Zahan-toetra Ankehitriny ny Hatsaran’ny Finoanao
“Hevero ho fifaliana avokoa, ry rahalahiko, raha tojo fisedrana isan-karazany ianareo, noho ny fahafantarana fa izany hatsaran’ny finoanareo voazaha toetra izany dia mitondra fiaretana.” — JAKOBA 1:2, 3, NW.
1. Nahoana ny Kristiana no tokony hanampo fa hozahan-toetra ny finoany?
TSY te hijaly akory ny Kristiana marina, no sady tsy finaritra amin’ny fahoriana na ny fahafaham-baraka. Na dia izany aza, dia ataon’izy ireo an-tsaina ireo teny etsy ambony, izay nosoratan’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy. Nilaza mazava tamin’ireo mpianany i Kristy fa tokony hanampo fanenjehana sy zava-tsarotra hafa izy ireo, noho ny fifikirany amin’ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. (Matio 10:34; 24:9-13; Jaona 16:33). Na dia izany aza, dia mitondra fifaliana ireny fizahan-toetra ireny. Ahoana izany?
2. a) Amin’ny ahoana no afaka mitondra fifaliana ny fizahan-toetra ny finoantsika? b) Ahoana no ahafahan’ny fiaretana manana ny asany feno, raha ny amintsika?
2 Ny antony fototra iray ahitantsika fifaliana rehefa mandia fisedrana na fizahan-toetra ny finoana isika, dia satria afaka mitondra voka-tsoa izy ireny. Araka ny tenin’i Jakoba, dia “mitondra fiaretana” ny fisikinana herim-po eo anoloan’ny fizahan-toetra na ny zava-tsarotra. Afaka mandray soa avy amin’ny fampitomboana an’io toetra kristiana sarobidy io isika. Hoy ny nosoratan’i Jakoba: “Aoka ny fiaretana hanana ny asany feno, mba ho feno sy tsy hanan-tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.” (Jakoba 1:4, NW ). Manana ‘asa’ tokony hatao ny fiaretana. Ny anjara asan’izy io dia ny fanaovana izay hahatonga antsika ho feno amin’ny lafiny rehetra, amin’ny fanampiana antsika ho tena tsy misy tomika, amin’ny maha-Kristiana antsika. Noho izany, raha avelantsika handalo ny fisedrana, ka tsy manandrana mampiasa fomba tsy araka ny Soratra Masina isika mba hifaranan’izy ireny haingana, dia ho voazaha toetra sy ho voadio ny finoantsika. Raha tsy nanana faharetana, na fangorahana, na hatsaram-panahy, na fitiavana, isika, teo anoloan’ny tarehin-javatra sasany na ny mpiara-belona sasany, ny fiaretana dia afaka mahatonga antsika ho feno. Eny, toy izao no fizotrany: Ny fizahan-toetra dia miteraka fiaretana; ary ny fiaretana kosa dia mampitombo toetra kristiana; ary ireo kosa indray no miteraka fifaliana. — 1 Petera 4:14; 2 Petera 1:5-8.
3. Nahoana isika no tsy tokony hitakemotra noho ny tahotra fisedrana na fizahan-toetra ny finoana?
3 Ny apostoly Petera koa dia nanasongadina ny antony tsy ilantsika hatahotra na hitakemotra eo anoloan’ny fizahan-toetra ny finoantsika. Hoy ny nosoratany: “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny [hatsaran’ny finoanareo voazaha toetra, NW ] (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy”. (1 Petera 1:6, 7). Mampahery indrindra ireo teny ireo ankehitriny, satria ny “fahoriana lehibe” — ilay fotoan’ny fiderana sy voninahitra sy fankalazana ary fahatafitana velona — dia tena akaiky kokoa noho ny mety hoheverin’ny sasany, ary tena akaiky kokoa noho ny tamin’ny fotoana nahatongavantsika ho mpino. — Matio 24:21; Romana 13:11, 12.
