Manao Zavatra Miaraka ny Fianakaviana Kristiana
“Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, (...) mba ho tafakambana
[“tafaray”, NW ] tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — 1 KORINTIANA 1:10.
1. Manao ahoana ny toe-javatra ao amin’ny fianakaviana maro raha ny amin’ny firaisan-kina?
FIANAKAVIANA tafaray ve ny anareo? Sa kosa toa samy manana ny fiainany manokana ny tsirairay? Manao zavatra miaraka ve ianareo? Sa mahalana ianareo rehetra no eo amin’ny toerana iray amin’ny fotoana iray ihany? Ilay teny hoe “fianakaviana” mihitsy dia milaza tsy mivantana ankohonana tafaray iray.a Tsy ny fianakaviana rehetra anefa no tafaray. Tonga hatramin’ny fitenenana toy izao mihitsy ny mpandahateny britanika iray: “Tsy fototry ny fitambaran’olona tsara velively ny fianakaviana fa (...) loharanon’ireo tsy fahafaham-po rehetra mahazo antsika kosa.” Marina ve izany ny amin’ny fianakavianareo? Raha izany no izy, voatery tsy maintsy ho toy izany ve izy io?
2. Olona ao amin’ny Baiboly iza avy no nanome porofo fa avy tamin’ny fianakaviana tsara iray?
2 Ny firaisan-kina na ny fisaratsarahan’ny fianakaviana iray mazàna dia miankina amin’ny fitondran’ny lohany, na ny ray sy ny reny miaraka izany, na ny iray amin’izy ireo. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ireo fianakaviana tafaray izay niara-nanao fanompoam-pivavahana dia nanana ny fitahian’i Jehovah. Marina izany teo amin’ny Isiraely fahizay. Tamin’izany ny zanakavavin’i Jefta sy i Samsona ary i Samoela, dia samy nanaporofo tamin’ny fomba tsy nitovy, fa avy tamin’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra izy ireo. (Mpitsara 11:30-40; 13:2-25; 1 Samoela 1:21-23; 2:18-21). Tamin’ny andron’ireo Kristiana voalohany, dia notezain’i Loisa renibeny sy i Eonika reniny tao amin’ny fahalalana ny Soratra Hebreo i Timoty, naman’i Paoly nahatoky teo amin’ny dia misionera sasany nataony. Tonga mpianatra sy misionera niavaka toy inona moa izy! — Asan’ny Apostoly 16:1, 2; 2 Timoty 1:5; 3:14, 15; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 21:8, 9.
Nahoana no manao zavatra miaraka?
3, 4. a) Toetra tsara inona avy no tokony hiharihary ao amin’ny fianakaviana tafaray iray? b) Ahoana no ahafahan’ny tokantrano iray hihoatra noho ny trano fotsiny?
3 Nahoana no mitondra soa ho an’ny fianakaviana ny fanaovan-javatra miaraka? Satria izany dia mampitombo tsikelikely ny fifankahazoan-kevitra sy ny fifanajana. Tsy mifampihatakataka isika fa mifanakaiky sy mifanohana kosa. Manambara toy izao ny lahatsoratra iray vao haingana tao amin’ny gazety Family Relations: “Nisy sary somary mazava ihany nivoaka, nilazalaza toetra manokana ananan’ny ‘fianakaviana matanjaka’. Ny toetra tsara toy izany dia mahatafiditra fifanomezan-toky, fifankasitrahana, fifanakekezana mafana, fifampiresahana tsara sy fahaizana mandamin-java-manahirana ary fananana fiainana ara-panahy matanjaka.”
4 Rehefa misy ao amin’ny fianakaviana ireo toetra tsara ireo, dia tsy toy ny toeram-pivarotan-dasantsy intsony ny tokantrano, dia toerana izay hijanonana mba hahazoana lasantsy. Mihoatra noho ny trano fotsiny izy io. Izy io dia toerana manintona izay misarika ny mpianakavy. Toeram-pialofana feno hafanana sy firaiketam-po, fangoraham-po ary fifankahazoan-kevitra. (Ohabolana 4:3, 4). Akany ahitana ny firaisam-pianakaviana izy io, fa tsy fonenan’ny maingoka feno tsy fifanarahana sy fisaratsarahana. Ahoana anefa no ahavitana izany?
