amim-pahombiazana isika?
5 Anisan’ireo fisedrana antsika ny fahoriana manjo ny olombelona rehetra. Ohatra, mety hamely antsika ny tsy fahasalamana. Tsy manao fanasitranana mahagaga akory Andriamanitra ankehitriny, kanefa valiany ny vavaka ataontsika mba hahazoana ny fahendrena sy ny herin-tsaina ilaina mba hiatrehana aretina. (Salamo 41:1-3). Mijaly noho ny fahamarinana koa isika Vavolombelon’i Jehovah izay enjehina. (2 Timoty 3:12; 1 Petera 3:14). Rehefa miaritra amim-pahombiazana ny fisedrana toy izany isika, dia voaporofo ny finoantsika, ka manjary ‘voazaha toetra’. Ary rehefa mandresy ny finoantsika, dia “mahatonga faharetana” izany. Hanampy antsika hiaritra fitsapana ho avy, ny finoantsika nohatanjahina bebe kokoa tamin’ny alalan’ireo fisedrana.
6. Amin’ny ahoana ‘ny faharetana no misy asa tanteraka’, ary dingana azo ampiharina inona avy no azontsika atao rehefa ao anatin’ny fisedrana isika?
6 “Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka”, hoy i Jakoba. Raha avelantsika handeha ny fisedrana ka tsy iezahantsika hofaranana haingana amin’ny fomba tsy araka ny Soratra Masina, ny fiaretana dia hanao ilay “asa” mahatonga antsika ho Kristiana feno, izay tsy mba tsy ampy finoana. Mazava ho azy fa raha mampibaribary fahalemena eo amintsika ny fisedrana iray, dia tokony hitady ny fanampian’i Jehovah isika mba handresena ilay fahalemena. Ahoana raha fakam-panahy haloto fitondran-tena ilay fisedrana? Aoka isika hivavaka momba ilay zava-manahirana ary avy eo dia hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika. Mety hilaintsika angamba ny miova toeram-piasana na ny manao dingana hafa mba hihazonana ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. — Genesisy 39:7-9; 1 Korintiana 10:13.
Ny fikatsahana fahendrena
7. Ahoana no mety hanampiana antsika hiatrika fisedrana?
7 Asehon’i Jakoba amintsika izay tokony hatao raha tsy fantatsika ny fomba iatrehana fisedrana. (Jakoba 1:5-8). Tsy hanakiana antsika i Jehovah raha tsy ampy fahendrena isika ka mivavaka amim-pinoana mba hahazoana izany. Hanampy antsika hihevitra araka ny tokony ho izy ny fisedrana sy hiaritra izany, izy. Mety hanintona ny saintsika ho amin’ny andinin-teny sasany ny mpiray finoana amintsika na ny fianarana Baiboly. Mety hanampy antsika hahita izay tokony hataontsika ny fisehoan-javatra tarihin’Andriamanitra. Mety hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra isika. (Lioka 11:13). Mba handraisan-tsoa toy izany, dia mazava ho azy fa tsy maintsy mifikitra akaiky amin’Andriamanitra sy ny vahoakany isika. — Ohabolana 18:1.
8. Nahoana no tsy handray na inona na inona avy amin’i Jehovah ny olona iray misalasala?
8 Manome antsika fahendrena mba hiatrehana fisedrana i Jehovah, raha toa isika ka ‘mangataka amim-pinoana ka tsy miahanahana akory’. “Toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany”, tsy fantatra hoe ho aiza, ny olona iray miahanahana, na misalasala. Raha tsy miorina tsara ara-panahy toy izany isika, dia ‘tsy tokony hanampo handray zavatra avy amin’ny Tompo’. Aoka isika tsy ‘hiroa saina’ na ‘hiovaova’ ao amin’ny vavaka na amin’ny zavatra hafa. Aoka kosa isika hanam-pinoana an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahendrena. — Ohabolana 3:5, 6.