4. Inona no tsapan’ny rahalahy iray mahakasika ny fizahan-toetra nodiavin’ny tenany sy ny Kristiana voahosotra hafa?
4 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nodinihintsika ny amin’ireo fizahan-toetra natrehin’ny sisa voahosotra, nanomboka tamin’ny 1914. Antom-pifaliana ve izy ireny? Toy izao ny fomba fijerin’i A. H. Macmillan, raha namisavisa ny lasa izy: “Fisedrana mafy maro no efa hitako nahazo ny fandaminana, ary hitako koa ny nitsapana ny finoan’ireo tao anatiny. Noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, dia tafita soa izy io ary niroborobo hatrany. Hitako fa fahendrena ny miandry amim-paharetana an’i Jehovah mba hanatsarany ny fahatakarantsika zavatra ao amin’ny Soratra Masina, fa tsy ho sosotra noho ny hevitra vaovao iray. (...) Na inona na inona fanitsiana tsy maintsy hataontsika ombieny ombieny momba ny fomba fihevitsika, izany dia tsy hanova ilay fandaharana feno famindram-po ny amin’ny avotra sy ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay. Koa tsy nisy àry antony namelantsika ny finoantsika hihamalemy noho ny fanantenana tsy tanteraka na ny fiovan’ny fomba fihevitra.” — Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy), 15 Aogositra 1966, pejy faha-504.
5. a) Rehefa nandia fizahan-toetra ny sisa, inona avy no soa nentin’izany? b) Nahoana no tokony hahaliana antsika ankehitriny ilay raharaha mahakasika ny fitsapana?
5 Ny Kristiana voahosotra izay tafita soa tamin’ilay vanim-potoam-pitsapana tamin’ny 1914-1919, dia nafahana tamin’ny fitaomana mangejan’izao tontolo izao sy tamin’ireo fanao ara-pivavahana babyloniana maro. Nandroso hatrany ny sisa tamin’ny naha-vahoaka voadio azy, ka sady nanolotra an-tsitrapo fanati-piderana ho an’Andriamanitra no natoky fa azon’Andriamanitra nekena izy ireo, tamin’ny naha-vahoaka azy. (Isaia 52:11; 2 Korintiana 6:14-18). Nanomboka ny fitsarana teo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra. Tsy tao anatin’ny vanim-potoana raikitra iray anefa no nanatontosana azy io. Mitohy ny fitsapana sy ny fanasivanana ny vahoakan’Andriamanitra. Zahan-toetra ihany koa ny finoan’ireo anisan’ny “olona betsaka” izay manantena ny ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” mihamanatona. (Apokalypsy 7:9, 14). Mitovy amin’izay atrehin’ny sisa voahosotra ny fomba anaovana izany, kanefa dia misy fomba hafa maro koa.
Ahoana no mety hizahan-toetra anao?
6. Inona no karazany iray amin’ny fizahan-toetra mafy nodiavin’ny maro?
6 Kristiana maro no efa nieritreritra ny amin’ilay zava-tsarotra mahakasika ny fijoroana eo anoloan’ny fizahan-toetra miendrika fanafihana mivantana. Tsaroan’izy ireo izao tatitra izao: ‘Rehefa niantso ny Apostoly ireo mpitarika jiosy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany.’ (Asan’ny Apostoly 5:40, 41). Ary ny tantara maoderin’ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra fa nandritra ireo ady lehibe, dia nilaza mazava fa tena nokapohina tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nampiharana zavatra ratsy lavitra noho izany aza, teo an-tanan’ireo mpanenjika azy.
