-
‘Diniho Tsara Ilay Niaritra’“Andao Hanara-dia Ahy”
-
-
TOKO 7
‘Diniho Tsara Ilay Niaritra’
1-3. a) Inona no mampiseho fa nitaintaina be i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane? Inona no anton’izany? b) Inona no modely navelan’i Jesosy momba ny fiaretana, ary inona avy no fanontaniana mipetraka?
TENA mafy ny nanjo an’i Jesosy. Mbola tsy niady saina sy nitebiteby mafy toy izany izy. Ora vitsivitsy sisa dia ho faty izy. Nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane izy sy ny apostoliny. Toerana efa falehany izy io. Nila nitokana kely anefa i Jesosy tamin’io alina io. Navelany teo àry ny apostoliny, ary niditra tany anatiny kokoa tamin’ilay zaridaina izy. Nandohalika izy ary nanomboka nivavaka. Nitalaho mafy aoka izany izy sady nitaintaina be, ka lasa “hoatran’ny ra nitete tamin’ny tany” ny hatsembohany.—Lioka 22:39-44.
2 Nahoana i Jesosy no nitaintaina mafy toy izany? Marina fa fantany hoe tsy ho ela izy dia hiaritra fijaliana mampangirifiry. Tsy izany anefa no nampitebiteby azy. Zava-dehibe lavitra noho izany no nitana ny sainy. Nieritreritra lalina momba ny anaran’ny Rainy izy, ary fantany fa raha tsy mivadika ihany izy vao ho azo antoka ny hoavin’ny olombelona. Fantany fa tena mila miaritra izy. Ho afa-baraka tanteraka mantsy ny anaran’i Jehovah, raha tsy mahavita an’izany izy. Nahavita niaritra anefa i Jesosy. Nandresy izy ka niteny hoe: “Vita!”, taloha kelin’ny hahatapitra ny ainy. Izy tokoa no modely tsara indrindra, raha ny fiaretana no resahina.—Jaona 19:30.
3 Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘handinika tsara’ an’i Jesosy, “ilay niaritra.” (Hebreo 12:3) Mipetraka àry ireto fanontaniana lehibe ireto: Inona no fitsapana sasany niaretan’i Jesosy? Inona no nanampy azy hiaritra? Ahoana no azontsika anahafana azy? Hodinihintsika aloha ny atao hoe fiaretana, alohan’ny hamaliana an’ireo fanontaniana ireo.
Inona no atao hoe fiaretana?
4, 5. a) Inona no atao hoe “miaritra”? b) Tsy midika fotsiny hoe miatrika zava-tsarotra tsy azo anoarana ny hoe miaritra. Hazavao amin’ny ohatra.
4 ‘Malahelo’ noho ny “fitsapana samihafa” isika rehetra indraindray. (1 Petera 1:6) Rehefa misy fitsapana mahazo antsika anefa ve dia midika izany fa miaritra isika? Tsia. Ilay teny grika nadika hoe “miaritra” dia midika hoe “mikiry amin’izay atao ary tsy mety kivy, na misy olana aza.” Nisy manam-pahaizana nilaza hoe: “Toe-tsaina manampy ny olona hizaka izay manjo azy [ny fiaretana resahin’ny mpanoratra Baiboly]. Tsy mihafy fotsiny anefa izy, fa manantena mafy hoe hihatsara ny toe-javatra. ... Ny fiaretana no manampy ny olona hitraka foana fa tsy hitanondrika, rehefa misy zava-manahirana. Toetra tsara afaka manampy antsika mba hivoaka ho mpandresy ao anatin’ny fitsapana faran’izay mafy izy io. Manampy antsika mantsy izy io mba hitadidy fa ho tratrantsika ny tanjontsika, rehefa tapitra ny fijaliantsika.”
5 Tsy midika fotsiny hoe miatrika zava-tsarotra tsy azo anoarana àry ny hoe miaritra. Ny dikan’io teny io ao amin’ny Baiboly dia hoe tsy mivadika sy manana toe-tsaina tsara foana ary manantena fihatsaran-javatra, na eo aza ny fitsapana. Haka ohatra isika: Samy nogadraina ny lehilahy roa, saingy noho ny antony samy hafa tanteraka. Ny iray mpanao heloka bevava raindahiny, ary nanefa sazy tsy sazoka fotsiny, sady montotra be. Ny iray kosa Kristianina nogadraina satria tsy nety niala tamin’ny finoany. Tsy nanaiky hivadika izy ary nijery lafy tsaran-javatra foana, satria hitany fa fomba ahafahana mampiseho finoana ny figadrana. Tsy azo lazaina mihitsy hoe nanana fiaretana ilay mpanao heloka bevava. Naneho an’io toetra faran’izay tsara io kosa anefa ilay Kristianina tsy nivadika.—Jakoba 1:2-4.
