Manosika Antsika Hanao Zavatra ny Finoana!
“Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asan[’i Abrahama], ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa”. — JAKOBA 2:22.
1, 2. Inona no hataontsika raha manam-pinoana isika?
OLONA maro no milaza fa manam-pinoana an’Andriamanitra. Kanefa, tsy misy aina toy ny faty ny finoana anarany fotsiny. “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. Nilaza koa izy fa nanana finoana izay ‘niara-niasa tamin’ny asany’ i Abrahama natahotra an’Andriamanitra. (Jakoba 2:17, 22). Inona no hevitr’ireo teny ireo ho antsika?
2 Raha manana ny tena finoana isika, dia tsy hino fotsiny izay rentsika any amin’ireo fivoriana kristiana. Hanome porofon’ny finoana isika, satria Vavolombelon’i Jehovah marisika. Eny, handrisika antsika hampihatra ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika sy hanosika antsika hanao zavatra, ny finoana.
Tsy mifanaraka amin’ny finoana ny fizahan-tavan’olona
3, 4. Inona no tokony ho vokatry ny finoana eo amin’ny fomba itondrantsika ny hafa?
3 Raha manana finoana marina an’Andriamanitra sy i Kristy isika, dia tsy hizaha tavan’olona. (Jakoba 2:1-4). Notakina tamin’ny Kristiana marina ny tsy fizahan-tavan’olona, kanefa tsy naneho azy io ny sasany tamin’ireo nanoratan’i Jakoba. (Romana 2:11). Noho izany, dia niteny i Jakoba hoe: “Aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ny voninahitra.” Raha nisy tsy mpino nanankarena nanao peratra volamena sy akanjo tsara tonga tao am-pivoriana, ary nisy tsy mpino ‘nalahelo niakanjo ratsy’ tonga tao koa, dia tokony ho samy noraisina tsara izy ireo, kanefa nanehoana fiheverana manokana ilay mpanan-karena. Nomena toerana teo “amin’ny fitoerana aloha” ireo mpanan-karena, fa nilazana kosa ireo tsy mpino nahantra mba hitsangana na hipetraka teo amin’ny tany, teo an-tongotry ny olona iray.
4 Nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ho an’ny manankarena sy ny mahantra i Jehovah. (2 Korintiana 5:14). Raha miangatra amin’ny manankarena isika, dia hiala amin’ny finoana an’i Kristy, izay ‘tonga malahelo mba hampanan-karena antsika ny alahelony’. (2 Korintiana 8:9). Aoka isika tsy hitsara olona na oviana na oviana amin’ny fomba toy izany — amin’ny fanomezam-boninahitra olona noho ny antony manosika ratsy. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, kanefa raha mizaha tavan’olona isika, dia ‘hanan-kevi-dratsy’. (Joba 34:19). Noho isika maniry hampifaly an’Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahy hizaha tavan’olona isika, na ‘handoka olona mba hahazoantsika zavatra’. — Joda 4, 16.
5. Iza no nofidin’Andriamanitra ho “mpanan-karena amin’ny finoana”, ary ahoana matetika no fihetsiky ny olona manankarena ara-nofo?
5 Nampahafantarin’i Jakoba hoe iza marina no tena manankarena, ary nampirisihiny haneho fitiavana amin’ny rehetra tsy misy fizahan-tavan’olona isika. (Jakoba 2:5-9). ‘Nofidin’Andriamanitra ny malahelo amin’izao fiainana izao mba ho mpanan-karena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana’. Izany no izy satria matetika ny mahantra no mandray tsara kokoa ny vaovao tsara. (1 Korintiana 1:26-29). Amin’ny ankapobeny, ireo mpanan-karena ara-nofo dia mampahory ny hafa, raha ny amin’ny trosa sy ny karama ary ny ady ara-pitsarana. Miteny ratsy an’i Kristy izy ireo ary manenjika antsika, satria mitondra ny anaran’i Kristy isika. Aoka anefa isika ho tapa-kevitra ny hankatò “ilay didy ambony indrindra”, izay mitaky ny hitiavana ny mpiara-belona — ka ho tia ny manankarena sy ny mahantra amin’ny fomba mitovy. (Levitikosy 19:18; Matio 22:37-40). Koa satria takin’Andriamanitra izany, dia ‘fahotana’ ny fizahan-tavan’olona.
