-
Mety hahavonjy antsika ny batisa — Amin’ny fomba ahoana?Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Aprily
-
-
Mety hahavonjy antsika ny batisa — Amin’ny fomba ahoana?
“Mamonjy anareo (...) ny fandrobohana.” — 1 PETERA 3:21, Chouraqui.
1, 2. Fepetra inona avy no tokony hofenoina alohan’ny hanaovana batisa ao anaty rano?
JEHOVAH dia mitaky amin’ireo izay maniry hahazo ny famonjena, ny hamenoany fepetra hentitra tsara. Tokony hanana fahalalana marina izy ireny, haneho finoana, hibebaka amin’ny fahotany, hiova, hanolo-tena ho an’Andriamanitra ka hatao batisa amin’ny maha-mpino (Jaona 3:16; 17:3; Asa. 3:19; 18:8). Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony hanambara ampahibemaso fa noho ny soron’i Jesosy dia nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo ka nanolo-tena ho an’i Jehovah. Tokony ho takany koa fa ny fanolorany tena ho an’Andriamanitra sy ny batisa dia mampahafantatra azy ho Vavolombelon’i Jehovah.
2 Ny batisa miaraka amin’izay rehetra tafiditra aminy, anisan’izany io fanambarana ampahibemaso ny finoana io, dia ilaina mba hahazoana famonjena (Romana 10:10). Izany no hamafisin’ny apostoly Petera rehefa nanoratra izy hoe: “Mamonjy anareo (...) ny fandrobohana.” (1 Petera 3:21, Chouraqui). Inona marina anefa no hevitr’ireo teny ireo? Inona no asehon’ny teny manodidina?
Amin’ny fomba ahoana no amonjen’ny batisa?
3. Ahoana no hamintinanao ny 1 Petera 3:18-21 amin’ny fomba fiteninao manokana?
3 Nanambara i Petera fa rehefa natsangana ho fanahy Jesosy taorian’ny nahafatesany dia nitory hafatra fanamelohana tamin’ireo fanahy ratsy tao an-tranomaizina, dia ireo demonia voatana ao amin’ny fatorana mandrakizay ho amin’ny fitsaran’ny andro lehiben’i Jehovah. Ireny demonia ireny dia niseho ho tsy mpankatò tamin’ny nitafiany vatana ara-nofo sy tamin’ny fanambadiana zanakavavin’ny olombelona “fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka [Noa, ny vadiny, ny zanakalahiny sy ny vadin’ireo], ka namonjena azy ny rano.” Hoy ny nanampin’i Petera: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy ny fanesorana [fotsiny] ny fahalotoan’ny nofo [ilaina] anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” — 1 Petera 3:18-21; Genesisy 6:1, 2; 2 Petera 2:4; 2 Korintiana 7:1.
4. Inona no tian’i Petera holazaina rehefa nanoratra izy hoe: “Ny mifanitsy amin’izany”?
4 Inona no tian’i Petera holazaina amin’ny fitenenana hoe “izay tenan’io tandindona io [ny mifanitsy amin’izany, MN ]”? Fa ny batisa miorina amin’ny finoana dia mifanitsy amin’ny namonjena an’i Noa sy ny fianakaviany, izay nentina namakivaky soa aman-tsara ny ranon’ny safodrano, izay nahafatesan’ireo rehetra tany ivelan’ny sambo fiara. Toy ny tsy maintsy nanehoan’i Noa finoana rehefa nanamboatra ny sambo fiara, dia tahaka izany koa fa izay rehetra atao batisa ho toy ny mpianatr’i Kristy sy ho Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hanana finoana mba hanoherena ireo fitaoman’izao tontolo izao tsy manam-pinoana sy ny andriamaniny, Satana Devoly. — Hebreo 11:6, 7; 1 Jaona 5:19.
5. Amin’ny heviny ahoana no ahazoana ny famonjena “amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty”?
5 Tsy ny fandrobohana fotsiny akory no mahavonjy. Marina fa tokony ‘hesorintsika ny fahalotoan’ny nofo’, nefa ny fanaovana izany fotsiny akory tsy mahavonjy antsika. Ny famonjena kosa dia azo “amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty”. Tokony hino ireo mpilatsaka hatao batisa fa ny famonjena dia tsy mety ho azo raha tsy noho ny sorom-panavotana sy ny nitsanganan’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny maty. Tsy maintsy manaiky an’i Jesosy ho Tompony manana fahefana hitsara ny velona sy ny maty koa izy ireo. “Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra, hoy Petera, fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery”. — 1 Petera 3:22.
