Toko 12
Ny Hevitry ny Batisanao
1, 2. a) Nahoana no tokony hahaliana ny tsirairay avy amintsika manokana ny batisa ao anaty rano? b) Ahoana no hamalianao fohy ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra faha-2?
TAMIN’NY taona 29 am.f.i., dia naroboka tao amin’ny Onin’i Jordana i Jesosy. Nijery izany mihitsy ny tenan’i Jehovah ary naneho ny fankasitrahany. (Matio 3:16, 17). Telo taona sy tapany tatỳ aoriana, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nanome toromarika an’ireo mpianany i Jesosy ka nilaza hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy”. (Matio 28:18, 19). Moa ve ianao natao batisa mifanaraka amin’io nasain’i Jesosy hatao io? Sa miomana ho amin’izany ianao izao?
2 Amin’ny tsirairay amin’ireo tarehin-javatra roa ireo, dia zava-dehibe ny hahatakarana mazava tsara ny amin’ny batisa. Anisan’ireo fanontaniana mendrika ny hodinihina ireto manaraka ireto: Moa ve ny batisan’ny Kristiana amin’izao andro izao manana heviny mitovy amin’ny an’i Jesosy? Moa ve mihatra aminao izay rehetra lazain’ny Baiboly momba ny batisa? Inona no tafiditra amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny hevitry ny batisa kristiana ao anaty rano?
Ireo batisa nataon’i Jaona
3. Voafetra ho an’iza ny batisan’i Jaona?
3 Tokony ho enim-bolana talohan’ny nanaovana batisa an’i Jesosy, dia nankany an’efitr’i Jodia i Jaona Mpanao Batisa nitory hoe: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:1, 2). Nahare izay nolazain’i Jaona ny olona avy tamin’io faritra rehetra io, niaiky tamim-pahatsorana ny fahotany ary nataony batisa tao Jordana. Natao ho an’ireo Jiosy izany batisa izany. — Asa. 13:23, 24; Lioka 1:13-16.
4. a) Nahoana no nila ny nibebaka tsy nisy hataka andro ireo Jiosy? b) Inona no notakina tamin’izy ireo mba tsy hiharan’ny ‘batisa amin’ny afo’?
4 Nila ny nibebaka tsy nisy hataka andro ireo Jiosy ireo. Tamin’ny taona 1513 al.f.i., teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia niditra tao amin’ny fanekem-pirenena iray nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamanitra ny razamben’izy ireo. Kanefa tsy niaina nifanaraka tamin’ireo andraikitra napetrak’izany fanekena izany teo aminy izy ireo, hany ka voahelok’izy io ho mpanota. Nahatandindomin-doza azy ireo ny toerana nisy azy. Efa akaiky “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sy mahatahotra”, nolazain’i Malakia mialoha, ary tamin’ny 70 am.f.i. dia namely an’i Jerosalema izy io tamin’ny alalan’ny fandringanana haingana. I Jaona Mpanao Batisa, tamin-jotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana marina toy ny an’i Elia, dia nirahina hialoha io fandringanana io mba “hamboatra firenena voaomana ho an’[i Jehovah, NW ]”. Nila ny nibebaka noho ireo fahotany tamin’ny fandikany ny faneken’ny Lalàna izy ireo ary nila ny niomana tao am-po sy tao an-tsaina mba hanaiky an’ilay Zanak’Andriamanitra, izay halefan’i Jehovah ho amin’izy ireo. (Mal. 3:22-24; Lioka 1:17; Asa. 19:4). Araka ny nohazavain’i Jaona, dia hanao batisa amin’ny fanahy masina ilay Zanak’Andriamanitra (batisa izay nihatra voalohany tamin’ireo mpianatra nahatoky tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i.) sy tamin’ny afo (batisa izay nihatra tamin’ireo tsy nibebaka rehefa tonga ny fandringanana tamin’ny 70 am.f.i.). (Lioka 3:16). Mba tsy hiharan’izany ‘batisa tamin’ny afo’ izany, dia nila ny natao batisa tao anaty rano ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ireo ho mariky ny fibebahany, ary tsy maintsy ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy izy ireo rehefa nisokatra ny fahafahana ho amin’izany.
5. a) Rehefa tonga mba hatao batisa i Jesosy, nahoana moa i Jaona no tsy nanaiky izany? b) Inona no nasehon’ny batisan’i Jesosy tao anaty rano? d) Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy?