‘Ny famindram-po dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana’
6. Amin’ny ahoana no hanjary ho mpandika lalàna isika, raha toa ka tsy miantra ny hafa?
6 Raha mizaha tavan’olona amin’ny fomba tsy miantra isika, dia ho mpandika lalàna. (Jakoba 2:10-13). Raha diso amin’io lafiny io isika, dia manjary mpandika ny lalàn’Andriamanitra rehetra. Nanjary mpandika ny Lalàn’i Mosesy ny Isiraelita izay tsy nanitsakitsa-bady kanefa nangalatra. Amin’ny maha-Kristiana antsika, isika dia tsarain’ny “lalàn’ny fahafahana” — ny fahafahan’ny Isiraely ara-panahy izay ao anatin’ny fanekena vaovao, ka manana ny lalàn’izy io ao am-pony. — Jeremia 31:31-33.
7. Nahoana ireo izay manohy mizaha tavan’olona no tsy afaka manantena famindram-po avy amin’Andriamanitra?
7 Raha milaza ny tenantsika ho manam-pinoana isika, kanefa mikiry hizaha tavan’olona ihany, dia hotandindomin-doza. Hampiharana didim-pitsarana tsy hisy famindram-po ireo izay tsy manam-pitiavana sady tsy mamindra fo. (Matio 7:1, 2). Hoy i Jakoba: “Ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.” Raha manaiky ny fitarihan’ny fanahy masin’i Jehovah isika ka maneho famindram-po amin’ny ataontsika rehetra, dia tsy homelohina rehefa hotsaraina. Hahazo famindram-po kosa isika ka tsy hatahotra ny fampiharana amin’ny fomba hentitra ny rariny na hatahotra ny fanamelohana.
Mamokatra asa tsara dia tsara ny finoana
8. Manao ahoana ny toeran’ny olona iray izay milaza fa manam-pinoana kanefa tsy arahin’asa?
8 Tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika ho be fitiavana sy hamindra fo ny finoana fa mamokatra asa tsara dia tsara hafa koa. (Jakoba 2:14-26). Mazava ho azy fa tsy hamonjy antsika ny finoana anarany fotsiny izay tsy arahin’asa. Marina fa tsy mahazo ny toeran’olona marina eo anatrehan’Andriamanitra isika ho tambin’ny fanaovana ny asan’ny Lalàna. (Romana 4:2-5). I Jakoba dia niresaka ny amin’ny asa atosiky ny finoana sy ny fitiavana, fa tsy atosiky ny fehezan-dalàna. Raha atosik’ireo toetra ireo isika, dia tsy hirary soa fotsiny ho an’ny mpiara-mivavaka amintsika izay sahirana. Hanome fanampiana ara-nofo ho an’ny rahalahy na ny anabavy tsy manan-kitafy na noana isika. Nanontany i Jakoba hoe: ‘Raha hoy ianareo amin’ny rahalahy iray sahirana: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany?’ Tsy misy. (Joba 31:16-22). Tsy misy aina ny “finoana” toy izany!
9. Inona no mampiseho fa manam-pinoana isika?
9 Angamba mifanerasera amin’ny vahoakan’Andriamanitra ihany isika, kanefa ny asa atao amin’ny fo manontolo irery ihany no afaka manohana ny filazantsika fa manam-pinoana isika. Tsara tokoa raha efa nanda ny foto-pinoana ny amin’ny Trinite isika ka mino fa tokana ihany no Andriamanitra marina. Kanefa, ny zavatra inoana fotsiny dia tsy tena finoana. ‘Ny demonia mba mino izany ka dia mangovitra’ amin-tahotra, satria miandry azy ireo ny fandringanana. Raha manam-pinoana marina tokoa isika, izy io dia hanosika antsika hamokatra asa, toy ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fanomezana sakafo sy fitafiana ho an’ny mpiray finoana amintsika sahirana. Nanontany i Jakoba hoe: “Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana [tsy feno fahalalana araka ny marina an’Andriamanitra], fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?” Eny, mitaky fanaovan-javatra ny finoana.
