Ny Kristianisma Tany Am-boalohany sy ny Fitondrana
ORA vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 15:19). Midika ve anefa izany fa handray fihetsika feno fankahalana ny fahefana eto amin’itỳ izao tontolo izao itỳ ny Kristiana?
Tsy araka an’izao tontolo izao, nefa tsy mankahala azy
Nilaza toy izao tamin’ireo Kristiana nonina tany Roma ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe.” (Romana 13:1). Mitovy amin’izany koa, ny apostoly Petera dia nanoratra hoe: “Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.” (1 Petera 2:13, 14). Ny fanekena ny Fitondrana sy ireo solontenany voatendry ara-dalàna, dia fotopoto-pitsipika nekena mazava tsara teo anivon’ireo Kristiana tany am-boalohany. Niezaka mafy izy ireo mba ho olom-pirenena mpanara-dalàna sy mba hiaina amim-pihavanana amin’ny olona rehetra. — Romana 12:18.
Teo ambanin’ilay foto-kevitra hoe “Eglizy sy Fitondrana”, dia nanambara toy izao ny The Encyclopedia of Religion: “Tamin’ireo taonjato telo voalohany ar.J.K. ny eglizy kristiana tamin’ny ankapobeny, dia tafasaraka lavitra ny fiaraha-monina romana ofisialy (...) Na dia izany aza, ireo mpitarika kristiana (...) dia nampianatra fankatoavana ny lalàna romana sy ny tsy fivadihana tamin’ny emperora, tao anatin’ny fetra naorin’ny finoana kristiana.”
Omeo voninahitra, fa aza tolorana fanompoam-pivavahana
Tsy nankahala ny emperora romana ny Kristiana. Nanaja ny fahefany sy nanome azy ny voninahitra tokony ho azy noho ny laharany izy ireo. Nandritra ny fanapahan’ny Emperora Néron, dia nanoratra ho an’ny Kristiana nonina tany amin’ny faritra samy hafa tamin’ny Empira Romana ny apostoly Petera hoe: “Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra, (...) manomeza voninahitra ny mpanjaka.” (1 Petera 2:17, NW ). Ny teny hoe “mpanjaka” dia nampiasaina teo amin’izao tontolo izao niteny grika, tsy ho an’ny mpanjaka teo an-toerana ihany fa ho an’ny emperora romana koa. Nanoro hevitra ny Kristiana nonina tao amin’ny renivohitry ny Empira Romana toy izao ny apostoly Paoly: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy (...) [voninahitra, NW ] ho an’izay [mitaky voninahitra, NW ].” (Romana 13:7). Ny emperora romana dia azo antoka indrindra fa nitaky voninahitra. Tamin’ny farany aza, dia nitaky fanompoam-pivavahana mihitsy izy. Tamin’izay anefa, ireo Kristiana tany am-boalohany dia nanisy fetra tsy nihoaran’ny tenan’izy ireo.
Tamin’ny fitsarana azy teo anoloan’ny governora romana tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia voalaza fa nanambara toy izao i Polycarpe: “Kristiana aho. (...) Nampianarina izahay hanome ny voninahitra rehetra tokony ho an’ireo (...) hery ara-pitondrana sy fahefana izay voatendrin’Andriamanitra.” Nifidy ny ho faty anefa i Polycarpe toy izay hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora. Nanoratra toy izao ilay mpiaro ny finoana tamin’ny taonjato faharoa natao hoe Théophile, avy any Antiokia: “Hanome voninahitra ny emperora ihany aho, tsy amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana aminy velively, fa amin’ny fivavahana ho azy kosa. Andriamanitra anefa, ilay Andriamanitra velona sady marina, no hotolorako fanompoam-pivavahana.”
Ny vavaka mifanentana momba ny emperora dia tsy nisy fifandraisana velively tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora na tamin’ny fitiavan-tanindrazana. Nohazavain’ny apostoly Paoly toy izao ny zava-kendrena amin’ireny: “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe[-]panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” — 1 Timoty 2:1, 2.
“Nihataka tamin’ny fitambaran’olona
Izany fitondran-tena feno fanajana avy amin’ny Kristiana tany am-boalohany izany dia tsy nitondra ho azy ireo ny fisakaizan’izao tontolo izao niainan’izy ireo. Ilay mpanoratra tantara frantsay atao hoe A. Hamman dia nitantara fa ny Kristiana tany am-boalohany dia “niaina nihataka tamin’ny fitambaran’olona”. Niaina nihataka tamin’ny fitambaran’olona karazany roa, jiosy sy romana, izy ireo raha ny marina, ka tojo fitsarana an-tendrony sy tsy fahazoan-kevitra avy amin’ny andaniny roa.