5 Anisan’ireo izay nanatona an’i Jaona mba hatao batisa ny tenan’i Jesosy. Fa nahoana? Fantatr’i Jaona fa tsy nanana fahotana tokony hanaovany fieken-keloka i Jesosy, hany ka hoy izy hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?” Ny batisan’i Jesosy anefa dia hampiseho zavatra hafa. Noho izany dia namaly toy izao izy: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” (Matio 3:13-15). Tsy afaka ny hampiseho ny fibebahana noho ny fahotana ny batisan’i Jesosy; ankoatra izany, dia tsy nila ny nanolo-tena ho an’Andriamanitra koa izy, satria efa mpikambana tao amin’ny firenena iray izay efa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Ny batisany kosa, tamin’ny fotoana nahatongavany ho olon-dehibe teo amin’ny Jiosy teo amin’ny faha-30 taonany, dia nanamarika ny fisehoany teo anatrehan’ny Rainy any an-danitra mba hanao ny sitrapony hafa koa. Tafiditra tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’i “Kristy Jesosy, Izay olona”, ny asa iray mifandray amin’ilay Fanjakana, ary koa ny fanaovana ny ain’olombelona tanteraka nananany ho sorona mba ho avotra sady ho fototry ny fanekena vaovao iray. (Lioka 8:1; 17:20, 21; Heb. 10:5-10; Matio 20:28; 1 Tim. 2:5, 6). Nihevitra ho zava-dehibe aoka izany izay nasehon’ny batisany tao anaty rano i Jesosy. Tsy namela ny tenany ho voahelingelin’ny zavatra hafa izy. Hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany, dia nifikitra tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy. — Jaona 4:34.
Ny batisa ho ao amin’ny fahafatesana
6. Nandia batisa hafa inona koa i Jesosy ary nandritra ny fe-potoana nanao ahoana?
6 Nifanaraka tamin’izay nasehon’ny batisan’i Jesosy tao anaty rano, dia nandia batisa hafa iray koa izy. Fantany fa ny asa nanendren’Andriamanitra azy hataony dia hitarika ho amin’ny fanolorany ny ain’olombelona nananany ho sorona, kanefa koa fa hatsangana ho fanahy (esprit) izy amin’ny andro fahatelo. Niresaka ny amin’izany ho toy ny batisa izy. Io “batisa” io dia nanomboka tamin’ny 29 am.f.i., kanefa tsy nifarana raha tsy efa maty tokoa izy ka natsangana tamin’ny maty. Tokony ho telo taona taorian’ny nandrobohana azy tao anaty rano àry, dia afaka nilaza tsara izy hoe: “Manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!” — Lioka 12:50.
7. a) Iza koa no atao batisa ho ao amin’ny fahafatesana? b) Iza no manao io batisa io?
7 Ireo izay hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra dia tsy maintsy hatao batisa ho ao amin’ny fahafatesana toy izany koa. (Marka 10:37-40; Kol. 2:12). Amin’ny fahafatesany, dia mamoy mandrakizay ny maha-olombelona azy izy ireo, tahaka an’i Jesosy. Izany dia batisa, tsy ataon’olombelona, na iza izany na iza, fa ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany any an-danitra.
8. Inona no hevitry ny fanaovana ‘batisa azy ireo koa ho ao amin’i Kristy Jesosy’?
8 Ireo izay atao batisa ho ao amin’ny fahafatesan’i Jesosy dia lazaina koa fa ‘atao batisa ho ao amin’i Kristy Jesosy’. Amin’ny alalan’ny fanahy masina, izay azony amin’ny alalan’i Kristy, dia manjary tafaray aminy, izay lohany, izy ireo, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny kongregasionany voahosotry ny fanahy, dia ny ‘tenany’, azy ireo. Satria mahatonga azy ireo ho afaka hanome taratry ny toetra ambonin’i Kristy izany fanahy izany, dia azo lazaina fa izy rehetra ireo dia manjary ‘iray ihany ao amin’i Kristy Jesosy’. — Rom. 6:3-5, NW; 1 Kor. 12:13; Gal. 3:27, 28, NW; Asa. 2:32, 33.
Ny batisa ao anaty ranon’ireo mpianatra kristiana
9. a) Oviana no nanomboka ny batisa araka ny atoro ao amin’ny Matio 28:19? b) Amin’ny fampiasana ireo fanontaniana sy andinin-teny omena miaraka amin’ity fehintsoratra ity, dia fakafakao izay nasehon’i Jesosy fa tsy maintsy eken’ireo mirotsaka hatao batisa.