Afaka mifaly na ny manankarena na ny mahantra
9. Nahoana isika no manana antony tokony hifaliana amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah antsika?
9 Na dia iray amin’ireo fisedrana antsika aza ny fahantrana, dia aoka isika hitadidy ao an-tsaina fa samy afaka mifaly, na ny Kristiana manankarena na ny Kristiana mahantra. (Jakoba 1:9-11). Talohan’ny nahatongavany ho mpanara-dia an’i Jesosy, dia tsy nanana firy ara-nofo ny ankamaroan’ireo voahosotra ka nohamavoin’izao tontolo izao. (1 Korintiana 1:26). Afaka nifaly noho ny “fisandratany” ho amin’ny toeran’ny mpandova ilay Fanjakana anefa izy ireo. (Romana 8:16, 17). Mifamadika amin’izany, ireo mpanan-karena izay nomem-boninahitra taloha, dia ‘mietry’ rehefa tonga mpanara-dia an’i Kristy, noho izy hamavoin’izao tontolo izao. (Jaona 7:47-52; 12:42, 43). Afaka mifaly anefa isika mpanompon’i Jehovah rehetra satria tsinontsinona ny harena sy ny saranga ambony eo amin’izao tontolo izao, raha ampitahaina amin’ny harena ara-panahy ananantsika. Ary velom-pankasitrahana erỳ isika fa tsy misy ireharehana noho ny saranga sosialy eo amintsika! — Ohabolana 10:22; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
10. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristiana ny harena ara-nofo?
10 Ampian’i Jakoba isika hahita fa tsy miankina amin’ny harena sy ny zava-bita araka an’izao tontolo izao ny halavan’ny fiainantsika. Toy ny hatsaran-tarehin’ny voninkazo izay tsy mahasakana azy tsy ho faty rehefa azon’ny “hainandro mahamay”, dia toy izany ny harenan’ny mpanan-karena, tsy afaka manalava ny androm-piainany. (Salamo 49:6-9; Matio 6:27). Mety ho faty izy raha mbola eny amin’ny “alehany”, angamba eo am-panaovana raharaham-barotra. Noho izany, ny zava-dehibe dia ny “manan-karena ny amin’Andriamanitra” sy ny manao izay rehetra azontsika atao mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. — Lioka 12:13-21; Matio 6:33; 1 Timoty 6:17-19.
Sambatra ireo izay miaritra fisedrana
11. Inona avy ireo zavatra andrandrain’ireo mifikitra amin’ny finoany eo anatrehan’ny fisedrana?
11 Na manankarena isika na mahantra, dia tsy afaka ny ho sambatra raha tsy miaritra ny fisedrana antsika. (Jakoba 1:12-15). Raha miaritra fisedrana isika ka tsy mihena ny finoantsika, dia azo lazaina fa sambatra isika, satria ahitam-pifaliana ny fanaovana izay mahitsy eo imason’Andriamanitra. Amin’ny fifikirany amin’ny finoany mandra-pahafatiny, ireo Kristiana nateraky ny fanahy dia handray “ny satroboninahitra fiainana”, izany hoe ho any an-danitra ka tsy ho faty intsony. (Apokalypsy 2:10; 1 Korintiana 15:50). Raha manana fanantenana ny ho eto an-tany isika ka mitana ny finoantsika an’Andriamanitra, dia afaka miandrandra ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. (Lioka 23:43, NW; Romana 6:23). Toy inona moa ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’izay rehetra maneho finoana azy!
12. Rehefa mandia fahoriana isika, nahoana isika no tsy tokony hilaza hoe: ‘Andriamanitra no misedra ahy’?
12 Mety ho ny tenan’i Jehovah mihitsy ve no misedra antsika amin’ny fahoriana? Tsia, tsy tokony hilaza isika hoe: ‘Andriamanitra no misedra ahy’. Tsy misedra antsika i Jehovah mba hampanota antsika. Azo antoka kosa fa hanampy antsika izy ka hanome antsika ny tanjaka ilaina mba hiaretana fisedrana, raha mitoetra ho mafy orina amin’ny finoana isika. (Filipiana 4:13). Masina Andriamanitra, koa tsy mametraka antsika ao anatin’ny toe-javatra hampahalemy ny hery hoentintsika hanohitra ny fanaovan-dratsy izy. Raha mampiditra ny tenantsika ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy isika ka manota, dia tsy tokony hanome tsiny an’Andriamanitra, ‘fa Andriamanitra tsy azon’ny ratsy sedraina sady tsy mba misedra olona Izy’. Na dia mety hamela ny hisian’ny fisedrana ho fifehezana antsika aza i Jehovah mba hahasoa antsika, dia tsy misedra antsika noho ny zava-kendrena ratsy izy. (Hebreo 12:7-11). Mety haka fanahy antsika hanao zava-dratsy i Satana, kanefa afaka manafaka antsika amin’io ratsy fanahy io Andriamanitra. — Matio 6:13.