Ohatra, rehefa nampangain’ny mpitarika jiosy tamin’ny fomba diso ny apostoly Paoly, dia nilaza ny fiarovan-tenany teo anoloan’ny governora romana hoe: “Tsy nanao ratsy aho, na tamin’ny lalàn’ny Jiosy, na tamin’ny tempoly, na tamin’i Kaisara. (...) Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.” (Asan’ny Apostoly 25:8, 11). Rehefa nahatakatra izy fa nioko hamono azy ny Jiosy, dia nangataka handahatra teo anatrehan’i Néron i Paoly, ka nanaiky tamin’izany ny fahefan’ny emperora romana. Taorian’izany, tamin’ny fitsarana azy voalohany tany Roma, dia niharihary fa nafahana i Paoly. Natao am-ponja indray anefa izy tatỳ aoriana, ary araka ny lovantsofina dia novonoina araka ny baikon’i Néron.
Momba ny toerana sarotra nisy ireo Kristiana tany am-boalohany tao amin’ny fitambaran’olona romana, dia nanoratra toy izao ilay teolojiana sady sosiology atao hoe Ernst Troeltsch: “Ny toerana sy ny asa rehetra izay nisy fifandraisany tamin’ny fanompoam-tsampy, na tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny Emperora, na izay nisy fifandraisany tamin’ny fandatsahan-dra na tamin’ny fanamelohana ho faty, na izay hitarika ny Kristiana ho amin’ny fifampikasohana tamin’ny faharatsiam-pitondran-tenan’ny mpanompo sampy dia voarara tsy hatao.” Moa ve izany fihetsika izany tsy namela toerana ho an’ny fifandraisana amim-pihavanana sy amim-pifanajana eo amin’ireo Kristiana sy ny Fitondrana?
Fandoavana amin’ny Kaisara izay “tokony ho azy”
Nanome fotopoto-pitsipika izay hanapaka ny fitondran-tena kristiana eo anoloan’ny Fitondrana Romana na, raha ny marina, eo anoloan’ny fitondram-panjakana hafa rehetra, i Jesosy rehefa nanambara hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21). Io torohevitra ho an’ny mpanara-dia an’i Jesosy io dia nifanohitra tamin’ny fomba niavaka tamin’ny fihetsiky ny Jiosy tia tanindrazana maro izay tsy faly tamin’ny fanapahana romana sy niady hevitra ny amin’ny maha-ara-dalàna ny fandoavan-ketra tamin’ny hery ara-pitondrana vahiny iray.
Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ireo Kristiana nonina tany Roma i Paoly hoe: “Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa. Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny [ireo “fahefana lehibe” ara-pitondram-panjakana]. Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay [mitaky hetra, NW ], fadin-tseranana ho an’izay [mitaky, NW ] fadin-tseranana”. (Romana 13:5-7). Na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza ireo Kristiana, dia manana adidy izy ireo ho marina sy ho olom-pirenena mpandoa hetra, ka handoa amin’ny Fitondrana noho ny asa natao ho azy ireo. — Jaona 17:16.
Voafetra ho amin’ny fandoavana hetra ve anefa ireo tenin’i Jesosy? Koa satria i Jesosy tsy namaritra marina izay an’i Kaisara sy izay an’Andriamanitra, dia misy toe-javatra eo anelanelany izay, arakaraka ny sehatra nitrangany na ny fahatakarantsika ny Baiboly manontolo, no tsy maintsy hanapahana hevitra ny aminy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fanapahana hevitra hoe zavatra inona no azon’ny Kristiana aloa amin’i Kaisara, dia mahakasika indraindray ny feon’ny fieritreretan’ilay Kristiana, izay hazavain’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.
Fahaiza-mandanjalanja amim-pitandremana amin’ny zavatra takina roa mifanohitra
Mirona hanadino ny olona maro fa rehefa avy nilaza fa tokony handoa amin’i Kaisara izay azy i Jesosy, dia nanampy toy izao: “Ary [aloavy] ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” Ny apostoly Petera dia nampiseho hoe inona no mitana ny toerana voalohany ho an’ny Kristiana. Raha vantany vao avy nanoro hevitra mba hanaiky ny “mpanjaka”, na ny emperora, sy ny ‘governorany’ i Petera, dia nanoratra toy izao: “Aoka ianareo ho toy ny olona afaka, kanefa amin’ny fitondrana ny fahafahanareo, tsy ho toy ny fanafenana ny zava-dratsy, fa amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra. Manomeza voninahitra ny karazan’olona rehetra, manàna fitiavana ny fitambaran-drahalahy manontolo, matahora an’Andriamanitra, manomeza voninahitra ny mpanjaka.” (1 Petera 2:16, 17, NW ). Nasehon’ilay apostoly fa ny Kristiana dia mpanompon’Andriamanitra, fa tsy an’ny mpanapaka olombelona iray. Na dia tokony hanome voninahitra sy fanajana araka ny mety ho an’ireo solontenan’ny Fitondrana aza izy ireo, dia tsy maintsy manao izany amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, izay ny lalàny no fara tampony.
