Inona no Ahariharin’ny Fitaratra?
MIJERE ao anatin’ny fitaratra. Inona no hitanao? Indraindray ny topy maso ao anatin’ny fitaratra dia mampiharihary tsininy mahasanganehana eo amin’ny fisehoanao ivelany izay mahafaly anao ny manitsy azy, alohan’ny hahamarihan’ny hafa azy.
Ny Baiboly dia be itoviana amin’ny fitaratra tokoa. Afaka manampy antsika izy io hanana fomba fijery marina momba ny tenantsika, ka izany dia hiaro antsika amin’ny tsy fieritreretana be loatra — na tsy fieritreretana firy ny amin’izay mampisy vidiny antsika eo imason’Andriamanitra. (Matio 10:29-31; Romana 12:3). Fanampin’izany, ny Baiboly dia afaka mampiharihary ireo tsininy ao amin’ny tenintsika, ny ataontsika, na ny fihetsitsika izay ilaintsika hahitsy. Rehefa mitranga izany, hodianao tsy fantatra ve izay ahariharin’ny fitaratra?
Hoy i Jakoba, mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny.” — Jakoba 1:23, 24.
Mifanohitra amin’izany, i Jakoba dia milazalaza ny amin’ny lehilahy hafa iray, “izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany”. (Jakoba 1:25). Ny teny grika nadika hoe “mandinika” dia midika hoe mandohalika eo anilan’ny na miondrika mba hijery. “Mihoatra noho ny topy maso miserana no voafaoka amin’izany”, hoy ny Theological Dictionary of the New Testament. Ilay teny dia manipy hevitra ny amin’ny fikarohana amim-pitandremana zavatra miafina iray. “Misy zava-dehibe izay irin’ilay mpandinika ho hita, na dia mety ho sarotra aminy aza ny hahita azy io sy hahatakatra avy hatrany ny heviny”, hoy i R. V. G. Tasker, mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly.
Moa àry ve ianao handinika ny tenanao ao anatin’ny fitaratry ny Tenin’Andriamanitra ary avy eo dia hanaraka izay takin’izy io? Manohy ny teniny toy izao i Jakoba: ‘Raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa izany olona izany, dia ho sambatra amin’ny asany’. — Jakoba 1:25.