10. Nahoana i Abrahama no nantsoina hoe “rain’ny olona rehetra izay mino”?
10 Ny finoan’i Abrahama patriarika, izay natahotra an’Andriamanitra, dia nanosika azy hanao zavatra. Noho izy “rain’ny olona rehetra izay mino”, dia ‘nohamarinina tamin’ny asa tamin’ny nanaterany an’i Isaka zanany teo ambonin’ny alitara’, izy. (Romana 4:11, 12; Genesisy 22:1-14). Ahoana raha tsy nanam-pinoana i Abrahama hoe afaka nanangana an’i Isaka tamin’ny maty Andriamanitra ka hanatanteraka ny fampanantenany taranaka iray amin’ny alalan’i Abrahama? Dia tsy ho nanandrana hanao sorona ny zanany mihitsy izy. (Hebreo 11:19). ‘Ny finoany dia notanterahina’, na natao feno, tamin’ny asa naneho ny fankatoavany. Tamin’izany, dia “tanteraka ny Soratra Masina [Genesisy 15:6] manao hoe: ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’ ”. Ny asan’i Abrahama tamin’ny nanandramany hanao sorona an’i Isaka dia nanamafy ny filazan’Andriamanitra teo aloha kokoa hoe marina i Abrahama. Tamin’ny asan’ny finoana no nanehoany ny fitiavany an’Andriamanitra, ary dia nanjary nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra” izy.
11. Inona no porofon’ny finoana hitantsika tamin’i Rahaba?
11 Noporofoin’i Abrahama fa “hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany”. Izany koa no hita tamin’i Rahaba, vehivavy janga tany Jeriko. “Nohamarinina tamin’ny asa” izy, “tamin’ny nandraisany ireny iraka [isiraelita] ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny làlan-kafa” mba tsy ho azon’ireo fahavalony kananita. Talohan’ny nihaonan’i Rahaba tamin’ireo mpisafo tany isiraelita, dia nekeny fa i Jehovah no ilay Andriamanitra marina, ary ny teniny sy ny nialany tamin’ny fivarotan-tena, tatỳ aoriana, dia nanome porofon’ny finoany. (Josoa 2:9-11; Hebreo 11:31). Taorian’ny nilazan’i Jakoba io oha-pinoana faharoa naseho tamin’ny asa io, dia hoy izy: “Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” Rehefa maty ny olona iray, dia tsy misy hery manetsika, na “fanahy [esprit]”, intsony ao aminy, ary tsy mahefa na inona na inona izy. Tsy misy aina sady tsy misy ilana azy toy ny faty, ny finoana anarany fotsiny. Raha manana ny tena finoana anefa isika, dia hanosika antsika hanao zavatra araka an’Andriamanitra izy io.
Fehezo ny lelanao!
12. Inona no tokony hataon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona?
12 Mety ho porofon’ny finoana koa ny fitenenana sy ny fampianarana, kanefa ilaina ny fifehezan-tena. (Jakoba 3:1-4). Noho izy ireo mpampianatra ao amin’ny kongregasiona, ireo loholona dia manana andraikitra mavesatra ary hampamoahina bebe kokoa eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, dia tokony handinika amim-panetren-tena ireo antony manosika azy sy ireo toetra ilaina aminy izy ireo. Ankoatra ny fahalalana sy ny fahaizana, dia tsy maintsy manana fitiavana lalina an’Andriamanitra sy ny mpiray finoana aminy ireny lehilahy ireny. (Romana 12:3, 16; 1 Korintiana 13:3, 4). Tsy maintsy manorina ny toroheviny amin’ny Soratra Masina ireo loholona. Raha diso fanoro hevitra ny loholona iray ka mitondra olana ho an’ny hafa izany, dia hahazo fanamelohana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy izy. Tokony hanetry tena sy hazoto hianatra àry ireo loholona, ka hifikitra amim-pahatokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