9 Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany dia nataon’i Jaona batisa tao anaty rano ary avy eo dia notarihina ho amin’i Jesosy mba ho anisan’ny ampakariny ara-panahy amin’ny hoavy. (Jaona 3:25-30). Teo ambany fitarihan’i Jesosy, dia nanao batisa koa izy ireo, ka izany dia nanana heviny nitovy tamin’ny batisan’i Jaona. (Jaona 4:1-3). Hatramin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. anefa, dia nanomboka nanatontosa ny asa nasaina nataony izy ireo, dia ny hanao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. (Matio 28:19). Ho hitanao fa hitondra soa be dia be ny fijerena indray ny hevitr’izany, araka ny ahariharin’ireo andinin-teny voatonona miaraka amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Mba hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”, inona moa no tsy maintsy eken’ny olona iray momba ny Ray? (2 Mpanj. 19:15; Sal. 3:8; 73:28; Isaia 6:3; Rom. 15:6; Heb. 12:9, NW; Jak. 1:17).
Mitaky ny fanekena ny inona moa ny batisa amin’ny anaran’ny “Zanaka”? (Matio 16:16, 24; Fil. 2:9-11; Heb. 5:9, 10).
Inona no tsy maintsy inoan’ny olona iray mba hatao batisa amin’ny anaran’ny ‘fanahy masina’? (Lioka 11:13; Jaona 14:16, 17, fanamarihana ambany pejy; Asa. 1:8; 10:38; Gal. 5:22, 23; 2 Pet. 1:21).
10. a) Inona no asehon’ny batisa kristiana ao anaty rano amin’izao andro izao? b) Amin’ny ahoana izany no hafa noho ny batisan’i Jesosy? d) Rehefa atao batisa ireo olona mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina, tonga inona moa izy ireo?
10 Ireo voalohany natao batisa nifanaraka tamin’ireo toromarika nomen’i Jesosy ireo dia Jiosy (sy proselyta jiosy), izay efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny naha-firenena azy, ary nanehoany fiheverana manokana mandra-pahatongan’ny taona 36 am.f.i. Kanefa, rehefa natolotra an’ireo Samaritana sy an’ireo Jentilisa ny tombontsoa ho mpianatra kristiana, talohan’ny nanaovana batisa azy, ireo dia tsy maintsy nanao fanoloran-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy tamin’ny naha-mpianatry ny Zanany azy ireo. Ho an’ny rehetra, anisan’izany ireo Jiosy, dia mbola izany ihany no hevitry ny batisa kristiana ao anaty rano hatramin’izao androntsika izao. Io ‘batisa iray’ io dia mihatra amin’ireo rehetra tonga Kristiana marina. Amin’izany izy ireo dia tonga vavolombelona kristian’i Jehovah, minisitra voatendrin’Andriamanitra. — Efes. 4:5; 2 Kor. 6:3, 4, NW.
11. a) Mifanitsy amin’inona moa ny batisa kristiana ao anaty rano, ary amin’ny fomba ahoana? b) Voavonjy avy amin’inona ny Kristiana iray amin’izany?
11 Misy vidiny lehibe eo imason’Andriamanitra izany batisa izany. Rehefa avy nanonona ny nanamboaran’i Noa ilay sambofiara izay niaro azy sy ny fianakaviany tsy ho faty nandritra ny Safodrano ny apostoly Petera, dia nisarika ny saina ho amin’izany. Nanoratra toy izao izy: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty”. (1 Pet. 3:21). Ilay sambofiara dia porofo azo tsapain-tanana fa nanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Noa ary tena nanao tamim-pahatokiana ilay asa nasain’Andriamanitra hataony. Izany dia nitarika ho amin’ny fiarovana azy tsy ho faty. Mifanitsy amin’izany koa fa ireo izay manolo-tena ho an’i Jehovah miorina amin’ny finoana an’i Kristy tafatsangana amin’ny maty, ka atao batisa ho fampisehoana izany ary avy eo dia manao ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ireo mpanompony amin’izao andro izao — ireo dia ho voavonjy avy amin’ity tontolo ratsy ankehitriny ity. (Gal. 1:3, 4). Tsy mizotra ho amin’ny fandringanana miaraka amin’ny sisa amin’izao tontolo izao intsony izy ireo. Efa voavonjy avy amin’izany izy ireo ary nomen’Andriamanitra fieritreretana tsara.