7. Tonga hatramin’ny inona ny fampisehoan’ny Kristiana maoderina sasany finoana?
7 Raha ny amin’ny fanenjehana mahazo ny Kristiana, dia tsy manisy fanavahana eo amin’ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka anisan’ny “ondry hafa”, izao tontolo izao. (Jaona 10:16). Tao anatin’ny taona maro, ireo anisan’ireo antokon’olona roa ireo dia nozahan-toetra mafy tamin’ny fampidirana am-ponja, ary tamin’ny fahafatesana ho maritiora mihitsy aza, noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny finoany azy. Samy nila ny fanahin’Andriamanitra ireo antokon’olona roa ireo, na ho aiza na ho aiza ny fanantenany. (Ampitahao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1996, pejy faha-31.) Nandritra ireo taona 1930 sy 1940, tany Alemaina Nazia, dia maro tamin’ny mpanompon’i Jehovah, anisan’izany ny ankizy, no nampiseho finoana niavaka, ary tsy vitsy no nampiharana fizahan-toetra faran’izay mafy. Vao haingana kokoa, dia niatrika fanenjehana izay nizaha toetra azy, ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny tany toa an’i Burundi, Érythrée, Etiopia, Malawi, Mozambika, Rwanda, Singapour, ary Zaïre. Ary mitohy ny karazana fizahan-toetra toy izany.
8. Amin’ny ahoana ny tenin’ny rahalahy afrikana iray no mampiseho fa tsy vitan’ny fiaretana fanenjehana miendrika kapoka fotsiny akory ny fitsapana ny finoantsika?
8 Araka ny efa nomarihina anefa, dia misy fomba an-kolaka kokoa izahan-toetra ny finoantsika. Tsy mivantana be sy mora fantatra akory ny sasany amin’ireo fizahan-toetra. Diniho hoe ahoana no ho fihetsikao eo anoloan’ny sasany amin’izao manaraka izao: Ny rahalahy iray atsy Angola, manan-janaka folo, dia anisan’ny kongregasiona iray izay tsy afaka nifandray tamin’ireo rahalahy tompon’andraikitra, nandritra ny fotoana kelikely. Nanjary azon’ny hafa natao, tatỳ aoriana, ny nitsidika ilay kongregasiona. Nanontaniana ny amin’izay fomba nataony hamelomana ny ankohonany izy. Tsy mora taminy ny namaly izany, ka ny hany nolazainy dia hoe sarotra ilay tarehin-javatra. Afaka nanome hanina ny zanany ve izy, fara fahakeliny indray mandeha isan’andro? Hoy ny navaliny: “Zara raha nahavita izany aho. Nianatra ny hianina tamin’izay nanananay izahay.” Hoy izy avy eo, tamin’ny feo feno fiekena: “Tsy izany angaha moa no ampoizintsika amin’izao andro farany izao?” Miavaka izany finoana izany eto amin’itỳ tontolo itỳ, saingy mahazatra izany eo anivon’ny Kristiana tsy mivadika, izay matoky tokoa fa ho tanteraka ireo fampanantenana momba ilay Fanjakana.
9. Ahoana no izahan-toetra antsika, mifandray amin’ny 1 Korintiana 11:3?
9 Zahan-toetra mifandray amin’ny fomba fanaovan-javatra teokratika ihany koa ny olona betsaka. Tarihina araka ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra sy ireo fari-pitsipika teokratika, ny kongregasiona kristiana maneran-tany. Izany dia midika voalohany indrindra ho fanekena an’i Jesosy ho Mpitarika, dia ilay voatendry ho Lohan’ny kongregasiona. (1 Korintiana 11:3). Ny fanekena an-tsitrapo azy sy ny Rainy dia miseho amin’ny alalan’ny fatokiantsika tanteraka ireo fanendrena sy fanapahan-kevitra teokratika, mifandray amin’ny fanaovantsika ny sitrapon’i Jehovah amim-piraisan-tsaina. Ankoatra izany, dia misy lehilahy notendrena hitari-dalana any amin’ny kongregasiona tsirairay eo an-toerana. Tsy lavorary ireny lehilahy ireny, ary mety ho hitantsika avy hatrany ny kilemany; na dia izany aza anefa, dia ampirisihina mafy mba hanaja ireny mpiandraikitra ireny isika ka hankatò azy. (Hebreo 13:7, 17). Hitanao ho zava-tsarotra ve izany indraindray? Tena fizahan-toetra anao ve izany? Raha izany no izy, moa ve ianao mandray soa avy amin’izany fizahan-toetra ny finoanao izany?