13. Nahoana isika no manota amin’ny teny?
13 Na dia ireo mpampianatra tena mahay aza — raha ny marina, dia isika rehetra — dia “manota amin’ny zavatra maro” (Fandikan-teny Katolika), noho ny tsy fahalavorariana. Iray amin’ireo kileman-toetra mateti-piseho indrindra sady mety hanimba indrindra ny fanotana amin’ny teny. Hoy i Jakoba: “Raha misy olona tsy mba [manota, Kat.] amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.” Tsy tahaka an’i Jesosy Kristy isika, satria tsy lavorary ny fifehezantsika ny lelantsika. Raha nahafehy tanteraka ny lelantsika isika, dia ho afaka nifehy ny rantsambatantsika hafa koa. Rehefa dinihina tokoa, dia mahatonga ny soavaly handeha any amin’izay itondrantsika azy ny lamboridy sy ny vin-damboridy, ary azon’ny mpanamory entina araka izay tiany, na dia ny sambo lehibe iray entin’ny rivotra mahery aza, amin’ny alalan’ny familiana kely.
14. Ahoana no nanasongadinan’i Jakoba ny ilana hanao ezaka mba hifehezana ny lela?
14 Tsy maintsy miaiky amim-pahatsorana isika rehetra fa ilaina ny tena miezaka tokoa mba hifehezana ny lela. (Jakoba 3:5-12). Kely ny lamboridy raha ampitahaina amin’ny soavaly; kely toy izany koa ny familiana raha ampitahaina amin’ny sambo. Ary kely ny lela raha ampitahaina amin’ny vatan’olombelona, “kanefa mirehareha fatratra”. Koa satria asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny fireharehana, dia aoka isika hitady ny fanampiany mba hitanan-tena tsy hirehareha. (Salamo 12:3, 4; 1 Korintiana 4:7). Enga anie isika hifehy ny lelantsika koa rehefa misy mampahatezitra antsika, amin’ny fitadidiana fa pitik’afo kely fotsiny dia ampy handoroana ala. Araka ny notondroin’i Jakoba, dia “afo ny lela”, afaka miteraka fanimbana lehibe. (Ohabolana 18:21). Eny, “faharatsiana tsy hita lany” ny lela tsy voafehy! Misy ifandraisany amin’ny lela tsy voafehy avokoa ireo lafin-toetra ratsy rehetra mampiavaka itỳ tontolo tsy tia an’Andriamanitra itỳ. Izy io no mahatonga zavatra manimba toy ny fanendrikendrehana sy ny fampianaran-diso. (Levitikosy 19:16; 2 Petera 2:1). Ahoana no hevitrao? Moa ve ny finoantsika tsy tokony hanosika antsika hanao ezaka mafy mba hifehezana ny lelantsika?
15. Inona no fanimbana mety hateraky ny lela tsy voafehy?
15 ‘Mampipentimpentina tanteraka ny tenantsika’ ny lela tsy voafehy. Ohatra, raha tratra mandainga matetika isika, dia mety hanjary halaza ho mpandainga. Ahoana anefa no ‘ampirehetan’ny lela tsy voafehy izao zavatra ary rehetra izao’? Amin’ny fanaovana izay hahatonga ny fiainana ho toy ny olana mifampidipiditra. Mety hampalahelo ny kongregasiona iray manontolo ny lela tsy voafehy iray. Niresaka ny amin’ny “Gehena” (fanamarihana ambany pejy), na ny Lohasahan’i Hinoma, i Jakoba. Nampiasaina ho fanaovana sorona ankizy izy io taloha, ary nanjary toerana nandevonana tamin’ny afo ny fakon’i Jerosalema. (Jeremia 7:31). Koa mariky ny fanafoanana àry ny Gehena. Amin’ny heviny iray, dia manana ny hery mandravan’ny Gehena ny lela tsy voafehy. Raha tsy mifehy ny lelantsika isika, dia ny tenantsika ihany no mety ho main’ny afo natsangantsika. (Matio 5:22). Mety ho voaroaka avy ao amin’ny kongregasiona mihitsy aza isika satria nanaratsy olona. — 1 Korintiana 5:11-13.
