Izay Takin’ny Fanekena Araka An’Andriamanitra Amintsika
“Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo”. — JAKOBA 4:7.
1. Inona no azo lazaina mikasika ilay karazana Andriamanitra ivavahantsika?
ANDRIAMANITRA mahatalanjona toy inona moa i Jehovah! Tsy misy tahaka azy mihitsy, tsy manam-paharoa sy tsy manan-tsahala Izy, tapitra ohatra amin’ny lafiny maro be aoka izany! Izy no Tsitoha, ilay Tompom-piandrianana Manerana Izao Rehetra Izao, izy no itoeran’ny tena fahefana marina rehetra. Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay izy, be voninahitra aoka izany ka tsy misy olombelona na iray aza afaka mahita azy ka ho velona. (Eksodosy 33:20; Romana 16:26). Tsy manam-petra ny heriny sy ny fahendreny, lavorary tanteraka izy amin’ny fanaovana ny rariny, ary izy no fisehoana velon’ny fitiavana. Izy no Mpamorona antsika, Mpitsara antsika, Mpanome Lalàna antsika, ary Mpanjakantsika. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy aminy. — Salamo 100:3; Isaia 33:22; Jakoba 1:17.
2. Mahafaoka zavatra inona avy ny fanekena araka an’Andriamanitra?
2 Rehefa eritreretina ireo zava-misy rehetra ireo, dia tsy azo iadian-kevitra ny amin’ny adidintsika hanaiky azy. Inona avy anefa no tafiditra amin’izany ho antsika? Zavatra maromaro ihany. Koa satria tsy afaka mahita manokana an’i Jehovah Andriamanitra isika, ny fanekentsika azy dia mahatafiditra ny fanarahana ny feon’ny fieritreretana voataiza iray, ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany, ny fanekena ireo fahefana ivelan’ny fivavahana, ary ny fanajana ny fotopoto-pitsipika momba ny maha-lohany ao anatin’ny faritry ny fianakaviana.
Fitanana fieritreretana madio
3. Mba hitanana fieritreretana madio, dia karazana fandrarana inona avy no tsy maintsy ankatoavintsika?
3 Mba hitanana fieritreretana madio, dia tsy maintsy mankatò an’izay tsy azo anerena ny hafa mba hotandremany isika — izany hoe, ireo lalàna na fotopoto-pitsipika izay tsy azon’olombelona anerena ny hafa mba hotandremany. Ohatra, ny fahafolo amin’ny Didy Folo, izay manohitra ny fitsiriritana, dia tsy azon’ny fahefana olombelona anerena olona mba hotandremany. Izany koa dia manaporofo ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Didy Folo, satria tsy hisy fitambaran’olona mpanao lalàna hamoaka lalàna iray izay tsy ho azo anerena olona mba hotandremany amin’ny alalan’ny fanasaziana raha voadika. Tamin’io lalàna io, i Jehovah Andriamanitra dia nanome ny Isiraelita tsirairay ny andraikitra ho polisin’ny tenany ihany — raha tiany ny hanana fieritreretana madio. (Eksodosy 20:17). Toy izany koa, amin’ireo asan’ny nofo izay mahatonga olona iray tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra, dia eo ny “fialonana” sy ny “fitsiriritana” — fihetsika izay tsy azon’ny mpitsara olombelona itakiana fampiharana sazy. (Galatiana 5:19-21). Kanefa, mba hitanana fieritreretana madio, dia tsy maintsy manalavitra ireo toetra ireo isika.
4. Mba hitanana fieritreretana madio, dia tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly inona avy isika?
4 Eny, tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly isika. Izany fotopoto-pitsipika izany dia azo fintinina amin’ireo didy roa notononin’i Jesosy Kristy ho valin’ilay fanontaniana ny amin’izay didy lehibe indrindra tao amin’ny lalàn’i Mosesy. “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. (...) Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:36-40). Nanazava izay tafiditra tamin’ilay faharoa amin’ireo didy ireo ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 7:12 manao hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.”