Fanaovan-javatra miaraka eo amin’ny fianaram-pianakaviana
5. Inona no ampiasaintsika mba hianarana ny fanompoam-pivavahana marina?
5 Ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah dia ianarana amin’ny fampiasana ny fahaizantsika manjohy hevitra, na ny “hery ara-tsaina”. (Romana 12:1, NW ). Ny fitondran-tenantsika dia tsy tokony hotapahin’ny fihetseham-po mihelina toy irony tairina amin’ny alalan’ny toriteny tsara lahatra sy teny misosa tsara manodoka ataon’ny fandaminana ara-pivavahana mampiasa ny televiziona irony. Isika kosa dia atosiky ny fianarantsika tsy tapaka sy ny fisaintsainantsika ny Baiboly sy ireo boky fianarana azy io izay omen’ny “mpanompo matoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Ny fihetsika kristiana ananantsika dia vokatry ny fananana ny sain’i Kristy amin’ny toe-javatra na fakam-panahy rehetra izay mety hipoitra. Amin’io lafiny io, dia i Jehovah no Mpampianatra antsika Lehibe. — Salamo 25:9; Isaia 54:13; 1 Korintiana 2:16.
6. Ohatra ny amin’ny fianaram-pianakaviana maneran-tany inona no ananantsika?
6 Manana anjara asa tena ilaina eo amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny fianakaviana kristiana tsirairay ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly. Amin’ny fotoana toy inona ianareo no manao ny fianaram-pianakavianareo? Raha avela ho amin’ny kisendrasendra, na ho amin’ny fanapahan-kevitra tampotampoka izy io, dia azo inoana fa, na dia atao aza ilay izy, dia mahalana. Ny fanaovan-javatra miaraka eo amin’ny fianaram-pianakaviana dia mitaky fandaharam-potoana raikitra sy tsy tapaka. Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra hoe amin’ny andro inona sy amin’ny firy izy ireo no antenaina fa ho eo mba hanana fiarahana ara-panahy ho an’ny fianakaviana. Ireo mpianakavin’ny Betela maneran-tany maherin’ny 12 000 dia mahafantatra fa ny fianaram-pianakavian’izy ireo dia ny alatsinainy hariva. Manaitra ny sain’ireo Betelita toy inona moa ny fitadidiana fa manao fianarana iray ihany izy rehetra arakaraka ny ifaranan’ny andro, any amin’ireo nosin’i Pasifika sy any Nouvelle-Zélande, avy eo, miandalana mankany Aostralia, Japana, Taïwan, Hong-Kong, manaraka izany dia miampita any Azia, Afrika sy Eoropa, ary farany dia any Amerika. Na dia sarahin’ny kilaometatra an’arivony maro sy ny fiteny maro aza io fianaram-pianakaviana io, dia miteraka fahatsapana fanaovan-javatra miaraka izy io eo amin’ireo mpianakavin’ny Betela. Amin’ny ambaratonga kely kokoa, dia afaka mamboly fahatsapana toy izany amin’ny alalan’ny fianaram-pianakavianao ianao. — 1 Petera 2:17; 5:9.
7. Araka ny voalazan’i Petera, ahoana no tokony hiheverantsika ny tenin’ny fahamarinana?
7 Manoro hevitra antsika toy izao ny apostoly Petera: “Ary tahaka ny zaza vao teraka, dia manomboha maniry fatratra ny ronono tsy mitapoka izay an’ny teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena, raha tàhiny efa nandramanareo fa tsara fanahy ny Tompo.” (1 Petera 2:2, 3, NW ). Sary kanto toy inona moa no asehon’i Petera ao an-tsaina amin’ireo teny ireo! Nampiasainy ilay matoanteny grika hoe e·pi·po·theʹsa·te, izay avy amin’ny teny iray midika hoe “maniry fatratra, maniry, mila mafy”, araka ny Linguistic Key to the Greek New Testament. Izany dia milaza tsy mivantana faniriana mahery vaika. Voamarikao ve ny fitadiavan’ny zana-biby iray amim-pahadodonana ny nonon-dreniny ary ny fahafaham-pon’ny zazakely iray rehefa minono amin-dreniny? Tokony hanana io faniriana io amin’ny tenin’ny fahamarinana isika. Nilaza toy izao ilay manam-pahaizana manokana momba ny teny grika atao William Barclay: “Ho an’ny Kristiana tso-po, ny fianarana ny tenin’Andriamanitra dia tsy asa mafy iray fa fahafinaretana, satria fantany fa ao anatin’izany no hahitan’ny fony ilay famelombelomana izay iriny fatratra.”