6. Inona no efa tsy maintsy nataon’ny mpilatsaka hatao batisa iray mba hahazoana fieritreretana tsara?
6 Mampiaraka ny batisa koa amin’ny “fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra” i Petera. Mba hahazoana fieritreretana tsara, dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotany ilay mpilatsaka hatao batisa, miala amin’ny fitondrantenany ratsy ary manolo-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Raha mitana izany fieritreretana tsara izany amin’ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ny mpianatra vita batisa anankiray, dia mitoetra ho mendrika hovonjena, ka manalavitra ny fanamelohana avy amin’i Jehovah.
Ireo fepetra takina mba hatao batisa
7. Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’ny misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana batisa?
7 Rehefa nanankina tamin’ny mpianany ny fanirahana hanao batisa mpianatra hafa i Jesosy, dia tsy nilaza taminy mba hanao famafazana rano amin’ny tsy mpino an’arivony mitambatra akory izy. Ahoana anefa no nataon’ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’io lafiny io? Izao no nosoratan’i François Xavier jesoita iray tamin’ny 1545 momba ny diany tany India: “Tao amin’ny fanjakan’i Travancore, (...) tao anatin’ny volana vitsivitsy dia nanao batisa lehilahy sy vehivavy ary ankizy iray alina mahery aho. (...) Nandeha isaky ny vohitra aho ary nataoko kristiana izy ireny.” Tsy toy izany ny fomba ‘fanaovana kristiana’ nampiasain’i Jesosy. Ireo izay maniry hatao batisa dia tokony hameno fepetra sasany.
8. Inona no vakina ao amin’ireo fitsipi-piangonana lazaina amin’ny fomba diso fa avy amin’i Paoly, mikasika ireo izay niseho ho amin’ny batisa?
8 Na dia taorian’ny apostoly aza, dia nisy “kristiana” sasany nino fa ny mpilatsaka hatao batisa dia tokony hahafeno fepetra hentitra. Momba izany, dia izao no vakina ao amin’ny fitsipi-piangonana tsy ao amin’ny Baiboly, nolazaina tamin’ny fomba diso fa avy tamin’ny apostoly Paoly. “Aoka hodinihina ny fitondrantenany sy ny fiainany (...). Raha toa ka mpitovo izy dia aoka izy hianatra tsy hijangajanga, fa hivady amin’ny fomba ara-dalàna. (...) Raha misy vehivavy janga miseho, dia aoka izy hitsahatra, raha tsy izany dia hailika. (...) Ny mpanao asa mahafa-baraka, (...) ny mpanao majika, ny mpifetsy olona, ny mpanao ody fitia, ny mpanandro, ny mpaminany ny miafina, ny mpamosavy, (...) ny mpanao ody atao fiaro, (...) ny mpanambara vintana, ny mpanazava fambara (...): aoka ny fotoana hisedra azy (...); raha toa ka mitsahatra izy dia aoka horaisina, fa raha tsy manaiky kosa izy, dia ailiko.”
9. Nahoana ny loholona ao amin’ny kongregasiona no miresaka amin’izay olona rehetra maniry hatao batisa?
9 Tsy manaraka zavatra voasoratra tsy ao amin’ny Baiboly tahaka ny vao notononina teo akory ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa mifampiresaka amin’ireo izay maniry hatao batisa kosa ny loholona, ary izany dia mba hahazoana antoka fa mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra ireny mpino ireny ary nanolo-tena ho an’i Jehovah (Asa. 4:4; 18:8; 2 Tesaloniana 3:2). Ireo fanontaniana dinihina ao amin’ny bokikely Voalamina mba hanatanteraka ny fanompoantsika dia manampy azy ireo hamantatra raha vonona ho amin’ny batisa ny olona anankiray. Raha tsy mazava ao an-tsain’ilay olona anankiray. Raha tsy mazava ao an-tsain’ny mpilatsaka hatao batisa ny hevitra sasany, na tsy nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra izy dia ho faly hanolotra azy ny fanampiany eo amin’ny lafiny ara-panahy ireo loholona.