5. Ahoana no ahafahantsika mitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra?
5 Tsy maintsy manao izay fantatsika fa marina sy manalavitra ny fanaovana izay fantatsika fa ratsy isika, na voamariky ny hafa izany na tsia. Izany no izy, na dia mety ho afa-maina aza isika amin’ny tsy fanaovana izay tokony hataontsika na amin’ny fanaovana izay tsy tokony hataontsika. Izany dia midika ho fihazonana fifandraisana tsara amin’ny Raintsika any an-danitra, amin’ny fitadidiana ilay fampitandremana nambaran’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 4:13 hoe: “Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika.” Ny fikirizana hanao izay marina dia hanampy antsika mba hiady amin’ny hafetsen-dratsin’ny Devoly, mba hanohitra ny faneren’izao tontolo izao, ary mba hiady amin’ny fironana ho tia tena nolovana. — Ampitahao amin’ny Efesiana 6:11.
Fanekena ny fandaminan’Andriamanitra
6. Fitaovana fampitana hafatra inona avy no nampiasain’i Jehovah tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma?
6 Tsy nomen’i Jehovah Andriamanitra antsika ny zo hanapaka isam-batan’olona ny amin’ny fomba tokony hampiharantsika ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika. Hatrany am-piandohan’ny tantaran’olombelona, dia nampiasa olona ho fitaovana fampitana hafatra Andriamanitra. Araka izany, dia mpitondra tenin’Andriamanitra teo amin’i Eva i Adama. Ilay didy momba ilay voankazo voarara dia nomena an’i Adama talohan’ny namoronana an’i Eva, koa tsy maintsy ho nilaza tamin’i Eva ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy i Adama. (Genesisy 2:16-23). Mpaminanin’Andriamanitra teo amin’ny ankohonany sy teo amin’izao tontolo izao talohan’ny Safodrano i Noa. (Genesisy 6:13; 2 Petera 2:5). Mpitondra tenin’Andriamanitra teo amin’ny ankohonany i Abrahama. (Genesisy 18:19). I Mosesy dia mpaminanin’Andriamanitra sady fitaovana fampitany hafatra tamin’ny firenen’ny Isiraely. (Eksodosy 3:15, 16; 19:3, 7). Taorian’i Mosesy, hatratỳ amin’i Jaona Mpanao Batisa, dia nisy mpaminany sy mpisorona ary mpanjaka maro nampiasain’Andriamanitra mba hampita ny sitrapony tamin’ny vahoakany.
7, 8. a) Tamin’ny fahatongavan’ny Mesia, iza no nampiasaina ho mpitondra tenin’Andriamanitra? b) Mitaky inona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny fanekena araka an’Andriamanitra?
7 Tamin’ny fahatongavan’ny Mesia, i Jesosy Kristy, Andriamanitra dia nampiasa azy sy ireo apostoly niara-niasa taminy akaiky ho mpitondra ny teniny. Tatỳ aoriana, ireo voahosotra mpanara-dia mahatoky an’i Jesosy Kristy dia nanompo tamin’ny naha-“mpanompo mahatoky sy malina” tamin’ny fampitana tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny fomba fampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fanekena araka an’Andriamanitra dia nidika ho fanekena ilay fitaovana nampiasain’i Jehovah Andriamanitra. — Matio 24:45-47, NW; Efesiana 4:11-14.
8 Asehon’ireo zava-misy fa amin’izao andro izao, ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny Fitambara-mpitantan’ireo Vavolombelona ireo no misolo tena azy io. Io fitambaran’olona io kosa, dia manendry mpiandraikitra manana fahaizana samihafa — toy ireo loholona sy ireo solontena mpitety faritany — mba hitarika ny asa eo an-toerana. Ny fanekena araka an’Andriamanitra dia mitaky amin’ny Vavolombelona tsirairay vita fanoloran-tena ny hanekeny ireny mpiandraikitra ireny amin’ny fanarahana ny Hebreo 13:17 manao hoe: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana, fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.”
Fanekena fifehezana
9. Mahatafiditra inona mazàna ny fanekena araka an’Andriamanitra?
9 Ny fanekena araka an’Andriamanitra mazàna dia mahakasika fanekena fifehezana avy amin’ireo mpiandraikitra. Raha tsy manome lalandava ho an’ny tenantsika ny fifehezana ilaina isika, dia mety hila torohevitra sy fifehezana avy amin’ireo manana ny fanandraman-javatra sy ny fahefana hanao izany, toy ireo loholona ao amin’ny kongregasionantsika. Lalam-pahendrena ny fanekena izany fifehezana izany. — Ohabolana 12:15; 19:20.