Taona maro talohan’izay dia tsy namela fisalasalana i Petera raha ny amin’ny fahambonian’ny lalàn’Andriamanitra oharina amin’ny an’ny olombelona. Ny Synedriona jiosy dia fitambaran’olona mpitantan-draharaha izay nomen’ny Romana fahefana sivily sy ara-pivavahana. Rehefa nibaiko an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy mba hitsahatra tsy hitory intsony amin’ny anaran’i Kristy izy io, dia namaly tamim-panajana nefa tamin’ny fomba hentitra toy izao i Petera sy ireo apostoly hafa: “Izahay dia tsy maintsy mankato an’Andriamanitra ho mpanapaka fa tsy olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29, NW ). Mazava tsara fa voatery nitana fahaiza-mandanjalanja tamim-pitandremana ireo Kristiana tany am-boalohany raha ny amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanekena araka ny mety an’ireo fahefan’olombelona. Nilaza izany i Tertullien tany amin’ny fiandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i. nanao hoe: “Raha an’i Kaisara daholo ny [fanekena] rehetra, inona no hijanona ho an’Andriamanitra?”
Fanekena lembenana eo anoloan’ny Fitondrana
Rehefa nandeha ny fotoana, ny toerana noraisin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany nifandray tamin’ny Fitondrana dia nihanalemy tsikelikely. Nirobona tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i. ny fivadiham-pinoana voalazan’i Jesosy sy ny apostoly mialoha. (Matio 13:37, 38; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:3-12; 2 Petera 2:1-3). Nanaiky lembenana teo anoloan’izao tontolo izao romana ny Kristianisma nivadi-pinoana sy nandray ireo andro firavoravoana niharo fanompoan-tsampy sy ny filozofiany, ary nanaiky, tsy ny fanompoana sivily ihany fa ny raharaha miaramila koa.
Nanoratra toy izao ny profesora Troeltsch: “Nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo, ny tarehin-javatra dia nihasarotra kokoa satria nanjary nihabetsaka ireo Kristiana teo amin’ny laharana ambony kokoa tamin’ny Fiaraha-monina sy teo amin’izay nanana asa niavaka kokoa, tao amin’ny tafika sy teo anivon’ireo manamboninahitra. Tao amin’ny andalan-teny maro tao amin’ny soratra kristiana [tsy araka ny Baiboly] dia nisy fanoherana feno fahasosorana nanohitra ny fandraisana anjara tamin’ireny zavatra ireny; etsy an-danin’izany, dia mahita fanandramana hanaiky lembenana koa isika — fanaporofoana natao hampanginana feon’ny fieritreretana tsy milamina (...). Nanomboka tamin’ny andron’i Constantin dia nanjavona ireny zava-tsarotra ireny; nitsahatra ny tsy fifanarahana teo amin’ny Kristiana sy ireo mpanompo sampy, ary nosokafana ny fahafahana hahazo ny toerana rehetra tao amin’ny Fitondrana.”
Tany akaikin’ny faran’ny taonjato fahefatra am.f.i., io endrika Kristianisma nijangajanga sy nanaiky lembenana io dia nanjary ny fivavahan’ny Fitondran’ny Empira Romana.
Nandritra ny tantarany manontolo, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — nasehon’ny Eglizy Katolika, Ortodoksa, ary Protestanta — dia nanohy nanaiky lembenana tamin’ny Fitondrana, ka nanjary voarohirohy lalina tao amin’ny politikany sy nanohana azy tao amin’ny ady nataony. Mpiangona tso-po maro izay tafintohina tamin’izany no tsy isalasalana fa ho faly hahafantatra fa misy Kristiana amin’izao andro izao izay mihazona ny toeran’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany eo amin’ny fifandraisany amin’ny Fitondrana. Ireo lahatsoratra roa manaraka dia handinika ilay raharaha amin’ny an-tsipiriany kokoa.
[Sary, pejy 5]
I Néron Kaisara, izay ny aminy no nanoratan’i Petera hoe: “Manomeza voninahitra ny mpanjaka”
[Sary nahazoan-dalana]
Musei Capitolini, Roma
[Sary, pejy 6]
Nifidy ny ho faty i Polycarpe toy izay hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora
[Sary, pejy 7]
Ireo Kristiana tany am-boalohany dia tia fihavanana sy nanao ny marina ary olom-pirenena mpandoa hetra