16. Rehefa heverina ny fanimbana mety hateraky ny lela tsy voafehy, inona no tokony hataontsika?
16 Araka ny mety ho fantatrao avy amin’ny famakianao ny Tenin’Andriamanitra, i Jehovah dia nandidy hoe tokony hampanompo ny biby ny olona. (Genesisy 1:28). Ary efa folaka avokoa ny karazan-javaboary rehetra. Ohatra, nampiasaina tamin’ny fihazana ny voromahery voafolaka. Mety ho anisan’ny “biby mandady sy mikisaka” noresahin’i Jakoba ny bibilava voafehin’ny mpibaiko bibilava. (Salamo 58:4, 5). Afaka mifehy trozona mihitsy aza ny olombelona, saingy tsy mahafolaka ny lela amin’ny fomba feno isika mpanota. Na dia izany aza, dia tokony hanalavitra ny fanaovana fanamarihana manevateva, mandratra, na manendrikendrika, isika. Mety ho fitaovana mampidi-doza feno poizina mahafaty ny lela tsy voafehy. (Romana 3:13). Mampalahelo fa nahatonga ny Kristiana sasany tany am-boalohany hiala tamin’Andriamanitra ny lelan’ireo mpampianatra sandoka. Koa aoka àry isika tsy hamela ny tenantsika na oviana na oviana ho voataonan’ny filazana feno poizin’ny mpivadi-pinoana, na am-bava izany na an-tsoratra. — 1 Timoty 1:18-20; 2 Petera 2:1-3.
17, 18. Zavatra mifanohitra inona no voalaza ao amin’ny Jakoba 3:9-12, ary inona no tokony hataontsika amin’io lafiny io?
17 Afaka miaro antsika amin’ny fivadiham-pinoana sy misakana antsika tsy hilaza zavatra mifanohitra, ny finoana an’Andriamanitra sy ny faniriana hampifaly azy. Niresaka ny amin’ny nanaovan’ny sasany zavatra nifanohitra i Jakoba, raha nilaza fa ‘ny lela no isaorantsika [an’i Jehovah, NW ] Raintsika sy anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra’. (Genesisy 1:26). I Jehovah no Raintsika, satria izy “manome izao rehetra izao aina sy fofon-aina ary ny zavatra rehetra”. (Asan’ny Apostoly 17:24, 25). Izy koa no Rain’ny Kristiana voahosotra, amin’ny heviny ara-panahy. “Araka ny endrik’Andriamanitra” isika rehetra, raha ny amin’ny toetra ara-tsaina sy ara-pitondran-tena, anisan’izany ny fitiavana sy ny fitiavana ny rariny ary ny fahendrena, izay mampiavaka antsika amin’ny biby. Koa inona àry no tokony hataontsika raha manam-pinoana an’i Jehovah isika?
18 Raha manozona olona isika, dia midika izany fa miantso loza ho azy isika. Koa satria tsy mpaminany nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra isika, ka tsy nahazo lalana hiantso loza ho an’ny olona, ny fanozonana toy izany dia ho porofon’ny fankahalana izay hahatonga ny fisaorantsika an’Andriamanitra ho very maina. Tsy mety raha mivoaka avy amin’ny vava iray ihany “ny fisaorana sy ny fanozonana”. (Lioka 6:27, 28; Romana 12:14, 17-21; Joda 9). Ho tena haratsiam-panahy mihitsy ny hihira fiderana an’Andriamanitra any am-pivoriana ary avy eo dia hanaratsy ny mpiara-mivavaka amin’ny tena! Tsy mety miboiboika avy amin’ny loharano iray ihany ny rano mamy sy ny rano mangidy. Toy ny ‘aviavy tsy mety mamoa voan’oliva na ny voaloboka mamoa voan’aviavy’, dia tsy mety mamoaka rano mamy ny rano masira. Misy zavatra tsy mety eo amin’ny lafiny ara-panahy ao amintsika ao, raha toa ka isika indray, izay tokony hilaza zava-tsoa, no mikiry manao teny maharary. Raha zatra manao izany isika, dia aoka isika hivavaka mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah mba tsy hiteny toy izany intsony. — Salamo 39:1.