10. Inona no fizahan-toetra atrehintsika, mahakasika ny fanompoana eny amin’ny saha?
10 Zahan-toetra ihany koa isika, mifandray amin’ilay tombontsoa sy fitakiana handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Mba hahatafita antsika soa aman-tsara amin’io fizahan-toetra io, dia tsy maintsy takatsika fa tsy vitan’ny hoe fitoriana zara raha misy na fitoriana anarany fotsiny ny hoe mandray anjara feno amin’ny fanompoana. Tsarovy ilay teny fankasitrahan’i Jesosy an’ilay vehivavy mpitondratena nahantra izay nanome ny nananany rehetra. (Marka 12:41-44). Azontsika atao ny manontany tena hoe: ‘Moa ve aho manome mitovy amin’izany avy amin’ny tenako, raha ny amin’ny fanompoako eny amin’ny saha?’ Tokony ho Vavolombelon’i Jehovah andro aman’alina isika, ka ho vonona hanararaotra ny fotoana rehetra mba hampamirapiratana ny fahazavantsika. — Matio 5:16.
11. Ahoana no maha-fizahan-toetra ireo fiovana mahakasika ny fahazoana hevi-javatra na ny torohevitra momba ny fitondran-tena?
11 Ny fizahan-toetra hafa iray mety hatrehintsika dia mifandray amin’ny halalin’ny fankasitrahantsika ny fahazavana mihamitombo momba ny fahamarinana ara-baiboly, mbamin’ny torohevitra omen’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky. (Matio 24:45). Indraindray izany dia mitaky fanitsiana eo amin’ny fitondran-tenantsika manokana, toy ny tamin’ny fotoana izay nahitana mazava fa ireo mifoka sigara sy mihinam-paraky dia tsy maintsy miala amin’izany, raha iriny ny hitoetra ao anatin’ny kongregasiona.a (2 Korintiana 7:1). Mety ho fizahan-toetra koa ny fanekentsika fa ilaina hovana ny mozika na ny endri-pialam-boly sasany ankafizintsika.b Hisalasalantsika ve ny maha-fahendrena ilay torohevitra natolotra? Sa kosa havelantsika hamolavola ny fisainantsika ny fanahin’Andriamanitra mba hanampy antsika hitafy ny toetra kristiana? — Efesiana 4:20-24; 5:3-5.
12. Inona no ilaina mba hanatanjahana ny finoana, rehefa avy natao batisa ny tena?
12 Nandritra ny am-polony taona maro, dia nitombo isa hatrany ireo anisan’ny olona betsaka, ary manohy manatanjaka ny fifandraisany amin’i Jehovah izy ireny aorian’ny batisany. Izany dia tsy vitan’ny hoe manatrika fivoriambe kristiana, na mamonjy fivoriana sasany any amin’ny Efitrano Fanjakana, na mandray anjara tsindraindray amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, fotsiny. Indro misy ohatra: Mety ho any ivelan’i Babylona Lehibe ara-bakiteny ny olona iray, izany hoe any ivelan’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, saingy tena nandao azy io tokoa ve izy? Moa ve izy mbola mifikitra ihany amin’ireo zavatra manome taratry ny toe-tsain’i Babylona Lehibe — toe-tsaina izay tsy miraharaha ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra? Moa ve izy manamaivana ny fari-pitondran-tena sy ny fahatokiana amin’ny vadin’ny tena? Moa ve ny tombontsoan’ny tenany sy ny tombontsoa ara-nofo no antitranteriny mihoatra noho ny tombontsoa ara-panahy? Eny, nitoetra ho tsy voapentimpentin’izao tontolo izao ve izy? — Jakoba 1:27.