6. Tsy maintsy miezaka mba hiaritra isika. Amin’ny fomba ahoana?
6 Tena mila miaritra isika mba ho voavonjy. (Matio 24:13) Tsy tonga dia manana fiaretana anefa isika, fa tsy maintsy miezaka mba hanana azy io. Amin’ny fomba ahoana? “Ny fahoriana mahatonga fiaretana”, hoy ny Romanina 5:3. Tsy tokony hatahotra isika ka handositra izay fitsapam-pinoana mitranga, raha tena tiantsika ny hahay hiaritra. Tsy maintsy miatrika azy ireny isika. Manjary mahay miaritra isika, rehefa miatrika sady mandresy ireo fitsapana mahazo antsika isan’andro, na kely izany na lehibe. Isaky ny avy mandresy fitsapana isika, dia mahazo hery hiatrehana ny manaraka. Mazava ho azy anefa fa tsy noho ny herintsika samirery no ahavitantsika miaritra. Mila ‘miantehitra [foana] amin’ny hery omen’Andriamanitra’ isika. (1 Petera 4:11) Manome antsika ny fanampiana tsara indrindra i Jehovah, mba tsy hahatonga antsika hivadika. Tsy inona izany fa ny modely navelan’ny Zanany. Andeha hojerentsika akaiky ny modely tonga lafatra nomen’i Jesosy tamin’ny fiaretana.
Inona no niaretan’i Jesosy?
7, 8. Inona no niaretan’i Jesosy rehefa nadiva hifarana ny fiainany teto an-tany?
7 Niaritra fampijaliana nisesisesy i Jesosy, rehefa nadiva hifarana ny fiainany teto an-tany. Eritrereto ange ny nanjo azy tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany e! Niady saina mafy izy, nefa mbola nisy nandiso fanantenana sy nanambany azy ihany. Namadika azy mantsy ny iray tamin’ireo namany akaiky. Nilaozan’ireo namana tsy foiny izy. Nentina teo anatrehan’ny fitsarana tsy ara-dalàna koa izy. Naneso sy nandrora ary nanisy totohondry azy ny mpikambana tao amin’io fitsarana avo ara-pivavahana io. Tony sy be herim-po foana anefa izy, ary nangina fotsiny, rehefa niaritra izany rehetra izany.—Matio 26:46-49, 56, 59-68.
8 Niaritra fijaliana nampangirifiry i Jesosy, nandritra ireo ora vitsy farany niainany. Nokaravasina izy, izany hoe nokapohina mafy ka nanjary “rovidrovitra ny nofony, ary nivoa-dra be.” Noho ilay fomba namonoana azy, dia “ela be [izy] vao maty, ary nanaintaina sy nangirifiry mafy dia mafy.” Alao sary an-tsaina ny fanaintainana tsapan’i Jesosy isaky ny nokapohina ireo fantsika be natao tamin’ny tanany sy tongony, mba hampiraikitra azy tamin’ilay hazo. (Jaona 19:1, 16-18) Tsy maintsy ho nanaintaina mafy koa izy, rehefa natsangana ilay hazo. Nitambesatra tamin’ireo fantsika mantsy ny vatany, ary nikasokasoka tamin’ilay hazo ny lamosiny feno ratra. Niaritra izany fijaliana nahery vaika izany izy, no sady nieritreritra ireo andraikitra mavesatra nankinina taminy, araka ny voalaza tany aloha.
9. Inona no dikan’ny hoe mitondra ny ‘hazo fijaliana’ sady manaraka an’i Jesosy?
9 Inona no tsy maintsy iaretantsika mpanara-dia an’i Kristy? Hoy i Jesosy: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy ... mitondra ny hazo fijaliany ary manaraka ahy foana.” (Matio 16:24) Tsy ‘hazo fijaliana’ ara-bakiteny no resahina eo, fa fijaliana, na fahafaham-baraka, na fahafatesana mihitsy aza. Tsy mora àry ny manara-dia an’i Kristy. Miavaka koa isika, satria manaraka ny fitsipika kristianina. Noho izany, dia mankahala antsika ity tontolo ity, satria tsy anisan’izy io isika. (Jaona 15:18-20; 1 Petera 4:4) Na izany aza, dia vonona hitondra ny hazo fijaliantsika isika, izany hoe aleontsika mijaly ary ho faty mihitsy aza, toy izay tsy hanaraka an’ilay Modelintsika.—2 Timoty 3:12.