10. Manana adidy hanao inona ireo izay mampihatra fifehezana?
10 Mazava ho azy fa ireo loholona mampihatra fifehezana dia tsy maintsy ho ohatra eo amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Araka ny Galatiana 6:1 (NW ), dia tsy vitan’ny hoe tokony hanana fomba fanomezana torohevitra tsara dia tsara izy ireo, fa tokony ho fakan-tahaka koa: “Ry rahalahy, na dia manao fahadisoana alohan’ny hahatsapany izany aza ny olona iray, dia iezahonareo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina arenina amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany olona izany, sady hevero ny tenanao manokana, fandrao mba halaim-panahy koa ianao.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny torohevitr’ilay loholona dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny ohatra omeny. Izany dia mifanaraka amin’ilay fananarana omena ao amin’ny 2 Timoty 2:24, 25 sy Titosy 1:9. Eny, ireo izay mampihatra fananarana sy famaizana dia tsy maintsy mitandrina tsara mba tsy ho henjana na oviana na oviana. Tokony halefaka sy ho tsara fanahy mandrakariva izy ireo, kanefa dia ho hentitra amin’ny fanandratana ireo fotopoto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra. Tokony ho mpihaino tsy mizaha tavan’olona izy ireo, ka hamelombelona ireo izay miasa fatratra sy mavesatra entana. — Ampitahao amin’ny Matio 11:28-30.
Fanekena ireo fahefana ambony
11. Inona no takina amin’ireo Kristiana eo amin’ny fifandraisany amin’ireo fahefana ivelan’ny fivavahana?
11 Ny fanekena araka an’Andriamanitra dia mitaky ny hankatoavantsika ireo fahefana ivelan’ny fivavahana. Toroana hevitra toy izao isika ao amin’ny Romana 13:1: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky [ireo manam-pahefana ambony, NW ]. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.” Ireo teny ireo dia mitaky, ankoatra ny zavatra hafa, ny hankatoavantsika ireo lalàn’ny fifamoivoizana, ary ny hahamalina antsika tsara raha ny amin’ny fandoavana hetra sy fadintseranana, toy izay marihin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 13:7.
12. Amin’ny heviny ahoana ny fanekentsika an’i Kaisara no voafetra?
12 Mazava anefa fa tsy maintsy voafetra izany fanekena an’i Kaisara rehetra izany. Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina mandrakariva ilay fotopoto-pitsipika nambaran’i Jesosy Kristy voarakitra ao amin’ny Matio 22:21 manao hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Manazava toy izao ny fanamarihana ambany pejy momba ny Romana 13:1 ao amin’ny Oxford NIV [New International Version] Scofield Study Bible: “Izany akory tsy midika hoe tsy maintsy mankatò ireo lalàna izay ratsy ara-pitondran-tena na tsy kristiana izy. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny adidiny dia ny mankatò an’Andriamanitra fa tsy ny olombelona. (Asan’ny Apostoly 5:29; ampitahao amin’ny Dan. 3:16-18; 6:11 sns.)”
Fanekena araka an’Andriamanitra ao anatin’ny faritry ny fianakaviana
13. Ny fanekena araka an’Andriamanitra ao anatin’ny faritry ny fianakaviana dia mitaky inona avy amin’ireo mpikambana ao aminy?
13 Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, ny lehilahy manambady sady ray dia miasa ho lohany. Izany dia mitaky ny hanarahan’ny vehivavy ilay torohevitra omena ao amin’ny Efesiana 5:22, 23 manao hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana”.a Raha ny amin’ireo ankizy, dia tsy hanao lalàna ho an’ny tenany manokana izy ireo fa manana adidy haneho fanekena araka an’Andriamanitra amin’ny rainy sy ny reniny, toy ny anazavan’i Paoly izany ao amin’ny Efesiana 6:1-3 manao hoe: “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany.’ ”
14. Mitaky inona amin’ny loham-pianakaviana ny fanekena araka an’Andriamanitra?
14 Mazava ho azy fa ho mora kokoa ny fanehoan’ny vehivavy manambady sy ny ankizy fanekena araka an’Andriamanitra toy izany rehefa mampiseho fanekena araka an’Andriamanitra ny tenan’ireo lehilahy manambady sady ray. Manao izany izy ireo amin’ny fampiharana ny maha-lohany azy amin’ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, toy ireo hita ao amin’ny Efesiana 5:28, 29 sy 6:4 manao hoe: “Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana.” “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.”