8. Asa tsy maintsy atao inona no atrehin’ny loham-pianakaviana eo amin’ny fitarihana ny fianaram-pianakaviana?
8 Mametraka andraikitra mavesatra eo amin’ny loham-pianakaviana ny fianaram-pianakaviana. Tsy maintsy manao izay hahazoana antoka izy fa mahaliana ny rehetra ilay fianarana, ary afaka mandray anjara ny rehetra. Tsy tokony hahatsapa ny ankizy fa natao fotsiny ho an’ny olon-dehibe marina tokoa ilay fianarana. Ny hatsaran’ilay fianarana dia zava-dehibe kokoa noho ny habetsahan’ny fianarana vita. Ataovy izay hahatonga ny Baiboly ho velona. Rehefa mety izany, dia ampio ny zanakao mba haka sary an-tsaina ireo faritra sy toetoetran’i Palestina izay nisehoan’ireo zava-nitranga resahina. Tokony hampirisihina ny rehetra mba hanao ny fikarohany manokana ary hizara izany amin’ny fianakaviana. Amin’izany fomba izany, ireo ankizy koa dia ho afaka ‘hitombo eo anatrehan’i Jehovah’. — 1 Samoela 2:20, 21.
Fanaovan-javatra miaraka eo amin’ny fitoriana ny filazantsara
9. Ahoana no azo anaovana ny asa fitoriana ho fanandraman-javatra mahafinaritra ho an’ny fianakaviana?
9 Hoy i Jesosy: “Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10). Ireo teny ireo dia manome ho an’ny Kristiana rehetra mihaino ny feon’ny fieritreretany, fanendrena iray — hitory ny filazantsara, hizara ny vaovao tsaran’ny fanapahan’ilay Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hafa. Ny fanaovana izany miaraka amin’ny maha-fianakaviana dia mety ho fanandraman-javatra mampahery sy mahafaly. Ireo ray sy reny dia mahatsiaro tena ho faly sy sambatra noho ny fampisehoana ny vaovao tsara ataon’ny zanany. Nilaza ny mpivady nanan-janaka telo lahy teo anelanelan’ny 15 sy 21 taona, fa nanana fahazarana niaraka foana tamin’ireo zanany teo amin’ny asa fitoriana ampahibemaso izy ireo isaky ny alarobia aorian’ny firavan’ny sekoly, sy isaky ny asabotsy maraina. Hoy ilay raim-pianakaviana: “Mampianatra azy ireo zavatra isaky ny mandeha izahay. Ary ataonay izay hahazoana antoka fa fanandraman-javatra ahitam-pahafinaretana sy mampahery ilay izy.”
10. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mitondra soa ho an-janany eo amin’ny fanompoana?
10 Ny fiaraha-miasa amin’ny maha-fianakaviana eo amin’ny fitoriana sy fampianarana dia mety ho tena hahavokatra. Indraindray ny olona dia mandray tsara kokoa ny fampisehoana tsotra nefa tena izy ataon’ny ankizy iray. Avy eo, dia eo i Neny na i Dada mba hanampy raha ilaina izany. Azon’ireo ray aman-dreny atao izay hahazoana antoka fa mahazo fiofanana miandalana ny zanany ka ho tonga mpanompo “tsy mahazo henatra na amin’inona na amin’inona, mampiasa tsara ny teny fahamarinana”. Ny fiaraha-mitory amin’izany fomba izany dia mamela ireo ray aman-dreny handinika ny fihetsiky ny zanany, ny fahitany vokatra, ny fahalalam-pombany eny amin’ny fanompoana. Amin’ny fananana fahazarana tsy tapaka, dia hahita ny fandroson’ilay zanaka izy ireo ary hanome azy fampiofanana mifanentana sy fampaherezana mba hanatanjaka ny finoany. Amin’izay fotoana izay ihany, ireo zanaka dia hahita fa ohatra tsara eo amin’ny fanompoana ny ray aman-dreniny. Amin’izao fotoana sarotra sy feno herisetra izao, ny fiasana amin’ny maha-fianakaviana tafaray sy feno fiahiana dia mety hanome fiarovana sasany amin’ny loza eo amin’ny manodidina anjakan’ny heloka bevava. — 2 Timoty 2:15, NW; Filipiana 3:16, NW.
