Ahoana no Fahitan’i Jehovah Ahy?
1. Nahoana ny Baiboly no toy ny fitaratra?
1 Isaky ny inona ianao no mijery fitaratra? Manao an’izany isan’andro ny ankamaroantsika satria manampy antsika hahita an’izay tokony hamboarina amin’ny paozintsika izany. Nampitovina tamin’ny fitaratra ny Baiboly, satria rehefa mamaky azy io isika dia mahita ny tena toetrantsika, ary izay no jeren’i Jehovah. (1 Sam. 16:7; Jak. 1:22-24) “Mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany” ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 4:12) Raha mamaky sy misaintsaina ny Baiboly isan’andro isika, dia hahita an’izay tokony hiezahantsika mba hahatonga antsika ho mpitory mahita vokatra kokoa. Nahoana?—Sal. 1:1-3.
2. Nahoana ny Baiboly no manampy antsika handini-tena?
2 Ataovy toy ny fitaratra ny Baiboly: Hita avy amin’ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika hoe inona no toetra mahafinaritra an’i Jehovah. Nafana fo ho an’ny anaran’Andriamanitra, ohatra, i Davida. (1 Sam. 17:45, 46) Nanolo-tena hitory tany amin’ny faritany sarotra itoriana i Isaia ary be herim-po. (Isaia 6:8, 9) Tena tia an’ilay Rainy tany an-danitra i Jesosy ka tsy enta-mavesatra ho azy ny fanompoany, fa noraisiny ho toy ny zavatra mamelombelona sy mahafa-po. (Jaona 4:34) Nafana fo nitory ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nitoky tamin’i Jehovah, ary tsy kivy mihitsy. (Asa. 5:41, 42; 2 Kor. 4:1; 2 Tim. 4:17) Manampy antsika handini-tena ny misaintsaina an’izany rehetra izany, ka lasa hitantsika hoe ahoana no azo anatsarana ny fanompoana.
3. Nahoana isika no tsy tokony hangataka andro hanitsy an’izay tsy mety?
3 Ahitsio izay tsy mety: Tsy misy dikany ny ijerena fitaratra raha tsy raharahaintsika akory izay tsy mety hitantsika. Azontsika atao ny mangataka an’i Jehovah hanampy antsika hijery ny tena toetrantsika sy hanampy antsika hiova. (Sal. 139:23, 24; Lioka 11:13) Tsy tokony hangataka andro isika rehefa misy tokony hiovantsika, satria kely sisa ny fotoana tavela sady iankinan’ny aina izany.—1 Kor. 7:29; 1 Tim. 4:16.
4. Inona no vokany rehefa mijery tsara ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray ka manao zavatra mifanaraka amin’izay hitany?
4 Zava-dehibe lavitra noho ny paozintsika ny tena toetrantsika, izay dinihin’i Jehovah. (1 Pet. 3:3, 4) Inona no vokany rehefa mijery tsara ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray ka manao zavatra mifanaraka amin’izay hitany? “Ho sambatra izy” satria “tonga mpankatò ny teny fa tsy mpihaino manadino.” (Jak. 1:25) Ho sambatra tokoa isika sady ho mpitory mahita vokatra, satria “tahaka ny fitaratra” isika ka “manome taratry ny voninahitr’i Jehovah.”—2 Kor. 3:18.