10. Fihetsika inona no tokony hananana rehefa maniry hatao batisa ny tena?
10 Raha mankasitraka ny hatsaram-pon’Andriamanitra nasehony tamin’ny nanampiany antsika hahafantatra ny fikasany isika, dia hitovy amin’ireo olona izay nitorian’i Paoly tany Antiokia (Azia Minora). Na dia teo aza ny fanoheran’ny Jiosy, “rehefa nandre izany [ny fahafahana nananany hanjary heken’Andriamanitra] ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra [Jehovah, MN ]; ary izay voalahatra ho amin’ny (nanana ny toe-tsaina nety mba hahazoana ny, MN ] fiainana mandrakizay dia nino”. (Asa. 13:48.) Natao batisa ireny mpino vaovao ireny.
Natao batisa fony izy tanora
11. Mety ve ny hanoloran-tena ho an’Andriamanitra raha mbola tanora? Hamarino ny valin-teninao?
11 Ny sasany amin’ireo “nanana ny toe-tsaina nety mba hahazoana ny fiainana mandrakizay” dia zatovo. Fa raha natokana ho an’Andriamanitra Samoela sy Jaona Mpanao batisa talohan’ny nahaterahany, dia tsy afaka manolotra ny tenany eo amin’ny toeran’ny zanany ny ray aman-dreny (1 Samoela 1:11, 24-28; 2:11, 18, 19; Lioka 1:15, 66). Kanefa noho ny fanabeazana tsara araka ny Baiboly dia nandroso hatramin’ny batisa ny tanora maro. Ny vehivavy misionera kristiana anankiray izay natao batisa fony izy zatovovavy, dia nanoratra hoe: “Toa nanolo-tena mba hanompo ny Mpamorona ahy aho raha vao teo amin’ny taona nahafantarako fa misy izy. Ny fahalalana tsara kokoa an’Andriamanitra sy ny fikasany anefa dia nampitsiry tato amiko ny faniriana ny hatao batisa mba hampisehoana izany ampahibemaso. Kanefa satria tsy azon’ny reniko antoka raha takatro tsara ny maha-zava-dehibe ny fihetsiko, dia nanoro hevitra ahy izy mba hiandry raha misy olon-kafa vonona ho amin’ny batisa.” Tatỳ aoriana dia nisy vehivavy iray nilaza ny faniriany hatao batisa. “Tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy nisy resadresaka manokana nalamina ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa mihitsy. Ny talen’ny asa notendren’ny Fikambanana anefa (...) dia niresaka tamiko tamim-pahalemem-panahy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny dingana hataoko. Nitovy hevitra tanteraka tamin’izay rehetra nolazainy aho ary indray marainan’ny alahady namirapiratra, tamin’ny may 1921, dia natao batisa aho [sy io vehivavy io].”
12. Inona no noheverin’ny rahalahy Russell ny amin’ny fanoloran-tenan’ny ankizy tsy ampy taona iray?
12 Tamin’ny 1914, Charles Russell (izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower) dia naharay taratasy avy tamin’ny anankiray amin’ireo namany kristiana izay nanontany raha tokony hampirisika ny zanany lahy 12 taona hanolo-tena ho an’Andriamanitra izy. “Raha teo amin’ny toeranao aho, hoy ny valin-tenin’i Russell, dia tsy handodona azy hanokan-tena [hanolo-tena] ho an’Andriamanitra aho, nefa hampahafantariko azy fa tsy misy lalana mampiseho fahendrena kokoa noho izany ho an’ny olona rehetra manan-tsaina izay nahazo fahalalana an’Andriamanitra sy ireo fikasany feno famindrampo (...). Tsy misy olona hahazo ny fiainana mandrakizay raha tsy nanokana ny tenany ho an’Andriamanitra (...). Tsy hanimba ny zanakalahinao ny fanokanan-tena, fa mety hahazoany soa be dia be kosa aza. (...) Iza no ho afaka hilaza fa ny ankizy iray folo taona dia tsy ho afaka hahatakatra tanteraka izay hevitry ny hoe manokan-tena manontolo ho an’Andriamanitra amin’ny hevitra sy ny teny ary ny atao? Raha ny amiko, dia tadidiko fa nanokan-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra aloha kokoa noho ny zanakao aho, talohan’ny faharoa ambin’ny folo taonako.”