Ny fiantsorohana ireo andraikitsika
12. Nahoana ny fanekena hatao batisa fotsiny no tsy antoka fa ho voavonjy ny tena?
12 Ho fahadisoana ny hanatsoahana hevitra fa ny fanekena hatao batisa fotsiny dia efa antoka fa ho voavonjy isika. Tsy misy vidiny izany raha tsy tena nanolo-tena marina ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy ilay olona ka avy eo dia manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ary miseho ho mahatoky hatramin’ny farany. — Matio 24:13.
13. a) Inona no sitrapon’Andriamanitra raha ny amin’ny fomba ampiasan’ny Kristiana vita batisa ny fiainany? b) Tokony hanao ahoana ny maha-zava-dehibe ny maha-mpianatr’i Kristy antsika eo amin’ny fiainantsika?
13 Tafiditra tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’i Jesosy ny fomba nampiasany ny fiainany tamin’ny naha-olombelona azy. Tokony hatolony ho sorona tamin’ny fahafatesana izany. Raha ny amintsika kosa, ny tenantsika dia tokony hatolotra ho an’Andriamanitra mba hanarahana fiainana maneho fahafoizan-tena. Tsy tokony hampiasaina afa-tsy ho amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izany. (Rom. 12:1, 2, NW ). Tena azo antoka fa tsy hanao izany isika, raha toa, na dia indraindray ihany aza, ka minia mitondra tena toy izao tontolo izao manodidina antsika, na manorina ny fiainantsika hihodinkodina eo amin’ny fikatsahan-javatra feno fitiavan-tena kanefa tsy manolotra afa-tsy fanompoana anarany fotsiny ho an’Andriamanitra. (1 Pet. 4:1-3; 1 Jaona 2:15-17). Rehefa nanontany ny amin’izay tokony hataony mba hahazoana fiainana mandrakizay ny Jiosy iray, dia nampahatsiahy azy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny hananana fiainana madio ara-pitondran-tena i Jesosy. Avy eo dia nasehony azy ny ilàny hanaovana ny maha-mpianatra kristiana azy, izany hoe ny maha-mpanara-dia an’i Jesosy azy, ho ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tsy afaka ny ho eo amin’ny toerana faharoa, aorian’ny fikatsahana zavatra ara-nofo, izany. — Matio 19:16-21, NW.
14. a) Andraikitra inona mifandray amin’ilay Fanjakana no ananan’ny Kristiana rehetra? b) Araka ny aseho eo amin’ny pejy faha-101, inona avy no fomba mandaitra sasany anaovana io asa io? d) Raha tena mandray anjara marina amin’ny fontsika manontolo amin’io asa io isika, manome porofo ny amin’inona moa izany?
14 Tokony hotadidina koa fa tafiditra tao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’i Jesosy ny asa iankinan’ny aina iray mifandray amin’ilay Fanjakana. Voahosotra mba ho Mpanjaka i Jesosy. Kanefa, fony izy teto an-tany, dia vavolombelona be zotom-po koa nanambara ilay Fanjakana izy. Manana asa fanambarana toy izany tokony hataontsika koa isika, sady manana ny antony rehetra mba hanaovana izany amin’ny fontsika rehetra. Amin’ny fanaovantsika izany, dia mampiseho ny fankasitrahantsika ny fiandrianan’i Jehovah isika ary koa ny fitiavantsika ireo mpiara-belona amintsika. Mampiseho amin’izany koa isika fa tafaray amin’ireo mpiara-manompo amintsika maneran-tany, izay samy vavolombelona manambara ilay Fanjakana avokoa, eo am-pandrosoantsika rehetra hahatratra ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay eo ambanin’izany Fanjakana izany.
Famerenana
● Fitoviana inona avy ary fahasamihafana inona avy no misy eo amin’ny batisan’i Jesosy sy ny batisa ao anaty rano amin’izao andro izao?
● Ho an’iza moa ny batisan’i Jaona? Iza avy no atao batisa ho ao amin’ny fahafatesana? Iza avy no atao “batisa ho ao amin’i Kristy Jesosy”?
● Inona no tafiditra amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ireo andraikitra entin’ny batisa kristiana ao anaty rano?
[Efajoro/Sary, pejy 101]
Amin’ny fomba ahoana avy no anambaranao ilay Fanjakana?
Isan-trano
Amin’ny fiverenana hitsidika ireo olona liana
Any amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano
Eny amin’ny arabe
Amin’ireo mpiara-mianatra
Amin’ireo mpiara-miasa