Manaova zavatra araka ny fahendrena avy any ambony
19. Raha tarihin’ny fahendrena avy any an-danitra isika, inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny hafa?
19 Mila fahendrena isika rehetra mba hilazana sy hanaovan-javatra mendrika an’ireo manam-pinoana. (Jakoba 3:13-18). Raha manana tahotra feno fanajana an’Andriamanitra isika, dia homeny antsika ny fahendrena avy any an-danitra, dia ilay fahaizana mampiasa araka ny tokony ho izy ny fahalalana. (Ohabolana 9:10; Hebreo 5:14). Mampianatra antsika ny fomba hampisehoana “ny fahalemem-panahin’ny fahendrena” ny Tenin’Andriamanitra. Ary satria malemy fanahy isika, dia mampandroso ny fiadanan’ny kongregasiona. (1 Korintiana 8:1, 2). Na iza na iza mirehaka ho mpampianatra lehiben’ireo mpiray finoana aminy, dia ‘mandainga manohitra ny fahamarinana kristiana’, izay manameloka ny fizahozahoany. (Galatiana 5:26). Ny ‘fahendreny’ dia “araka ny etỳ an-tany” — mampiavaka ny olona mpanota izay tafasaraka amin’Andriamanitra. “Araka ny nofo” izy io, satria vokatry ny fironana ara-nofo. Eny, “araka ny an’ny demonia” mihitsy aza izy io, satria mpieboebo ireo fanahy ratsy! (1 Timoty 3:6). Aoka àry isika hanao zavatra amim-pahendrena sy amim-panetren-tena mba tsy hanao na inona na inona izay hampisy rivo-piainana hiroboroboan’ny “asa ratsy”, toy ny fanendrikendrehana sy ny fizahan-tavan’olona.
20. Ahoana no ilazalazanao ny fahendrena avy any an-danitra?
20 “Ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha”, mahatonga antsika ho madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy. (2 Korintiana 7:11). “Tia fihavanana” izy io, manosika antsika hikatsaka fihavanana. (Hebreo 12:14). Mahatonga antsika ‘handefitra’, fa tsy hitompo teny fantatra na ho sarotra ifampiraharahana, ny fahendrena avy an-danitra. (Filipiana 4:5). “Mora alahatra” ny fahendrena avy any ambony, mampandroso ny fankatoavana ny fampianarana avy amin’Andriamanitra sy ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Romana 6:17). Mahatonga antsika hamindra fo sy hangoraka koa ny fahendrena avy any ambony. (Joda 22, 23). Koa satria “be voka-tsoa” izy io, dia mandrisika haneho fiheverana ny hafa sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny hatsaram-po sy ny fahitsiana ary ny fahamarinana. (Efesiana 5:9). Ary amin’ny maha-mpampihavana antsika, dia manana “ny vokatry ny fahamarinana”, izay miroborobo ao anatin’ny toe-javatra milamina isika.
21. Araka ny Jakoba 2:1–3:18, tokony hanosika antsika hanao zavatra inona avy ny finoantsika an’Andriamanitra?
21 Mazava àry fa manosika antsika hanao zavatra ny finoana. Mahatonga antsika tsy hizaha tavan’olona sy hamindra fo ary harisika amin’ny asa tsara dia tsara izy io. Manampy antsika hifehy ny lela sy hanao zavatra araka ny fahendrena avy any an-danitra, ny finoana. Tsy izay ihany anefa no azontsika ianarana avy amin’io taratasy io. I Jakoba dia mbola manana torohevitra fanampiny, izay afaka manampy antsika hitondra tena amin’ny fomba mendrika an’ireo izay manam-pinoana an’i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no maha-ratsy ny fizahan-tavan’olona?
◻ Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny asa?
◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fifehezana ny lela?
◻ Manao ahoana izany hoe fahendrena avy any an-danitra izany?