13. Inona no nambaran’ity gazety ity tamin’ny zatovo, 94 taona lasa izay?
13 Izao no azo novakina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) tamin’ny 1 Jolay 1894: “NY TILIKAMBO FIAMBENANA dia midera amim-pahatsorana ny ankizy sy zatovo rehetra nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra ka miezaka isan’andro hanaraka ny dian’i Jesosy. Mahafantatra ankizy mbola kely mihitsy izay tia an’i Jesosy izahay; tsy menatra ny hiandany aminy eo anoloan’ny ankizy hafa izay tsy tia azy sady tsy mitady ny fankasitrahany izy ireny; be herim-po sady tsy mivadika amin’Andriamanitra izy ireny, na dia esoin’ireo mpiara-mianatra aminy sy ailiny aza izy satria miresaka aminy ny vaovao tsaran’ny fanjakana. Faly izahay manana ho anisanay, zatovo izay nandà tamin-kerim-po an’izao tontolo izao, ny faniriany laza fatratra sy ny fahafinaretany, ho anisan’ny kristiana mahatoky izay [nanolotra] ny fiainany ho an’ny Tompo. Ny sasany amin’ireo miasa ao amin’ny biraontsika, ary maro amin’ireo mpitory maharitra mahita vokatra tsara, no tanora avokoa.” Koa na dia mbola tanora aza ianao, nahoana raha miresaka amin’ny ray aman-dreninao ny amin’ny fanoloranao tena ho an’i Jehovah Andriamanitra?
Ny anjara asan’ny ray aman-dreny
14. Soa inona avy no azon’ny zatovo izay manolo-tena ho an’i Jehovah?
14 Eritrereto ny soa ifalian’ireo ankizy izay notarihin’ny ray aman-dreniny ho amin’ny batisa (Efesiana 6:4). Ny fisaintsainana ireo zavatra ara-panahy dia manampy azy ireo hanalavitra ireo fandrika velarin’izao tontolo izao (1 Jaona 2:15-17). Tsy mijinja vokatra mampalahelo azo amin’ny ‘famafazana ho an’ny nofo’ izy ireo. (Galatiana 6:7, 8.) Mampiseho ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra izy ireny satria nampianarina hanana fiainana misy fitiavam-pivavahana (Galatiana 5:22, 23). Koa satria nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireo dia mampifamatotra fifandraisana akaiky aminy. Ary satria nianatra ny ‘hatoky an’i Jehovah’ izy ireo dia manaiky ny hotarihin’ny fahendrena avy any an-danitra ka mandeha amin’ny lalana mahafinaritra indrindra sy ao amin’ny fiadanana. — Ohabolana 3:5, 6, 13, 17.
15. Inona no azon’ny ray aman-dreny kristiana atao mba hamolavolana ny fiainan’ny zanany?
15 Koa satria mitondra soa be dia be tahaka izany ho an’ny zatovo ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah, ny ray aman-dreny kristiana dia tokony hanao izay rehetra azony atao mba hamolavolana ny fiainan’ny zanany. Tahaka an’i Timoty, ny tanora dia afaka mahazo fampianarana araka ny Baiboly hatramin’ny fahazazany mba ‘haharitra amin’izay zavatra nianarany sy nampinoana azy’. (2 Timoty 3:14, 15.) Afaka manome ohatra tsara ho an’ireo zanany ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra, amin’ny fananan’izy ireo fiainana faka tahaka sy manome azy ireny izany fampianarana izany arakaraka ny amelan’ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’Andriamanitra, ny fanandraman-javatra hitany sy ny fahamasahany. Tsy very maina foana ny fiezahana toy izany entina hanampiana ilay ankizy, raha tarihina amin’ny fomba mety. — Ohabolana 22:6.