13. Inona no mety hitranga raha tsy manilika ny fanirian-dratsy isika?
13 Ilaintsika ny mazoto mivavaka, satria mety hampipoitra fanirian-dratsy izay mety hitaona antsika hanota ny tarehin-javatra iray. Hoy i Jakoba: “Samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.” Tsy afaka manome tsiny an’Andriamanitra noho ny nanotantsika isika, raha toa isika ka namela ny fontsika hifantoka tamin’ny faniriana feno ota. Raha tsy manilika ny fanirian-dratsy isika, dia ‘hotorontoronina’ ilay izy, ho voakolokolo ao am-po, ary ‘hiteraka ota’. Rehefa tanteraka ny ota, dia “miteraka fahafatesana”. Miharihary àry fa ilaintsika ny mitandrina ny fontsika sy ny manohitra ireo fironana hanota. (Ohabolana 4:23). Nampitandremana i Kaina hoe nadiva handresy azy ny ota, saingy tsy nanohitra izy. (Genesisy 4:4-8). Koa ahoana àry raha manomboka manaraka lalana tsy araka ny Soratra Masina isika? Azo antoka fa tokony ho velom-pankasitrahana isika raha misy loholona kristiana miezaka hanitsy antsika mba tsy hanotantsika amin’Andriamanitra. — Galatiana 6:1.
Andriamanitra — Ilay Loharanon’ny zava-tsoa
14. Amin’ny heviny ahoana no azo ilazana fa “tanteraka” ny fanomezan’Andriamanitra?
14 Tokony hotadidintsika fa Loharanon’ny zava-tsoa i Jehovah, fa tsy Loharanon’ny fisedrana. (Jakoba 1:16-18). Nantsoin’i Jakoba hoe ‘rahalahy malala’ ireo mpiray finoana taminy ary nasehony fa Andriamanitra no Mpanome ‘ny fanomezan-tsoa sy ny fanomezana tanteraka rehetra’. “Tanteraka”, na feno, izany hoe tsy misy tsy ampy, ireo fanomezana ara-panahy sy ara-nofo avy amin’i Jehovah. “Avy any ambony” izy ireny, avy any amin’ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra. (1 Mpanjaka 8:39). I Jehovah no “Rain’ny fanazavana” — ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana. Manome antsika fahazavana ara-panahy sy fahamarinana koa izy. (Salamo 43:3; Jeremia 31:35; 2 Korintiana 4:6). Tsy toy ny masoandro izay mampiova ny aloka arakaraka ny fihodinany ary tsy mahatratra ny fara tampony raha tsy amin’ny mitataovovonana Andriamanitra, fa eo amin’ny fara tampony foana raha ny amin’ny fanomezany izay tsara. Azo antoka fa hanomana antsika hiatrika fisedrana izy, raha manararaotra amin’ny fomba feno ireo fandaharany ara-panahy omena amin’ny alalan’ny Teniny sy ny “mpanompo mahatoky sy malina”, isika. — Matio 24:45, NW.
15. Inona no iray amin’ireo fanomezana tsara indrindra avy amin’i Jehovah?
15 Inona no iray amin’ireo fanomezana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra? Ny fiterahana zanaka ara-panahy amin’ny alalan’ny fanahy masina, izay miara-miasa amin’ny vaovao tsara, na ny “teny fahamarinana”. ‘Santatra’ ireo izay ateraka ho zanaka ara-panahy, nofidina teo amin’ny olombelona mba ho “fanjakana sy mpisorona” any an-danitra. (Apokalypsy 5:10; Efesiana 1:13, 14). Nety ho tao an-tsain’i Jakoba ireo voaloham-bokatra tamin’ny vary hordea natolotra tamin’ny 16 Nisana, izay daty nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, sy ny fanatitra mofo varimbazaha roa tamin’ny Pentekosta, izay fotoana nandatsahana ny fanahy masina. (Levitikosy 23:4-11, 15-17). Amin’io lafiny io, dia i Jesosy no voaloham-bokatra ary ireo mpiara-mandova aminy no ‘santatra’. Ahoana raha manana fanantenana ny ho eto an-tany isika? Ny fihazonantsika izany ao an-tsaina dia hanampy antsika hifikitra amin’ny finoantsika ilay Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra”, izay nanao izay hisian’ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana.