10-12. a) Nahoana no sarotra tamin’i Jesosy ny niaritra ny tsy fahalavorarian’ny olona nanodidina azy? b) Inona no fitsapana sasany niaretan’i Jesosy?
10 Niharam-pitsapana hafa i Jesosy teto an-tany, satria tsy lavorary ny olona nanodidina azy. Tadidio fa “mpiasa tena mahay” izy taloha, ary nampiasain’i Jehovah mba hamorona ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. (Ohabolana 8:22-31) Fantatr’i Jesosy àry ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona: Noforonina mba hanome taratry ny toetran’ny Rainy izy ireo, ary hankafy ny fiainana eto an-tany sady hanana fahasalamana tonga lafatra. (Genesisy 1:26-28) Nahita ny loza vokatry ny fahotana anefa i Jesosy tetỳ an-tany. Hafa noho ny tamin’izy tany an-danitra ny fomba fijeriny an’izany. Efa olombelona mantsy izy tamin’izay, ka nitovy fihetseham-po tamin’ny olona. Azo antoka àry fa nalahelo izy, rehefa nahita fa tena tsy lavorary ny olombelona raha oharina amin’i Adama sy Eva taloha! Fitsapana ho an’i Jesosy koa izany. Kivy ve izy, ka nihevitra fa tsy hiova intsony ny olona mpanota? Andeha hojerentsika ny nataony.
11 Nalahelo mafy i Jesosy ka nitomany, rehefa nahita fa tsy niraharaha ny hafatra nentiny ny Jiosy. Nampihena ny zotom-pony ve izany, na nisakana azy tsy hitory intsony? Tsia. “Mbola nampianatra isan’andro tao amin’ny tempoly” ihany izy. (Lioka 19:41-44, 47) “Nalahelo be” koa i Jesosy, rehefa nahita an’ireo Fariseo tsy mba nangoraka. Nijery tsara an’i Jesosy izy ireo tamin’izay, mba hahitana raha hanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata izy. Natahotra an’ireo mpanohitra niseho azy ho marina ireo ve i Jesosy? Tsy izany mihitsy! Tsy nanaiky lembenana izy, fa nanasitrana an’ilay lehilahy, teo afovoan’ny synagoga mihitsy!—Marka 3:1-5.
12 Ankoatra izany, dia fitsapana ho an’i Jesosy koa ny kileman-toetran’ireo mpianany tena akaiky azy. Te ho ambony foana izy ireo, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-3. (Matio 20:20-24; Lioka 9:46) Imbetsaka i Jesosy no nampirisika azy ireo hanetry tena. (Matio 18:1-6; 20:25-28) Tsy nanaraka avy hatrany ny toroheviny anefa izy ireo. Mbola “nifamaly be” ihany aza izy ireo hoe iza no lehibe indrindra taminy, ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’izy ireo! (Lioka 22:24) Nieritreritra ve i Jesosy hoe tsy hiova mihitsy ny mpianany? Tsia. Naharitra sy be fanantenana hatrany izy, ka nifantoka tamin’ny toetra tsaran’izy ireo foana. Fantany fa tia an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ny mpianany, sady tena naniry hanao ny sitrapony.—Lioka 22:25-27.
13. Mety hiatrika fitsapana mitovy amin’ny niaretan’i Jesosy isika. Inona avy izany?
13 Mety hiatrika fitsapana mitovy amin’ny niaretan’i Jesosy isika. Mety tsy hiraharaha na hanohitra mihitsy ny olona sasany, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana isika. Havelantsika hanakivy antsika ve izany, sa hazoto hitory foana isika? (Titosy 2:14) Mety ho fitsapana ho antsika koa ny tsy fahalavorarian’ny mpiray finoana amintsika. Mety hanao teny na zavatra tsy voahevitra izy ireo, ka hampalahelo antsika. (Ohabolana 12:18) Moa ve ny kileman-toetran’izy ireo hahatonga antsika hieritreritra fa tsy hiova intsony izy? Sa kosa isika hamela foana ny fahadisoany ary hifantoka amin’ny toetra tsarany?—Kolosianina 3:13.
Inona no nanampy azy hiaritra?