Fanampiana mba hanehoana fanekena araka an’Andriamanitra
15. Vokatry ny fanahy inona no hanampy antsika haneho fanekena araka an’Andriamanitra?
15 Inona no hanampy antsika haneho fanekena araka an’Andriamanitra amin’ireo faritra isan-karazany ireo? Voalohany, dia eo ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena — ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy an’ireo rehetra napetrany hiandraikitra antsika. Ilazana toy izao isika ao amin’ny 1 Jaona 5:3: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” Nilaza izany hevitra izany koa i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:15 nanao hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” Marina tokoa fa, ny fitiavana — ilay vokatry ny fanahy voalohany — dia hanampy antsika hankasitraka izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika, ka noho izany, dia hanampy antsika haneho fanekena araka an’Andriamanitra. — Galatiana 5:22.
16. Amin’ny ahoana ny tahotra an’Andriamanitra no manampy mba hanehoana fanekena araka an’Andriamanitra?
16 Faharoa manaraka izany, dia eo ny fahatahorana araka an’Andriamanitra. Ny fahatahorana ny tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra dia hanampy antsika, satria izany dia midika ho “fankahalana ny ratsy”. (Ohabolana 8:13). Tsy misy isalasalana fa ny fahatahorana ny tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah dia hisakana antsika tsy hanaiky lembenana noho ny tahotra olona. Izany koa dia hanampy antsika hankatò ny toromarika omen’Andriamanitra na toy inona na toy inona fahasahiranana tsy maintsy resena. Ankoatra izany, dia hanampy antsika izany mba tsy ho resin’ny fakam-panahy na ny fironana hanao ratsy. Ny Soratra Masina dia mampiseho fa ny fahatahorana an’i Jehovah no nahatonga an’i Abrahama ho vonona hanolotra an’i Isaka zanany malala, ary ny tahotra ny tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah no nahatonga an’i Josefa hanohitra tamim-pahombiazana ny fitadiavan’ny vadin’i Potifara hanana fitondran-tena maloto taminy. — Genesisy 22:12; 39:9.
17. Inona no anjara asan’ny finoana eo amin’ny fanehoana fanekena araka an’Andriamanitra?
17 Ny fanampiana fahatelo dia ny finoana an’i Jehovah Andriamanitra. Ny finoana dia hahatonga antsika ho afaka hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6 manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”. Ny finoana dia hanampy antsika indrindra rehefa toa iharan’ny tsy rariny isika, na mahatsapa fa avakavahana noho ny firazanantsika na ny firenentsika na noho ny tsy fifanarahan’ny toetra sasany. Mety hisy koa hahatsapa fa tsy nasiana fiheverana tamin’ny fomba diso izy ireo rehefa tsy voatendry ho loholona na mpikarakara momba ny asa. Raha manam-pinoana isika, dia hiandry ny handaminan’i Jehovah ilay raharaha amin’ny fotoana mety. Mandra-pahatongan’izany, dia mety hila ny hamboly fiaretana amim-paharetana isika. — Fitomaniana 3:26.
18. Inona ilay fanampiana fahefatra mba hanehoantsika fanekena araka an’Andriamanitra?
18 Fanampiana fahefatra ny fanetren-tena. Tsy sarotra amin’ny olona manetry tena iray ny maneho fanekena araka an’Andriamanitra satria ‘amin’ny fanetren-tena izy dia manao ny namany ho mihoatra noho ny tenany’. Ny olona manetry tena iray dia vonona hitondra tena toy ny “kely indrindra”. (Filipiana 2:2-4; Lioka 9:48). Fa ny olona be hambom-po kosa, dia tsy faly sy sosotra rehefa tokony haneho fanekena. Voalaza fa aleon’ny olona toy izany ho ringana noho ny teny fiderana toy izay ho voavonjy noho ny teny fanakianana.