11. Inona no afaka mampihena mora foana ny zotom-pon’ny ankizy iray ho an’ny fahamarinana?
11 Mahatsikaritra mora foana ny fananan’ny olon-dehibe fiainana roa sosona ny ankizy. Raha tsy mampiseho tena fitiavana ny fahamarinana sy ny fanompoana isan-trano ny ray aman-dreny, dia tsy azo antenaina velively ny haha-be zotom-po ny ankizy. Noho izany, ny ray na ny reny iray salama vatana izay tsy manao afa-tsy fianarana ny Baiboly isan-kerinandro amin’ireo zanany ho ny hany asa fanompoana, dia mety hividy lafo izany rehefa mihalehibe izy ireo. — Ohabolana 22:6; Efesiana 6:4.
12. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana sasany mahazo fitahiana manokana avy amin’i Jehovah?
12 Ny tombony amin’ny hoe ‘tafaray tsara, miray saina’ dia angamba ny fahafahan’ilay fianakaviana miara-miasa mba hisian’ny mpikambana iray fara faharatsiny ho afaka hanompo amin’ny maha-mpiasa manontolo andro mpisava lalana ao amin’ny kongregasiona. Misy fianakaviana maro manerana izao tontolo izao manao izany, ary ny rehetra dia mandray fitahiana avy amin’ireo fanandraman-javatra sy fahitam-bokatra mitombo hitan’ny mpianakavin’izy ireo izay mpisava lalana. — 2 Korintiana 13:11; Filipiana 2:1-4.
Fanaovan-javatra miaraka eo amin’ny fikarakarana zava-manahirana
13, 14. a) Tarehin-javatra inona avy no mety hisy akony eo amin’ny firindran’ny fianakaviana? b) Ahoana no ahafahana misoroka ireo zava-manahirana maro mahazo ny fianakaviana?
13 Amin’izao andro sarotra misy “fihenjanana” sy “loza” izao, dia samy mandalo fanerena daholo isika rehetra. (2 Timoty 3:1, Revised Standard Version; Phillips). Misy zava-manahirana any am-piasana, any an-tsekoly, any ivelan’ny trano, ary na dia ao an-trano mihitsy aza. Misy mijaly noho ny fahasalamana tsizarizary na noho ny zava-manahirana ara-pihetseham-po naharitra hatramin’ny ela, izay indraindray mitarika fihenjanana sy tsy fifankahazoan-kevitra ao amin’ny fianakaviana. Ahoana no ahafahana mikarakara ny tarehin-javatra toy izany? Amin’ny tsy fifampiresahana ve? Amin’ny fihatahana amin’ny hafa ve na dia samy iray trano aza? Tsia. Mila manambara ny fanahiantsika kosa isika ary mangataka fanampiana. Ary aiza no toerana tsara kokoa ho an’izany noho ny ao anatin’ny faritry ny fianakaviana anjakan’ny fitiavana? — 1 Korintiana 16:14; 1 Petera 4:8.
14 Izay mety ho dokotera dia mahafantatra fa tsara kokoa ny misoroka noho ny mitsabo. Marina koa izany amin’ireo zava-manahirana ny fianakaviana. Ny resaka tsy an-kifonofono sy tsy miolakolaka dia mazàna afaka misoroka zava-manahirana mba tsy hanjary ho lehibe. Na dia mipoitra aza ny zava-manahirana lehibe, dia azo karakaraina izany ary azo alamina mihitsy aza raha miara-mandinika ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tafiditra ilay fianakaviana. Matetika ny tsy fifanarahana dia azo ovana ho fifandraisana milamina amin’ny fampiharana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany (...) [Mitafia fitiavana satria fatorana mampiray tanteraka izany, NW ].”
Fanaovan-javatra miaraka eo amin’ny fialam-boly
15, 16. a) Toetra inona no tokony hampiavaka ny fianakaviana kristiana? b) Mamokatra karazan’olona manao ahoana ny fivavahana sasany, ary nahoana?