14. Inona ireo zavatra roa nanampy an’i Jesosy hiaritra?
14 Inona no nanampy an’i Jesosy hiaritra sy tsy hivadika mihitsy, na dia nisy nanambany sy nampijaly ary nandiso fanantenana azy aza? Misy zava-dehibe roa nampahery azy. Voalohany, nitodika tany amin’ilay Avo Indrindra izy, izany hoe niantehitra tamin’ilay ‘Andriamanitra manampy antsika hiaritra.’ (Romanina 15:5) Faharoa, nibanjina ny hoavy izy, izany hoe nifantoka tamin’izay ho vokatry ny fiaretany. Hodinihintsika tsirairay ireo.
15, 16. a) Inona no mampiseho fa tsy niantehitra tamin’ny heriny i Jesosy mba hahafahany hiaritra? b) Inona no natokisan’i Jesosy fa hataon’ny Rainy, ary nahoana?
15 Tsy niantehitra tamin’ny heriny i Jesosy mba hahafahany hiaritra, na dia Zanak’Andriamanitra aza izy sady lavorary. Niantehitra tamin’ilay Rainy tany an-danitra kosa izy, ary nivavaka taminy mba hahazoana fanampiana. Hoy ny apostoly Paoly: “Nitalaho sy niangavingavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty i Kristy, sady nitaraindraina mafy sy nitomany be.” (Hebreo 5:7) Mariho fa tsy niangavingavy fotsiny i Jesosy, fa nitalaho mihitsy. Midika hoe miangavy fatratra mba hahazo fanampiana ny hoe ‘mitalaho.’ Milaza maro ilay teny grika nadika hoe “nitalaho”, izany hoe niangavy an’i Jehovah imbetsaka i Jesosy. Nivavaka imbetsaka sy tamin-kafanam-po tokoa i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane.—Matio 26:36-44.
16 Natoky tanteraka i Jesosy fa hamaly ny fitalahoany i Jehovah, satria fantany fa “Mpihaino vavaka” ny Rainy. (Salamo 65:2) Efa nahita ny Rainy namaly ny vavaky ny mpanompony tsy nivadika i Jesosy, tamin’izy tany an-danitra. Hitany, ohatra, fa naniraka anjely i Jehovah mba hamaliana ny vavaka tamin-kafanam-po nataon’i Daniela mpaminany, na dia mbola tsy vita aza ilay vavaka. (Daniela 9:20, 21) Koa raha izany àry no efa nataon’i Jehovah, moa ve izy tsy hamaly ny fitalahoan’ilay Zanany lahitokana, rehefa namboraka ny tao am-pony izy io sady “nitaraindraina mafy sy nitomany be”? Namaly ny fiangaviana fatratra nataon’ny Zanany tokoa i Jehovah, ka naniraka anjely hampahery azy mba hahazakany an’ilay fitsapana.—Lioka 22:43.
17. Nahoana isika no mila mitodika any amin’ilay Avo Indrindra mba hahafahantsika hiaritra? Ahoana no ampisehoantsika fa mitodika any aminy isika?
17 Tsy maintsy mitodika any amin’ilay Avo Indrindra koa isika mba hahafahantsika hiaritra, izany hoe mila miantehitra amin’Andriamanitra izay “manome hery” antsika. (Filipianina 4:13) Raha ny Zanak’Andriamanitra izay lavorary aza mantsy nila nitalaho fanampiana taminy, tsy mainka ve fa isika? Mety hila hiangavy an’i Jehovah imbetsaka toa an’i Jesosy isika. (Matio 7:7) Marina fa tsy afaka manantena isika hoe hisy anjely ho tonga hanampy antsika. Afaka matoky anefa isika fa hovalian’ilay Andriamanitsika be fitiavana ny fangatahan’ny Kristianina tsy mivadika, izay “mitalaho sy mivavaka foana, na andro na alina.” (1 Timoty 5:5) Na inona na inona fitsapana mihatra amintsika, dia azo antoka fa hamaly antsika i Jehovah, raha mivavaka amin-kafanam-po isika mba hahazo fahendrena sy herim-po ary tanjaka hiaretana an’ilay izy. Mety ho aretina izany, na fahafatesan’ny havan-tiana, na fanenjehan’ny mpanohitra.—2 Korintianina 4:7-11; Jakoba 1:5.