Aoka ianao ho “mpankatò ny teny”
16. Nahoana isika no tokony ‘halady hihaino, kanefa ho malai-miteny sy ho malain-ko tezitra’?
16 Na mandia fisedrana ny finoantsika isika amin’izao fotoana izao na tsia, dia tsy maintsy ho “mpankatò ny teny” isika. (Jakoba 1:19-25). Ilaintsika ny “halady hihaino” ny tenin’Andriamanitra, ka ho mpankatò azy io. (Jaona 8:47). Etsy an-danin’izany, dia aoka isika “ho malai-miteny”, ka handanjalanja amim-pitandremana ny tenintsika. (Ohabolana 15:28; 16:23). Angamba i Jakoba nampirisika antsika mba tsy ho mailaka hilaza hoe avy amin’Andriamanitra ny fisedrana antsika. Toroana hevitra koa isika mba “ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra”. Raha tezitra noho izay lazain’ny olona iray isika, dia aoka isika ‘tsy hanao zavatra maimaika’ mba hisorohana valin-teny mandratra. (Efesiana 4:26, 27). Tsy afa-mamokatra izay takin’ny finoana an’ilay Andriamanitsika marina amintsika ny fahatezerana, izay mety hiteraka olana ho antsika sy hanjary ho fisedrana ho an’ny hafa. Ankoatra izany, raha “be fahaiza-manavaka” isika, dia ‘tsy ho mora tezitra’, ary dia ho voasintona ho amintsika ireo rahalahintsika sy anabavintsika. — Ohabolana 14:29, NW.
17. Inona no tontosa amin’ny fanesorana ny faharatsiana ao am-po sy ao an-tsaina?
17 Azo antoka fa ilaintsika ny ho afaka amin’ny ‘fahalotoana rehetra’ — ny zava-drehetra maharikoriko an’Andriamanitra sy miteraka fahatezerana. Ankoatra izany, dia tsy maintsy ‘manary ny faharatsiana rehetra’ (Fandikan-teny Katolika) isika. Tokony hanaisotra izay rehetra mety ho fahalotoan’ny nofo na ny fanahy tsy hisy eo amin’ny fiainantsika, isika rehetra. (2 Korintiana 7:1; 1 Petera 1:14-16; 1 Jaona 1:9). Nanampy antsika ‘hanaiky tamim-pahalemem-panahy ny tenin’ny fahamarinana nambolena’ ny nanesorantsika ny faharatsiana tao am-pontsika sy tao an-tsaintsika. (Asan’ny Apostoly 17:11, 12). Na hafiriana na hafiriana no naha-Kristiana antsika, dia tsy maintsy mamela hatrany ny hisian’ny fahamarinana araka ny Soratra Masina bebe kokoa, ho voavoly ao amintsika, isika. Nahoana? Satria noho ny fanahin’Andriamanitra, dia mamokatra “ny toetra vaovao” izay mitondra ho amin’ny famonjena, ny teny nambolena. — Efesiana 4:20-24.
18. Inona no maha-samy hafa ny olona iray mpihaino ny teny fotsiny ihany sy ny olona iray izay sady mpankatò ny teny koa?
18 Ahoana no ampisehoantsika fa mpitari-dalana antsika ny teny? Amin’ny ‘fankatoavana ny teny, fa tsy amin’ny fihainoana fotsiny ihany’. (Lioka 11:28). Ireo “mpankatò” dia manana finoana izay mamokatra asa, toy ny fanaovan-javatra amin-jotom-po eo amin’ny fanompoana kristiana sy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra. (Romana 10:14, 15; Hebreo 10:24, 25). “Toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra” ny olona iray mpihaino fotsiny ny teny. Mijery izy, dia lasa ary hadinony izay mety hilaina mba hanitsiana ny fisehoany ivelany. Noho isika “mpankatò ny teny” kosa, dia mianatra sy mankatò amim-pitandremana ny “lalàna tanteraka” nomen’Andriamanitra, izay mahafaoka ny zava-drehetra takiny amintsika, isika. Tena mifanohitra amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana àry ny fahafahana ananantsika, satria mitarika ho amin’ny fiainana. Koa aoka àry isika ‘haharitra amin’ny lalàna tanteraka’, ka handinika tsara sy hankatò azy io tsy an-kijanona. Ary hevero ange e! Noho isika ‘mpanao ny asa, fa tsy mpihaino manadino’, dia manana ilay fifaliana vokatry ny fahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra isika. — Salamo 19:7-11.