15 Andriamanitra falifaly i Jehovah, ary ny fahamarinana dia hafatra mahafaly — hafatra mitondra fanantenana ho an’ny olombelona. Ankoatra izany, dia iray amin’ny vokatry ny fanahy ny fifaliana. Izany dia tsy mitovy velively amin’ilay fientanan-kafaliana mihelina hitan’ireo mpanao fanatanjahan-tena izay mandresy amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena sasany. Izy io dia fahatsapana fahafaham-po mitohy sady lalina izay mameno ny fo, vokatry ny fambolena fifandraisana manokana amin’i Jehovah. Izy io dia fifaliana izay miorina amin’ny zava-tsarobidy ara-panahy sy fifandraisana mampahery. — Galatiana 5:22, NW; 1 Timoty 1:11, NW.
16 Noho izany, amin’ny maha-Vavolombelona kristian’i Jehovah antsika, dia tsy manana antony tokony haha-oriory, na tsy hahay hanao sy handray vazivazy isika. Ny fivavahana sasany dia mamokatra olona sahala amin’izany satria ny karazam-pinoany dia manantitrantitra anton-javatra tsy manorina. Ny fampianaran’izy ireo dia mahatonga karazana fanompoam-pivavahana manjombona, tsy misy fifaliana, izay sady tsy araka ny Baiboly no tsy voalanjalanja. Tsy mamokatra fianakaviana sambatra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy ireny. Hitan’i Jesosy fa nilaina ny fialam-boly sy ny fialana sasatra. Indray mandeha, ohatra, dia nanasa ireo mpianany mba handeha ‘hitokana any an-tany foana sy hiala sasatra kelikely’, izy. — Marka 6:30-32; Salamo 126:1-3; Jeremia 30:18, 19.
17, 18. Amin’ny fomba mety inona avy no azon’ny fianakaviana kristiana ialana sasatra?
17 Mila fotoana mba hialana sasatra toy izany koa ny fianakaviana. Niteny toy izao ny amin’ireo zanany ny ray aman-dreny iray: “Manao zavatra mahafinaritra maro be miaraka izahay — mankeny amoron-dranomasina, milalao baolina any amin’ny saha fitsangantsanganam-bahoaka, mandamina fitsangantsanganana any an-tendrombohitra. Indraindray, dia ‘manao manontolo andro’ miaraka izahay eo amin’ny fanompoana toy ny mpisava lalana; avy eo izahay dia manao fety amin’ny sakafo manokana iray, ary mety hifanolotra fanomezana mihitsy aza.”
18 Fanipazan-kevitra hafa azon’ny ray aman-dreny heverina ny fitsangantsanganan’ny fianakaviana any amin’ny saha fijerena karazam-biby, any amin’ireo zaridaina misy fanaovana kilalao sy any amin’ny tranom-bakoka ary any amin’ny toerana mahavariana hafa. Ny fandehanana any an’ala sy ny fijerena vorona ary ny fanaovana zaridaina dia asa izay azo iaraha-manao amim-pahafinaretana. Afaka mampirisika ny zanany hianatra hitendry zavamaneno na hanao zavatra ankafizina manokana iray azo ampiasaina, ireo ray aman-dreny. Azo antoka fa ireo ray aman-dreny mahay mandanjalanja dia haka fotoana mba hiaraha-milalao amin’ny zanany. Raha miara-milalao ny fianakaviana, dia azo inoana kokoa fa hiara-mitoetra izy ireo!
19. Fironana maoderina inona no afaka manimba ny fianakaviana iray?
19 Fironana maoderina eo amin’ny tanora ny faniriana hisaraka amin’ny fianakaviana sy hanao izay tiany raha ny amin’ny fialam-boly. Na dia tsy misy maha-ratsy azy aza ny fananan’ny tanora iray zavatra ankafizina na fandaniana andro tiana manokana, dia tsy ho tsara ny hamelana ny fahalianana toy izany hahatonga fisarahana maharitra amin’ny sisa amin’ny fianakaviana. Irintsika kosa ny hampihatra ilay fotopoto-pitsipika nolazain’i Paoly hoe: “Aza dia samy mihevitra ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa.” — Filipiana 2:4, DIEM.