18. Inona no mampiseho fa tsy nifantoka tamin’ny fijaliany i Jesosy, fa nibanjina ny hoavy?
18 Afaka niaritra koa i Jesosy, satria nibanjina ny hoavy fa tsy nifantoka tamin’ny fijaliany. Hoy ny Baiboly momba azy: “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo alohany.” (Hebreo 12:2) Hitantsika amin’ny modely nomen’i Jesosy fa mifameno ny fanantenana sy ny fifaliana ary ny fiaretana. Izany hoe raha tsorina, dia mitondra fifaliana ny fanantenana, ary ny fifaliana kosa manampy ny olona hiaritra. (Romanina 15:13; Kolosianina 1:11) Nanana fanantenana faran’izay tsara i Jesosy. Fantany fa handray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy izy raha tsy mivadika, sady hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nanantena koa izy fa ho lasa Mpanjaka sy Mpisoronabe, ka hitondra fitahiana fanampiny ho an’ny olona mankatò. (Matio 20:28; Hebreo 7:23-26) Nifantoka tamin’ny hoaviny sy ny fanantenany i Jesosy, ka nahatsapa fifaliana lehibe. Izany fifaliana izany no nanampy azy hiaritra.
19. Ahoana no tokony hataontsika, mba hifameno ny fanantenana sy ny fifaliana ary ny fiaretana, rehefa miatrika fitsapam-pinoana isika?
19 Mila manahaka an’i Jesosy koa isika, ka havelantsika hifameno ny fanantenana sy ny fifaliana ary ny fiaretana. Hoy ny apostoly Paoly: “Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta fahoriana.” (Romanina 12:12) Miatrika fitsapam-pinoana tena mafy ve ianao amin’izao fotoana izao? Banjino tsara àry ny hoavy. Tadidio foana fa hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ianao, raha miaritra. Ataovy mazava tsara ao an-tsainao ilay fanantenanao sarobidy, izany hoe ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. Alao sary an-tsaina hoe efa ao amin’ilay tontolo vaovao ianao, sady mankafy ny zava-tsoa ao amin’ny Paradisa. Eritrereto hoe efa tanteraka ireo zava-mahatalanjona nampanantenain’i Jehovah. Anisan’izany ny hoe hohamasinina ny anarany, tsy hisy intsony ny faharatsiana, ary ho fongotra ny aretina sy ny fahafatesana. Ho faly dia faly tokoa ny fonao, rehefa mieritreritra an’izany ianao. Ary izany fifaliana izany no hanampy anao hiaritra fitsapana, na inona izany na inona. “Vetivety sy maivana” tokoa ny fijaliana rehetra manjo antsika eto amin’ity tontolo ity, raha oharina amin’ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana.—2 Korintianina 4:17.
‘Araho akaiky ny diany’
20, 21. Inona no takin’i Jehovah amintsika, raha ny fiaretana no resahina? Ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
20 Fantatr’i Jesosy fa ho sarotra ny hanaraka ny diany, ka mila miaritra izay hanao izany. (Jaona 15:20) Namela modely àry izy satria fantany fa hampahery ny mpanara-dia azy izany. (Jaona 16:33) Marina fa tonga lafatra ny modely nomeny tamin’ny fiaretana, fa isika kosa tena tsy lavorary. Inona àry no takin’i Jehovah amintsika? Hoy i Petera: “Nijaly ho anareo [i Kristy], ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Petera 2:21) “Modely” natao halaintsika tahaka ny fomba niatrehan’i Jesosy fitsapana.a Azo oharina amin’ny dian-tongotra ny fiaretan’i Jesosy. Marina fa tsy ho vitantsika ny hanaraka izany amin’ny fomba tonga lafatra. Ho vitantsika kosa anefa ny hanaraka “akaiky” an’izany.
21 Aoka àry isika ho tapa-kevitra hanao araka izay fara herintsika, mba hanarahana ny modely nomen’i Jesosy. Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa arakaraka ny anarahantsika akaiky ny diany, no ahafahantsika miaritra bebe kokoa “hatramin’ny farany.” Mety ho ny faran’ity tontolo tranainy ity izany, na ny faran’ny fiainantsika. Tsy fantatsika izay ho tonga voalohany amin’ireo, nefa fantatsika kosa fa hovalian’i Jehovah soa mandrakizay isika raha miaritra.—Matio 24:13.
a Midika ara-bakiteny hoe “dika soratra” ilay teny grika nadika hoe “modely.” Ny apostoly Petera ihany no mampiasa an’io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Izy io dia midika hoe “‘sora-kalina’ na soratra tsy misy diso ao anatin’ny kahien’ny ankizy, izay asaina alainy tahaka tsara araka izay hainy.”