19. Ohatra momba ny fanetren-tena tsara dia tsara inona no nomen’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower taloha?
19 Ny ohatra tsara dia tsara iray ny amin’ny fanetren-tena sy ny fanekena araka an’Andriamanitra, dia ny an’i Joseph Rutherford, prezidà faharoan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Rehefa nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina i Hitler, dia nanoratra taminy ireo rahalahy tany, nanontany izay tokony hataon’izy ireo teo anoloan’ilay fandrarana nampiharina tamin’ny fivoriany sy ny asany. Nanambara izany tamin’ny fianakavian’ny Betela izy ary niaiky tamim-pahatsorana fa tsy fantany izay holazaina tamin’ireo rahalahy alemanina, indrindra fa noho ireo famaizana mafy natao tamin’izy ireo. Nilaza izy fa raha nisy nahalala izay tokony holazaina tamin’izy ireo, dia ho faly izy handre izany. Toe-tsaina manetry tena re izany!b
Ireo soa avy amin’ny fanehoana fanekena araka an’Andriamanitra
20. Fitahiana inona avy no vokatry ny fanehoana fanekena araka an’Andriamanitra?
20 Mety ho tsara indrindra ny hanontaniana hoe: Inona avy ireo soa entin’ny fanehoana fanekena araka an’Andriamanitra? Maro be tokoa. Tsy voan’ireo tebiteby sy fahakiviana mahazo ireo izay manao zavatra amin’ny tsy fiankinana isika. Manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra isika. Manana ny fifaneraserana tsara indrindra isika miaraka amin’ireo rahalahintsika kristiana. Ankoatra izany, amin’ny fitondrantsika tena amim-pankatoavan-dalàna, dia hanalavitra zava-manahirana tsy amin’antony avy amin’ireo fahefana ivelan’ny fivavahana isika. Manana fiainam-pianakaviana sambatra koa isika, amin’ny maha-mpivady sy ray aman-dreny sy zanaka. Ambonin’izany, amin’ny fihazonana fanekena araka an’Andriamanitra, isika dia manao zavatra mifanaraka amin’ilay torohevitra omena ao amin’ny Ohabolana 27:11 manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nisy minisitra mpisava lalana iray nidera ny fanajana sy ny fanohanana feno fitiavana asehon-dravehivavy vadiny aminy teo anatrehan’ny mpisava lalana mpitovo iray. Nieritreritra ilay mpisava lalana mpitovo fa ilay namany dia tokony ho nilaza zavatra momba ireo toetra tsara hafa ananan’ny vadiny. Taona maro tatỳ aoriana anefa, rehefa nanambady koa io mpisava lalana mpitovo io, dia takany ny maha-zava-dehibe ny faneken’ny vehivavy eo amin’ny fahasambaran’ny mpivady.
b Rehefa avy nivavaka sy nianatra ny Tenin’Andriamanitra be dia be i Joseph Rutherford dia nahita tamin’ny fomba mazava tsara ny valin-teny tokony homeny ireo rahalahiny any Alemaina. Tsy andraikiny ny hilaza tamin’izy ireo izay tokony hatao na tsy tokony hatao. Nananan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra, izay milaza aminy izay tokony hataony raha ny amin’ny fiaraha-mivory sy ny fanaovana fanambarana. Koa nanomboka nanao asa niafina àry ireo rahalahy alemanina ary tsy nitsahatra nankatò ny baikon’i Jehovah mba hiara-mivory sy hanao fanambarana momba ny anarany sy ny Fanjakany.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Olona iza avy no nampiasain’Andriamanitra ho fitaovana fampitana hafatra, ary manana adidy hanao inona ho azy ireny ireo mpanompony?
◻ Eo amin’ny fifandraisana isan-karazany inona avy no iharan’ny fanekena araka an’Andriamanitra?
◻ Toetra tsara inona avy no hanampy antsika haneho fanekena araka an’Andriamanitra?
◻ Mitondra fitahiana inona avy ny fanekena araka an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 16]
Nampiasa ny fandaminana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema mba hampitana ny sitrapony tamin’ny vahoakany Andriamanitra
[Sary, pejy 18]
Ireo faritra azontsika anehoana fanekena araka an’Andriamanitra