Tsy mpivavaka ara-pomba fotsiny
19, 20. a) Araka ny Jakoba 1:26, 27, inona no takin’ny fivavahana madio amintsika? b) Inona avy no ohatra sasany ny amin’ny fivavahana tsy voaloto?
19 Raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia ilaintsika ny mitadidy fa tsy fombafomba fotsiny akory ny fivavahana marina. (Jakoba 1:26, 27). Mety hihevitra isika fa “mpivavaka” amin’i Jehovah azony ekena ny tenantsika, kanefa ny fiheverany ny tsirairay avy amintsika no tena zava-dehibe. (1 Korintiana 4:4). Mety ho kileman-toetra lehibe ny tsy fahaizana ‘mamehy ny vava’. Hamita-tena isika raha mihevitra fa mampifaly an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika, kanefa isika manendrikendrika ny hafa, mandainga, na mampiasa ny lelantsika amin’ny fomba ratsy hafa. (Levitikosy 19:16; Efesiana 4:25). Azo antoka fa tsy tiantsika ho “zava-poana” sy tsy azon’Andriamanitra ekena ny ‘fivavahantsika’, na noho ny antony inona na noho ny antony inona.
20 Na dia tsy manonona ny lafiny rehetra amin’ny fivavahana madio aza i Jakoba, dia nilaza izy fa tafiditra amin’izy io ny ‘famangiana ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany’. (Galatiana 2:10; 6:10; 1 Jaona 3:18). Manisy fiheverana manokana ny fanomezana izay ilain’ny mpitondratena ny kongregasiona kristiana. (Asan’ny Apostoly 6:1-6; 1 Timoty 5:8-10). Koa satria Andriamanitra no Mpiaro ny mpitondratena sy ny kamboty, dia aoka isika hiara-miasa aminy amin’ny fanaovana izay azontsika atao mba hanampiana azy ireny amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. (Deoteronomia 10:17, 18). Ny fivavahana madio dia midika koa hoe “miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”, dia ilay fitambaran’olona tsy marina eo ambanin’ny herin’i Satana. (Jaona 17:16; 1 Jaona 5:19). Aoka àry isika hitoetra ho afaka amin’ny fitondran-tenan’izao tontolo izao tsy matahotra an’Andriamanitra, mba ho afaka hanome voninahitra an’i Jehovah isika ary ho azony ampiasaina eo amin’ny fanompoana azy. — 2 Timoty 2:20-22.
21. Mifandray amin’ny taratasin’i Jakoba, fanontaniana fanampiny inona avy no mendrika ny hodinihintsika?
21 Tokony hanampy antsika hiaritra fisedrana sy hifikitra amin’ny finoantsika ny torohevitr’i Jakoba nodinihintsika hatreto. Tokony hampitombo ny fankasitrahantsika ilay Mpanome fanomezan-tsoa izay be fitiavana izy io. Ary manampy antsika hanaraka ny fivavahana madio ireo tenin’i Jakoba. Inona koa no nanintonany ny saintsika? Dingana fanampiny inona avy no azontsika atao mba hanaporofoana fa manana ny tena finoana an’i Jehovah isika?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mandritra ny fianarana manokana na ny fianaram-pianakaviana atao amin’itỳ lahatsoratra itỳ sy ireo roa manaraka, dia ho hitanao fa hahasoa indrindra ny hamakiana ny ampahany tsirairay voatonona amin’ny taratasin’i Jakoba izay manatanjaka finoana.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no hanampy antsika hiaritra fisedrana?
◻ Na dia eo aza ireo fisedrana, nahoana no afaka mifaly ny Kristiana?
◻ Ahoana no ahafahantsika ho mpankatò ny teny?
◻ Inona no tafiditra amin’ny fivavahana madio?
[Sary, pejy 9]
Rehefa ao anatin’ny fisedrana ianao, dia manehoa finoana fa manan-kery hamaly vavaka i Jehovah
[Sary, pejy 10]
Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany ireo “mpankatò ny teny”