Ny soa avy amin’ny finoana voazaha toetra
13, 14. Inona no nataon’ny sasany taorian’ny nanombohany nandeha tamin’ny lalan’ny fanompoam-pivavahana marina?
13 Raha tena nandositra niala tamin’i Babylona Lehibe isika, no sady nisaraka tamin’izao tontolo izao, dia aoka isika tsy hijery indray ireo zavatra nilaozantsika. Na iza na iza isika no mijery izay nilaozantsika, dia mety hidika ho famoizantsika ny maha-anisan’ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra antsika izany, araka ilay foto-pitsipika hita ao amin’ny Lioka 9:62. Hoy i Jesosy: ‘Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’
14 Ny sasany izay tonga Kristiana tamin’ny lasa anefa dia namela ny tenany hovolavolain’itỳ fandehan-javatra itỳ nony avy eo. Tsy nanohitra ny toe-tsain’izao tontolo izao izy ireo. (2 Petera 2:20-22). Ny fialam-bolin’izao tontolo izao no naharevo azy sy naka ny fotoanany, ka nanakantsakana ny fandrosoany. Tsy nampifantoka tsara ny sainy sy ny fony tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany izy ireo, tamin’ny fametrahana izany ho teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany, fa nivily lalana kosa mba hikatsahana zava-kendrena ara-nofo. Raha toa izy ireo ka tsy voatosika hiaiky hoe malemy finoana sy matimaty ny tenany, ary tsy miova famindra, amin’ny fitadiavana torohevitra araka an’Andriamanitra, dia mety hamoy ilay fifandraisana sarobidy nananany tamin’i Jehovah sy ny fandaminany izy. — Apokalypsy 3:15-19.
15. Inona no ilaina mba hitoerana ho azon’Andriamanitra ekena?
15 Ny fahazoantsika fankasitrahana sy ny maha-tsara toerana antsika mba ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe mihamanatona haingana, dia miankina amin’ny fitoerantsika ho madio, amin’ny ‘fanasantsika ny akanjontsika amin’ny ran’ny Zanak’ondry’. (Apokalypsy 7:9-14; 1 Korintiana 6:11). Tsy ho azo ekena ny fanompoana masina ataontsika raha tsy mitana toerana madio sy marina eo anatrehan’Andriamanitra isika. Azo antoka fa ny tsirairay avy amintsika dia tokony hahatakatra fa hanampy antsika hiaritra sy hanalavitra ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny hatsaran’ny finoana voazaha toetra.
16. Amin’ny fomba ahoana avy ny lainga no mety ho hita ho fizahan-toetra ny finoantsika?
16 Indraindray, ny fampahalalam-baovao sy ny manam-pahefana dia miampanga lainga ny vahoakan’Andriamanitra, ka mampiseho amin’ny fomba diso ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika kristiana. Tsy tokony hahagaga antsika izany, satria nasehon’i Jesosy mazava fa ‘ho halan’izao tontolo izao isika, satria tsy naman’izao tontolo izao’. (Jaona 17:14). Moa ve isika hamela ireo olona hajambain’i Satana hampitahotra sy hanakivy antsika ary hahatonga antsika hahatsiaro ho menatra ny vaovao tsara? Moa ve havelantsika hisy fiantraikany eo amin’ny famonjentsika tsy tapaka ny fivoriana sy ny asa fitoriantsika, ny lainga afafy momba ny fahamarinana? Sa kosa isika hijoro tsara sy ho be herim-po ary ho tapa-kevitra kokoa mihoatra noho ny hatramin’izay, ka hanohy hanambara ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany?