16. Inona no tokony ho hitan’ny zanakao amin’ny ohatra sy ny fampianarana omenao?
16 Amin’ny ohatra sy ny fampianarana dia ampio ny zanakao hahita mazava izay rehetra mampisaraka ny fandaminan’i Jehovah amin’ny an’i Satana. Asehoy azy fa tsy afaka ny hanaiky lembenana an’izao tontolo izao ny kristiana, fa tokony handa kosa ny fanaony mahamenatra, ny fahafinaretany ratsy sy ny fanirian-dazany ary ny fifaneraserany (1 Korintiana 15:33; 2 Korintiana 4:2). Amin’ny fihetsikao sy amin’ny fampianaranao ary ny ohatra omenao, dia ataovy izay hahitan’ny zanakao fa tsinontsinona ny fahafinaretan’izao tontolo izao, ary mifanohitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia voafitaka ny olona eo amin’izao tontolo izao. Hazavao aminy ny fomba nitarihan’Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, ny nisakanany anao tsy hanaraka ny lalana izay hitarika anao ho amin’ny loza ary ny nanohanany anao tamin’ny fotoam-pahoriana sy alahelo. Aza manao fahadisoana mihitsy hihevitra fa ho tonga mpino ny zanakao, na dia avelanao hanaraka ny lalana mampiavaka an’izao tontolo izao voamariky ny avonavona, ny fanirian-daza, ny fireharehana sy ny hadalana aza. Alohan’ny hikatonan’ny fandrik’izao tontolo izao amin’ny zanakao dia arovy amin’ireo fitaoman-dratsiny izy ireo ka ampio mba ho tia an’i Jehovah sy hametraka ny fanantenany aminy.
Aorian’ny batisa
17. a) Nahoana no lavo eo amin’ny lafiny ara-panahy ny kristiana vita batisa sasany? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanolorana ny tenantsika ho an’Andriamanitra?
17 Na tanora izy na tsia, dia tsy isalasalana fa maniry hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah ny mpilatsaka hatao batisa anankiray. Raha izany no izy, nahoana no lavo eo amin’ny lafiny ara-panahy ny kristiana sasany vita batisa? Na dia mety hisy toe-javatra samihafa tafiditra aza, ny anankiray amin’ireo antony fototra dia toa ny tsy fahazoany tsara izay rehetra hevitry ny fanoloran-tena. Tsy nanolo-tena ho an’ny asa iray, izay hitana antsika ho sahirana fa tsy hahatonga antsika kosa ho olona ara-panahy isika. Aoka hotadidintsika fa nanolo-tena ho an’ny Persona iray, dia Jehovah Andriamanitra, isika, fa tsy ho an’ny asa iray akory. Izany dia manampy antsika tsy hanao fahadisoana hihevitra fa ny fanolorana ny tenantsika ho an’Andriamanitra dia fomba fanao tsy maintsy nofenointsika fotsiny talohan’ny hanombohantsika ny asany. Ny hoe manolo-tena ho an’Andriamanitra dia ny miditra ao amin’ny fifandraisana lehibe indrindra izay tokony harovana foana. Nanome antsika ny ohatra tamin’izany lafiny izany Kristy. Ireto teny ara-paminaniana ireto dia mampiseho ny fihetsiny feno fahatsoram-po rehefa niseho tamin’i Jehovah izy: “Inty Aho tonga (...). Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” — Salamo 40:6-8; Hebreo 10:5-10.
18. Amin’ny heviny ahoana no ‘tao anatin’i Jesosy’ ny lalàn’Andriamanitra?
18 Amin’ny heviny ahoana moa no hoe ‘tao anatin’i Jesosy’ ny lalàn’i Jehovah? Indray andro, dia nilaza tamin’ny mpanora-dalàna jiosy iray izy fa Jehovah Andriamanitsika dia iray ihany ary tsy misy hafa, ka tamin’izany no nanamafisany ny fahambonian’i Jehovah indrindra. Nasehony avy eo fa ireo didy milaza fa tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fon’ny tena rehetra sy ny sain’ny tena rehetra ary ny herin’ny tena rehetra sy ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mahaforona ny fototry ny lalàn’Andriamanitra mihitsy (Marka 12:28-34). Izany no antony lehibe indrindra nahafahan’i Jesosy nilaza hoe: ‘Sitrako ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra’. Na dia teo aza ireo fisedrana sy fijaliana mahatsiravina niaretany, dia nilofo hanatanteraka amim-pahatokiana ny asa nanirahana azy izy, tsy hoe satria fotsiny nihevitra izany ho toy ny asa tsara izy, fa satria nampifamatotra fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra kosa izy. Raha toa ny tenantsika koa miaiky ny fahambonian’i Jehovah ka manolotra azy fitiavana sy firaiketana tsy azo hozongozonina, dia hiaina mifanaraka amin’ny fanolorana ny tenantsika ho an’Andriamanitra sy amin’ny batisantsika isika.