20. Amin’ny ahoana ireo fivoriambe no mety ho fotoana mahafaly?
20 Fifaliana toy inona ho antsika rehetra moa ny fahitana fianakaviana miara-mipetraka any amin’ireo fivoriambe! Amin’izany fomba izany matetika ireo zokiny dia afaka manampy an’ireo zandriny. Ny fandaharana toy izany koa dia misakana ny fironan’ny zatovo sasany hiaraka ho andiany any amin’ny laharan-tseza any aoriana ka tsy hihaino tsara ny fandaharana amin’ny fivoriambe. Na dia ny fanaovana dia lavitra mandroso sy miverina any amin’ny fivoriambe aza dia mety hahafaly rehefa akana hevitra ny fianakaviana ny amin’ny lalana haleha sy ny toerana hojerena eny an-dalana ary ny toerana hipetrahana. Alao sary an-tsaina hoe tsy maintsy ho fotoana nampientanentana toy inona moa ny fiarahan’ny fianakaviana nanao dia lavitra hatrany Jerosalema tamin’ny andron’i Jesosy! — Lioka 2:41, 42.
Ireo fitahiana amin’ny fanaovan-javatra miaraka
21. a) Ahoana no ahazoantsika miezaka mafy mba hahombiazana eo amin’ny fanambadiana? b) Inona avy ireo fanipazan-kevitra efatra mba hananana fanambadiana maharitra?
21 Tsy mora tanterahina na oviana na oviana ny fanambadiana mahomby sy ny fianakaviana tafaray, ary tsy tongatonga ho azy akory izy ireo. Toa mora ho an’ny sasany ny ‘milavo lefona’ sy ny mandrava ny fanambadiana amin’ny fisarahana ary ny miezaka manomboka ny zava-drehetra indray. Matetika anefa dia miseho ao amin’ilay fanambadiana faharoa na fahatelo ireo zava-manahirana ireo. Tsara lavitra ilay ala olana kristiana hoe: Miezaha mafy mba hahombiazana, amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba ny fitiavana sy ny fanajana. Ireo fianakaviana tafaray dia miankina amin’ny toe-tsaina mahay mifandefitra, tsy tia tena. Nilaza fomba tsotra iray mahatonga ny fanambadiana haharitra ny mpanolo-tsaina iray momba ny fanambadiana. Nanoratra toy izao izy: “Ireo foto-javatra efatra tena lehibe hita saiky ao amin’ny fanambadiana tsara rehetra dia ny fahavononana hihaino, ny fahaizana miala tsiny, ny fahafahana manome fanohanana ara-pihetseham-po tsy miovaova, ary ny faniriana hanohina amim-pitiavana.” Ireo anton-javatra ireo dia afaka manampy tokoa mba hahatonga ny fanambadiana haharitra satria izy ireo dia miorina koa amin’ny fotopoto-pitsipika azo antoka ao amin’ny Baiboly. — 1 Korintiana 13:1-8; Efesiana 5:33; Jakoba 1:19.
22. Inona avy no soa sasany avy amin’ny fananana fianakaviana tafaray?
22 Raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly isika, dia hanana fototra mafy ho an’ny fianakaviana tafaray, ary ny fianakaviana tafaray dia fiorenan’ny kongregasiona tafaray sy matanjaka ara-panahy. Araka izany, dia handray fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah isika eo am-piderana azy bebe kokoa hatrany amim-piraisan-kina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ny hoe fianakaviana dia avy amin’ny teny l[atina] hoe familia, tany am-boa[lohany] dia ireo mpanompo sy andevo tao amin’ny trano lehibe iray, avy eo dia ilay trano mihitsy miaraka amin’ny tompolahy, ny tompovavy, ny ankizy — sy ny mpiasa rehetra.” — Origins — A Short Etymological Dictionary of Modern English, nosoratan’i Eric Partridge.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no ahitan’ny fianakaviana soa ny fanaovan-javatra miaraka?
◻ Nahoana no tena ilaina ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka ao anatin’ny fianakaviana?
◻ Nahoana no tsara ny hiarahan’ireo ray aman-dreny amin’ny zanany eo amin’ny asa fanompoana?
◻ Nahoana no manampy ny firesahana ireo zava-manahirana ao anatin’ny faritry ny fianakaviana?
◻ Nahoana ny fianakaviana kristiana no tsy tokony hanjombona sy tsy hanam-pifaliana?
[Sary, pejy 17]
Moa ve ny fianakavianao mba miara-misakafo, fara faharatsiny indray mandeha ao anatin’ny andro iray?
[Sary, pejy 18]
Ireo fitsangantsanganana ataon’ny fianakaviana dia tokony hampiala voly sy hahafinaritra