17. Fanomezan-toky inona no afaka mandrisika antsika hanohy haneho finoana?
17 Araka ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka, dia efa lasa lavitra ao amin’ny fotoan’ny farany isika izao. Ireo zavatra antenaintsika miorina amin’ny Baiboly, mahakasika ny tontolo vaovao iray hisian’ny fahamarinana, dia azo antoka fa hanjary ho tena zava-misy haharavoravo. Mandra-pahatongan’izany andro izany, dia enga anie isika rehetra ka haneho finoana tsy azo hozongozonina ny Tenin’Andriamanitra ary hanaporofo ny finoantsika, amin’ny tsy fampihenana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany. Eritrereto ny amin’ireo mpianatra vaovao an’arivony maro izay atao batisa isan-kerinandro. Moa ve izany tsy antony ampy mba hahavelom-pankasitrahana antsika satria afaka mitondra famonjena ho an’ny olona maro kokoa ny fahari-pon’i Jehovah mahakasika ny fampiharany ny didim-pitsarany? Moa ve isika tsy faly fa navelan’Andriamanitra hitohy ny asa fitoriana ilay Fanjakana, izay asa famonjena aina? Ary moa ve isika tsy ravoravo fa olona an-tapitrisany maro no nanaiky ny fahamarinana ka mampiseho ny finoany?
18. Inona no fahatapahan-kevitrao, raha ny amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
18 Tsy fantatsika hoe mbola haharitra hafiriana ny fitsapana ny finoantsika ankehitriny. Izao zavatra iray loha izao anefa no azo antoka: Manana andro raikitra iray izay hampamoahana ny lanitra sy ny tany feno faharatsiana ankehitriny i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hanahaka ny hafatratr’ilay finoana voazaha toetra nasehon’i Jesosy, ilay Mpandavorary ny finoantsika. Ary aoka isika hanaraka ny ohatry ny sisa voahosotra be taona sy ny an’ny hafa izay manompo amin-kerim-po eo anivontsika.
19. Ahoana no ahafahanao mahazo antoka fa handresy itỳ tontolo itỳ ianao?
19 Tokony ho tapa-kevitra ny hanambara tsy an-kijanona ilay vaovao tsara mandrakizay isika, ka hitory azy io any amin’ny firenena sy ny foko sy ny fiteny ary ny olona rehetra, ho fiaraha-misalahy amin’ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra. Aoka izy ireo handre ilay fanambaran’anjely manao hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany”. (Apokalypsy 14:6, 7). Rehefa hampiharina izany didim-pitsaran’Andriamanitra izany, dia hanao ahoana ny ho vokany eo amin’ilay hatsaran’ny finoantsika voazaha toetra? Tsy ho fandresena be voninahitra ve izany — fanafahana amin’ny fandehan-javatra ankehitriny mba hidirana ao amin’ilay tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra? Rehefa miaritra ireo fizahan-toetra ny finoantsika isika, dia ho afaka ny hilaza, sahala amin’ny apostoly Jaona, hoe: “Ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” — 1 Jaona 5:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1973, pejy faha-752-759, sy ny 1 Febroary 1974 pejy faha-86-88.
Tsaroanao Ve?
◻ Amin’ny ahoana no antom-pifaliana ny fizahan-toetra ny finoantsika?
◻ Inona ny sasany amin’ireo fizahan-toetra ny finoantsika izay mety tsy ho mora fantatra?
◻ Ahoana no ahafahantsika mandray soa, amin’ny fiaretana amim-pahombiazana ireo fizahan-toetra ny finoantsika?
[Sary, pejy 17]
A. H. Macmillan (erỳ anoloana ankavia), tokony ho tamin’ny fotoana nampidirana am-ponja tsy ara-drariny ny tenany sy ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Watch Tower
Solontena tamin’ilay fivoriambe tany Detroit, any Michigan, izy, tamin’ny 1928
Mbola naneho finoana hatrany ny Rahalahy Macmillan, tany amin’ny faramparan’ny fiainany
[Sary, pejy 18]
Toa an’itỳ fianakaviana itỳ, dia Kristiana maro atsy Afrika no nampiseho ny hatsaran’ny finoana voazaha toetra