19. Inona no ifandraisan’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny asa tanterahintsika?
19 Marina fa misy ifandraisany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny asa ataontsika. Mampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah isika amin’ny fitoriana ny Fanjakana. Momba izany, dia nanoratra toy izao indray andro ny rahalahy Grant Suiter, efa nodimandry ankehitriny, izay anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Rehefa (...) nihaino [mpiandraikitra mpitety faritany iray] nanazava fa tombontsoa sy andraikitra ny manompo an’i Jehovah aho, dia tsapako fa izany no tokony hataoko sy hiriko hatao. Koa izany no nanolorako tena manokana ho an’i Jehovah, ary izany koa no nataon’ny mpikambana hafa tamin’ny fianakaviako tamin’izany fotoana izany. Tatỳ aoriana kelin’izay, ny 10 oktobra 1926, tany San José, dia nanamarika izany fanoloranay tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izany izahay rehetra tamin’ny batisa tao anaty rano. (...) Taorian’ny batisa (...) dia nilaza tamin’ilay loholona nitarika ny raharaha ny raiko hoe: ‘Handeha hizara boky amin’ny olona ianareo, sa tsy izany? Maniry hanatanteraka izany asa izany koa izahay izao’. Nanao ireo dingana voalohany tamin’ny fitoriana àry ny fianakavianay.” Amin’izao andro izao, ireo izay mahafeno ny fepetra takina mba ho mpitory, dia manomboka mandray anjara amim-paharisihana amin’io asa io alohan’ny hanaovana batisa azy.
Mety hahavonjy antsika ny batisa
20, 21. a) Amin’ny ahoana no ‘voaisy marika’ ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona moa io “marika” io, ary milaza inona ny fananana izany?
20 Amin’ny asa ataontsika no azontsika ampisehoana fa “an’ny Tompo [Jehovah, MN ]” isika. Eny, tokony hanompo azy amim-pahatokiana, toy ny mpanompo nanolo-tena ho azy isika raha ta-hahazo ny famonjena (Romana 6:20-23; 14:7, 8). Fahiny, dia matetika no nitondra marika teo amin’ny handrina ny mpanompo. Amin’izao androntsika izao, amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana, ‘ilay lehilahy mitafy rongony fotsy’ ara-panoharana — ny sisa amin’ny mpianatra voahosotr’i Jesosy — dia eo ‘am-panasiana marika’ an’ireo ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Amin’izany asa izany, dia mahazo ny fanampian’ireo namany, dia ny “ondry hafa”, ireny kristiana voahosotra ireny. (Ezekiela 9:1-7; Jaona 10:16.) Inona moa ny “marika”? Izany dia porofo fa nanolo-tena ho an’i Jehovah isika ary tonga mpianatr’i Jesosy vita batisa nitafy ny toetra vaovao.
21 Zava-dehibe indrindra ny ananantsika sy itahirizantsika ny “marika” ankehitriny, satria efa lasa lavitra tokoa ny “andro farany” (Daniela 12:4). Mba hahavoavonjy antsika, dia tokony ‘haharitra hatramin’ny faran’ny’ fiainantsika ankehitriny na ny an’izao fandehan-javatra ankehitriny izao isika (Matio 24:13). Amin’ny fitoerantsika ho vavolombelon’i Jehovah mahatoky ihany àry no hoe hamonjy antsika ny batisa.
Famerenana
▫ Inona no tokony hataontsika mba ho voavonjy?
▫ Nahoana ny loholona no miresaka amin’ireo izay maniry hatao batisa?
▫ Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anomezana fitarihana ara-panahy ho an’ny zanany, izay hitarika azy ireny ho amin’ny batisa?
▫ Moa ve isika nanolo-tena ho an’ny asa iray?
▫ Amin’ny fomba ahoana ny batisa no mahavonjy antsika?
[Sary, pejy 16]
Fantatrao ve hoe amin’ny heviny ahoana no mifanitsy amin’ny namonjena an’i Noa sy ny fianakaviany tao amin’ny sambo fiara ny batisa?
[Sary, pejy 18]
Ny zatovo manolo-tena ho an’Andriamanitra ka atao batisa dia mahazo soa maro. Fantatrao ve hoe inona avy izany?